VAOVAON’NY COLLECTIF-GTT

Publié le par Collectif GTT

Fiverenanan’ny filoha Ravalomanana: tsy misy sambo mahazo miditra sy mivoaka eto Madagasikara

http://collectif-gtt.org/content/19092011-fiverenanan-ny-filoha-ravalomanana-tsy-misy-sambo-mahazo-miditra-sy-mivoaka-eto-mad

Izao tokoa no tonga amin’ny fitenenana hoe “tsy miady tsy miady nefa ny kobay an-kelika ihany”. Vao tamin’ny faran’ny herinandro teo no nosoniavina ny tondro zotra hivoahana amin’ny krizy ary isan’ny nanao sonia izany ireo vondrona politika mpomba ny FATE saingy tsy mbola miherina akory ny andro dia efa “manangatra sahady ny foza”. Vao omaly Alahady 18 septambra 2011  ihany koa no nanao fanambarana tamin’ireo haino amanjeriny I TGV fa iny izany no lalana ivoahana amin’ny krizy ary isan’ny voasoritra mazava ao amin’io sori-dalana io anefa ny fiverenan’ny Filoha RAVALOMANANA Marc saingy efa manao ny fomba rehetra hanakanana izany sahady ny FATE ankehitriny.

Androany dia fantatra fa nohenjanin’ny FATE ny fisavana ireo sambo miditra eto Madagasikara ary tsy misy ny mahazo miala ny fari-dranomasina. Izany,hono, no atao  dia noho ny fanahian’izy ireo sao mitondra na maka ny Filoha RAVALOMANANA ireo sambo ireo. Hatramin’ny sambo faingam-pandeha manatanteraka ny fanaraha-maso ny harena an-dranomasina aza dia tsy nahazo nihetsika sao ireo no haka ny Filoham-pirenena atsy Afrika Atsimo. Manginy fotsiny ny fisehoana an-gazety ataon’ny minisitry ny fitsarana FATE manamafy hatrany fa “mbola mitombona ny didy fampisamborana” ny filoham-pirenena “ka ho samborina izy rehefa tonga eto”. Manampy trotraka rahateo ireo mpikarama miditra mivantana amin’ireo onjam-peo manohana  “tsy misy fepetra” ny mpanongam-panjakana. Manao vazaha mody miady amin’I TGV izy ireo ka miseho manome tsiny azy hoe manaiky ny hidiran’ny “mpamono olona” eto Madagasikara.

Sanatria ve ho volan-kakafotra ?
Mampanahy ny mpanara-baovao ihany izao zava-mitranga izao. Efa niaraha-nahita rahateo ny fitsipahan’ny FATE ny sonia nataon’ny mpitarika azy tany Maputo sy Addis-Abeba ka raha vao misy endri-javatra hafahafa dia fanahiana avy hatrany no tonga ao an-tsain’ny maro. Ny tena olana lehibe mantsy dia hiroso eo amin’ny dinika fifampizarana andraikitra hananganana ny tetezamita vaovao ny hery politika rehetra ato ho ato. Eo amin’io fotoana io indrindra no fanararaotan’ny FATE manakorontana mba tsy ahitana marimaritra iraisana ka ahafahany milaza fa tsy milamina ny fiaraha-mitantana fa aleo mandeha tokana ihany. Inoana anefa fa hanohy ny fijoroany ny vahoaka Malagasy ary hampiaka-peo ireo “tandroka aron’ny vozona” tena mitsinjo ny mpiray tanindrazana ka hanao rodobe ireo hery samy hafa handray andraikitra hanongotra ny mpanongam-panjakana raha sanatria mbola miziriziry handeha tokana izy ireo.

 

La HAT ou la Ravalomanana-phobie

http://collectif-gtt.org/

On n’aurait pas pensé que cela irait loin. Le 07 Septembre dernier, des patrouilleurs malagasy partent pour une mission de surveillance dans les zones marines. Leur mission de 12 jours seront arrêtées car les équipages ont reçu l’ordre de rejoindre le port le plus près et ont été intimés de ne pas bouger jusqu’à nouvel …ordre. La raison, la hat les accuse de complicité en ce qui concerne le retour de Ravalomanana. En d’autres termes, la hat pense que ces bateaux ont pour mission de ramener le président au pays.

Ainsi, les navires de surveillance ont été immobilisés, l’un à Nosy-be, l’autre à Morondava, pour une simple spéculation virant à une paranoïa. Et puisque le voyage ou l’embarquement en bateau n’a pas fait l’objet d’un Notam ??? L’ordre d’immobilisation ne sera levé que ce 19 Septembre.
Cette phobie de Ravalomanana s’est faite sentir lors du projet de retour du président le 19 Février 2011, et la semaine dernière au cours des négociations pour la signature de la feuille de route. Actuellement, la phobie se fait de plus en plus pressante quitte à empêcher des patrouilleurs d’effectuer leur tâche, et bien sûr ce blocage sans raison ne sera sans incidence sur l’économie du pays.
En tout cas, une chose est sûre, la hat a peur de Ravalomanana, les raisons sont multiples et à chacun de méditer.

 

Tsy mbola vita ny tolona (+vidéos)

http://collectif-gtt.org/content/19092011-tsy-mbola-vita-ny-tolona-vid-os

"Ny anongotsongoana ny maty hono, ny tahotra ny handevim-belona". Izany indrindra no mahatonga ireo mpitari-tolona tsy mitsahatra ny mampahatsiahy ny adidy mbola miandry ny tsirairay taorian'ny fanaovana sonia ny tondro zotra. Marina fa voarakitra mazava ao anatin'ny fifanarahana fa afaka miverina an-tanindrazana tsy misy fepetra ny Filoha RAVALOMANANA Marc saingy raha tsy mbola eto Madagasikara ny tenany tsy mbola azo lazaina hoe tratra ny tanjona. Aorian'izay aza dia mbola adidin'ny mpiray tanindrazana ny manao izay hahalany azy Filoham-pirenena satria ny hanarenana ny Tanindrazana iombonana  no tanjona.

Ireo rehetra ireo sy ny ady amin'ny mety ho teti-dratsin'ny FATE dia mbola miandry ny mpandala ny ara-dalàna avokoa. Mbola ao ihany koa ny fitolomana amin'ny famoahana ireo gadra politika rehetra sy ny ady ho an'ny fahalalahan'ny fanehoan-kevitra. Raha ny tombana amin'ny fanatanterahana ny tondro zotra mantsy dia tsy mbola rahampitso noho rahampitso ny fazahoana ireo Fahafahana ireo noho izany tsy mbola afaka misioka ny zanak'i Dada.

Ny fiadiana matanjaka indrindra enti-miatrika ireo fahavalo ireo dia ny firaisan-kina. Tsy misy ratsy maharesy ny tsara indrindra raha ao anaty fiombonana no anorenana izany. Entanina hitohy hatrany ny fahafahana mifampizara vaovao marina na amin'ny tsilian-tsofina na eny an-kianja. Irariana tsy ho lefy ny fahaizana mifampifehy mba tsy ahafahan'ny mpanakorontana miditra ao amin'ny tokantranon'ny ara-dalàna. Ny fireharehan'ny mpanongam-panjakana dia mandalo ihany fa "Andriamanitra no Tompon'ny Aina" ka mety indray mipi-maso izy dia tonga toy  ny mpangalatra Izy.

 

Manoela :                          Jereo vidéo

Rostan :                             Jereo vidéo

Pastera Edouard :            Jereo vidéo

Publié dans Dans le courrier

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article