Overblog Suivre ce blog
Editer l'article Administration Créer mon blog
rov@higa

Madagascar: Le pied du mur

22 Mai 2012, 15:42pm

Publié par rovahiga

http://t0.gstatic.com/images?q=tbn:ANd9GcTBsKv74TrzDzaQXoPU6xV9Sm3vrNnnvnw4OAWdNTSx9eBKh76Qj4D1SrsC

 

Rajoelina a bien épuisé ses « tours de passe-passe » et se retrouvera au pied du mur plutôt qu’il ne le pense. Il a fallu du temps pour convaincre les incrédules et ceux de mauvaise foi, mais il faut maintenant se rendre à l’évidence. D’autre part, si comme les zébus  les honnêtes gens s’endorment ensemble mais ne s’éveillent pas au même moment (« omby indray mandry tsy indray mifoha » du proverbe malgache), ils finissent cependant par se réveiller, tous. On a beau le rappeler à tout bout de champ : « méfiez-vous de l’eau qui dort ! ».  

 

L’histoire est en marche mais attendons de voir dans quelle direction se dirige-t-elle, on ne peut plus faire confiance à qui que ce soit ! Si la mouvance Ravalomanana décide d’en finir avec les faux débats, les pro-Rajoelina pensent encore pouvoir maquiller la réalité. Il faut avouer qu’après le départ de Sarkozy, les cartes en main ne sont plus les mêmes et le jeu semble se resserrer.

 

Les fonctionnaires, comme les autres forces vives du pays ont pris leur courage à deux mains et font face enfin à leur devoir de patriotes responsables. Le reste de la population se relève tout engourdi et commence à « se défouler ». Pendant ce temps quelques « politiciens » s’escriment à vouloir se présenter comme des gens de bonne volonté, oubliant qu’ils sont marqués au fer sur le derrière et que l’épaisseur de leur pantalon ne changera rien à leur profil !

 

Nous saluons quoiqu’il en soit la « Coordination nationale des officiers » qui a au moins le mérite de prouver que l’armée compte encore des forces fidèles à leurs devoirs et missions.

 

rov@higa

 

EMMOREG contre EMMONAT ! 

Exclusivité TNN :

 

Le projet de nouvelle transition que prépareraient Andry Rajoelina et le Général Lucien Rakotoarimasy 

Nos sources d’information nous ont transmis le document de 8 pages ci-dessous, sous toutes réserves.

 CLIQUEZ SUR CE LIEN POUR TÉLÉCHARGER  Une nouvelle  Une nouvelle Transition en préparation ?   

 

Jeneraly sy kôlônely nandray andraikitra

http://www.moov.mg/actualiteNationale.php?articleId=739079

Mampitandrina ny fitondrana hampitsahatra ny fidarohana vahoaka

CST ( « Colonel Sans Travail » ), mitonona ho tsy manana asa,  manodidina ny 600 sy jeneraly maromaro no namoaka fanambarana manoloana ny raharaham-pirenena, omaly.

Mihazakazaka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena tato anatin’ny 48 ora ary tsikaritra ho miverina tsikelikely sahady ny tantara, na dia vao 3 taona monja aza no lasa. Taorian’ny nandravan’ny mpitandro filaminana avy amin’ny Emmoreg ny hetsiky ny mpanohitra, teny Ambohijatovo, tamin’ny asabotsy lasa teo, mantsy dia nisy manamboninahitra namoaka fanambarana miaraka, omaly, izay naparitany tany amin’ny fampahalalam-baovao samihafa. Nilaza ho tsy te- hotsarain’ny tantara manoloana ny fampiasan-kery nataon’ny mpitandro filaminana amin’ny samy Malagasy izy ireo koa nanao antso sy nampitandrina ny fitondram-panjakana « mba hampitsahatra ny fidarohana ireo vahoaka malagasy maniry haneho ny heviny ». Tsy nitonona anarana izy ireo fa dia hoe mivondrona ao amin’ny « Coordination nationale des officiers ».  ary hoe avy amin’ny andiany faha-10 sy faha-11 ary faha12, nivoaka tao amin’ny Akademia Miaramila, ao Antsirabe.

 

Teboka dimy !    

