Vaovao amin'ny teny malagasy 16/09/10

Publié le par rovahiga

"Raveloson Constant Ny demokrasia tsy resin’ny basy"

 

http://tiatanindrazana.com/uploads/15.09.10_raveloson_constant.jpg

Photo: tiatanindrazana.com/

 

tiatanindrazana.com/
Raveloson Constant Ny demokrasia tsy resin’ny basy

 Mitohy am-pilaminana ny hetsiky ny mpomba ny Ankolafy Telo ao amin’ny Magro Behoririka. Taorian’ny fikasana nataon’olon-tsy fantatra hanakorontana sy handrava ity hetsika ity dia tonga niaro ny toerana ahafahan’ireto mpitolona “tony fihetsika” ireto maneho heviny an-kalalahana sy ampitoniana ny mpitandro ny filaminana.

Ary dia mitohy tokoa. Porofon’izany dia niverina an-kianja ireo lohandohan’ny mpisorona rehefa nanjavona fotoana vitsy. Tsy maintsy tonga eto aho ary mandray fitenenana, hoy i Constant Raveloson, satria Andro iraisam-pirenena ho an’ny demokrasia koa androany mantsy ny omaly io. Nambarany fa mbola bala rora sy basy vava no ao Behoririka, ka avelao hiteny daholo. Diso, hoy izy ny fieritreretana fa ho resin’ny vodibasy ny demokrasia ary andrin’ny demokrasia ny fitsarana marina. Mikasika ny fivoriana teny Ivato dia nahitsy ny tenin’i Constant fa novaina zava-kafa ny tinapaka nandritra ny Dinika Santatra ary nitondrana olon-kafa teny Ivato hanohana azy, ka moa tsy fanitsakitsahana ny hevitrareo va izany ?

Momba ny amnistia na famotsoran-keloka izay nampisavorovoro ny mpizaika teny Ivato, nitohy mandrak’alina teny amin’ny lisea teknika Alarobia, dia fanontaniana fampieritreretana no nentin’ny tao amin’ny Magro hoe iza no tokony homena amnistia, ny olona mitondra olona hovonoina sy dorana sa ny miambina Lapa ? Maninona no havakavahina ny fanomezana azy io, hoy i Zafilahy Stanislas sa nahazo vola ny vaomiera mandinika azy io ?

Ankolafy Telo any SAVA Mijery ifotony ny fiantraikan’ny krizy

 Tsy mikendry isam-bahoaka hanohana ny antso sady tsy tonga hanatitra kabary no anton-dian’ny Ankolafy Madagasikara aty amin’ny faritra SAVA, hoy ny mpandray fitenenana rehetra, raha nitsidika ny tanànan’Amboriala ao anatin’ny Distrikan’i Vohémar ry zareo ny Talata 14 Septambra 2010 fa kosa tena tonga hiaina mivantana ny fiantraikan’ny krizy mianjady amin’ny firenena amin’izao fotoana izao.

Lavitra ny toerana naleha sady tena saro-dalana tokoa. Noho ny fiangaviana sy ny fitarainan’ny mponina amin’io toerana io anefa nandritra ny fitsidihan’ny Ankolafy Telo ny tanànan’i Vohémar ny alatsinainy teo no nandrenesana fa ataona orinasa mitrandraka tsy ara-dalàna sady miara-miasa akaiky amin’ny mpitandro filaminana sy ny manampahefana sasantsany amin’izao fotoana izao ampihimamba ny faritra rehetra hitrandrahana vatosoa ao Amboriala efa ho herintaona izao.

