RODOBEN’NY MALAGASY HO AN’NY TANINDRAZANA !

Publié le par rovahiga

http://www.matv.mg/wp-content/uploads/2011/02/115.jpg

 

Miantefa amin’iza moa ny antso ? Miantefa mazava ho azy ho an’ny rehetra izay lazaina fa olom-bitsy tsy misy lanjany sy mpanakorontana ! Miantefa ho an’izay rehetra mahafantatra tsara fa tsy ara-dalàna ny fitondrana eto an-tanindrazana, satria fahefana norobaina tamin’ny herisetra sy fanonganam-panjakana. An’ny malagasy rehetra tsy ankanavaka ny fahefana ary izy irery ihany no manendry izay olona tiany hitantana ny tany sy ny fanjakana amin’ny anarany. Miantefa amin’ireo rehetra rava fananana, asa aman-draharaha ary tsy nasiana teny na kely akory aza nandritry ny taona maro nolazaina fa hanavotana ny vahoaka malagasy no nakana ny fahefana !

Nailika tsy an’isan’ny vahoaka intsony ireo rehetra ireo, satria tsy mitovy fijery amin’ny mpanongam-panjakana. Ny mahamay an’io fitondrana norobaina io dia ny hahazoana volabe avy amin’ny sehatra iraisam-pirenena mba higalabonana amin’ny karama manapitrisa maro, fa ny vahoaka valalabemandry kosa dia ny miasa mafy na dia kely aza ny karama hoy ilay hira. « Reconnaissance internationale » hafahana hampitrandraka ny harena rehetra eto an-tanindrazana an’ireo orinasa voay be mba hisian’ny asa ho an’ny vahoaka. Jereo anefa ireto mahazo ny mpiasam-panjakana : ny mpampianatra eny amin’ny ambaratonga ambony ohatra, tsy mahazo izay anjarany ka miantefa mivantana any amin’ny mpianatra ny fahavoazana. Niasa tsy nisy « budget » anie teny amin’ny ioniversite e ! Ka rehefa tsy nisy intsony ny vola dia voatery nahato ny fampianarana. Tsy misy mandeha amin’ny làlany ny vola, ny olom-boatendry ambony anefa miady ny hampiakarana ny karamany sy ny tombo-tsoany ho tapitrisa ariary maromaro ambonin’ny efa raisina! Mitsinjo vahoaka ve izany ?

Aza manody izao fahoriana sy fanitsakitsahana izao ! Raha manana ny ampy sy mahita ny rariny aloha ianao dia mazava koa fa tsy ianao no hiantefan’izao antso izao, ny aty aza mikipily any aminareo satria any ny volam-bahoaka zarazaraina fotsiny rehefa vonona hanompo ny mpanongana.

Mandiniha tena, aiza ho aiza ianao, aiza ny ho avinao? Sa izay maty dia maty fa aleo andeha amin’izao? Tsy misy mandaha ny hisian’ny fifidianana ary efa tsy andry mihitsy aza ny hisiany, fa azonao antsaina ve ny zava-hitranga raha antokon’olona miray fijery ihany no hanomana sy hanatanteraka izany fifidianana izany? Aza adino fa izay miteny manohatra ny fitondrana tsy ara-dalàna ankehitriny anie ka migadra sy voan’ny tsindry hazolena e! Dia mihevitra ve isika fa rehefa lany amin’ny fifidianana ireo mpandroba ireo dia hivaha ny olana sy ny geja, ka ho salanitra ny vahoaka rehetra? Ny tetezamita anie rafitra hamerenana ny fahefana amin’ny vahoaka e, ka tsy maintsy ireo rehetra mifandona ara paolitika no tsy maintsy miara-mitantana tsy hisian’ny tombo sy ala eo anoloan’ny safidim-bahoaka e! Mba tsy hisian’ny fitongilanana amin’ny fikarakarana sy fanatanterahana izany fifidianana izany.

Izany no hitakiana ny hanaganana rafitra tetezamita ara-dalàna sy eken’ny rehetra. Heloka sy fahotàna eo anatrhan’Andriamanitra sy ny mpiray monina ny mandamina ny adin’ny mpivady raha ny havan-dralehilahy, na ny an’ny ravehivavy ihany no handamina ny olana! Maika fa olana mitranga amin’ny firenena misy mponina 20 tapitrisa mahery!

MIFOHAZA! MITSANGANA! MITENENA! FA TOMPON’ITY TANY ITY DAHOLO REHEFA MALAGASY, TSY MISY AMBONY, TSY MISY AMBANY!

 

rov@higa

Publié dans Réflexions

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article