Vaovao amin'ny teny malagasy 28/08/10

Publié le par rovahiga

collectif-gtt.com/

RAHARAHA 7 FEBROARY: TAHOTRA NY FILOHA RAVALOMANANA NO ANTONY

 

Androany, tamin’ny 6 ora maraina no nivoaka ny didy mahakasika ilay raharaha 07 Febroary. 
Filoha Ravalomanana +Gal Raoelina+ Col Serge Anatole : Inculpés pour  Complicité de meurtre. 
Peine : Travaux forcés à perpétuité
Col Ralitera+Commissaire Mbinina+Col Richard : Disqualifiés en usurpation de titre
Peine : 2 ans sursis
GP2 Fikisy Lydie : Inculpé pour Complicité de meurtre 
Peine : Travaux forcés à perpétuité 
GP2 Parfait Odilon : Inculpé pour Complicité de meurtre
Peine : Relaxé au bénéfice du doute

Ny Col Ralitera sy ny Commissaire Mbinina ihany moa no natrehan’ny mpisolovavany, nefa na izany aza tsy misy ifandraisany velively amin’ny didiy nivoaka ny fanatrehan’ireo mpisolovava. « Assesseurs » roa izay tokony hanampy ny mpitsara moa no nanao ny fiarovana ireo voampanga hafa.

Raha ny nambaran’ny mpisolovavan ‘ireo voampanga moa dia ny “opposition” sy ny “cassation” no entina hanoherana izao didy izao. Ny tranga anisan’ny nahagaga moa dia “ nangataka ny parquet général ny hiampangana ny rehetra ho usurpateur de titre, saingy tsy nanaiky izany Ramatoa Mauricette, filohan’ny Fitsarana”.
Ity didy ity moa dia efa nampoizina ihany satria fantatra fa dia tsy manana ny fahaelovantenany mihitsy ny fitsarana amin’izoa fotoana. “Efa tamin’ny 21 Jiona dia efa fantatra io didim-pitsarana io. Izany no anton’ny tsy nanekeny ny hiandry ny pourvoi en cassation, satria fantatry ny fitsarana tsara fa ho ‘’cassé” ny didy”, hoy  ny mpitsara iray tsy nitononona anarana. Ny endriky ny fitsarana sahala amin’izao no ilay herisetra izay nanaovan’ny mpitsara hetsika ny 25 Août lasa teo.

 

basyvava.com/

Raharaha 07 febroary : nomelohina hiasa an-terivozona mandram-pahafaty ny filoha Ravalomanana !

Nivoaka ny didim-pitsarana mahakasika ilay raharaha 07 febroary, firaisana tsikombakomba nahafatesana olona no niampangana azy ka nomelohin'ny fitsarana hiasa an-terivozona mandram-pahafaty miampy lamandy ny filoha Ravalomanana, hangataka fandravana ny didy ve ny mpisolovava sa tsia? marihana moa fa raha ny Lalam-panorenan'ny Repoblika fahatelo dia tokony ho ny Haute Cour de justice no mahefa mitsara ny filoham-pirenena  am-perinasa.

Andry Rajoelina : hiteny indray  !

Mafampana ny toe-draharaha eto amin'ny firenena, ao ny fihaonana tetsy Vontovorona, ny hetsika any amin'ny faritra atsimo, ny raharaham-pitsarana ny 07 febroary, ny tsy fahandriam-pahelemana izay mahazo vahana, ny fahantrana lalina mahazo ny vahoaka, inoana fa hanazava sy hitondra vahaolana momba izany ny dinika hataon'i Andry Rajoelina amin'ny TVM sy ny RNM rahampitso Alahady.Hivantana avy etsy amin'ny lapan'Ambohitsirohitra moa ny dinika.

Toliary : mafana ny toe-draharaha !

Araka na vaovao voaangona avy any an-toerana dia nisy  fihetsiketsehina nataon'ny vahoakan'ny Toliary io maraina io.Nitifitra baomba mandatsa-dranomaso ny mpitandro ny filaminana, vokany : nisy ny naratra, may ihany koa ny radio iray teo an-toerana.

Andraisoro: nanao akanjon'ny FIS ireo mpanafika!

