SERASERA, TENY MALAGASY: 07/03/11

Publié le par rovahiga

Tetezamitan’ny ankolafy telo: Famonoan-tena ara-politika ?

http://www.basyvava.com/2011/03/06/tetezamitan-ny-ankolafy-telo-famonoan-tena-ara-politika/

http://u.jimdo.com/www31/o/s05214760ce221b35/img/i9b6bce801377527a/1299407709/std/image.jpg

 

Famonoan-tena ve ny fananganana fitondrana tsy mifototra afa-tsy amin’ny fandrombahana fahefana ? Inona marina ny ho lanjan’ny fifidianana ho amin’ny fampijoroana fanjakana ombam-pahefana tena tsara tso-dranon’ny vahoaka izay mpampindrana azy ? Mitondra mankaiza sy mankaiza marina ny fihetsiky ny mpanao politika Gasy eto ? Hamaha olana sa vao mainka hampitombo ny efa miolana ? Inona marina no dikan’ny hoe: afa-nenina eo amin’ireo mpifanandrina ? Mbola azo tohizana lavareny ireo fanontaniana ireo, ary azo antoka koa fa tsy hanana valiny tena iombonana sy tena ifanajana. Tsy hisy dikany ny fifidianana raha azo atao ny manitsakitsaka ny didy aman-dalàna velona. Tsy hisy fotony ny fahefam-bahoaka raha ampiasain’ny mpanararaotra amin’izay itiavany azy. Ary mamono tena ara-politika izay mpandositra ny adidiny ho amin’ny fanalana ny fahasahiranam-bahoaka...........

Tapi-dalan-kaleha ? Nampiadiana ny hevitra, nandritra ny fotoana maharitra, fa ny rora hatrany no lany. Tsy nahitana mangirana mihitsy ny olana ara-politika eto amin’ny tany sy ny firenena. Misy ny kely finoana sy ny miraviravy tanana amin’izay mety haterak’izao fikatsoana izao, ka leo sy tsy mivaky loha intsony ny amin’izay tena tiany ataony. Tsy midika ho hadalana ve ny mikiry amin’ny mety ho fahafatesana ara-politika ? Tsy manantena intsony ny mety hahafehezana ny filaminana ka aleo hikorontana tanteraka ? Raha hanangana ny tetezamita hafa ve ireto mpanao politika mivondrona ao amin’ny ankolafy telo ireto dia manao izay hitsin’ny lohany fotsiny ho fanoherany ny fikasan’ny … (Suivre le lien)

 

 

Laha-tenin’ny Filoha Avon’ny Tetezamita, Alahady 6 Marsa 2011

http://www.madagascar-tribune.com/Laha-tenin-ny-Filoha-Avon-ny,15579.html

Ry Malagasy mpiray Tanindrazana !

 

Misaotra an’Andriamanitra isika, mitantana ny zavatra rehetra noho ny fiarovany lehibe sy ny fitahiany eo anoloan’ny ratsy. Ho azy irery anie ny Voninahitra !

Tohina ny Fo manoloana ny Fitiavana sy Firaisan-kina nasehonareo tsirairay avy sy ny mpiray Tanindrazana rehetra manerana ny Nosy taorian’ireny teti-dratsin’ireo tsy mataho-tody ireny.

Mivantana ao anatin’ny Fonay ny fanehoam-piraisan-tsaina sy ny firaisam-po natolotrareo. Koa amin’ny anaranay mivady sy ireo zanakay kely telo mianadahy no anolorako fankasitrahana feno sy fisaorana eram-po eran-tsaina ho an’ny Malagasy Tsy vaky volo. Tsy sanatria ny ratsy no mahafaly, fa ny fihetsika feno fitiavana sy ny fankaherezana nasehonareo na eo aza ny … (Suivre le lien)

 

Soridalan’ny SADC. Tsy ho raikitra rahampitso ny fanaovan-tsonia

http://www.moov.mg/actualiteNationale.php?articleId=658382

 Mbola ho sarotra ny ahitana marimaritra iraisana amin’ny fanasoniavana ity soridalan’ny SADC ity.

