Communiqué FFKM (26/02/10)

ANTSO ATAON’NY FIOMBONAN’NY FIANGONANA KRISTIANINA ETO MADAGASIKARA (FFKM)

Ho an’ny zanaky ny firenena Malagasy tsy an-kanavaka

Ry havana,

Ao aminareo ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra, ary ny fampiraisana avy amin’ny Fanahy Masina.

Mijoro hatrany amin’ny maha Raimandreny sy Mpaminany azy eto amin’ny firenena ny Fiangonana. Tsapany sy fantany ny zava-manahirana sy fitaintainana iainan’ny vahoaka Malagasy noho ny savorovoro ateraky ny tsy fifampihainoana ny tsy fifandeferana ary ny endrim-panararaotana samihafa hita eo amin’ny fiaraha-monina. Mangetaheta fitoniana mba hahazoana mandroso sy miaina amin’ny fiadanana ny zanak’ity firenena ity.

Koa, manao antso ho an’ny rehetra indrindra fa ny Kristianina ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, mba :

-         hiaiky am-panetren-tena ny tsirairay fa samy manana andraikitra amin’izao toe-draharaha izao,
-         samy hiaiky ny fahadisoany ary hibebaka amin’Andriamanitra noho izany,
-         ho marina amin’ny teniny ary tsy hiteny fitaka fa hampanjaka ny fahamarinana hitana izay nifanarahana,
-         hivonona hiroso amin’ny fifamelana sy ny asa fanonerana.

Ireo voatanisa ireo no hitan’ny Fiangonana fa lalana tsara hizorana hahatongavantsika amin’ny fitoniana sy fandrosoana ary ny fiainana amin’ny fiadanana.

Aoka samy hanohy sy hanamafy ny fotoana fibebahana ho an’ny tanindrazana ny Fiangonana Kristianina rehetra manerana an’i Madagasikara. Hanokana fotoana iombonana ho amin’izany koa ny Faritany FFKM rehetra amin’izay fotoana mahamety. Tsara raha mialoha ny Pasaka no hanatanterahana an’izany.

Fa hoy ny teny voasoratra ao amin’ny Galatianina 5 : 22-23 (DIEM) : “Ny vokatry ny Fanahy Masina kosa dia fitiavana, hafaliana, fiadanana, faharetana, hamoram-po, hatsaram-po, toetra mahatoky, fahalemem-panahy, fahononam-po, tsy misy lalàna manohitra ny toy izany”.


Antananarivo, faha 26 febroary 2010

Amin’ny Anaran’ny FFKM

Ireo Filoham-piangonana

Monseigneur RANARIVELO Samoela Jaona  - Filohan’ny EEM
Pastora Dr RAKOTO  Endor Modeste  - Filohan’ny FLM
Atoa RASENDRAHASINA Lala Haja, Mpitandrina – Filohan’ny FJKM
Mgr Odon Marie Arsène RAZANAKOLONA – Filohan’ny EKAR
Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :