Vaovao amin'ny teny malagasy 22/09/10

Publié le par rovahiga

Fifidianana Ben’ny tanàna «Fitaka be vava»

 

http://tiatanindrazana.com/uploads/collectif_parl_2.jpg

Photo: tiatanindrazana.com/

 

tiatanindrazana.com/
Fifidianana Ben’ny tanàna «Fitaka be vava»

Nanao valin-kafatra momba ireo tatitra an-gazety sy resabe amin’ny haino aman-jery nitobaka nandritra sy taorian’ny fihaonambem-pirenena nasain’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita (FAT) nokarakain’ny Raiamandreny Mijoro ny vondron’ny Parlemantera. 

Tsy nivilivily ny tenin’ireto Parlemantera ireto, tamin’ny alalan’ny Dr Jules Andriamaholison, fa vao maika handetika ny firenena any amin’ny kizo ary hampitombo ny fahantram-bahoaka iny fihaonambem-pirenena iny, ka “toy ny tsy misy aminay ary tsy manan-kery ihany koa izay fanapahan-kevitra noraisina tany”. Nivoitra izany nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety natoan’izy ireo tao amin’ny hotely Fanantenana Ampandrana ny talata 21 septambra misandratr’andro. Ny amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna, izay nambaran’i Andry Rajoelina, fa hatao ny 20 desambra 2010 dia hentitra ny filazan’ireto Parlemantera ireto fa “fitaka bevava no ao ambadik’iny resaka iny”. Araka ny fanazavan’ny Dr Raharisaina Hery, depioten’i Vohémar, dia tetika ankolaka ataon’ny FAT hametrahana PDS maharitra eny anivon’ny Kaominina io.

Tsinjon’ny FAT, hoy izy, fa ho sarotra aminy ny hanongotra manta amin’ny toerany ireo Ben’ny tanàna miisa 1500 mahery manerana ny Nosy, izay avy lisitra Tiako I Madagasikara ny maro amin’izy ireo, satria hampitroaka ny vahoaka izany. Koa nampiasa tetika ny FAT, dia nandraviravy io fifidianana amin’ny 20 desambra io, na tsy nifanarahan’izy ireo teny Ivato aza izany. Ampirisihina hilatsaka izay Ben’ny tanàna mbola mazoto, ary mety “hampiana” koa aza angamba, saingy atosika tsimoramora hametra-pialana roa volana mialohan’ny fifidianana ; izany hoe : miala alohan’ny 20 oktobra 2010 raha hirotsaka ho kandida. Efa anatin’ny fotoam-pahafavatra sady vanimpotoanan’ny rivodoza anefa io datin’ny 20 desambra nofaritana io, i Madagasikara rahateo Nosy, ary isan-taona dia tsy afa-bela amin’ny loza voajanahary. Tondra-drano indray maka fotsiny dia ampy hanafoanana indray io fifidianana io. Ilay Ben’ny tanàna anefa efa nametra-pialana, ny PDS efa mandray toerany. Koa dia tanteraka ny fanirian’ireo mpizaika teny Ivato.

Nanterin’ireto Parlemantera ireto fa ny fanelanelanana ataon’ny vondrona mahazo tsodranon’ny sehatra iraisam-pirenana ary eken’ny hery politika samihafa eto an-toerana ihany no lalana hikatsahana vahoalana hametrana tetezamita iraisana hamaranana izao krizy izao. Ny CNOSC no mahafeno io fepetra io amin’izao, hoy izy ireo. Mikasika ny filazan’ny Raiamandreny Mijoro fa tsy misy fihaonambem-pirenena hafa hatao intsony eto sy ny nambaran’i Andry Rajoelina fa fampisavorovoroana saim-bahoaka indray ny fanaovana izany, dia teny fampieritreretana no nataon’ny Parlemantera omaly nilaza fa “handrangarangana basy ka hosamborina ve izany ny mpizaika aman’arivony ho avy amin’izay ?” Ny CNOSC no efa nilaza hoy, ny depiote Henri Randrianjatovo fa “aleo koa ny hafa haneho ny heviny”, dia hirosoana izany, ary vonona hamaly ny antso ho amin’izany izy ireo. Tonga maro moa ireo depiote sy loholona amperinasa farany teo, nandritra ity valandresaka ho an’ny mpanao gazety omaly ity izay toa mandefa hafatra ihany fa tsy izy ireo no hatoro voanjo hadiana amin’io resaka politika io, ka hanaovana fangalam-piery eto an-tanàna eto.

