Seminera nataon'ny VOT- Antananarivo

Publié le par VOT

http://1.bp.blogspot.com/-4l3uu7jvbnQ/TknRZUcgiGI/AAAAAAAAA9c/8FlfXMFanRo/s400/P8140372.JPG

 

Seminera nataon'ny VOT- Antananarivo 14/08/2011: sary sy laha-teny 

 

Niditra mivantana tamin'izany ny Filoha Marc Ravalomanana nampita vaovao ka tena nampifoha nyrehetra tamin'ny torimasony tokoa ka nampihakatra ny hery sy nanainga ny maro hijoro hanamafy indray ny tolona. Tena velombolo ny olona ary tena nankasitraka tanteraka ny zavatra nambarany Président satria maro ireo olona tsotra tonga nihatrika ity seminera ity no vaky vava nilaza fa hoe " nisy tamin'ny zavatra nanitikitika anay olon-tsotra hatramin'ny ela no nilainay valiteny mazava tamin'Atoa Filoha fa izao vao azonay ny valiteny ary tena nazava sy afa-po tanteraka, afaka ny ahiahinay". Tsapanay, hoy izy ireo fa tena tsy manadino ny vahoaka madinika mpiray tanindrazana aminay tokoa Atoa Filoha fa tena manaraka tsara ny zavatra misy iainanay vahoaka madinika. Olon-tsotra tokoa izy satria tena tsy misy miafina aminy ny zavatra manjo sy miajady amin'ny vahoaka sy ny firenena na dia any an-tany lavitra any aza izy. Nifanome toky ny rehetra fa hietsika ary hanainga ny vahoaka rehetra mba ho sahy hijoro .

Niditra nivantana ihany koa ny Filohany GTT Inter Geneve Atoa Darsot Rasolofoniaina izay tsy mitsahatra mampahery sy manentana ny Malagasy rehetra hanamafy ny tolona sy ho sahy hijoro hiaro ny Tanindrazana sy ny safidim-bahoka. Nanome toromarika sy fanabeazana ny mpirahy tanindrazana ihany koa izy mba hiala amin'ny hakanosana sy ny fandemen-tsaina, voka-dratsy nentin'ny mpanjanaka hatramin'izay. Nampita ny hafatra fankaherezana ho an'ny Malagasy rehetra manerana ny Nosy ihany koa izy mba hanambatra ny hery sy hanaja ny soatoavina Malagasy mba ahafahana miaro ity Tanindrazana iombonana ity zay antoky ny fampandrosoana sy ny hoavin'ireo faramandimby. Ka mba ho tena fahafahana marina sy mazava tokoa no hanjaka eto amin'ny Firenena Malagasy fa tsy saritsariny.

Marihana moa fa nisy ireo solontena avy any aminy faritra misy ny Reseau VOT manerana ny Nosy fa ny tena zava-dehibe dia andro iray niombonan'ny VOT rehetra manerana an'i Madagasikara ity Alahady ity satria nanao seminera toy ny tao Antananarivo ihany koa ireo tany amin'ny faritra. Vory maro toy ny tao an-drenivohitra ihany koa izy ireo satria nampitaina mivantana tamin izy ireo ny zava-nisy rehetra tamin ity seminera tao Antananarivo ity.


Ny Mpandrindra ny VOT

Publié dans COMMUNIQUE

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article