Izay indrindra no antony nidinan’ny Ankolafy Telo, tarihin’ny Pr Albert Zafy sy Fetison Rakoto Andrianirina nidina ifotony, nanadihady ny zava-misy marina tany an-toerana. Samy nanamafy izy mirahalahy mianaka tamin’ny fandraisam-pitenenany fa “hovahana haingana io olana io ka afaka hiverina hiasa ankalalahana sady hofaritana mazava ny faritra azon’ny fokonolona trandrahana raha vao tafapetraka ny fitondrana tetezamita ara-dalàna sy hiaraha-mitantana”. Mbola nohamafisin-dRatoa Lalatiana Ravololomanana indray fa “vokatry ny tsy fahafehezana ny fanjakana sy ny fikorontanana eo anivon’izao fitondrana FAT izao ny fisian’ny fangejan’orinasa tokana ny harem-pirenena toy izao zava-misy aty Amboriala aty izao”. Hany foto-piveloman’ny mponina maherin’ny roa arivo mipetraka amin’io toerana io ny fitrandrahana vatosoa io. Tsikaritra nandritra ny fandalovan’ny Ankolafy Telo tany an-toerana fa tena sahirana ny vahoaka Malagasy amin’izao fotoana izao, indrindra fa ny monina amin’ny toerana voafetra tahaka izao ny antom-pivelomany. Tsy afaka hampiana-janaka intsony ny ray aman-dreny amin’ity taom-pianarana vaovao ity kanefa anisan’ny faritra maro zaza madinika raha resahina ny momba an’Amboriala. Tsy afaka hanatona toeram-pitsaboana ihany koa raha misy marary satria lavitra sady ratsy ny lalana. Vokatr’izay, fitarainana maro no efa nalefa tamin’ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao saingy tsy mbola nandrenesana na dia sombiny aza ny amin’izay mety ho valin’izay fitarainana izay. Vahoaka maro, araka izany, no tonga nitsena ny Ankolafy Telo tamin’izao fitsidihina izao ary feno hafaliana ny mponina rehefa nahare fa hanampy azy ireo hamaha ny olana goavana mianjady amin’ny mponina tahaka izao ny Pr Albert Zafy sy ny Ankolafy Telo iray manontolo.

Efa betsaka ny fanaovana ampihimamba ny harem-pirenena tahaka izao, hoy ihany ny Profesora raha tsy nitanisa afa tsy ny mahazo ny vahoakan’Ambanja izay mitrandraka vatosoa ihany koa sy ny any Analanjirofo amin’ny resaka hazo sarobidy. “Ho avy ny fotoana hamoahantsika ny marina rehetra sy ny anaran’ny meloka rehetra amin’izao fampijaliam-bahoaka izao” hoy izy. Hitohy any Antalaha sy Sambava indray ny dian’ny Ankolafy Madagasikara.

Antoko politika 47 no niforona tato anatin’ny krizy

Mitombo izay tsy izy ny isan’ny antoko politika eto Madagasikara. Raha ny fanisana farany tamin’iny volana aogositra 2010 dia miisa 240 izy ireo. Ny 47 amin’ireo dia niforona tato anatin’ny krizy avokoa, teo anelanelan’ny jona 2009 ka hatramin’ny aogositra 2010 no marimarina kokoa. Amin’ireo 47 ireo indray dia teo anelanelan’ny 20 ka hatramin’ny 24 aogositra, izany hoe tao anatin’ny hadimiana, dia nisy antoko 18 no indray nijoro. Anisan’izany ny “Ezaka Nasionaly Iarahana (E.N.INA)” tarihin’ny Pr Tehindrazanarivelo Alain Djacoba, praiministra lefitra nisahana ny fahasalamana tao amin’ny governemanta Roindefo. Ny 20 aogositra 2010 no voarakitra an-tsoratra ara-dalàna araka ny 2960-MI/SG/DGAT/DAP/SLP/PP. ny maha antoko azy. Toy izany koa ny “Inty Tanindrazana Ombonana Tsy Ambidy na Atakalo Liam-pivoarana (ITO.T.A.A.L)” tarihin’i Zakahely Boniface nijoro ny 23 aogositra 2010 araka ny fitanana an-tsoratra 2999-MI/SG/DGAT/DAP/SLP/PP teo anivon’ny ministeran’ny atitany. Fikambanana politika teo aloha koa ny sasany amin’ireo 47 ireo no niofo ho antoko manana rafitra ara-dalàna toy ny Fiaraha-mientan’ny Asa Vita Ifampitsarana (AVI) tarihin’i Norbert Lala Ratsirahonana sy ny Malagasy Tonga Saina (MTS) tarihin’i Roland Ratsiraka fa vao tamin’ity taona ity no manana satan’antoko politika tanteraka. Ny 13 aprily 2010 ho an’itsy voalohany, taorian’ny nanaovany kongresy nasionaly faharoa, 12 taona taorian’ny nijoroany. Ny 11 martsa 2010 kosa ho an’ny MTS. Tsy tafiditra ao anatin’io kosa ny TGV an’i Andry Rajoelina. Miandry kongresy ? 