 

Honoré Rakotomanana Misoroka ny fanaparam-pahefana ny «régime mixte»

Ilay «régime mixte» na fifamenoan’ny fahefana no nosafidian’ny mpizaika teny amin’ny fihoanambem-pirenena fa hampiharina eto Madagasikara ho fototry ny Repoblika faha-4.

Araka ny fanazavan’i Honoré Rakotomanana, izay manampahaizana momba ny lalàna no sady anisan’ireo nanoratra ny lalampanorenan’ny Repoblika faha-3, dia io aloha no mety amintsika amin’izao fotoana satria efa hita fa nanimba zavatra teo ilay «régime parlementaire» tamin’ny andron’ny profesora ZafyAlbert sy ny «régime présidentiel fort» tamin’ny fitondran’i Marc Ravalomanana. Amin’ity endrim-pitantanana amin’ny repoblika vaovao ity mantsy dia mifameno ny fahefana ary tsy maintsy miara-miasa ny fahefana mpanatanteraka sy ny fahefana mpanao lalàna. Fidian’ny vahoaka mivantana ny filohan’ny Repoblika, manendry ny praiminisitra izy, saingy praiminisitra voafidy teo anivon’ny Antenimieram-pirenena no tendreny, ary raha ny tena izy aza dia tsy tokony hitovy antoko amin’ny filoha ny praiminisitra.

Ny tsy nampety ny teo aloha mantsy, araka ny fanazavan’i Honoré Rakotomanana dia mirona tsimoramora any amin’ny jadona ilay filoha, satria be loatra ny fahefana eo am-pelatanany, maro an’isa ny antokony ao amin’ny Parlemanta, hany ka milamindamin-tsaina ny governemanta satria tsy ho tratry ny fitsipaham-pitokisana mihitsy, ary ankatoavina hatrany izay hevitra arosony. Ny Parlemanta rahateo moa tsy afaka manongana ny filoha, izay no zava-nisy tamin’ny fitondrana teo aloha. Fa nandritra ny Repoblika faha-3 tapany voalohany notarihan’ny Pr Zafy Albert kosa dia lasa fitaovana politika nandrodanana ny filoha ny Antenimieram-pirenena, noho ilay fivadibadihana palitao ataon’ny depiote sy nampiharana ilay «majorité à géométrie variable». Mieritreritra azy ireo ho tompon’ny fahefana ny solombavambahoaka.

Samy tsymety amintsika ireo endrim-pitondrana roa hitantanana nyrepoblika ireo, ka izay no antony nijerana sy nandaniana ny elenelam-panahy eo amin’izy roa. Amin’ity «régime mixte» ity mantsy dia afaka manala ny filoham-pirenena ny Parlemanata raha tena mibaribary ny tsy mety ataony, afaka mandrava ny Paremanta koa anefa ny filoha. Na izany aza anefa dia nanamarika i Honoré Rakotomanana fa tsara daholo ny rijan-teny rehetra rehefa vakiana, fa any amin’ny fampiharana azy hatrany no olana eto amintsika. Tokony hizotra tsara ny fiainam-pirenena, araka ny filazany rehefa voahaja avokoa ny lalàna rehetra, ary tokony manaja izany na ny mpitondra na ny vahoaka.