Araka ny fanambaran’ny Dr. Leonardo Simao tetsy amin’ny hotely Colbert ny sabotsy lasa teo dia, tsy ho vita ny talata izao ny fanaovan-tsonia ilay soridalana natolotry ny SADC. Ezahina kosa hoy izy ny hamitana izany amin’ity herinandro ity fara-fahatarany. Nohazavainy tamin’izany fa, mbola misy ny dinikasa iarahana amin’ny Ankolafy Ravalomanana mikasika ny tolokevitr’izy ireo, mahakasika ilay soridalana nasiam-panitsiana. Raha tsiahivina, dia ireo mpanao politika nanatanteraka fivoriam-be niaraka tamin’ny Filohan’ny Tetezamita Andry Rajoelina teny amin’ny CCI Ivato, ny faha 02 ny volana martsa lasa teo, no nanome fe-potoana ny tokony hanasoniavana ilay soridalana mialoha ny 08 martsa izao. Amin’izany no … (Suivre le lien)

 

Fifofoana ny ain'ny Filoha: " Sergent " iray karohina

http://www.lagazette-dgi.com/index.php?option=com_content&view=article&id=10832:fifofoana-ny-ainny-filoha-q-sergent-q-iray-karohina&catid=49:newsflash&Itemid=61

Hanome " prime " ho an'izay rehetra manam-baovao mikasika ilay fifofoana ny ain'ny filoha Andry Rajoelina teny amin'ny " Marais Masay " ny fitondram-panjakana. Mandeha àry feo amin'izao fotoana fa olona enina no nikotrika sy niara-nivory nanomana iny fanapoahana baomba iny ny alin'ny alahady 27 febroary tao amina trano iray eny Ivandry eny ka mpanao pôlitika malaza amin'ny fanjerana " vazim-boninkazo " sy " sergent " monina eny 67 Ha eny ny roa tamin'izy ireo.

Efa navoakan'ny hainoamanjery moa fa mitodika bebe kokoa any amin'ny vondrona telo ny fanadihadiana sy ny ahiahy manodidina iny fikasàna tsy nahomby nampian'ny tandrevaka sy ny tsy fahaiza-manaon'ny lehiben'ny DSP teo aloha Claude Razafimahatratra sy ny sekretera jeneralin'ny prezidansa Haja Resampa iny. Eo am-piandrasana ny tohiny ny olom-pirenena rehetra izay … (Suivre le lien)

 

Toliara Mijoro: Miangavy ny Pr Zafy hiala amin'ny ankolafy telo

http://www.lagazette-dgi.com/index.php?option=com_content&view=article&id=10833:toliara-mijoro-miangavy-ny-pr-zafy-hiala-aminny-ankolafy-telo&catid=49:newsflash&Itemid=61

Isan'ny hery pôlitika naneho ny heviny taorian'ny fifofoan'ny sasany ny ain'ny filoha Andry Rajoelina ny Toliara Mijoro ka ny zokiolona ao anivon'ny fandrindrana ankapoben'ny Toliara Mijoro, Roberval Jeannot, no manao sonia ny taratasy.

"Miarahaba ny filohan'ny Fahefana Avon'ny Tetezamita tsy maty fo aman'aina izahay Toliara Mijoro", hoy ny fanambarana, "ary manome hery azy sy ny governemanta tarihin'ny Praiminisitra Camille Vital mba tsy hilavo lefona amin'izao asa fampihorohoroana ataon'ireo maty eritreritra afa-tsy … (Suivre le lien)

 

Marc Ravalomanana Miomana amin’ny fifidianana

http://tiatanindrazana.com/pages/modules.php?id=3702&idcat=2&une=1

«Ho avy ny fifidianana. Tsy maintsy mandeha amin’ny lalan’ny fifidianana isika, hahafantarana ny safidin’ny vahoaka Malagasy. Eo ny safidintsika no hipetraka, eo no hahitantsika ny marina», hoy ny filoha Marc Ravalomanana raha nitafa nivantana an-tariby niainga avy atsy Afrika Atsimo, nandritra ny hetsiky ny Vondron’olon-tsotra tao Vatomandry izy ny faran’ny herinandro teo.

