VAOVAON’NY COLLECTIF GTT (17/09/11)

Publié le par Collectif GTT

http://collectif-gtt.org/file/imagecache/small/fg/alt/PRM/PRMTEL.jpg

 

 

Tena nahazo alalana avy amin'ny Filoha RAVALOMANANA ireo nanao sonia 

http://collectif-gtt.org/

Mendri-piderana, tia tanindrazana, mitsinjo marina ireo mpiray tanindrazana aminy ary vonona ny hiara-hiasa amin'ireo fanetriben'ny firenena, nahatonga izao krizy lava reny izao. Izay no azo hamintinana ny fanapahan-kevitry ny filoha Marc Ravalomanana. Na tsy teto an-toerana aza ny tenany, satria dia nahazo ny NOTAM avy amin'ny Fat, dia nanome tso-drano kosa ireo solon-tenany eto hanao soani ny tonjozotra tany Sandton. Mahazo tombony lehibe amin'ity tondrozotra ity ny Fat satria dia mbola mijanona ho filoha ihany Andry Rajoelina. Saingy fandresena lehibe ho an'ny tolona nimatimatesana nandritra ny 2 taona mahery iny fanaovana sonia iny satria dia afaka mody tsy misy fepetra ny filoha Ravalomanana. Io izao no sisa andrasana ny fampiharana azy.

Betsaka no niahiahy ny mikasika ilay NB nataon'ny SADC, « milaza fa dia tsy manana fahefana hitsabaka amin'ny raharaham-pitsarana Malagasy izy ireo » saingy tsy misy atahorana izany. Hanomboka izao mantsy ny tena tetezamita ary olon'ny dada no ho maro an'isa ao anatin'izany governemanta izany. Heverina fa hanamora ny fodian'ny dada izany. « Aza matahotra, minoa fotsiny ihany » mitombina hatrany io tenin'Andriamanitra nampiharin'ny filoha Ravalomanana teo ain'ny fiainany.

Miova ny tolona amin'izao, hanomana ny fodian'ny dada isika!!

 

Hanomboka ny Alatsinainy izao ny dinika handrafetana ny Governemanta (+vidéo)

http://collectif-gtt.org/content/17092011-hanomboka-ny-alatsinainy-izao-ny-dinika-handrafetana-ny-governemanta-vid-o

Taorian'ny fanaovan-tsonia ny tondrozotra teny Ivato omaly dia dingana hafa indray no tsy maintsy atrehina manomboka eto. Araky ny nambaran'i Mamy Rakotoarivelo dia ny Alatsinainy izao sahady dia efa hatomboka ny fifanantonana handinihana ny mikasika ny fananganana ny goverenmanta iombonana. Voafaritra ao anatin'ny tondrozotra manko fa iverenana arafitra avokoa ny andrim-panjakana rehetra hitondrana ny tetezamita ary anisan'izany ny governemanta. Hatreto dia ireo hery politika folo nanao sonia ny soridalana ihany no tompon'antoka amin'ny fanaganana ireo rafitra rehetra ireo eo ambany fiahian'ny fianakaviam-be iraisam-pirenena.

Sary Magro androany 

Misy kosa anefa ireo vondrona politika hafa izay nanao sonia ny "feuille de soutien" ho fanamarihana ny fanohananan'izy ireo ny tondrozotra saingy tsy hahazo anjara amin'ny fitantanana izy ireo satria tsy ankatoavin'izao tontolo izao ho toy ny hery politika velively. Mipetraka eo ambany fahendren'ireo "chefs de file" arak'izany ny fanendrena izay mety ho solontenany ao anatin'ireo andrim-panjakana ireo ho an'ny Ankolafy telo.

 

Ho an'ny vahoaka  dia hirosoana lalindalina kokoa manomboka eto ny fanomanana ny fiverenan'ny FilohaRAVALOMANANA Marc satria ny sonia izay nataon'ny hery politika eto Madagasikara dia mamela malalaka ny fiverenany sy ny fanaovany politika. Nanentana ny mpiara-mitolona arak'izany ny ireo mpitari-tolona  mba tsy  hiraviravy tanana amin'ny fanamafisana ny tolona iombonana.Nankasitrahina teo amin'ny Kianjan'ny Finoana ny ezaka efa nataon'ny vahoaka mpandala ny ara-dalàna nadritra ny fandalovan'ny iraka avy amin'ny SADC saingy mbola matevina ny adidy miandry ny tsirairay amin'ny fanohanana ny delegasiona sy ny fiverenan'ny Filoha RAVALOMANANA Marc eto an-tanindrazana.

 

Manandafy Rakotonirina :     Jereo Vidéo

Tabera Andriamanantsoa :    Jereo Vidéo

 

Voasonia ny tondrozotra : mahazo mody ny Filoha RAVALOMANANA Marc

http://collectif-gtt.org/content/17092011-voasonia-ny-tondrozotra-mahazo-mody-ny-filoha-ravalomanana-marc

Tamin'ny 12 ora alina omaly 16 septambra 2011  no vita nanomboka ny fanaovan-tsonia ny tondrozotra nasiam-panintsina. Hery politika 11 no tonga nanao sonia izany teny amin'ny Hotely "Paon d'or" Antanetibe Ivato. Araky ny efa notanterina tamintsika mpamaky dia voarakitra tao anatin'ny fanintsiana ity tondrozotra ity ny fazahoan'ny Filoha RAVALOMANANA miverina tsy misy fepetra, ny fametrahana praiminisitra avy amin'ny mpanohitra an'i TGV ary ny famerenana ny fananganana ireo andrim-panjakana rehetra hitondrana ny tetezamita vaovao.