Rakotoarisoa Rigobert “Avelao ho avy ny fifidianana hahitana ny vokany”

Naneho ny heviny mikasika ny fehin-kevitra tapaka nandritra ny fihaonambem-pirenena notontosaina teny Ivato Rakotoarisoa Rigobert, Ben’ny tananan’ny Kaominina ambanivohitra Soavina Atsimondrano.

Nasiany resaka manokana ny fikasana hanolo ho PDS ny Ben’ny tanana rehetra manerana ny Nosy. Nambarany fa tsy ampahatelon’ireo olona nifidy ny Ben’ny tanàna tamin’ny toerana iray akory ireo mpizaika 1.400 isa nanapaka iny fehin-kevitra teny Ivato iny. Sitrany tokoa noho izany raha amin’ny alalan’ny fifidianana ihany no hanatanterahana ity fehin-kevitra ity ahitana sy hahafantarana izay tena mamim-bahoaka marina. Nambarany fa afaka milatsaka izay rehetra te-hilatsaka ary afaka mangalatra “depart” mihitsy raha tiany izany. Ho an-dRandrianazanany Victor Lalao, filohan’ny koperativa Komafila 148 kosa dia vao maika hanakorontana ny sosialim-bahoaka ny fisian’ity fanoloana Ben’ny tanàna ho PDS ity.

Raha ny fanovana anarana no mahafinaritra, hoy izy dia azo hatao tsara izany saingy tsy tokony hotsinontsinoavina kosa ny safidim-bahoaka. Zavatra iray lehibe mety ho voatohintohina, hoy ihany izy manoloana ity fehin-kevitra tapaka ity ny mikasika ny fahatapahan’ireo tetikasam-pampandrosoana tokony hotontosaina eny anivon’ny kaominina. Na izany na tsia izany anefa dia tongotra mby an-dakana ny an’ny fitondrana FAT. Hotontosaina ny 20 desambra ho avy io ny fifidianana Ben’ny tanàna raha hanomboka afaka roa herinandro kosa ny propagandy. Enga anie ka fifidianana marina sy tena mangaraharaha tokoa no hitranga fa tsy sanatria ho fangalaram-bato. 

 

taratramada.com/

VOHIPIRAISANA

 “Fihaonamdem-pirenena tsy nahafeno fepetra”

Mbola miteraka resabe ny fahavitan’ny Fihaonambem-pirenena. Tena masi-mandidy, to teny... ? Maneho ny fijeriny ny Vohipiraisana : "Fihaonambem-pirenena tsy nahafeno fepetra"

"Tokony hisy ny Fifanarahana politika, soniavin’ny ankolafy politika rehetra handaminana ny krizy." Izay no anisan’ny fepetra takiana amin’ny Fihaonambem-pirenena, araka ny fanazavan’ny tonia mpanatanteraky ny Voifiraisana (Pfnoscm), Ndriandahy Mahamoudou. Mila mahazo ny fankatoavan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny Fihaonambem-pirenena. Izay no hanamora ny fiverenan’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ilaina koa ny filaminana politika ahafahan’ny rehetra mandray anjara ao anatin’ny filaminan-tsaina. Tokony halalaka ny fifandraisana, indrindra amin’ny haino aman-jerim-panjakana. Izany no hahafahan’ny ankolafy politika rehetra maneho ny heviny aloha sy mandritra ary aorian’ny Fihaonambem-pirenena.

Eo amin’ny lafiny teknika, misy fepetra takiana raha tiana hahomby ny Fihaonambem-pirenena : hifanarahana ny andro, ny fomba fiasa, ny lohahevitra hodinihina, ny isan’ny mpandray anjara avy amin’ny ankolafy rehetra... Sarotra ny milaza fa efa nahitana ny marimaritra iraisana ary tsy nanilika ny hafa ny Fihaonambem-pirenena teny Ivato tamin’ny 13-18 septambra lasa teo, araka ny fanazavany. Na nahatratra 4.000 aza ny mpandray anjara, tsy ampy ny isa fa ilaina jerena ireo mpandray anjara : tao avokoa tamin’ny fomba ofisialy ve ny ankolafy rehetra ? Manahirana ny miteny hoe tsy manilika ny hafa iny Fihaonambem-pirenena, na iray tapitrisa aza ny mpandray anjara. Ho tratra ve izany fepetra rehetra izany, raha hisy ny Fihaonambem-pirenena faharoa ? Efa nilaza ireo mpanao politika teny Ivato fa tsy handray anjara amin’izany intsony.

