Fanambarana COSOFA

Publié le par rovahiga

Ny fikambanan’ny manamboninahitra lefitra sy ny Caporal ary ny miaramila an-daharana dia manao izao fanambarana izao:                                                                                                                                              1-Tsy ekenay ny fanaovana tsinontsinona ny Zon’ny manamboninahitra lefitra amin’ny lafiny maro, indrindra ny tokony hampiharana ny assise militaire teny Ivato.                                                                                             2-Tsy ekenay ny fanaovana tsinontsinona ny Zon’ny Caporal sy ny miaramila an-daharana, ny amin’ny fisondrotana laharam-boninahitra sy ny karama tokony ho raisin’izy ireo.                                                                                 3-Lavinay marin-drano ny fanaovan’ny  Miaramila politique, satria lasa ataon’ny mpanao politique saribakoly fotsiny.                                                                                                                                                                   4-Latsaka an-katerena ny firenena, miditra ny mosary, be ny tsy an’asa sy ny very asa, tsy misy intsony ny fandriampahalemana.

Ka noho izany dia miantso ny manam-boninahitra lefitra rehetra, Miaramila, Zandary ary Police mba hifanome tànana amin’ny fanarenana ity Firenena malalan-tsika ity, amin’ny alalan’ny Fampiharana ny lalàna velona nifanarahana tany Maputo sy Addis Abeba. Ary tsy maintsy tafapetraka ao antin’ny 48 ora ny Gouvernement de consensus sy ny Andrim-panjakana rehetra hidirana haingana amin’ny Repoblika faha efatra.                                                                                                                                                  Miangavy ny vahoaka mba samy ho tony sy handray ny andraikiny ampilaminana mba ahafahana miroso amin’ny fananganana ny Adrim-panjakana.

Teny filamatra ny S/OOF:

FAHAIZANA – FAHALALANA – TANINDRAZANA
HO AN’NY TANINDRAZANA

Sonia

                                                                         Président COSOFA                                                                            RATSIMIHAFINDRAMANANA Daniel

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article