Fanambarana ataon’ny Mpitandrina FJKM

Publié le par FJKM

Fanambarana ataon’ny Mpitandrina avy amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara

 

« Ny marina amin’ny finoana no ho velona » (Rom 1,17b)

 

Noho ny trangan-javatra mifanohitra amin’ny sitrapon’ Andriamanitra sy ny soatoavina maha Malagasy, izay aseho sy miharihary eto amin’ny tany ama-monina sy ny firenena , indrindra izay mihatra amin’ny Mpitandrina sy ny Fiangonana FJKM , nanomboka tamin’ny volana Martsa 2009 ka mitohy mandrake ankehitriny , izahay Mpitandrina ato amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM), namaly ny antso maika izay nataon’ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe ka nivory tao amin’ny Ivon-toerana TABITA Ampandrana , ny Alakamisy 27 sy Zoma 28 Mey 2010, dia tery am-panahy , ka tsy hangina ,

araka ny Tenin’ Ilay efa niantso anay manao hoe : « Ezaho ny fiantsonao, fa aza atao malemy, asandrato ny feonao ho tahaka ny an’ny anjomara » (Isaia 58,1).

Noho izany dia asehonay ireto :

Zava-misy sy nitranga

Tsy fanajana Raiamandreny

Nanomboka tamin’ny volana Martsa 2009, dia niharihary teto amin’ny firenena ary fantatr’izao tontolo izao ny tsy fanajana sy fikasihan-tanana mpitondra fivavahana. Tsy nitsahatra izany fa mitohy mandrakizao. Vao tsy ela akory no mbola nisy Mpitandrina rahalahy maty voatifitra ; nisy ny nitondra takaitra ary misy ny maratra sy mitondra faisana noho fikasihan-tanana tamin’ny nisamborana azy mialoha ny nampidirana azy am-ponja ; ao koa ireo Mpitandrina FJKM valo (8) mirahalahy rahonana ary hazaina sy enjehina.

Mampanan-tsiny ny firenentsika tokoa, raha ny manao azy ho Mpitondra sy manam-pahefana eto amin’ny firenena no tsy manaja sady mikasi-tanana sy mandratra ary mamono ny mpanompo voahosotr’Andriamanitra toy izany. Fa izao no voasoratra : « Fa iza no maninjitra ny tànany tamin'ny voahosotr'i Jehovah ka tsy nanan-tsiny? » (1 Sam 26,9). Tsiny tsy zakan’ny firenentsika lanjaina ny vokatr’izany ka mahatonga antsika ho ao anatin’ny toe-java-tsarotra tsy mahita lalan-kivoahana toy izao.

Hetraketraka sy antsojay amin’ny Fiangonana

Tsy izany ihany , fa anaovana antsojay ny fananan’ny Fiangonana tamin’ny fakàna an-keriny ny fitaovan’ny FJKM teny Alarobia , ary nokaisana hatao tany Toamasina ihany koa izany endrika fandrobana ny Fiangonana izany, izay midika ho fandrobana an’ Andriamanitra. Mbola maro ireo sotasota atao amin’ny Fiangonana sy ny fananany any amin’ny faritra samihafa. Ao koa ny famoahana didy hanakatonana ny Radio Fahazavana sy fakana ny fitaovana tao amin’ny Radio izay mbola fananan’ny Fiangonana ihany. Nosamborina sy nogadraina ny maro tamin’ireo mpiasa ao amin’ny Radio, na mpanao Gazety na ny Teknisianina , hatramin’ny mpanolotra fandaharana. Izy rehetra ireo dia tsy hafa fa mbola mpiasan’ny Fiangonana ao amin’ny FJKM ihany koa.

Antso sy fanambarana

Satria ny Mpitandrina dia voahosotra hitory ny teny soa Mahafaly amin’ny Mpandefitra ; ary nirahina hanasitrana ny torotoro fo sady hamoaka ny ao an-tranomaizina ho amin’ny mazava ( Isaia 61,1), noho izany dia manao izao antso sy fanambarana izao izahay:

- Tsy sitrapon’Andriamanitra ka toherinay ny fandatsahan’aina sy ny famonoana amin’ny endriny samihafa , satria hoy ny Soratra Masina , hoe : « Aza mamono olona ».