ADY GASY

“Ny fiverenan-dRadidy sy Ravalo ihany”, hoy ny ankolafy telo

Nivoitra tamin’ny lahateny nifandimbiasana tao amin’ny Magro, Behoririka, omaly ny momba ny famahana ny krizy politika eto amintsika. Ho an’ny ankolafy telo, tsotra ny vahaolana. « Tsy maintsy averina eto amin’ny fomba rehetra ny Filoha Ratsiraka sy Ravalomanana. Izay ihany no mampilamina sady vahaolan’ny samy Malagasy ary mampihavana », hoy Raveloson Constant avy amin’ny Mfm/ Aldr. Izy ireo rahateo no nifanandrina teto : Zafy sy Ratsiraka. Ratsiraka sy Ravalomanana. Ravalomanana sy Zafy ary Ravalomanana sy Rajoelina. Tsy voafaritra anefa ny fomba ahatongavan’izy ireo eto na efa natsidiky ny mpandaha-teny sasany aza fa mialohan’ny fifidianana atsy ho atsy izany. Mbola nohamafisina fa hiroso amin’ny Fihaonambem-pirenena masi-mandidy iarahan’ny rehetra hotarihin’ny Cnosc sy elanelanin’i Chissano isika. « Io no ahazoana ny fankatoavana iraisam-pirenena », hoy izy ireo. Mbola nohamafisin’ireo Parlemantera Tim tamin’ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety tao Ampandrana izany. « Tokony handray ny andraikiny ny Cnosc amin’ny hirosoana amin’ny Fihaonambem-pirenena masi-mandidy », hoy izy ireo.

Ho an’ny ankolafy telo, tsy nahasolo tena azy ireo sady nahazo tsodrano niatrika ilay Fihaonambem-pirenen’ny Tgv teo ireo nisintaka : Tim Raharinaivo, Hpm – n’ny Pr Zafy ary ny Arema sasany. « Raharinaivo tsy Dada…Tsy izy no nifanolana tamin-dRajoelina », hoy izy ireo. Araka izany, eo am-panomanana ny fiverenan’ireo Filoha teo aloha izy ireo amin’izao fotoana izao.

 

FANDRIAMPAHALEMANA

 

taratramada.com/

 “OPERATION COUP DE POING”

Efa ambentin-dresaka amin’izao fotoana fa toa mihantsy ny mpitandro filaminana mihitsy ny jiolahy. Porofon’izany, nandritra ilay « Opération Coup de Poing » mihitsy no nisesy ny fanafihana.

Tsy nahomby ny hetsika sa tsy ampy ny paikady ? Ny zava-misy aloha, mihorohoro ny vahoaka, ary mihena isaky ny fanafihana miseho ny fahatokisana ny asan’ny mpitandro filaminana…

Anisan’ny niteraka resabe tato ho ato ny mikasika ireo mpitandro filaminana sy ny asany. Nahavelom-bolo ny rehetra mantsy ny fanambarana mikasika ilay « Opération Coup de Poing », izay nataon’ny Emmo/Reg hamerenana ny fandriampahalemana eto Antananarivo sy ny manodidina. Nisy tokoa ny fihetsiketsehana isaky ny alina, saingy toa vao mainka nirongatra nanaraka izany ny asan-jiolahy. Porofon’izany ny teny Ambavahaditokana, Ampitatafika, Ankadikely, Ambohimangakely, Ambohidrapeto, sns. Nampanontany tena ny rehetra, indrindra ireo niharan’ny fanafihana ny fitarazohan’ny fahatongavan’ny mpitandro filaminana. Manginy fotsiny ny fanadihadiana, ny fanarahana ary ny fisamborana ireo mpanafika, izay toa tsy nisy tohiny intsony. Mbola manodidina an’Antananarivo anefa no misy azy ireo…

