VAOVAO TSARA HO FANTATRA (03/11/11)

Publié le par Tiatanindrazana.com

http://collectif-gtt.org/file/imagecache/large/fg/alt/ITW/RALITERA.jpg

 

 

Rajoelina sy ny miaramila Nihaona mangingina tamin’ny Amerikanina

 http://tiatanindrazana.com/pages/modules.php?id=5782&idcat=2

 

03/11/2011

Ny filohan’ny FAT, ny Cemgam ary ny Chef de Corps rehetra no nandeha mangingina tany amin’ny solontenan’ny ambasadaoron’i Amerika eto amintsika.

 Nialoha kely ny fanendrena praiminisitra ny hetsika, raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny fiadidiana FAT rahateo. Na izany aza, tsy nisy nipika aloha hatreo ny mety ho resaka nandeha tao. Ny hany tsikaritra dia nanao fivoriana mangingina maromaro ny manamboninahitra sasantsasany teo anivon’ny tafika talohan’ny fanendrena praiminisitra hatrany. Raha ny fihevitra azy dia misy hifandraisany avokoa ireo rehetra ireo. Mety hoe mitady hihetsika indray ny miaramila izay efa somary tezitra ihany rehefa voalaza fa tsy misy afaka miditra ho kandida praiminisitra ny olon’izy ireo. Eo ihany koa ny ankapitaka nahazo ny praiminisitra teo aloha Camille Vital izay voatery nanala tena tsy ho kandida vokatr’izany kanefa nisy ihany ny miaramila nilatsaka hotendrena tao anatin’ny lalao. Ny Amerikanina raha hiverenana kely dia anisan’ny nitsipaka ny fitondrana ankehitriny sy ny endrika tsy fanarahan-dalàna rehetra nataony. Mampametra-panontaniana, araka izany, ny mety ho votoatin’ity dia manginginan’ny FAT sy ny miaramila ity.

 

Ralitera Andrianandraina Nitaky ny hamoahana ireo gadra politika

http://tiatanindrazana.com/pages/modules.php?id=5784&idcat=2

03/11/2011

Anisan’ireo voaasa hanome voninahitra ny famindram-pahefana teo amin’ny praiminisitra teo aloha Albert Camille Vital, sy ny praiminisitry ny marimarira iraisana, Beriziky Jean Omer, teny amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo, ingahy Ralitera Andrianandraina omaly.

 Nanaitra ny maro, indrindra ny mpanaraka fahitalavitra ny nahita azy tonga teny. Nanazava moa ity talen’ny fiarovana teo anivon’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana teo aloha ity, fa nasaina manokana izy amin’ny maha gadra politika voatana ela indrindra tany am-ponja tato anatin’izao tetezamita izao. Nohararaotiny koa ny fahatongavana teny Mahazoarivo nanamafisana tamin’ny praminisitra vaovao, ny fitakiana ny hamoahana ireo gadra politika rehetra mbola voatana am-ponja. «Avoahy ireo gadra politika raha te hanaja ny tondrozotra, ary koa hisian’ny fitoniana politika eto», hoy Ralitera Andrianandraina.

 

Publié dans La Presse

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article