Marc Ravalomanana Tampina ny daomy ?

Publié le par rovahiga

http://tiatanindrazana.com/uploads/ravalomanana_delegate_une.jpg

 

 

http://tiatanindrazana.com/pages/modules.php?id=5863&idcat=2&une=1
Mikorontana ny tany aman-danitra ho an'ireo mpitolona maherifo eny amin'ny Magro hatry ny omaly alina manoloana ny vaovao misafotofoto ihany momba ny ankolafy Ravalomanana.

Nanatitra ny anaran'ireo kandida minisitra niaraka tamin'ny ankolafy Zafy sy ny Monima an'i Monja Roindefo mantsy omaly Atoa Mamy Rakotoarivelo, lehiben'ny delegasion'ny ankolafy Ravalomanana ary nanasonia ilay sori-dalana. Ora vitsy taorian'io anefa dia nivoaka indray ny vaovao iray milaza fa “tsy manaiky izany Atoa Ravalomanana”, ity farany izay efa nilaza rahateo fa tsy mbola miditra ao anaty governemanta aloha raha tsy tanteraka ireo fepetra rehetra voalazan'ny sori-dalana tahaka ny famoahana ny gadra politika sy ny fiverenan'ireo sesitany politika an-kalalahana eto Madagasikara ary ny famohana ireo haino aman-jery nakaton’ny FAT, fitakiana nohamafisin’ireo gadra politika 2009 nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety tao Bel’Air ny alarobia teo. Rtoa Naika Eliane aza moa omaly nilaza fa “an’ireo izany !”, raha nanontaniana ny heviny mikasika iny fanolorana lisitra ho minisitra teny Mahazoarivo iny.

“Ahoana no iarahana miasa nefa andaniny, ireo namana mbola any am-ponja, ary ankilany, ireo sesitany politika, indrindra ny filoha Marc Ravalomanana, mbola any ivelany”, hoy hatrany i Naika Eliane. Ity farany izay mangataka fihaonana tamin’i Omer Beriziky, fa tsy mbola namaly ingahy praiminisitra. Tsy hita intsony araka izany, izay arahana sy ekena, ho an'ireo mpitolona eny amin'ny Magro. I Dada mbola tavela any Afrika Atsimo ve sa ireo lohandohan'ny mpisorona amin'ny ankolafy Ravalomanana eto an-toerana izay hita fa vonona ny hiditra anaty governemanta? Dia sanatria ve izany tampina ny daomy ho an'Atoa Ravalomanana ?

Taorian'iny tranga omaly iny sy ny zavatra hafa niseho tamin'ity herinandro ity dia maro ireo mpandinika ny raharaha politika eto Madagasikara no mahita fa fomba mihaja nanilihana an'i Marc Ravalomanana izao fihetsiketsehana rehetra izao. Voalohany indrindra aloha dia tsy tafody eto Madagasikara izy. Mizara ny ankolafy tarihany, mody fanina aminy ny Troikan'ny Sadc, ary ny FAT sy ny Frantsay moa dia efa mazava fa tsy mila azy miverina eto intsony. Etsy ankilan'izay dia mihetsiketsika mafy ry Yves Aimé Rakotoarison sy ny tariny amin'ny fandresen-dahatra ny olon'ny Tiako i Madagasikara fa vitan'izy ireo ny mampandeha sy mampandroso ity antoko ity na dia tsy eto aza i Dada. Tsara homarihana anefa fa mivoatra ny toe-draharaha politika ary maro ihany ny zavatra mety mbola hiova. Fa mandra-piandry izay tena marina aloha dia mbola miteraka resabe sy adihevitra iny fanolorana anarana omaly tolakandro iny ary azo antoka fa tsy maintsy hamela takaitra ao anatin'ny ankolafy Ravalomanana.