Tsy manakana fiara fotsiny

« Eo Analakely ry zareo no manakana sy misava izay fiara mandalo. Tsy sanatria hampianatra ny asany amin’ny mpitandro filaminana, fa raha izaho no jiolahy, miala ny lalambe aho ka mitady lalan-kafa mangingina », hoy ny mpitondra fiara amin’ny alina iray. Tsikaritra tokoa fa hentitra dia hentitra ireo mpitandro ny filaminana avy ao amin’ny Emmo/Reg isaky ny alina, eny amin’ny toerana vitsivitsy eto an-drenivohitra. Misava ny karatry ny mpandeha rehetra, miampy ny taratasin’ny fiara izy ireo amin’izany. Tsy misy indrafo fa iharan’ny lalàna izay tsy manana. Misy koa ny fandroahana ireo « mpirevy » taraiky alina, sy ny fibedesana ireo bara mivoha aorian’ny amin’ny 9 ora alina. Tsara izany ezaka izany, na dia ho fampitahorana ny mpanao ratsy fotsiny aza. Tokony hiitatra kokoa anefa, ka mba hidina any amin’ireo fokontany mafana sy malaza ratsy amin’ny asan-jiolahy ireo mpitandro filaminana, ary tokony hijery ireo toerana manodidina an’Antananarivo.

Tsy ampy fitaovana ?

« Anisan’ny olana ho anay ny fampihenana ny tetibola hoenti-miasa. Eo koa ny tsy fahampian’ny fitaovana », hoy ny manamboninahitra polisy iray. Raha izay no olana, angamba tsy amin’ny vahoaka no tokony hilazana izany, mba tsy hampitombo ny horohoro efa iainany isan’andro. Inona no sakana ho an’ireo manam-pahefana tsy hampiakatra ny olana any amin’ny sehatra ambonimbony kokoa ? Indrindra fa efa napetraka ho laharam-pahamehana ny fandriampahalemana, ary anisan’ny nanaovana ny « Opération Coup de Poing » izany. Sa nandritra ny Fihaonambem-pirenena fotsiny no nanaovana ireny fihetsiketsehana be ireny ? Ny jiolahy mantsy tena ampy fitaovana, ary mety manana tetibola natokana ho an’izany mihitsy. Tsy vaovao intsony ny fahenoana ny hoe « Kalach », izay mahagaga ihany ny fiparitahany any amin’ireo jiolahy, ary efa ankavitsiana koa sisa izany mpanafika amin’ny sabatra sy antsy izany. Raha vitan’ny fokonolona ihany ny fiarovana ny ainy sy ny fananany, efa nataony…

 