Raha nihaino ny kabariny dia toa efa azony antoka fa ho isan’ny kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena manaraka eo ny tenany, na mbola anatin’ny fifampidinihana amin’izay handaminana ny krizy aza ny dingana ankehitriny. Nandritra io tafa tao Vatomandry io koa no nampahafantarany ireo mpiara-dia aminy fa nivory niaraka amin’ireo mpamatsy vola ny tenany, ny zoma lasa teo. Nisy ny avy any Norvezy, Japoney ary Afrikanina Tatsimo, araka ny nambarany.

Anisan’ny zavatra noresahina tamin’izany dia ny ny fomba hatao hanampiana ireo tena sahirana sy hanarenana haingana an’i Madagasikara amin’izao fahavoazana ara-toekarena sy … (Suivre le lien)

 

Fifanandrifian-javatra !

http://tiatanindrazana.com/pages/modules.php?id=3692&idcat=9

Nisinisy ihany ny fanambarana nivoaka tamin’iny herinandro nivalona iny. Samy nanana ny nambarany avokoa ireo manampahefana teto amin’ny tany sy ny fanjakana momba ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny sy ny resaka filaminana. Raha ny fandinihan’ny mpanara-baovao azy dia tena nihazakazaka be mihitsy ny toe-draharaha taorian’ilay saika niverenan’Atoa Marc Ravalomanana teto ny 19 febroary lasa teo. Azo ambara fa nampirehitra ny fifanandrinana politika ihany koa ilay sori-dalana navoakan’ny Dr Leonardo Simao, izay hitan’ny maro fa hafahafa ihany ary tsy nandamina fa vao mainka aza nanakorontana indray. Eo am-piandrasana ny fandravonana ilay sori-dalana ambara fa hoe «tena izy» indray ny rehetra amin’izao fotoana satria tsy hanelanelana mandrakizay eto akory ny SADC fa mba misy ihany zavatra hafa mety manahirana azy ireo any ambadika any, koa raha ny raharaha Madagasikara manokana dia voalaza fa tokony hisy ny vahaolana eken’ny rehetra mialoha ny 18 martsa ho avy izao.

 

Efa nisinisy ihany anefa ny fotoam-bita tsy nahaleo ny sampona teto, ary maro ihany izay daty efa nivoaka izay, saingy hatramin’izao aloha dia tsy mivaha ny krizy ary miha sahirana ny vahoaka. Na izany aza, ,maro ihany no nahatsikaritra fa be loatra ireo fifanandrifian-javatra tato anatin’ny roa herinandro ireo : raharaham-pitsarana momba ny «Radion’ny Gasy», fihaonana politika teny Ivato, fifofoana ny … (Suivre le lien)

 

Fanambaran’ny Pr Zafy Ao andamosinareo izahay aty …

http://tiatanindrazana.com/pages/modules.php?id=3694&idcat=2

Manao ranolava ny fanambarana fanohanana ny fanambarana nataon’ny Profesora Zafy Albert tao amin’ny “Villa Elisabeth” ny 02 martsa teo.

“Manohana zato isan-jato” ny Ankolafy telo avy ao amin’ny Faritra Atsimo Andrefana. “Manainga ny mpitandro ny filaminana mba hiaro ny vahoaka sy ny fananany eo amin’ny fanatanterahana ny adidiny. Manainga ny fianakaviambe riaisam-pirenena mba hamerina tsy misy fepetra ireo filoha roa dia Atoa Didier Ratsiraka sy Atoa Marc Ravalomanana ho tonga eto Madagasikara”, ihany koa izy ireo tamin’ny fanambarana an-tsoratra narahina sonia maro nataon’izy ireo. Tao anatin’izany no … (Suivre le lien)