Faritra Melaky Misy 5 tapitrisa dolara tsy mazava

Miteraka resabe any Melaky any amin’izao fotoana ny nampiasana ny vola 5 tapitrisa dolara tokony ho naloan’ny orinasa Total amin’ny Faritra Melaky, ampahany amin’ny 10 tapitrisa dolara tambiny miditra any amin’ny Faritra amin’ny fikarohana solika ataon’ity orinasa frantsay ity any an-toerana.

Nifanarahana teo am-piandohana nanaovana ny fifanarahana mahakasika ny fitrandrahana solika fa haompana amin’ny tetikasa sosialy io 5 tapitrisa dolara io. Misy komity tokony hatsangana hanara-maso ny hampiasana ny vola. Mialoha izay anefa dia tokony hiaraha-mamaritra ny tetikasa hatao ary hovatsiam-bola amin’io 5 tapitrisa dolara io. Araka ny fantatra dia efa nisy komity nijoro ary voafaritra sady efa nankatoavina koa ireo tetikasa sosialy toy ny fanamboarana tohodrano izay anisan’ny mampijaly iny Faritra Melaky iny, sekoly, ny vehivavy sy ny miralenta. Tsy mbola niroso tamin’ny fanatanterahana ary tsy nanomboka akory anefa ny asa dia tapaka ilay tetikasa noho ny fanonganam-panjakana nitranga ny taona 2009. Na izany aza zavatra efa vita sonia ary efa nifanekena tamin’ny fanjakana ny handoavan’ny orinasa Total io 5 tapitrisa dolara io, hanaovana asa sosialy any Melaky. Izay no heverina fa anton’ny fivoriana natao tany Morafenobe ny volana jona 2009, namaritana indray izay asa hampiasana ny vola.

Ny nahagaga anefa dia maro tamin’ireo fikambanana tsy miankina sy ONG nandray anjara tamin’ny famolavolana ny tetikasa teo am-piandohana no tsy nantsoina handray anjara tamin’io fivoriana io. Tsy izay ihany fa raha ny lojika dia tokony ho ireo tetikasa efa voavolavola ary efa nankatoavina fa hotanterahina no nasiam-panitsiana fa tsy namoronana vaovao. Tsy izay anefa no nitranga araka ny loharanom-baovao akaiky ity tetikasa ity. Eo ary no mipetraka ny fanontaniana ny amin’izay nampiasana marina io 5 tapitrisa dolara avy amin’ny Total io. Sady tsy misy ny tatitra mavaza rahateo no betsaka amin’ireo voakasik’io tetikasa io koa anefa no voailika, ka mampitombo ny ahiahin’ny maro.

 

lagazette-dgi.com/

Alain Ramaroson: " Tokony hatsahatra amin'izay ny MAGRO "

Manoloana ny asa fanakorontanana, ny asa fampihorohoroana ary ny fanentanana ny olona hiroso amin'izany, dia nanambara ny filohan'ny komity misahana ny fiarovana eo anivon'ny HAT, Alain Ramaroson fa tokony hatsahatra amin'izay ny hetsika etsy amin'ny MAGRO. Hoy indrindra izy: "efa miroso amin'ny fihaonambem-pirenena ny vahoaka malagasy mitady vahaolana hivoahana amin'ny krizy. Ny sasany anefa mbola mihantsy fifandrafiana sy fifamonoan'ny samy Malagasy ihany. Heveriko amin'ny maha filohan'ny komity misahana ny fiarovana eo anivon'ny HAT ny tenako fa tokony hatsahatra amin'izay ny fahazoan'ireo olona manao fivoriana mikotrika asa fanakorontanana etsy amin'ny MAGRO".

Tsy sasatra ny miventy sy manentana ireo olony hiroso amin'ny asa fanakorontanana hatrany tokoa ireo mpitarika etsy amin'ny MAGRO. Ny mampalahelo anefa dia misitrika tsy misy mipoitra izy ireo rehefa misy trangan-javatra miseho; avelan'izy ireo irery eny Behoririka eny ireo mpanara-dia azy. Tsy manana ny antsoina hoe "sens de l'honneur" intsony mihitsy ireo mpanao politika mitonona ho tia tanindrazana eto amintsika.