midi-madagasikara.mg/

Toamasina : Vola iray sakaosy 500 tapitrisa lasan’ny jiolahy mitondra Scooter 

100 tapitrisa ariary, io no lelavola lasan’ny jiolahy nandroba tao amin’ny orinasa Gallois ao Toamasina. Omaly tokony ho tamin’ny 9 ora maraina tany no nidiran’ireo valo lahy tao amin’ny tokontanin’ny orinasa. Raha ny fandinihana, mety ho efa narahin’ireo jiolahy ireo mpiasa roa lahy avy naka vola tany amin’ny  banky. Araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra iray taminay dia ny karaman’ny mpiasa rehetra hatrany amin’ireo toerana fitrandrahana io lasa io avokoa. Valo lahy tsy misaron-tava ireto nanafika ireto. Nisy kalaky efatra tany ho any tazan’ireo mpiasa mbola teo am-perinasa tamin’io fotoana io, ary nisy nitondra « pistolet automatique » ihany koa. Ny balan’ity farany no tazana teny amin’ny tokontanin’ilay toeram-piasana. Nanapoaka basy mantsy izy ireo rehefa tafiditra teo amin’ny tokontany ka tsy nisy afaka nihetsika ireo mpiasa rehetra. Narahin’izy ireo hatrany ambadiky ny birao ilay fiaran’ny orinasa nentin’izy roa lahy haka ny vola. Vao nijanona anefa io dia velona ny fifandonana teo amin’ny mpamily sy ny jiolahy. Nalemy noho ny daroka nahazo azy ilay mpamily. Rehefa azon’ireo ny kitapo nisy ny vola dia namonjy ireo namany teny anilan’ny vavahady ireo mpihaza. Nitsoaka tamin’ny moto scooter izy ireo. Raha nanenjika azy anefa ilay vazaha miasa ao amin’ilay orinasa dia voatifitra ny fitaratra anoloana. Nitsatohan’ny bala ihany koa teo amin’ny akihibeny. Nitsofoka lalam-pasika ireo mpandroba ka tsy nisy tratra. Tamin’izany fandosirana izany dia tsy afaka ny moto roa ary dia navelan-dry zalahy teo. Ireo fokonolona rahateo tsy afa-nanoatra noho ny fitaovam-piadiana teny amin’ireo jiolahy.  Tsy vao izao no nandrenesana fandrobana nataon’ireto andian-jiolahy mandeha scooter ireto tao Toamasinatao. Azo lazaina aza fa niverina indray izy ireo rehefa lasa ny saka mainty nampihorohoro fotsiny ny valalabemandry fa tsy nampandry tany araka ny nambaran’izy ireo.

 

Asan-jiolahy : Nisesy ny fandrobana tao Alasora sy Androndra

Lasibatra tanteraka ny asan-jiolahy tao Alasora sy Androndra afakomaly alina. Tonga hatrany ny mpitandro ny filaminana saingy efa tsy teo intsony ireo jiolahy. Raha ny momba ilay tetsy Alasora dia tokony ho tamin’ny misasakalina dia nahatsikaritra dimy lahy nihodinkodina ary mikasa ny hamaky trano. Basy sy sabatra no teny an-tananan’izy ireo. Nantsoina avy hatrany ny mpitandro ny filaminana. Tonga faran’izay haingana teny amin’ilay toerana ny mpanao fisafoana ary teo no nahitàna ireo roa lahy mpiambina ilay villa izay efa nifatotra tongotra aman-tànana. Tsy nisy ny zavatra very teto satria niporitsaka ireo jiolahy rehefa nahatsikaritra ny fahatongavan’ny mpitandro ny filaminana. Mbola teny an-toerana ihany koa no nisy villa iray hafa indray novakian’ny jiolahy hatrany, minitra vitsy avy eo.  Nisy ny vola sy entana azon’ireo jiolahy izay tafatsoaka tany an-tanimbary. Nandritra ny fijerena ifotony ny zava-misy anefa no nahitana mpangalatra tariby Telma tampoka indray. Telo lahy no tompon’andraikitra tamin’izany saingy tafatsoaka ny roa. “Cuivre” milanja 50 kilao no azon’ireo mpitandro ny filaminana nandritra ny fisamborana azy.

 

Antananarivo : Fatin-dehilahy roa, hita niankohoka tao anaty rano 

Ny voalohany dia hita tetsy amin'ny sampanan'Ambohitrimanjaka, ambadiky ny fivarotana « arts Malagasy », ny faharoa kosa teny Anosibe.

Fatin-dehilahy roa samihafa, samy miankohoka ao anaty rano no hitan'ny mpamonjy voina teto an-drenivohitra omaly. Ny voalohany dia hita tetsy amin'ny sampanan'Ambohitrimanjaka, ambadiky ny fivarotana « arts Malagasy »; ny faharoa kosa teny Anosibe tamin'iny lakan-drano iny.