 

Fanambaran’ny «Villa Elisabeth» Vonona amin’ny fotoana ilana azy Ambilobe

http://tiatanindrazana.com/pages/modules.php?id=3693&idcat=2&une=0

Taorian’ny fivoriana nataon’izy ireo omaly alahady 06 martsa tao amin’ny «Villa Betsiaka Hely» Ambilobe, dia nanao fanambarana iraisana ny Ankolafy telo, ny fikambanan’ny Ben’ny tanàna any Ambilobe, ny Zafistes, ny Zanaka Mahavavy Miray (ZAMAMI) ary ny olon-tsotra ao Ambilobe milaza fa dia «manohana tsy misy fepetra ny fanambarana nataon’ny Profesora Zafy Albert, nitondra teny ny Ankolafy Telo, ny alarobia 02 martsa teo, tao amin’ny «Villa Elisabeth», ary mankahery amin’ny fanoherana hatramin’ny farany ny sarisam-panjakana ataon’ny FAT». Tao anatin’izay fanambarana iraisana izay koa no nanamafisan’izy ireo fa «maneho fahavononana hampitambatra ny hery amin’ity tolona iraisana ity Ambilobe amin’ny fotoana ilana azy». (FIN)

 

Andry Rajoelina Hiala amin’ny fifampidinihina ?

http://tiatanindrazana.com/pages/modules.php?id=3696&idcat=2&une=0

Nikabary nandritra ny minitra fohy tao amin’ny haino aman-jerim-panjakana ny filohan’ny FAT, Andry Rajoelina, ny alahady 06 martsa alina. Fisehoana voalohany nataony io taorian’ny zava-nitranga teny Marais Masay ny alakamisy 03 martsa. Tsy nisy zava-baovao ny nambarany fa dia namerina ireo efa voalaza hatramin’izay roa taona naha teo amin’ny fitondrana azy izay no nataony ka nilazany fa “efa nanapa-kevitra ny Vahoaka Malagasy Masimandidy, Efa tafajoro ny Repoblika fahefatra. Hiroso haingana isika satria na ahoana, na ahoana dia tsy maintsy faranana haingana ny … (Suivre le lien)

 

« B » tena mipoaka

http://www.basyvava.com/2011/03/06/b-tena-mipoaka/

“Saika maty aho lehiroa, tamin’’ny andro faharoa! Tena mpamosavy lava loha no nanao kitoatoa”. Kilalaon’ankizy tamin’ny fotoan’andro taloha izany fa tsy rediredy na koa fitia te-hampiady rima fotsiny! Tsy mety amin’ny fomba fisaina sy ny tontolo politika maneran-tany ny herisetra hateraky ny fifanolanana ara-politika. Tsy maintsy ireo tsy manan-tsiny hatrany no mitondra faisana. Na inona na inona tsy fitovian-kevitra dia tsy politika ny fikendrena ny hamono hahafaty olona, indrindra ny “filoha avo mpitantantana ny tetezamitan’i Madagasikara” no lasibatra(?) Tsy politika ny fandoroana ny lapan’ny tanàna, tsy politika ny famonoana ny filoham-panjakana, tsy politika ny fandorana ny lapa teny Andafiavaratra sy ny teo Manjakamiadana, tsy politika ny fandorana ny RNM sy ny TVM, ary vao mainka tsy politika ny miafina ao anaty herisetra “B” rehefa te-haneho tanjaka sy hampiseho amin’ny rehetra fa mbola mpidinika sy mpitarika politika. Fa tonga ny “B” tena mipoaka rehefa ny politikan’ny herisetra no mitranga. Tsy voatery ho ny mpifanolana hatrany ny hanamboatra ny “B” mba hapoaka fa hevitry ny beloha io. Hevitry ny tsy manana halahatra, hevitry ny kanosa, hevitry ny leom-boanana....

