VAOVAO TSARA HO FANTATRA (30/11/11)

Publié le par Collectif GTT

Tentative honteuse d'arrestation du fils du Président RAVALOMANANA

 

 

http://collectif-gtt.org/content/30112011-tentative-honteuse-darrestation-fils-pr-sident-ravalomanana


30/11/2011:
Tojo Ravalomanana, fils du Président Marc Ravalomanana en exil, était de retour à Madagascar dimanche avec sa femme Claudia et un ami proche, John Ferry.
Accueillis par une foule amicale et certains médias, ils sont arrivés en toute sécurité à Antananarivo pour visiter leurs familles et amis qu'ils n'ont pas vus depuis près de trois ans.
 
Mais la présence de Tojo a aussitôt entraîné sa tentative d’arrestation par les forces armées. Lundi après-midi, la police avait fait une descente à la résidence de la famille Ravalomanana. A défaut de le trouver là, la police avait battu les gardes de sécurité sur les lieux après avoir délivré une convocation que Tojo devait faire un rapport au poste de police mardi matin.
Tojo n'est pas resté à la résidence familiale lundi soir et n'a donc pas reçu l'avis. On ne sait où il se trouve actuellement.

Selon la presse à Madagascar, ce jour, le chef de la gendarmerie à Antananarivo, le général Ravalomanana, soutenu par le mi-nistre de la Justice et le Président de la Transition Andry Rajoelina, avait également identifié John en tant que mercenaire - pré-tendument parce qu'il portait une casquette et des lunettes de soleil pour le protéger du soleil malgache.

John, un collègue de Harvard de Tojo et proche ami de la famille, est un citoyen américain vivant en Afrique du Sud au cours de ces dernières années. Il a des intérêts d'investissement  actifs à Madagascar et représente un certain nombre de groupes d'in-vestissement américains désireux d'investir dans le pays, une fois la situation politique résolue.
La famille Ravalomanana est perturbée par le harcèlement du régime transitoire de citoyens qui ont légalement et légitimement le droit d'être à Madagascar, en citant des tactiques d'intimidation comme un autre stratagème pour faire dérailler le retour du pays à la stabilité politique.

Fitoniana politika : lohalaharana mitsipaka ny tondro zotra ny Jeneraly Baomba (+vidéo)
http://collectif-gtt.org/
Niantefa mivantana tamin’ny Jly Baomba ny hafatra nampitain’ny Me. Hanitra Razafimanantsoa androany raha nitafa tamin’ny mpanao gazety ny tenany. “Aoka hatsahatra amin’izay ity fampihorohoroana sy fanakorontanana saim-bahoaka ity” hoy izy “raha tena tomponandraikitra marina ianao”. Na dia efa nifanarahana aza mantsy fa hatsahatra avokoa ny fanenjehana ny zanakin’ny Filoham-pirenena dia mbola avo vava ihany ity jeneraly iray ity omaly raha niseho tamina fahitalavitra tsy miankina iray. Nambarany tamin’izany fa “tsy maintsy tanterahina ny fikarohana an’I Tojo Ravalomanana sy John Ferry” ary mbola nampiany hoe “tsy misy mahasakana anay amin’izany na filoham-pirenena aza”. Mazava hoazy fa ny rafitra rehetra napetrakin’ny tondro zotra no lavin’ity manamboninahitra ambony ity ankoatrin’ny fanitsahany ny an-tanan-tohatra rehetra amin’ny fanatanterahana baiko maha-mpitandro filaminana azy.

Ambonin’ny lalàna …

Amin’ny maha-mpisolovava azy dia isan’ny olona mahalala indrindra ny paipaika fanao amin’ny fampanatanterahana didim-pitsarana ny Me. Hanitra Razafimanantsoa. Notsipahiny marindrano ny filazan’I Baomba fa “tsy maintsy hanatanteraka ny didy fampisamborana” ny Filoha RAVALOMANANA izy sy ny ekipany. Arakin’ny fanazavana nomen’ny mpisolovava ny Filoham-pirenena dia misy dingana “tsy maintsy arahina amin’ny fanatanterahana didy toa ireny fa tsy azo atao am-pientanam-po toa izany”. Nomarihin’I Me. Hanitra  koa fa tsy anjaran’ny EMMOREG, izay tsy miandraikitra ankoatran’ny filaminam-bahoaka eto ain'ny faritra iadidiany no mampihatra didy fampisamborana, fa misy ny rafitra efa natokana hanao izany eo ambany fiadidian’ny ministeran’ny filaminana anaty  raha tena misy ny ilana azy.