Notafihan'ny jiolahy nirongo basy Kalachnikov ny Villa roa tetsy Andraisoro.Lasan'ny jiolahy avokoa ny entana tao an-trano toy ny vola mitentina  5,5 tapitsisa Ar, ordinatera fitondra tanana roa, volamena 250g. Hitan'ireo manodidina fa nanao fanamian'ny FIS ireo mpanafika tamin'izany.Mipetraka ny ahiahin'ny mponina hoe ny FIS ve ireny nanafika ireny sa jiolahy nampiasa ny fanamiana fotsiny?

 

gazetiko.mg/

Mifanjevo tanteraka ireo mpanao politika

Hita fa toa tena hataon’ireo mpanao politika kilalaon-jaza ny raharaha. Ady seza no betsaka fa tsy misy finiavana hamaha krizy. 
 Tsy nahatapaka na inona inona ireo mpanao politika nihaona teny Vontovorona nandritra ny hateloana. Mbola safotofoto tanteraka no nitranga omaly. Dia tapaka fa mbola hotohizana amin’ny alatsinainy ny raharaha. Fa na izany aza dia tena mbola mifanjevo tanteraka ny fandehan-javatra mahakasika an’ity fihaonana amin’ny alatsinainy ity. Samy nanana ny nambarany momba io izay rehetra avy nihaona tamin’ny Cnosc sy ireo irak’i Chissano. Milaza ny hanatrika ny ankolafy telo satria raha tatitra azon’izy ireo dia hoe nanaiky ireo antoko politika fa hahena ny isan’ny olona hiady hevitra ary hojerena mialoha ny zavatra hodinihina.  Tsy izay mihitsy anefa ny tapak’ireo ao amin’ny ESCOPOL. Taorian’ny ady hevitra nafotaka dia nifanarahan’izy ireo fa hihidy aman-trano eny Ivato ry zareo amin’ny alatsinainy ary tsy hivoaka raha tsy misy zavatra mivoaka. Tsy hila ny Cnosc sy ny iraka avy any ivelany ho mpanelanelana fa ry zareo samy mpanao politika no hanao izay hataony ao. Raha nanontaniana ny momba an’ireo ny CNOSC dia nilaza mazava fa “tsy afaka hiditra amin’izanuy izahay fa fomba fiadin-dry zareo avokoa izany. Izahay no mitondra ny fanelanelanana izao” hoy ny fanazavana.  Tsy nanamafy na kely aza izay nomen’ireo mpifanandrina koa izy ireo. Manoloana izay fisavoritahana izay anefa dia milaza ho nahatratra ny  tanjona ny mpikarakara ary nanao tatitra izao heveriny fa  teboka tsara tamin’iny dia ny resaka Filohan’ny tetezamita, ny  CST, Kongresy, Ceni, CES.

Ady “micro”

Fa niady “micro” ry zareo Escopol tamin’izay ho valinteny homena ny Cnosc ny amin’ny alatsinainy.  Nifandroritana ny fandraisam-pitenenana. Tsy manaiky ny sasany raha tsy miteny nefa dia fanapaha-kevitra iray ihany no ilaina. Manginy fotsiny ny tsy fifampatokisana. Niakatr’afo tamin’ireo delegasiona nihaona tamin’ny Cnosc ry Kaleta izay nilaza fa “iza no naniraka anareo tany?” Nanitrikitrika koa ny sasany fa tokony hifampierana ny zavatra hatao. Nampiakatra ny tosi-dran’ny sasany koa ny tsy nanatrehan’ny ankolafy telo ny fihaonana miaraka. “Ampy izay” hoy ny feo miakatra.  
Fa ankoatra izay dia nanome valin-kafatra ho an’ireo mpanao politika ningonongonona tsy nahazo sakafo ny Cnosc. “Tsy voafaritra fa homena sakafo ry zareo. Fitsimbinana no anton’ilay sakafo tamin’ny alarobia. Tsy misy vola mandalo aty aminay na ariary aza ho an’ireo mieritreritra fa vola be no mihodina ato amin’ny Cnosc. Ny PNUD no mandoa ny vola rehetra”
 hoy ny fanazavana. Tantara mitohy…

 

Publié dans La Presse

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article