Nanomboka ny talata lasa teo moa dia rakotra mpitandro ny filaminana manodidina ity kianjan'ny MAGRO Behoririka ity. Tsy nampiasa ny fitaovana fanamafisam-peo intsony koa taorian'iny vono sy ratra niniana natao iny. Re àry izao fa hatramin'i Satrobory aza mimenomenona fatratra noho ny afitsok'ireo mpitarika sasany, mitsoaka adidy tsy sahy miatrika ny zava-misy. Ity mpitarika ny antoko AMF/3FM ity moa dia maniry mafy ny hosamborina fatratra tokoa saingy tsy mahaleo ny sarany angamba ny vidiny !

 

gazetiko.mg/

Sambava-Politika

Mafana hatrany ny fomba handraisan’ny vahoaka ny ankolafy telo

Notsikerain’Atoa Marcellin ny fipetraky ny raharaha « hazo sarobidy » izay niteraka resabe tato ho ato.
Nanomboka tamin'ny alatsinainy lasa teo no nigadona tany amin'ny faritr'i Sava, ireo solontena avy amin'ny Ankolafy 3, izay ahitana solontena mafonja, tarihin'Atoa isany Zafy Albert, sy Fetison Rakoto Andrianirina. Tany amin’ny Distrikan’i Vohemar no nivantana voalohany ireo delegasionin’ny Ankolafy 3. Ankoatra ny tao Vohemar an-tampon-tanàna, dia nidina tany Andrafaikona ireto Ankolafy 3 ireto, nijery ifotony mikasika ny fitrandrahana vato any an-toerana, izay voalaza fa gaboraraka. Ny alarobia lasa dia ny vahoaka tany Antalaha no nandray ny Ankolafy 3, izay voalaza fa nafana hatrany ny fomba nandraisana azy ireo tany an-toerana. Mikasika ny fandalovan’ireo Ankolafy 3 tao Sambava indray, dia nialoha lalana azy ireo tany an-toerana Atoa  Ianonjafy Marcellin, ka ny talata lasa teo dia nivahiny tamin’ny radio tsy miankina tao Sambava ny tenany, ka tamin’izany no nilazany fa hilaza ny tena zava-misy marina eto amin’ny firenena ny Ankolafy 3, satria maro ny tsara ho fantatra mikasika ny raharaham-pirenena ankehitriny. Akoatra an’izay, dia notsikerain’Atoa Marcellin ny fipetraky ny raharahan’ireo hazo sarobidy, izay niteraka resabe teto amin’ny firenena tato ho ato. Ny alakamisy no hihaona amin’ny vahoakan’i Sambava ny Ankolafy 3. Ary dia mafotaka ny fanomanana izany any an-toerana.

 

 

taratramada.com/

DEMOKRASIA

Tsy fanehoan-kevitra fotsiny, fa…

Nangina tanteraka ny andro iraisam-pirenena ho an’ny demokrasia, omaly, na eo am-piadiana hametraka demokrasia aza ny Malagasy. Mbola tsy fantatry ny ankamaroan’ny Malagasy ny hoe demokrasia ? Tsikaritra sy tsy aritra...

Ny 15 septambra 1997 no namoahan’ny fivoriamben’ny Firenena Mikambana (Onu) ny Fanambarana iombonana momba ny demokrasia. Izay no nandraketana ny 15 septambra ho andro iraisam-pirenena ho an’ny demokrasia tamin’ny volana septambra 2007. Nanomboka tamin’ny taona 2008 ny fankalazana, ka fahatelo ny omaly. “Fandraisana andraikitra politika : fanamafisana ny fifandraisana eo amin’ny parlemanta sy ny olom-pirenena” no lohahevitra amin’izany. Ho antsika eto Madagasikara, toa nangingina ratsy izany, na maro aza no mihevitra fa ao anatiny na eo am-periny amin’ny fametrahana izany isika. Fahazoana sy fahalalana maneho hevitra ! Izay no fiheverana sy fampiharan’ny ankamaroan’ny olom-pirenena tsotra ny hoe demokrasia. Mby ao an-tsaina amin’izany ny fahazoana maneho hevitra an-kalalahana amin’izao Fihaonambem-pirenena atao eto Antananarivo izao. Fahazoana maneho hevitra fotsiny ve ny hoe demokrasia ?