Fa iza moa izy ???

Ny Jeneraly Baomba izany izao no manamboninahitra mieritreritra ny tenany fa manana ny fahefana faratampony indrindra eto amin’ny tany sy ny firenena ka na ny fifanarahana niaraha-nandrafitra tamin’izao tontolo izao aza tsy asiany lanjany. Porofon’izany dia sahiny an-kitsirano ny mitsipaka ny rafitra rehetra eo amboniny indrindra rehefa manoloana mpanao gazety izy. Raha ny marina tokoa dia mbola any amin’ny dingana mialoha ny ambany indrindra ny andraikitra tazomin’ity manamboninahitra tsy mety miala “leader” EMMOREG ity raha resaka filaminam-bahoaka. Mbola misy manko ny atao hoe EMMONAT, OMC izay mbola eo ambany fiadidian’ny Praministra no miakatra. Saingy tsy misy avokoa ireo rehefa resin’ny halako bika tsy tiako tarehy sy lavon’ny toe-tsaina ory hava-manana ny manamboninahitra iray nanao fianianana “ho an’ny Tanindrazana”.
Sao kosa lahy mialona ny fitiavan’ny Malagasy ny Filoha RAVALOMANANA ity manamboninahitra ity? Ny anarana manko mba misy itovizana ihany fa  Richard efa naetrin’ny  alahelom-bahoaka noho ny asa nataony tao anatin’ny telo taona.

Fiverenan’ny Prezidà Ravalomanana Sabotsy mifankahita !
http://tiatanindrazana.com/pages/modules.php?id=6044&idcat=2&une=1
Mivoatra ary mihazakazaka be ihany ny fandehan'ny toe-draharaha eto amintsika.
Manoloana ny fikasana hisambotra ny zanaky ny filoha teo aloha sy ny hevitry ny filoha Ravalomanana tamin'ny kabariny omaly, raha niditra an-telefaonina nivantana tao amin’ny Magro Behoririka nandritra ny hetsiky ny Ankolafy telo izy, dia tsotra ny resaka ho an’i Mamy Rakotoarivelo lehiben’ny delegasion'ny ankolafy Ravalomanana. «Omenay “chance” farany ingahy Beriziky hana-tanteraka ny sori-dalana raha tsy izany dia hiala izahay. Efa miantso ny Troika handray andraikitra koa izahay. Efa vonona izahay ary niditra kanefa ny sori-dalana tsy ampiharina araka ny tokony ho izy», hoy i Mamy Rakotoarivelo.

Ny fampiharana ny sori-dalana an-tsakany sy an-davany, manomboka amin'ny andininy voalohany ka hatramin'ny faha-45 no takiana, indrindra fa ny andininy faha-16 sy 17 izay mitaky ny fametrahana ny fahatoniana ara-tsosialy sy ara-politika, eo koa indrindra indrindra ny andininy faha-20 dia ny fodian'ireo sesitany politika rehetra, tsy misy fepetra. Mikasika izay indrindra, araka ny tsiliantsofina dia ny sabotsy 03 desambra ho avy izao no tokony hiverina an-tanindrazana ny filoha Marc Ravalomanana sy ny ankohonany raha tsy misy ny fiovana.

