FANAMBARANA FIRAISAMONIMPIRENENA

Publié le par CNOSC

Ny Fihaonamben’ny Firaisamonimpirenena teto amin’ny « La résidence Ankerana » androany 21 May 2011 dia namoaka ireto fehi-kevitra manaraka ireto.

Mahakasika ny zava-misy eto amin’ny Firenena

-         Mitotongana ny toekarena

-         Tsy misy ny Fitondrana tsara tantana

-         Tsy misy ny fitsinjarana ara-drariny ny harem-pirenena

-         Mihamaro ny very asa

-         Miaina ao anaty tsy fandriampahalemana lalipaka ny vahoaka

-         Miha-potika haingana ny tontlo iainana (Ny ala sy ny zavaboary mampiavaka an’i Madagasikara)

-         Mitombo ny tahan’ny fitsoahana an-daharana any an-tsekoly

-         Mitombo ny kolikoly eo amin’ny sehatra maro

-         Tsy afaka mahazo fitsaboana araka ny tokony ho izy intsony ny Malagasy

-         Tsy ampy fahamatorana sy fitiava-tanindrazana ny mpanao politika

-          Hidiran’ny politika lalina ny eo anivon’ny Tafika, ny Fitsarana, ny Fitondrana ara-panjakana ary ny fiangonana

-         Mihavery ny fahatokisan’ny vahoaka ny mpanao politika

-         Miverin-dalana ny demokrasia eto madagasikara

-         Lasa takalonaina ny vahoaka noho ny tsy fahitana vahaolana politika

-         Very tsikelikely ny kolotsaina sy ny soatoavina Malagasy izay miorina amin’ny Fihavanana

Manoloana ireo toe-javatra ireo dia manao izao fanambarana izao ny Fihaonamben’ny Firaisamonimpirenena:

-         Handray andraikitra ny Firaisamonimpirenena hanalana ny firenena amin’izao toerana misy azy izao

-         Mpiray antoka sy mpandray anjara feno amin’ny famahana ny krizy sy ny famolavolana ny ho avin’ny firenena ny Firaisamonimpierenena

-         Apetraka ny Governemanta sy ny tompond’andraikitra amin’ny ambaratongam-pahefana rehetra any amin’ny Faritra tsy miandany. Tsy milatsaka amin’ny fifidianana karakaraina mandritra ny tetezamita ny mikambana rehetra ao anatin’izany

-         Ny andraikitry ny Governemanta mandritra ny tetezamita dia ny fametrahana tontolo manodidina milamina sy mirindra ahafahana manatontosa ny fampihavanam-pirenena sy ny fifidianana, fitsinjovana ny ara-tsosialy sy ara-toekarena ny vahoaka ary ny fitandroana ny fandriampahalemana

-         Tontosaina amin’ny fotoana mahamety azy ny fifidianana mangarahara, azo antoka ary eken’ny rehetra

-         Amboarina ny firafitra sy ny mpikambana ao amin’ny CENI mba hanana fahaleovantena tanteraka

Natao androany 21 May 2011

 

Source: MyDago.com

Publié dans COMMUNIQUE

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article