FANAMBARAN’IREO JENERALY MISOTRO RONONO

Publié le par Généraux en retraite

FANAMBARAN’IREO JENERALY MISOTRO RONONO 

 

Manoloana ny zavanisy mikasika ny fihetsiketsehana nataon’ny vahoaka ho fanehoan-kevitra teto amin’ny firenena nandritra izao krizy izao, dia tsy hainay Manamboninahitra Jeneraly sy Manamboninahitra ambony misotro ronono, nivory teny Ankerana ny volana Mey 2010 ny hangina koa manao izao fanambarana izao izahay :

1. Anisan’ny fotokevi-dehibe tamin’izany fivoriana teny Ankerana izany ny tokony hisian’ny fitoniana eo anivon’ny Foloalindahy sy ny Firenena ;

2. Notsiahivina tamin’izany fotoana izany ihany koa ny fanarahana ny lalàna velona eto amin’ny tany sy ny fanjakana, amin’ny fanatanterahana ny andraikitra ;

3. Anisan’ny zava-nokendrena tamin’izany ny fampiharana sy fanatsarana ny fehinkevitra izay tapaka tamin’ny « Assises militaires » teny Ivato tamin’ny taona 2009 hikendrena ny maha-iray tsy mivaky ny Foloalindahy ;

4. Averina etoana fa ny antom-pisian’ny Foloalindahy dia ny fiarovana ny ain’ny olona sy ny fananany sy ny fampanajana ny sata repoblikana « Ho an’ny Tanindrazana ».

Noho izany :

1. Tsindrianay mafy etoana fa anisan’ny zo fototra iraisam-pirenena ny fahafahana maneho hevitra ankalalahana, eo anivon’ny firenena.

2. Tsy tokony hampiasaina ho Herim-pamoretana ny vahoaka ny Foloalindahy.

3. Arakan’ny voadidin’ny lalàna velona, ny manampahefana sivily izay manome baiko ny mpitandron’ny filaminana handrava fihetsiketsehana ka hampiasa hery no tsy maintsy manatrika ny fanatanterahana izany.

Amin’izany andraikitra izany dia mitondra ny marika maha-manampahefana sivily azy izy (fanamiana na samboady).

Izy ihany koa no manome fampitandremana mialoha ny fampiasan-kery.

Koa manainga sy mampahatsiahy ireo zandry tompon’andraikitra ankehitrio izahay ny maha-zava-dehibe ny fampiharana ny lalàna velona ho fiarovana ny tsy hisian’ny rà mandriaka sy tsy hisian’ny hantsana mampisaraka ny vahoaka sy ny Foloalindahiny.

Natao teto Antananarivo androany faha-23 mey 2012

Source: http://www.tananews.com/2012/05/declaration-en-malagasy-des-generaux-retraites/

Publié dans La Presse

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article
S
Awesome your blog
Répondre
P
Very easy and excellent your article on jeneraly misotro, I am from Pune, India regular reader of your every post.
Répondre
P
I am Priyanka Pandey and I am an independent Delhi escort girl. I am interested in Dating call if you are looking for sex or enjoyment.
Répondre
S
Very easy and excellent your offer comment. Since during travel its happen very easy and offer also secure mode.
Répondre