Raha raikitra io dia hankalaza ny tsingerin-taona faha-64 nahaterahany eto Madagasikara izany Atoa Marc Ravalomanana amin’ity 2011 rehefa nankalaza izany roa taona misesy tany ivelany tany. Raha momba ny hoe hisamborana azy na tsia, araka ny loharanom-baovao ihany dia toa manao vazaha mody miady ny eo anivon'ny FAT satria ny any ambony milaza fa haka fepetra, ny tokony hanatanteraka ny 'baiko' anefa minia tsy mankato izany. Ato anatin'ny andro vitsy moa izany no hamantarana ny ho tohiny, tonga amin’ilay fiteny betsileo hoe : se sabotsy mifankahita !

Famahana tanteraka ny krizy Miankina amin'ny fodian-dRavalomanana
http://tiatanindrazana.com/pages/modules.php?id=6041&idcat=2
Hita ho mirona bebe kokoa any amin'ny fanatanterahana ny fihaonana an-tampon'ireo filohan'ankolafy sy lehiben'antoko, araka ny soso-kevitry ny amiraly ny fizotry ny raharaha politika amin'izao fotoana.
 Ny an'ny ankolafy telo aloha dia efa hatry ny ela io fitakiana io. Mifanesisesy ny fihaonana eny amin'ny Carlton eny. Ireo vahiny mitafa amin'ny amiraly no miova saingy mitovy daholo ihany ny votoatin'ny resaka dia ny fanatanterahana io fihaonana an-tampony eto Antananarivo io, ary mitovy hevitra ny maro fa tsy tokony hiandry ela izany satria mila vahaolana mahomby faran'izay haingana ny firenena. Mifandraika amin'io avy hatrany dia voaresaka matetika koa tato ho ato izay ny fiverenan'ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Tsy zavatra atao maimaika izy io fa efa voadinika hatry ny ela, raha araka ny fanazavana voaray. Tena nisy ny fifampiresahana teo amin'Atoa isany Ratsiraka, Ravalomanana ary Zafy, momba izany. Tsy maintsy misy zavatra nifanarahana tao na dia tsy fantatry ny rehetra aza.
Mahalala tsara izany programa rehetra izany ny praiminisitra Beriziky satria efa niresaka mivantana tamin'ny filoha Ratsiraka sy Zafy no efa nidinika tamin'ny ankolafy Ravalomanana ihany koa. Tsy resaka an-tsisiny izy ity fa tena goavana sy iankinan’ny tohin’ny famahana ny krizy. Azo hanaporofoana izany ny fihaonan'Atoa Ratsiraka tamin'Atoa Mokgheti Monaïsa, masoivohon'i Afrika Atsimo sady solontena vonjimaikan'ny SADC eto amintsika omaly, niantoka tamin'ny fanomanana ilay fihaonana an-tampony sy ny fodian'i Marc Ravalomanana ny dinika. Omaly ihany koa dia nanamafy indray Atoa Gilbert Raharizatovo, minisitry ny FAT teo aloha no sady filohan'ny PSRI na vovonana ho amin'ny fitoniana sy ny fankatoavana iraisam-pirenena fa tokony havela hody malalaka Atoa Ravalomanana satria tsy azo ihodivirana ny fanatanterahana ilay fihaonana an-tampon'ny filohan'ny ankolafy 4 miaraka amin'ny lehiben'ny antoko politika rehetra eto amin'ny nosy.
Maro ihany koa no efa mahatsapa izao fa tsy hivaha izany iy krizy ity raha tsy miresaka sy mifanazava tsara mihitsy aloha i Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana, aorian'izay dia ho mora ny fikarohana ny marimaritra iraisana eo amin'ireo ankolafy politika rehetra. Ny tokony hahamailo ihany koa, araka ny fandinihan'ny mpanara-baovao politika azy dia misy mihitsy ireo vondron'olona tohanana firenena avy any ivelany mitady ny fomba rehetra tsy hahatafaverina an'i Marc Ravalomanana eto, sy tsy hahatanteraka ilay fihaonambe, satria raha mahay mifanaraka ny samy Malagasy dia ho very fihinanana izy ireo, izay zatra nampiady sy nampifandrafy ny mpiray tanindrazana mba hahafahana maka tombontsoa mihoa-pampana eto amin'ity firenena ity.

Publié dans Dans le courrier

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article