Vao maraina no nahitan'ny olona sendra nandalo teny an-toerana ilay razana teny amin'ny lalana mihazo an'Ambohitrimanjaka, ao ambadik'ireo fivarotana « arts Malagasy » manamorona iny lalana iny. Niankohoka tao anaty rano teny an-tanimbary ilay razana tamin'ny fotoana nahitana azy. Nampandrenesina avy hatrany ny tomponandraikitra teny an-toerana sy ny mpamonjy voina ary ny mpitandro filaminana, ka rehefa nozahaina akaiky ny razana dia hita fa efa mihinjitra be. Tsy nahitana ratra kosa anefa teny amin'ny vatany. Tsy nahitana taratasy mety ahafantarana azy teny amin'ity tovolahy ity, fa ny tombatomban'ny mpamonjy voina sy ny mpanao famotorana no milaza fa manodidina ny 36 taona eo ho eo izy ity. Natolotra ny tomponandraikitry ny fokontany eny an-toerana ny razana rehefa avy nanaovana fizahana ifotony.

Mitovitovy amin'izay ihany koa ny tranga teny Anosibe. Omaly maraina nisy razana niankohoka tao anaty rano hitan'ny fokonolona teny an-toerana. Tsy nahitana ratra ny vatany ary tsy nisy taratasy mety ahafantarana azy koa teny aminy. Manodidina ny 30 taona eo ity tovolahy ity. Nalefa etsy amin'ny tranom-patin'ny HJRA ny razana mandra-piandry ny fianakaviany, ary eny ihany koa no hanaovan'ny mpitsabo ny fizahana ifotony. Efa misokatra ny fanadihadiana mikasika ny fahitana ireto razana roa teto an-drenivohitra ireto.

 

Namontana : Nisy namaky ny CSB II, entana maro no very

Omaly vao maraina be tokony ho tany amin’ny 2 ora, nisy mpangalatra tafiditra tao amin’ny CSB II Namontana Anosibe. Efitra roa no voaroba tamin’izany. Maro dia maro ny entana lasan’ny mpandroba toy ny ordinateur, onduleur sy zavatra hafa. Rehefa azon’ireo olon-dratsy ny entana dia lasa nandeha izy ireo. Tsy nisy nanelingelina ry zalahy tamin’izany halatra nataony izany. Efa tamin’ny 4 ora, nandeha nisafo ny tanana ny mpiambina vao nahafantatra fa vaky ny efitra roa. Teo izy vao nikoropaka ary nampilaza ny mpitandro filaminana. Nanamarika kosa tetsy andaniny ny tompon’andraikitra tao amin’ity trano fitsaboana ity fa tao anatin’ilay ordinateur very dia nisy ny tsiambaratelo amin’ny fitiliana ny valan’aretina SIDA sy ny zavatra hafa ihany koa. Tsy misy fitsaharany mihitsy ny fandrobana eto an-drenivohitra.

 

Besarety : Trano iray ravan’ny afo

Afakomaly alina, nirehitra ny trano iray teny amin’ny faritr’i Besarety. Araka ny vaovao re teny an-toerana dia labozia nampiretina tao an-trano no rangory fototry ny afo. Olona iray mpiandry trano no tao tamin’ny fotoana nahamay izany. Rehefa tonga anefa ny mpamono afo sy ny fokonolona dia tsy nahita azy mihitsy ary nihevitra ny olona fa kilan’ny afo ao izy. Rehefa nokarohina anefa, tsy tao an-trano mihitsy izy fa ankeviny sendra nandeha nivoaka tamin’ny firehetan’ny trano. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa tsy hita izay misy azy. Tsy nisy araka izany ny aina nafoy fa potika tanteraka avokoa ny entana rehetra. Fianakaviana maromaro no mipetraka tao amin’ilay trano ravan’ny afo.

 

Publié dans La Presse

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article