Filoha RAVALOMANANA : "nisy fepetra napetraka mialohan'ny fidirana anaty goverenemanta"

Nitafa mivantana tamin'ireo vahoaka mpitolona teo amin'ny Kianjan'ny Finoana Magro Behoririka ny Filoha Marc RAVALOMANANA androany. Nanentana ny vahoaka Malagasy ny tenany mba tsy handairan'ny fampisaraham-bazana indrindra amin'izao vanim-potoana lalovan'ny Firenena izao. Nohamafisiny fa ny fepetra fototra napetrany tamin'ny fanendrena ny Praiministry ny tetezamita dia ny fanatanterahana ny andininy faha-20 ao amin'ny tondro zotra izay mikasika indrindra ny fiverenan'ny sesitany eto an-tanindrazana. "Mbola nisy ihany koa ny fepetra napetraka mialohan'ny hidirana ao anatin'ny fanatanterahana ny tondro zotra" hoy ny Filoha RAVALOMANANA raha nanazava tamin'ny mpiara-mitolona rehetra.

Isan'izany ny fametrahana ny Praiministra lefitra manana fahefana mitovy amin'ny Praiministra eo am-pelatanan'ny Ankolafy RAVALOMANANA sy ny fifandanjan-kery eo amin'ny fitsinjarana ny Ministera. Niantso ny tokony hanamafisana ny fifampitokisana ihany koa ny Filoha RAVALOMANANA ary nanome toky fa "tsy mitsahatra manao izay asa rehetra ahafahana mamoaka ny Firenena iombonana ao anaty krizy". "Tsy ny tenako no mitady toerana ao amin'io tetezamita io" hoy ny Filoham-pirenena "ary matoa afaka niditra dia azo atao tsara ny mivoaka rehefa tsy afaka mifanaraka". Nanamafy ny Filoham-pirenena Marc RAVALOMANANA fa matoky tanteraka ny SADC sy ny TROIKA ny tenany amin'ny famahana ny krizy eto Madagasikara.
Antoko TEZA : mila manitsy fomba fiasa ny Ankolafy RAVALOMANANA (+vidéo)

Miantso ny fandraisan’andraikitrin’ny Filoham-pirenena Marc RAVALOMANANA ny antoko TEZA noho ny fahitan’izy ireo fa misy mpitarika sasantsasany tsy manampy amin’ny famerenana  ny Filoha eto Madagasikara. « Potehin’ny Frantsay ny Ankolafy RAVALOMANANA » hoy Jean Louis Rakotoamboa « ary misy olon’ny Frantsay tafiditra ao anatiny ». Nambaran’ireo mpitarika ity antoko iray ao anatin’ny Ankolafy ity fa tokony ho modely amin’ny fampiharana ny demokrasia ny fomba fifampitondrana anaty ao amin’ny Ankolafy RAVALOMANANA mba ahafahana misoroka ny fahombiazan’ny tetidratsin’ny mpanjanaka.

Tokony afaka miady hevitra tsara ny mpiara-miombon’antoka rehetra ao anaty ankolafy ary izay voka-dratsin’ny fanapahan-kevitra dia iaraha-mizaka, ny tombontsoa kosa iaraha-migoka hoy ihany ny Filoha Nasionalin’ny TEZA. Araky ny fampitam-baovao nataon’ireto mpikatroka TEZA ireto dia ny fomba fiasa mihitsy no mila fanitsiana fa tsy ny olana mikasika ny lisitra Ministra nalefan’ny Ankolafy ihany akory. Nambaran’ny Filoha Nasionaly moa fa efa nampitaina tamin’ny olona akaiky indrindra ny Filoham-pirenena izao fandraisana andraikitra ataon’izy ireo izao ary mbola hanaovany tatitra eny amin’ny Kianjan’ny Finoana ihany koa. Ny tsy fisian’ny fandraisana andraikitra hanatsarana ny fomba fiaraha-miasa kosa dia mety hitarika fanapahan-kevitra goavana ho raisin’ny antoko, arakin’ny voalazan’i Rakotoamboa  ihany, satria « tsy maintsy hanohy ny tolona efa nimasoany ny TEZA ».