Fahefana” sy “vahoaka” no raketin’ny hoe demokrasia, araka ny teny grika niaviany : fahefam-bahoaka. Tamin’ny taonjato faha-V talohan’i J. Kristy no nampiasana voalohany ny teny hoe demokrasia tany Athènes, Gresy. Malaza indrindra amin’ny fanazavana azy ny tenin’i Abraham Lincoln (1809-1865), Filohan’i Etazonia : “Ny demokrasia dia fitondram-bahoaka, avy amin’ny vahoaka, ho an’ny vahoaka”. Maro karazana ny demokrasia : ny demokrasia mivantana, ohatra, dia ny vahoaka no manapa-kevitra mivantana momba ny fitondran-draharaham-panjakana fa tsy misy solontena mpanelanelana toy ny parlemanta ; ny demokrasia fampandraisana anjara ny vahoaka amin’ny fifidianana na tsy misy adihevitra firy aza amin’izany... Tsy ampy ny hoe fanehoan-kevitra amin’ny demokrasia. Eo koa ny fampiharana izay hevitry ny maro an’isa amin’ny alalan’ny fahefana : fitondran’ny maro an’isa, na manjakavahoaka. Hajaina sy avela haneho hevitra hatrany ny vitsy an’isa amin’izany. Amin’izao Fihaonambem-pirenena izao, hatraiza izay fampiharana ny hevitry ny maro an’isa izay, ary fanajana ny vitsy an’isa ?

 

FIHAONAMBEM-PIRENENA

Mihahita soritra ireo hevi-dehibe iombonana

Rafi-panjakana federaly, fanjakana tokana, fanjakana itsinjaram-pahefana... Ireo no hevi-dehibe maro mpanolotra teo anivon’ny vaomiera momba ny Lalàmpanorenana. Tsoa-kevitra avy amin’izany ny hoe tokony ho volavolan-dalàmpanorenana, roa na telo karazana, no hatolotra hofidian’ny vahoaka, fa tsy Lalàmpanorenana iray laniana amin’ny “Eny” na “Tsia”. Raha tsy lany izay haroso amin’ny fitsapan-kevi-bahoaka, hiverina hanao Fihaonambem-pirenena indray ve ? Karazana fanadalana vahoaka koa anefa ny fanolorana volavolan-dalàmpanorenana roa na telo. Na ny iray nolaniana hatramin’izay aza tsy tena nohazavaina sy tsy azon’ny vahoaka, hany ka mandresy hatrany ny “Eny ”. Maro mpilaza koa ny hoe izay manana zom-pirenena malagasy ihany, fa tsy mizaka zom-pirenena hafa hahazoany mandositra any ivelany, no mahazo mirotsaka ho Filoham-pirenena.

Tsy mirotsaka izay ao anaty tetezamita

Nafana dia nafana koa ny adihevitra tao amin’ny kaomisiona mikasika ny rafitra hitantanana ny tetezamita.Nisongadina tao anatin’izany ny tsy fahazoan’ireo mpikambana anaty Andrimpanjakan’ny tetezamita hirotsaka ho fidiana. Voakasik’izany, manomboka amin’ny Filohan’ny tetezamita ka hatramin’izay Ben’ny tanàna na Filohan’ny delegasiona manokana (Pds) any amin’ny kaominina. Saiky mitovitovy amin’izay efa tapak’ireo mpanao politika nandritra ny Fifanarahana politikan’Ivato ny nivoaka tamin’ny asam-baomiera. Havaozina, ohatra, ireo mpikambana ao amin’ny Fahefana avon’ny tetezamita ka ho lasa Filankevitra ambonin’ny tetezamita (Cst) ary ho 90 no isany. Notanana ho 256 kosa ny Kongresin’ny tetezamita (Ct) ka hisy solontena iray avy isaky ny distrika 119. Hanampy azy ireo ny Parlemantera teo aloha. Tombanana ho anisan’izany ny maro amin’ireo Tim fironana Raharinaivo na ny antoko hafa.

 

Publié dans La Presse

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article