Quantcast

Présentation

Hain-teny/Ohabolana

                             Booste le trafic de ton blog

 

  

-   Tari-drano an-kilahila, ny very no be noho ny tonga

 

 

 

                     http://www.linternaute.com/0_newsletter/nature/185/images/aigle.jpg

 

 

Tsy satrim-parihy hitera-potaka, fa ao ihany Ra-nanakobana !

 

 

 

 

 

 

 

Wikio

Recherche

TWITTER

Partager

Syndication

  • Flux RSS des articles

Créer un Blog


web counters 

 

Catégories

Calendrier

Mai 2013
L M M J V S D
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30 31    
<< < > >>
Mercredi 23 mai 3 23 /05 /Mai 16:09

FANAMBARAN’IREO JENERALY MISOTRO RONONO 

 

Manoloana ny zavanisy mikasika ny fihetsiketsehana nataon’ny vahoaka ho fanehoan-kevitra teto amin’ny firenena nandritra izao krizy izao, dia tsy hainay Manamboninahitra Jeneraly sy Manamboninahitra ambony misotro ronono, nivory teny Ankerana ny volana Mey 2010 ny hangina koa manao izao fanambarana izao izahay :

1. Anisan’ny fotokevi-dehibe tamin’izany fivoriana teny Ankerana izany ny tokony hisian’ny fitoniana eo anivon’ny Foloalindahy sy ny Firenena ;

2. Notsiahivina tamin’izany fotoana izany ihany koa ny fanarahana ny lalàna velona eto amin’ny tany sy ny fanjakana, amin’ny fanatanterahana ny andraikitra ;

3. Anisan’ny zava-nokendrena tamin’izany ny fampiharana sy fanatsarana ny fehinkevitra izay tapaka tamin’ny « Assises militaires » teny Ivato tamin’ny taona 2009 hikendrena ny maha-iray tsy mivaky ny Foloalindahy ;

4. Averina etoana fa ny antom-pisian’ny Foloalindahy dia ny fiarovana ny ain’ny olona sy ny fananany sy ny fampanajana ny sata repoblikana « Ho an’ny Tanindrazana ».

Noho izany :

1. Tsindrianay mafy etoana fa anisan’ny zo fototra iraisam-pirenena ny fahafahana maneho hevitra ankalalahana, eo anivon’ny firenena.

2. Tsy tokony hampiasaina ho Herim-pamoretana ny vahoaka ny Foloalindahy.

3. Arakan’ny voadidin’ny lalàna velona, ny manampahefana sivily izay manome baiko ny mpitandron’ny filaminana handrava fihetsiketsehana ka hampiasa hery no tsy maintsy manatrika ny fanatanterahana izany.

Amin’izany andraikitra izany dia mitondra ny marika maha-manampahefana sivily azy izy (fanamiana na samboady).

Izy ihany koa no manome fampitandremana mialoha ny fampiasan-kery.

Koa manainga sy mampahatsiahy ireo zandry tompon’andraikitra ankehitrio izahay ny maha-zava-dehibe ny fampiharana ny lalàna velona ho fiarovana ny tsy hisian’ny rà mandriaka sy tsy hisian’ny hantsana mampisaraka ny vahoaka sy ny Foloalindahiny.

Natao teto Antananarivo androany faha-23 mey 2012

Source: http://www.tananews.com/2012/05/declaration-en-malagasy-des-generaux-retraites/

Par Généraux en retraite - Publié dans : La Presse - Communauté : DON-TANDROKA
Ecrire un commentaire - Voir les 0 commentaires
Retour à l'accueil

 
Créer un blog gratuit sur over-blog.com - Contact - C.G.U. - Rémunération en droits d'auteur - Signaler un abus - Articles les plus commentés