 

 Somary vazivazy ny nilazany fa CST (Colonel Sans Travail ) no anarana iantsoana azy ireo. Ary tsy izy ireo fotsiny fa efa misy manamboninahitra lefitra miaraka amin’izy ireo. Voarakitra ao anatin’ilay fanambarana fa nisafidy ny hangina izy ireo hatramin’izay, saingy tsy afaka hanohy izany intsony manoloana ny tsy fihainoana ny fitakiana ataon’ny vahoaka sy ny tsy fandriampahalemana ary ny fampisaratsarahana ny samy miaramila gasy. Teboka dimy no nivoitra tao anaty fanambarana. Voalohany, mampitandrina ny mpitondra manoloana ny fihetsika ataony. Faharoa, mandroso soso-kevitra ny tokony hampitsaharana amin’izay ny rà latsaka. Fahatelo, miantso ny mpitondra ambony eo anivon’ny minisiteran’ny Foloalindahy hampitsahatra ny fandraisana baiko avy amin’ny mpitondra entina hamonoana ny samy Malagasy. Fahefatra, miantso ny jeneraly rehetra efa misotro ronono handray andraikitra ihany koa fa tsy hijery fotsiny izao zava-misy izao. Farany, miantso ny Malagasy rehetra hivondrona sady nampahatsiahy fa misy farany ny zavatra rehetra.

 

 

Ankolafy Ravalomanana

« Tsy matoky an’i Andry Rajoelina izahay raha tsy apetrany mazava ny fodian-dRavalo »

http://www.gazetiko.mg/gazetiko/

Karazan’ny fisehoana ivelany ihany no andraisan’ny firehana Ravalomanana izay nambaran’i Andry Rajoelina  tamin’ilay tafa fohy  nifanaovany tamin’ny Radion’ny Firenena mikambana mahakasika an-dRavalomanana tany New York.   Nilaza tamin’io ny Filoha fa efa mikatona ny resaka fitsarana  fa hisokatra sy hiditra amin’ny  resaka fampihavanana amin’izay mba hahafahana mametraka fitoniana. Tafiditra amin’izany ny fodian’ny Filoha teo aloha an-tanindrazana tsy misy fepetra. « Efa betsaka ny fampanantenana nataon’i Andry Rajoelina nandritra ny telo taona. Poak’aty avokoa. Hafa ny lazain’ny vavany fa hafa ny ataon’ny tanany.  Ny soniany tany Maputo aza nivadihany sy tsy nasiany dikany. Dia tsy mino izay nolazainy izahay raha tsy  apetrany mazava tsara  amin’ny fomba ofisialy ny fodian-dRavalomanana an-tanindrazana sy ny fiarovana azy sy ny fianakaviany ary ny toerana hipetrany. Mila manome baiko sy miteny mazava tsara koa ny Filoha fa  averina sy sokafana  avokoa ireo onjam-peo nakatona ary mila manambara hentitra ny fahazoan’ny vahoaka maneho hevitra. Raha tsy izany dia tsy misy dikany izay nolazainy », hoy i Constant Raveloson.

 

Hodinihina

Dia tsy mieritreritra ny hisian’izany fifampidinihina nambaran’i Andry Rajoelina izany ity firehana ity ary raha hisy aza izany dia mbola nametrahan-dry zareo fepetra ihany koa. « Ny atao no hita. Rehefa mazava tsara izay zavatra hodinihina, indrindra ny mahakasika ny fametrahana ny fitoniana izay efa voalaza ao amin’ny tondrozotra, dia misy dikany ilay izy ary dia handeha tsy misy fihambahambana izahay. Raha ny mifanohitra amin’izany kosa dia fandrebirebena fotsiny », hoy ny fanazavana. Nomarihin’ity olon’ny mafana ity fa «  hita izao fa efa tsy mahatondra fanjakana intsony  i Andry Rajoelina raha ny toe-draharaha mitranga ankehitriny. Dikany, mila averina ny fiaraha-mitantana  ary tsy tokony ho Filoha irery intsony izy fa asiana namana », hoy izy.

 

 