Mampitombo ny f(if )ankahalana sy ny herisetra ny vava mifono fandrangitana sy sofina donto tsy mety hihaino. Raha hiverenana ny tantara dia nandray fiadiana ny mpitolona “tia tanindrazana” nolazaina ho mpioko tamin’ny taona 1947 rehefa tsy nahomby ny “kilemilemy” nataon’ny antoko politika niantomboka tamin’ny hiakan’ny fahafahan’ny taona1929. Aina maro no ripaka satria … (Suivre le lien)

 

Hentitra ny filohan’ny FAT

http://www.basyvava.com/

Nanao lahateny fohy andriamatoa Andry Rajoelina tamin’ny alahady mahakasika ny zava-nitranga teny Marais Masay. Tsy maintsy faranana ny tetezamita ary atao haingana ny firosoana amin’ny fifidianana. Maro dia maro mantsy ireo tsy vonona hitady vahaolana fa faly hanakorontana fotsiny. Ady an-trano mihitsy aza no tian’ny sasany hovolena raha ireny zava-misy teny Marais Masay ireny no jerena. Tsy hihemotra anefa ny filohan’ny FAT fa hanohy hatrany ny dia.

Mangataka ny anafohanana ny Notam ny AREMA

Manohitra tanteraka ny notam na ny tsy famelana an’andriamatoa Didier Ratsiraka hiverina eto Magasikara ny mpikambana ao amin’ny antoko AREMA. Mangataka ny anatsoahana izany izy ireo satria tera-tany malagasy ingahy Ratsiraka ka manana zo hivoaka any ivelany ary manana zo hiverina eto an-toerana. Manana adidy amin’ny famahana ny olana eto amin’ny firenena ihany koa izy

Tsy vita indray ny fanaovana sonia

Taorian’ny fivoriam-be natao teny Ivato dia ny talata valo martsa no … (Suivre le lien)

 

Soridalan’ny SADC: Tsy ho raikitra rahampitso ny fanaovan-tsonia

http://www.gazetiko.mg/gazetiko/

Mbola ho sarotra ny ahitana marimaritra iraisana amin’ny fanasoniavana ity soridalan’ny SADC ity.

Araka ny fanambaran’ny Dr. Leonardo Simao tetsy amin’ny hotely Colbert ny sabotsy lasa teo dia, tsy ho vita ny talata izao ny fanaovan-tsonia ilay soridalana natolotry ny SADC. Ezahina kosa hoy izy ny hamitana izany amin’ity herinandro ity fara-fahatarany. Nohazavainy tamin’izany fa, mbola misy ny dinikasa iarahana amin’ny Ankolafy Ravalomanana mikasika ny tolokevitr’izy ireo, mahakasika ilay soridalana nasiam-panitsiana. Raha tsiahivina, dia ireo mpanao politika nanatanteraka fivoriam-be niaraka tamin’ny Filohan’ny Tetezamita Andry Rajoelina teny amin’ny CCI Ivato,  ny faha 02 ny volana martsa lasa teo, no nanome fe-potoana ny tokony hanasoniavana ilay soridalana mialoha ny … (Suivre le lien)

 

Antoko Politika: Nivaky roa koa ny Exopoles

http://www.gazetiko.mg/gazetiko/index.php?option=com_content&task=view&id=14815

Taorian’ny  vondrona politika Escopol dia fantatra ankehitriny fa nivaky roa ihany koa ny Exopoles tarihin’Atoa Rasambozafy Cyrille. Araka izany, nitsangana ny sabotsy lasa teo ny  vondrona politika antsoina hoe RDR na Rassemblement  Démocratique Républicain à Madagascar, izay nisintaka avy ao amin’ny Exopoles. Miisa 70 mahery ny antoko mandrakotra ny RDR ankehitriny. Tsara ny manamarika fa vao tsy ela akory no nitsanganan’ity vondrona Exopoles ity sy nialany tao anatin’ny Escopol dia izao nivaky roa izao sahady. Nambaran’Atoa Paul Mpody, Filohan’ity vondrona politika vaovao ity fa « mahaleotena tanteraka izahay fa tsy miankina amin’ny vondrona na antoko politika hafa intsony ». Nohamafisiny tamin’izany fa tsy miova amin’ny fotokevitra efa nananany hatrany am-boalohany izy ireo na nitsangana aza ity RDR ity. Noho izany, manohana ny Filohan’ny Tetezamita hatrany ny RDR. (FIN)

