SERASERA, TENY MALAGASY: 03/03/11

Publié le par rovahiga

Villa Elisabeth: Tohizo ny tolona

http://www.madatimes.com/index.php?option=com_content&task=view&id=5039&Itemid=1

http://images.google.com/images?q=tbn:ANd9GcQgiiYHlTT_2e3pLJQUva6g5DiAHcC6cBr39agplfBBbmKyyxFXrtaaPoY:mydago.com/wp-content/uploads/2010/11/2Villa-Elisabeth-25-nov-2010.jpg

Photo: mydago.com 

 

Niditra mivantana tamin’ny antso an- telefona ary nifampiresaka tamin’ny olona maro tonga tao amin’ny villa Elisabeth ny filoha Ravalomanana Marc, niainga avy atsy Afrika Atsimo. “Mamporisika ny ankolafy telo hiray hina ary misaotra anareo  mampiseho eo imason’izao tontolo izao fa ny firaisan-kina no hery”, hoy ny filoha Ravalomanana Marc.” Aza hajanona fa tohizo hatramin’ny farany ny tolona hiverenan’ny ara-dalana fa izaho manohana amin’ny fomba rehetra ary tsy mandry andro, tsy mandry alina fa mampahafantatra ny zavamisy eran’izao tontolo izao”, hoy izy. “Miantso ny mpitandro filaminana hiaro ny vahoaka satria tsy mbola nisy fijaliana tahaka izao teto Madagasikara”, hoy ihany izy. Ity hetsika ity no nataon’ny mpanohatra ny fitondrana hanoherana ilay fihaonana nataon’ny  filohan’ny Hat sy ny antoko  politika samihafa teny Ivato.

Tsy mizarazara

« Tsy ny mpanelanelana iraisam-pirenena no tokony hanomana ny sori-dalana fa ny fiaraha-midiniky ny vondrona politika no manomana sori-dalana hamahana ny krizy », hoy ny ankolafy telo. Olona arivo teo ho eo no tafavory tetsy amin’ny Villa Elisabeth , Ivandry ,omaly, nanohana ny antson’ny ankolafy telo. Tamin’izany no nanambaran’i Manoro Régis avy amin’ny ankolafy Zafy Albert fa miray hina tanteraka ny ankolafy telo ary tsy mizarazara. « Mbola vonona amin’ny fifampidinihana izahay na tsy mankasitraka ny sori-dalana novolavolain’ny fitondrana tetezamita sy  i Simao izay tsy hamaha ny olana », hoy i Manoro Régis. Mila fitsipi-dalao vaovao mihitsy ny fanaovana fanelanelanana araka ny namabaran’ny ankolafy telo. Anisan’izany ny fifampidinihana eo amin’ny vondrona politika sy ny ankolafy fa tsy olona tsotra no tokony hanao izany.

Ratsiraka tsy manan-trano

Ny fifanatrehan-tava  no vahaolana ka averina ny fifanatonana an-databatra boribory ary eto an-tanindrazana no hanaovana izany. Marthe Razafimalala avy amin’ny antoko Arema kosa no nanitrikitrika fa tsy ekena ny fisakanana an’i Ravalomanana Marc sy Ratsiraka Didier tsy hody. “Ratsiraka no olon’ny fihavanana sy ny fifampiresahana ary manana vahaolana roa na telo hamahana ny krizy izy araka ny efa nambarany “, hoy ity vehivavy Arema ity. Nasiany fanazavana tamin’izany fa ny 29 Novambra 2009 no efa nanao fangatahana tamin’ny Hat ny filoha Ratsiraka nangataka ny hanomezana na hanavaozana ny trano fonenany, saingy tsy nisy valiny izany hatramin’izao. Ny trano natokana ho an’ny amiraly ao Ambodiatafana anefa efa may ary ny ao Mangarivotra , Faravohitra kosa lasa birao fiasan’ny sampana miady amin’ny kolikoly.

Aza miditra ny vahiny

Manandafy Rakotonirina, filohan’ny antoko Mfm kosa dia nanome fampitandremana ny masoivoho  frantsay sy i Léonardo Simao, tsy hiditra amin’ny raharaha tokantranon’ny Malagasy. Nandray fitenenana koa i Lalatiana Ravololomanana ary nilaza fa mbola  betsaka ny gadra politika mbola voafonja ka tsy mitsahatra ny tolona raha tsy mivoaka ireo. Nitanisainy tamin’izany ny gadra miisa 66 ao Antanimora, miampy ny 44 any Tsiafahy izay saika miaramila sy manam-boninahitra ny maro ary 6 kosa ireo gadra any Toliara.

 

Raikitra izany ! «Hanangana rafitra tetezamita”

http://tiatanindrazana.com/pages/modules.php?id=3670&idcat=2&une=1

Basy atifi-kavana ny fanambarana politika nataon’ny Profesora Zafy Albert omaly tao amin’ny «Villa Elisabeth» Ivandry, nandritra ny fientanam-be nataon’ny Ankolafy telo teny an-toerana.