Rodoben’ny Malgasy Toamasina

Hanenjana ny tolona handrodanana ny tetezamita

http://www.gazetiko.mg/gazetiko/

 “Tsy misy intsony ny manaiky ny fitantanana atao amin’izao tetezamita izao, na ny eto amin’ny sehetry ny firenena na ny eo amin’ny sehatra iraisampirenena. Koa mitaky ny fialan’Ingahy Andry Rajoelina ny vahoaka noho ny fitantanana mandeha ila ataony”, hoy i Kotomanantsoa Rémi, filohan’ny rodoben’ny Malagasy ao Toamasina. Izany dia nandritra ny fanamarihana ny herintaona nijoroan’ity firaisan’ny antoko politika sy ny fikambanana ao amin’ny renivohitry ny faritra Atsinanana ity. Hita teny an-toerana avokoa ny avy amin’ny fironana Zafy Albert, Ratsiraka, ny ampahany betsaka amin’ny movansy Ravalomanana, ny Vondron’ny Olona tsotra ary ireo fikambanana nandrafitra ny rodobe Toamasina hatramin’izay. Marihina fa nitanjozotra nanenika ny arabe maro tany an-toerana izy ireo niala avy amin’ny foiben-toerana hatreny amin’ny sekoly herimahitra any Ankirihiry. Tsy nisy ny fanakanana na  ny sahotaka nefa tomefy olona ny arabe nolalovana. “Rehefa nivoaka ny tokotanin’ny MAGRO ao Tanambao V ny mpanohitra ny fitondrana dia nivelatra kokoa ny rodoben’ny Malagasy Toamasina. Maro tsy tambo isaina ny antokon’olona na fikambanana nanatevin-daharana ny rodoben’ny Malagasy. Izany dia noho ny fahatsapana fa mihalalina ny fahoriana mianjady amin’ny isan-tokantrano noho izao kirizy volena eto amin’ny firenena izao”, hoy ihany ny filohan’ny rodobe nanamafy ny teniny. Isan’ireo kirizy nampahatsiahiviny ny fitokonana ataon’ny mpianatra amin’ny ambaratonga fototra hatrany amin’ny ambaratonga ambony, ny mpampianatra mpikaroka sy ny mpampianatra aty amin’ny EPP sy CEG ary lisea, mandalo amin’ny Mpitsabo sy ireo mpanampy azy ireo, ny fadintseranana, ny ao amin’ny fitantanambolam-panjakana sy ireo maro mbola mikotrika ny fanatanterahana izany. Nomarihiny manokana tamin’ny fandraisam-pitenenany fa “olona tsy mitana ny teniny ny FAT satria nambaran’i Andry Rajoelina tamin’ny andron’ny tolona notarihiny ireny fa raha misy olona an’arivony mitaky ny fialany dia hiala avy hatrany izy” Araka izany “hafana manomboka amin’ity herinandro ity ny hetsika ho fandrodanana ny tetezamita tsy mahomby sy manao tantely afa-drakotra ny harempirenena io”, hoy i Kotomanantso Rémi namarana ny teniny.

 

Sendikan’ny dokotera

Hitokona ihany koa amin’ny alakamisy

http://www.gazetiko.mg/gazetiko/

Efa nisy fifampiraharahana fifanatonana nataon’ireo sendikan’ny dokotera mpiasam-panjakana tamin’ireo ambaratongam-pahefana maro. Voaresaka tamin’izany ny tokony handoavana tsy misy fepetra ny « rappel de soldes » izay efa tokony ho noefaina nanomboka ny volana martsa 2010 lasa teo kanefa tsy nisy izany. Tokony havoaka ihany koa ny didim-panjakana mba hampiharana ireo tambin-karama telo toy ny trano fipetrahana, fitaterana ary kojakoja. Noho izany rehetra izany, nanao fanambarana hanao fitokonana na « préavis de grève » ny sendikan’ny dokotera mpiasam-panjakana. Manantena valiny mahafa-po eo anoloan’izany rehetra izany ny dokotera hatramin’ny alakamisy izao. Raha tsy izay kosa anefa ny zavatra mitranga, hiroso amin’ny fitokonambe ny dokotera rehetra manerana ny Nosy.

 

Paramedicaux

Ireo marary hatrany no voa mafy eo anoloan’ny fitokonana izay manomboka miseho lany eto amin’ny firenena. Tsy nisy nanao ny asany tokoa mantsy ny paramedicaux rehetra teto Antananarivo omaly ary hitohy amin’ny alakamisy manerana ny nosy izany. Fantatra nandritra ny fitokonana notanterahin’izy ireo omaly fa misy sahady ireo nahazo fandrahonana fa tsy mahazo mihetsika amin’ny toeram-piasany ary misy ny fanangonana anarana. Marihina fa 25% n’ireo paramedicaux dia hita eto Antananarivo avokoa ary miasa 72 ora izy ireo raha tokony 40 ora izany.

 

Kung Fu : simple parade ou démonstration de force ?

 

Des faits plutôt inhabituels se sont produits hier dans les rues de la capitale. Selon les estimations, près de 500 à 600 adeptes du Kung Fu, voire plus, ont fait du jogging dans les rues de la capitale hier dans la matinée.

Dirigé par Me Avoko, le groupe a fait le tour de Mahamasina et d’Anosy sous le regard médusé des Tananariviens. Une apparition qui sort de l’ordinaire, alimentant ainsi le grand moulin de la spéculation.

Les plus optimistes estiment que cette sortie n’est ni plus ni moins qu’un simple entraînement. De leur côté, les alarmistes le voient d’un autre œil. Faisant un rapprochement avec la situation politique actuelle, ils considèrent que les disciples de Me Avoko ont fait une démonstration de force en vue d’impressionner les tenants du pouvoir.

Commenter cet article