- Lavinay ny fisamborana feno herisetra ataon’ny Mpitandro ny Filaminana izay nanampatra ny heriny, tahaka ny nampiharina tamin’ny Mpitandrina namanay , efa hatramin’ny 17 Martsa 2009 ary naverina indray tamin’ny 20 Mey 2010 lasa teo izay nandratra azy sady mampitondra takaitra ireo niharan’izany.

- Toherinay ny tsy fanajana sy fanaovana zinona ary fikasihan-tanana ny Mpitandrina FJKM sy ny Mpitondra fivavahana hafa, satria ankoatra ny maha herisetra sy an-keriny azy dia fanapotehina ny soatoavina ary fikatsahana hametraka volintsaina vaovao, izay sady manohitra ny sitrapon’Andriamanitra no tsy fanahy sady tsy fahendrena malagasy. Potika tanteraka ary rava ny fanajana Raiamandreny mbamin’ny Mpitandrina FJKM sy fanimbazimbana ny fombam-pivavahana.Efa

niseho izany tamin’ny nanitsakitsahina sy nanosihosen’ny miaramila ny Baibolin’ny mpitondra fivavahana iray nandritra ny fisamborana azy teny amin’ny Mausolée. Tena mifanohitra amin’ny finoana sy soatoavina kristianina izany ka tsy azonay Mpitandrina ekena velively.

- Takinay ny hamoahana tsy misy hatak’andro ny Mpitandrina namanay sy ny mpiasan’ny

Fiangonana ary ny vahoakan’Andriamanitra notànana am-ponja tsy an-drariny tao anatin’izao

savorovoro izao.

- Takinay ny hamerenana ny Radio Fahazavana , satria ny famoahana didy nanakatonana izany sy ny nakana ny fitaovan’ny radio dia sady fanapenam-bava amin’ny endriny hafa ny Fiangonana no mbola fandrobana ny fitaovana ihany. Mangataka izahay mba hatsahatra ny fakana ny fananan’ny Fiangonana .

- Takinay ny hampitsaharana ny fampihorohoroana sy herisetra amin’ny endriny rehetra, atao

amin’ny Fiangonana sy ny olona ao aminy.

- Takinay ny hisian’ny fahalalahana amin’ny fanehoan-kevitra sy filazana ny vaovao marina.

Eo anoloan’izao zava-misy samihafa izao :

- Izahay Mpitandrina dia mitaona ny Mpiray tanindrazana rehetra tsy ankanavaka, indrindra fa ireo manana andraikitra amin’ny Sampandraharaha samihafa eto amin’ny Firenena, sivily na miaramila, mba hampitsahatra ny fiandaniana amin’izay hita fa miteraka korontana sy faharavana ary famonoana olona maro eto amin’ny Firenena. Aoka samy hanapa-kevitra hampandefitra ny hambom-pony avy, ary hanao ho zava-dehibe ny fihavanana, ny fandriampahalemana, ny fifanatonana sy fifanakalozan-kevitra ary ny fifanajana, samy hifamela heloka “Fa ny heloka ibabohana mody rariny; ary ny rariny itompoana mody heloka”, hoy ny razantsika.. Ambony noho izany , ny Soratra Masina dia mitaona antsika ,manao hoe : « Aoka isika hiezaka hitady ny momba ny fiadanana sy ny momba ny fifampandrosoana. » (Rom 14,19) ary koa « Halaviro ny ratsy, manaova soa; mitadiava fihavanana, ka araho izany. » (Salamo 34:14)

- Manao antso avo amin’ny FFKM izahay mba hanohy ny fandraisany andraikitra manoloana izao toe-javatra misy eto amin’ny firenena izao.

Farany, izahay Mpitandrina dia mampirisika ny kristiana rehetra eto amin’ny Firenena, indrindra fa ireo zanaky ny FJKM any amin’ny seha-piainana misy azy avy, mba hijoro sy hitondra tena amin’ny fahasahiana ; nefa koa tsy hivaona amin’ny maha vavolombelon’i Jesoa Kristy Tompontsika amin’ny fankatoavana ny Teniny, fa izany ihany no marina eo amin’ny fanatanterahana ny raharaha sy andraikitra tanantsika avy eto amin’ny firenena, ka tsy ho mena-maso olona na hijery tavan’olona amin’ izany ;mba tsy hobaikoin’ny fiarovana tombon-tsoa manokana sy ny fitiavam-boninahitra ary ny fitiavan-karena.

 

Antananarivo, faha 28 Mey 2010

Sonian’ireo Mpitandrina (manaraka eto ambany)

Publié dans COMMUNIQUE

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article