Teo anatrehan’ny vahoaka an’arivony no nilazan’ity rain’ny demokrasia ity fa «tsy misy fitondrana ara-dalàna eto», ary «efa ela i Andry Rajoelina no tsy tokony hitondra» an’ity Madagasikara ity. Tsy ara-dalàna ary tokony horavana, hoy izy, ny Kongresin’ny tetezamita sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, ary niantsoany ny tafika mihitsy moa hanidy izany. Tamin’ny tehaka mirefodrefotra no nandraisan’ny vahoaka sy ireo mpanao politika maro, nahitana filohan’antoko, parlemantera teo aloha, Olobe sy Tangalamena, tonga teny an-toerana izany. Rehefa izay dia nambaran’ny Pr Zafy Albert fa miomana izy ireo, fa “ato ho ato, dia hanangana rafitra tetezamita”. Hivory ny teknisianina handinika ny fametrahana izany, hoy izy.

Fa mialoha izay dia hisy taratasy haterin’ny delegasiona avy amin’izy ireo any amin’ny masoivohon’ny Firenena Mikambana eny Andraharo ary amin’ireo masoivohon’ny firenena lehibe. Io taratasy io dia mirakitra ny filazana ny antonanton’ny ilana fifanarahana vaovao mba hivoahana amin’izao krizy izao. Ny Dr Manoro Régis, mpitondra tenin’ny Ankolafy Zafy no namaky io taratasy io, izay tamin’ny teny frantsay ranoray, milaza fa tsapa fa nandamoka avokoa ireo dinika rehetra natao teto mba handaminana ny krizy, izy nanomboky ny FFKM ka hatramin’ny fihaonambem-pirenena nandalo tamin’ny Maputo sy Addis Abeba. Voatery antsoina indray amin’izao fotoana izao ireo vondron’olona hafa hiaraka hidinika. Fantatra anefa fa ny fifanarahana teo aloha dia tsy mamatotra afa tsy ireo nanao sonia an’izany, araka ny … (Suivre le lien)

 

Sori-dalana Sanganehana ry Simao

http://tiatanindrazana.com/pages/modules.php?id=3664&idcat=6

Tonga tetsy amin’ny Colbert Antaninarenina, itoeran’ny iraky ny ekipa mpanelanelana avy amin’ny SADC, ny delegasiona avy amin’ny Ankolafy Ravalomanana omaly tolakandro nanolotra tamin’ny Dr Leonardo Simao ny fanamarihana maromaro hitan’izy ireo tao amin’ilay sori-dalana naroson’ity farany tamin’ny 31 janoary 2011 ary efa nitondran’i Joaquim Chissano fanitsiana ka natolony ny 16 febroary 2011.

Nitarika ny delegasiona teny an-toerana i Mamy Rakotoarivelo sy Fetison Rakoto Andrianirina, niaraka tamin’ny teknisianina isany, Me Hanitra Razafimanantsoa sy Benjamin Andriamihanta sy i Brian C. manampahaizana vahiny momba ny fandaminana ny krizy, izay miara-miasa akaiky amin’ny Ankolafy Ravalomanana. Nandritra io fihaonana omaly io koa no nanoloran’ity ankolafy ity ny volavolan-tsori-dalana avy amin’izy ireo.

Araka ny fantatra dia omaly ihany dia efa nanomboka nandinika ity tolo-kevitra avy amin’ny Ankolafy Ravalomanana ity ny iraky ny ekipa mpanelanelan’ny SADC ary hisy ny fivoriana hiarahan’ny roa tonta amin’ity anio ity hifanazavana mikasika ireo teboka manjavozavo ka ilam-panazavana na hiadian-kevitra ao anatin’izany.

Raha nihaona tao Sandton, Afrika Atsimo ny Filoha … (suivre le lien)

 

Holafitry ny mpisolovava “Anjorom-bala ny zon’ny fiarovana”

http://tiatanindrazana.com/pages/modules.php?id=3671&idcat=6&une=0

Mahatsiaro ny Holafitry ny mpisolovava, tarihin’ny filohany Me Solo Radson, fa atao anjorom-bala ny zon’ny fiarovana.

Nibaribary izany tato anatin’ny raharaha mikasika ny “Radion’ny Gasy”. Ny “Direction de la sécurité du territoire” na DST, miankina mivantana amin’ny Fiadidiana ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, no mandray an-tanana ny famotorana ny raharaha, izay mbola tao anatin’ny famotorana tanteraka, efa maro ny resaka nivoaka an-gazety manodidina izany ary nisy fanononana anaran’olona sy ny mombamomba azy mihitsy. Nisy mpisolovava iray mpikambana eo anivon’ny Holafitry ny mpisolovava miaro olona voakasik’io raharaha Radion’ny Gasy io lasibatra tamin’izany.