 

Tsy hampamono mpiray tanindrazana mihitsy ny ankolafy telo  (04/03/11)

http://collectif-gtt.org/content/04032011-tsy-hampamono-mpiray-tanindrazana-mihitsy-ny-ankolafy-telo-vid-o

Malaza hatramin’ny omaly ny herisetra lazaina fa nahazo ny fiara nitondra an’I TGV. Efa mandeha indray izany ny resaka izao fa tokony samborina avokoa ny mpitari-tolona ao amin’ny ankolafy telo. Nambaran’ny praiminisitra FATE manko fa taorian’ny fanambarana nataon’ny Filoha teo aloha Pr. Zafy Albert dia azo lazaina fa “attentat  politique” ireny zava-nitranga ireny.

 

Efa misy “specialiste”

Mahagaga ny fanodinana ny zava-misy rehetra amin’ny tolom-bahoaka amin’izao fotoana izao. Tsara ny mampahatsiahy fa tsy mbola nisy ny ankolafy telo dia efa nisy ny mpandroba sy mpanimba fananan’olona ary mpandoro tanindrazana. Mahay manavaka ny setroka sy ny tomany ny vahoaka ka mahafantatra ny zava-misy marina.

 

Tsy misy Raiamandreny maniry hamono ny mpiray tanindrazana aminy

Nijoro tamin’ny anaran’ireo Filoham-pirenena telo mirahalahy sy ny vahoakan’ny ankolafy telo ny Depiote Zafilahy ka nanameloka izany fihetsika tsy mitondra filamianana izany. “Na sinema na tsy sinema dia melohinay hatramin’ny farany izany herisetra izany” hoy ny Filohan’ny vondrona parlemantera TIM. Mitady ny mahasoa ny vahoaka ireo Filoham-pirenena telo mirahalahy ireo fa tsy hamono ny Malagasy toy ny nataon’ireo mpanongam-panjakana tamin’ny taona 2009. (FIN)

 

Efa mba nosainina ve sa odian-tsy hita ?

http://collectif-gtt.org/content/05032011-efa-mba-nosainina-ve-sa-odian-tsy-hita-vid-o

Misy fifanoherana miharihary ny zavatra ataon’ny FATE amin’izao fotoana. Efa nampandany ny lazainy fa lalam-panorenenan'ny  Repoblika faha-4 izy ireo tamin’ny 17 novambra 2010 nefa mbola asaina mifandrombaka manao sonia ilay vakiraokan-tsoridalana ihany ireo antoko  politikan’ny mpianakavy. Ny “feuille de route” dia fifanarahana politika izany hoe amin’ny fotoana tsy mampitombona ny fitondrana no ilana ny fampiharana izany ahafahana miroso amin’ny famerenana amin’ny laoniny izany fitondrana izany.

Midika izany fara ha  ankotoavin’ireto mpomba ny FATE ireto io “feuille de route Simao” io dia raisiny ho toy ny lalam-panorenena vonjimaika  mialohan’ny firosona amin’ny fametrahana izay tena izy. Eo izany dia efa manosy avy hatrany ny safidiny izy ireo. Izay ilay manao zavatra tsy ampiheverana ka zary “mila raharaha ohatra an’I Rainizafilemena”. Mitovy tsy misy valaka amin’ny didy hitsivolana ezahina anamasinana sy anamafisana isan'andro ny toeran’ny mpanongm-panjakana ihany ity tranga ity. Vokany hitan’ny mpahay lalàna fa ireo didy nataony ihany no manamafy ny tsy maha-ara-dalàna azy eo amin’ny fiondrana ny firenena. (FIN)

 

rov@higa


 

Publié dans La Presse

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article