Fampiharana ny tondro zotra : sarona ny teti-dratsin’ny manam-basy

Jeneraly dimy sy Kolonely maromaro no fantatra ankehitriny fa mikonokonona hevi-dratsy hanakanana ny fanatanterahana  ny tondro zotra. Vaky bantsilana nandritran’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety nataon’ny mpanaradia ny Pr. Zafy Albert izany androany. Nambaran’ireto mpikatroka ho an’ny fampihavanam-pirenena ireto fa ananan’izy ireo avokoa ny porofo mikasika ireo fivoriana antsokosoko ataon’ireto manam-boninahitra ireto ary fantatra fa vao roa andro izay no nihaona farany tany amin’ny 25 Km izy ireo ary namariparitra ny daty rehetra hanaovan’izy ireo ny “action”.

Sary Villa Elisabeth

Ny tanjona dia ny hanakorontana indray ny dingana rehetra efa vita amin’ny fanatanterahana ny tondro zotra. Ao anatin’izany ny fakana ny lapan’I Mahazoarivo sy  Ambohitsorohitra. Raha ny fampitam-baovao nataon’ireto mpomba ny Pr. Zafy ireto dia isan’ny antony iray anaparitahana  ny mety tsy hahatafatsangana ny governemanta araky ny tetiandro napetraky ny TROIKA ny fikasana hanatanteraka izany fihetsika mamoa-doza izany. Voalaza fa tokana amin’ireo Jeneraly ireo no avy amin’ny zandarimariam-pirenena ary sahy mijoro izy fa efa zatr’ady amin’ny fanonganam-panjakana ary manana traikefa noho izy efa misotro ronono.

Iza ary no tena olana?

Tsara ny mpanahatsiahy fa tamin’ny taona 2009 dia nomen’ny Filoha RAVALOMANANA an’ireo manamboninahitra ambony grady indrindra eto amin’ny tany sy ny firenena ny fandaminana mba ahafahana miroso amin’ny fifidianana. Nolavin’izy ireo anefa izany ary naleony niandany tamin’ny mpanongam-panjakana toy izay nijoro tamin’ny maha-“tandroka aron’ny vozona” azy. Nandritran’ny telo taona latsaka dia didin’ny be sandry sy ny manam-basy no niainan’ny vahoaka Malagasy teto ary izay sahy nijoro nikiaka ny tsy rariny dia nahazo ny anjarany avokoa. Ankehitriny rehefa tonga eo amin’ny fotoana hivahan’ny olana amin’ny alalan’ny fifanarahana ara-politika dia tsy mahazaka izany ry “be baoty” fa dia hitsivalana sy hanakorontana indray. Mazava izany fa ireo hery famoretana mitam-basy mihitsy no tena olana eto Madagasikara ary tena mibahana  ny hivoahan’ny Firenena amin’ny krizy.

Amin’ireto mpanara-dia ny Pr. ZAfy ireto dia fandraisana andraikitra no nanosika azy ireo hamaky bantsilana io teti-dratsy io androany ary antso avo ihany koa atao amin’ireo mitonona fa manana ny fahefana eto Madagasikara indrindra eo amin’ny foloalindahy.

 
 
  Fantaro ireo kandida minisitra natolotry ny ankolafy Ravalomanana

 Omaly dia nanolotra ny lisitra handrafitra ny governemanta tarihin’ny Omer Beriziky ny ankolafy Ravalomanana.
Praiministra lefitra iray (01) sy ministra enina (6) no solon-tena ao anatin’izany governemanta izany, ka hiady amin’ny fanantanterahana ny fampiharana ny tondro-zotra.

 

                                                                     -Vice-premier ministre des Affaires Etrangères :  Ranaivoson Henri Roger, (Chief of Staff)
                             -Ministre de la Justice :  Randrianarivelo Désiré (Ancien Président SMM)                                                      -Ministère de l’Industrie :   Manandafy Rakotonirina ( Président National MFM)
                                                                     -Ministère du Commerce :  Ramalason Olga (Maire CU Antsirabe)
                                                                     -Ministère de l’Agriculture :  Ravatomanga Rolland ( Sénateur Tim)
                                                                     -Ministère du Transport :  Andriamahefason Jean Bruno
                                                                     -Ministère de la Communication :  Sevamboiny Simon ( Ancien DG ORTM)

Publié dans La Presse

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article
T
I am not much interested in the politics these days. I don’t feel to make my hands dirty interfering on these matters. Yeah, I agree that these are my country’s problem and it does affect me. But is there any real use of all this.
Répondre