Isan'ny nanao sonia izany ny Ankolafy RAVALOMANANA tamin'ny alalan'i Mamy Rakotoarivelo izay sady Sekretera Jeneralin'ny antoko Tiako  I Madagasikara no Lehiben'ny Delegasiona Ankolafy RAVALOMANANA. Ho an'ny Ankolafy Zafy kosa ny  Dr. Emmanuel Rakotoavahiny no nanao sonia izany tondro zotra izany. Ny Ankolafy Ratsiraka moa dia nanamafy ny fanohanan'izy ireo ny soridalan'i Sandton saingy tsy nanatanteraka ny rangom-pohy kosa noho ny fahatsapan'ny Amiraly sy ny ekipany fa tokony fihaonana an-tampony aty an-tanindrazana no anaovana izany ka ireo "chefs de file" efatra no manao ny sonia farany hivoahana amin'ny krizy eto Madagasikara.

 

Nikoropaka?

Nandritran'ny lanonana fanaovan-tsonia kosa dia misy ireo olana madinidinika toy ny fifanolanana teo amin'ny Monja Roindefo sy ny filohan'ny UAMAD. Tao ireo nitonona fa Filohan'ny TIM sy mpitarika ny vondrona avy amin'ny Ankolafy RAVALOMANANA. Isan'ny tahana tamin'ny arofenitra ihany koa ny tsy famakiana avy hatrany ny tondrozotra taorian'ny lanonana fanokafana ny faovan-tsonia. Taorian'ny kabary nataon'ny Dr. Salomao manko dia naroson'ny mpandrindra avy hatrany ny fanaovan-tsonia raha mbola tokony ho vakiana manontolo ny tondrozotra. Efa nanao fanamarihana ny hery politika sasany vao natao ny famakiana izany tondrozotra izany.

Ny fantatra aloha izany dia notazomin'ny TROIKA ihany koa izany ny datin'ny 16 Septambra 2011 izay nolazain'i TGV fa hanaovana sonia ny tondrozotra.  Ny maraina anefa dia tsy mbola nisy resaka fanaovan-tsonia velively teny Ivato fa hoe amin'ny iraka manaraka vao hitondra ny fandravonana ny "préambules" ny avy amin'ny SADC. Isan'ny vanim-potoana lehibe hita fa nanova ny endrik'ireto iraka avy amin'ny SADC ireto ny fiverenana avy any Iavoloha nihaona tamin'i TGV ny tolakandro. Toa nanafaingana izany fanaovan-tsonia izany ihany koa ny firodorodon'ny "begalona" nankeny amin'ny hotely "Paon d'Or" omaly tamin'ny 08 ora alina.

 

Tsy misy fepetra ?

Raha ny fihainoana ny ankapoben'ny tondrozotra nandritran'ny lanonana fanaovan-tsonia dia voalaza tokoa fa tsy misy fepetra ny fiverenan'ny Filoha RAVALOMANANA Marc saingy ankoatran'ny fanintsiana tao anatiny dia nisy ny "note explicative" na fanampim-panazavana tany amin'ny faran'ny tondrozotra. Tao anatin'izany no nanamafisan'ireto itaka avy amin'ny SADC ireto fa tsy afaka manitsaka ny fiandrianan'ny fitsarana ao anatin'ny Firenena mpikambana ny SADC noho izany tsy mahazo manova ny didim-pitsarana navoakan'ity farany. Izany hoe, raha ny fazahoana azy dia azon'ny fitsarana an'ny FATE atao ihany ny manasazy ny Filoha RAVALOMANANA Marc  rehefa tonga eto an-toerana ny tenany. Ilana fahamailoana tsara ny momba izany mba tsy ny fanaovan-tsonia hivoahana amin'ny krizy no ametrahana ny Filoha RAVALOMANANA eo ambavan'ny bibidia.

Fanantenana ho an'ny Malagasy

Na inona na inona fitrangany anefa dia mitondra fanantenana ho an'ny mpiray tanindrazana  izao fahavitan'ny sonia teo amin'ny tondrozotra tapaka tany Sandton izao. Efa telo taona latsaka no niaretan'ny vahoaka Malagasy ny fahoriana tao anatin'ny krizy politika vokatrin'ny fanonganam-panjakana ka  tsy te-hiaritra mihoatra izao intsony ny olom-pirenena satria efa an-dohalika ny ranombary ka madiva ho sempotra ny Malagasy. Ny lanonana omaly rahateo dia nanaporofo fa afaka mahita vahaolana ihany ny samy Malagasy rehefa manana fahafoizan-tena.

Publié dans La Presse

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article