Nanamarika ny filohan’ny holafitra fa nosamborina teo am-panaovana ny … (Suivre le lien)

 

Halan’olo fa tian-Janahary?

http://www.basyvava.com/

“Fahendrena ny miala rehefa rehefa tsy misy hapoaka”. Miverina an-tsaina io hiran’i Zokibe Raoul io amin’izao zavatra hiainan’ny firenena Malagasy izao. Ny mpanao politika Gasy dia manana “hapoaka” sy “harefodrefotra” hatrany fa “diso i Zokibe e! Fa tsy “fipoahana” ve ireny teny Ivato sy teny Ivandry omaly ireny? Ny teny Ivato dia nihidy aman-trano tao (à huis clos = 8 kilao ‘zany no lanjan’ny hevitra tao?). Ny teny Ivandry kosa dia famoriam-bahoaka sy tsimialonjafy (satria tao an-tranon’i Zafy?). Ireo vondrona roa ireo dia tsy misy mivonona ny “hisara-maina” fotsiny eo, fa tsy maintsy misy “maratra” sy “fay” vao hifarana ny fampiderana taim-bý. Ampiasaina daholo ny resaka matavy, ny tsindry ara-tsaina, ny fahefana, ny mokon-doha, ny “lainga politika” maro isan-karazany, saingy mbola tsy nivaha ny olan’ny gasy. Mbola mihodina am-pitoerana ny tandrimo. Ny hivavahan’ny vahoaka leo sangodina sy miandry ny rariny dia enga anie mba hisy ho fanina sy ho ratsy fihazona dia miala an-daharana ho azy sy miakarapoka. Tena ilàna lazon’ady ny politikan’ny Gasy. Ilàna vahoaka sy Zanahary ho “mpiaro” (Suivre le lien)

 

Fitondrana Avon’ny Tetezamita : “Marina ‘zany Prezidà”

http://www.basyvava.com/

Voafefy anaty tamboho avo dia avo, (satria nihidy aman-trano tao) ka tsy mety mahita ny ety ivelany mihitsy ny mpitondra avo eto Madagasikara eto. Nanambara indray ny mpitarika Rajoelina Andry fa tsy fanampahan-kevitry ny mpitondra tetezamita no nivoaka iny omaly teny Ivato iny fa avy amin’ireo mpitarika sy antoko politika miisa eo amin’ny 40 eo ho eo, izay namaly ny antsony. Tsy maintsy hiroso amin’ny fifidianana isika hoy ny tenany, teo ampanokafana ny fivoriana. Dia samy mamaly ao anatin’ny nofiny sy ny eritreriny ao ny mpanao politika nanatrika fa “marina ‘zany Prézidà … (Suivre le lien)

 

FIHAONANA TENY IVATO: Amin’ny volana septambra ny fifidianana

http://www.taratramada.com/spip.php?article7789

Hatao miaraka amin’ny volana septambra ho avy izao ny fifidianana solombavambahoaka sy ny Filohan’ny Repoblika IV. Izay no anisan’ny fehin-kevitra tapak’ireo hery sy antoko ary vondrona politika nakan-kevitra indray sy nivory teny amin’ny Foibe fandraisam-pivoriana iraisam-pirenena (Cci) teny Ivato, omaly. Tafiditra ao anatin’ny fanajana izay voarakitry ny volavolana sori-dalana naroson’ny solontenan’ny Vondrona Iraisam-pirenena amin’ny alalan’ny iraky ny Sadc, ny Dr Leonardo Simao izany, izay namaritra fa eo anelanelan’ny 1 mey ka hatramin’ny 30 novambra ny hanaovana ny fifidianana rehetra. Tsy hiady varotra intsony ary hitana tsy misy fanovana ilay volavolan-tsori-dalana hivoahana amin’ny krizy izy ireo, araka ny fanambarana iombonana. « Manasa ny Dr Leonardo Simao, solontenan’ny iraky ny mpanelanelan’ny Sadc, hotronin’ireo masoivoho vahiny mba hikarakara lanonana ofisialy fanasoniavana ny … (Suivre le lien)

 

Hetsiky ny Ankolafy Telo: Avy dia feno miaramila ny eran’ny tanàna

http://www.gazetiko.mg/gazetiko/

Tsy nanao ambanin-javatra ilay fanambarana izay nataon’ny Pr Zafy Albert mihitsy ireo mpitandro filaminana.

Taorian’ilay fanambarana nataon’ny Profesora Zafy Albert teny Ivandry ny Alarobia lasa teo, mikasika ny diabe mety hataon’ny Ankolafy Telo ato ho ato dia, nisy sahady ny fandraisana andraikitra nataon’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Emmo- Reg. Omaly tokoa mantsy dia feno azy ireo ny manodidina ny Magro Behoririka, nandritra ny fihetsiketsehena nataon’ny Ankolafy Telo teny an-toerana. Noho izany antony izany dia, hita ho tsy nanao ambanin-javatra ilay fanambarana ireto mpitandro filaminana ireto satria, efa niatrana tamin’izay mety ho fivoahan’ireo mpanao fihetsiketsehana. Tsy teny amin’ny manodidina ny Magro Behoririka ihany anefa  izany fa, … (Suivre le lien)

 

rov@higa 


Publié dans La Presse

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article