Overblog Suivre ce blog
Editer l'article Administration Créer mon blog
rov@higa

VAOVAO TSELATRA

21 Janvier 2011, 22:38pm

Publié par rovahiga

Vaovao

http://www.tim-madagascar.org/

 

§/Une rencontre entre les 3 Mouvances et UDR a eu lieu ce jour dans le cadre de la médiation menée par la CNOSC.

 

§/Christine Razanamahasoa a déclaré que la plainte déposée par les Avocats du Pdt Ravalomanana sur l'affaire  2009 - 2010 risquerait de ne pas être recevable. Une plainte contre X sur cette affaire est une plainte contre le peuple malgache a-t-elle mentionné tout en anticipant la décision des juges d'instruction.

 

§/Une hausse des prix des carburants de 18 à 20 % soit 300 Ar par litre est prévue demain. L'essence 91 passera à 3270 Ar et le Gas oil à 2840 Ar.

 

§/Le HPM pro-Zafy Albert préconise un nouveau retour à la table de négociation dans la recherche de solution à la crise.

 

Marc Ravalomanana Tsy hiara-hiasa amin’ny mpanongam-panjakana

http://www.tiatanindrazana.com/pages/modules.php?id=3303&idcat=2

Tsy navelan’ny taona tsy hivoaka ny marina, hoy i Marc Ravalomanana omaly raha nanao valandresaka an-telefaonina tamin’ny mpanao gazety tao amin’ny foiben-toeran’ny Ankolafy Ravalomanana ao Bel’Air ny tenany.

Nandritra izany no nilazany fa nisinda ny ahiahin’ny maro, indrindra ny sehatra iraisam-pirenena toy ny SADC ny amin’ny zava-nitranga marina teto Madagasikara ny taona 2009, taorian’ny fieken-keloka an-tsoratra nataon’ny lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina fa dia fanonganam-panjakana no natao teto.

Mazava ny resaka ankehitriny, hoy ny filoha Ravalomanana izay nilaza tamin’ny teny hentitra fa «tsy hisy hiara-hiasa amin’ny mpanongam-panjakana» ary tsy hamela ity firenena ity hoviravirain’ireo… (Suivre le lien)

 

Jeneraly Rakotonandrasana Noël Nanao ampamoaka avy eny Tsiafahy

http://www.tiatanindrazana.com/pages/modules.php?id=3297&idcat=2&une=1

Nisy indray ny ampamoaka avy any amin’ny fonjan’i Tsiafahy. Nivoaka tsimoramora tao amin’ity fonjabe ity ilay antontan-taratasy ary nampitaina tamin’ny havana akaiky ireo manamboninahitra voatazona eny noho ny raharaha BANI.

Ireo no nampita tamin’ny mpanao gazety an’izany ampamoaka anaty soratra izany. Mbola masiatsiaka noho ny an’ny Lietnà-Kolonely Charles Andrianasoavina izany na dia mifameno tanteraka aza. Tsy iza fa ny Jeneraly Noël Rakotonandrasana no namoaka izay tsiambaratelon’ny mpanongam-panjakana izay nosoratany tao anaty antontan-taratasy folo pejy. Notantarainy tao avokoa ny momba ny fanonganam-panjakana (taloha, nandritra ary taoriana) sy ny manodidina azy (ireo olona rehetra izay nandray anjara sy nikononkonona tamin’izany ary ny mpamatsy vola). Raha fintinina dia nohamafisin’ity manamboninahitra jeneraly ity tokoa ny … (Suivre le lien)

 


 

Handroso itsoahan’ny namana…

http://www.basyvava.com/2011/01/21/handroso-itsoahan-ny-namana/

Dia nijanona sy nitoetra andro vitsivitsy teto amintsika izay ireo iraky ny SADC, nirahina mba hanelanelana amin’ny fikatsaham-bahaolana maharitra sady mahomby ho an’ny Malagasy. Hatramin’izay andro vitsivitsy maromaro izay, dia nifandimby noraisin-dry Leonardo Simao sy ny ekipany ireo karazana ankolafy sy antoko politika. Nanomboka tany amin’ny filohan’ny fahefana avon’ny tetezamita izany, nandalo tamin’ireo ankolafy telo, ny HPM ka hatramin’ny antoko MDM sy ny maro hafa. Na samihafa aza ny faharetan’ny fihaonana dia nifantoka tamina zavatra vitsivitsy izany, dia ny fametrahana ny rafitry ny tetezamita iaraha-mitantana sy ny fikarakarana fifidianana eken’ny rehetra. Na dia mbola sarintsariny aza dia mitovy endrika sy anarana amin’ireo niaraha-nanaiky tany Maputo ihany ireo andrim-panjakana misy sy eritreretina hapetraka ankehitriny. Ny fidiran’ireo ankolafy sy antoko politika samihafa sisa. Nolalovan’ny resaka ihany koa ny famotsoran-keloka faobe sy ny famoahana ireo gadra politika … (Suivre le lien)

 

Dinika politika: Montsana noho ny fiarovana “olona”

http://www.basyvava.com/2011/01/21/dinika-politika-montsana-noho-ny-fiarovana-olona/

Efa nampoizina ny ho faharavana sy ny fihetsiky ny “mpandevina alika” eo amin’ireto mpanao politika Gasy ireto. Mivory sy mandany rora kanefa tsy manana hevitra matotra “farafahakeliny” mba hifanarahana. Miverimberina hatrany ny fifanilihana ny andraikitra ho nahatonga ny fahamontsanan’ny dinika natao. Rava ny tsena! Niala maina izy rehetra ary mahamenatra ny naheno teo imolotry ny mpanelanelana vahiny, fa ny ONU (Firenena Mikambana) no ho avy mivantana aty amintsika, amin’ny faramparan’ity volana janoar y ity, handinika sy hijery ny hanatanterahana fifidianana madio sy mangarahara.

Inona no mahatonga izany? Izay rehetra midinika sy miresadresaka mba hamaha ny olana eto amintsika eto dia variana fotsiny amin’ny fiarovana “olona”. Na iza na iza mpitondra fanjakana hifandimby eto, ka mbola ho toy izao hatrany no fomba fanaovana io politika io dia hiaina anaty krizy aman-taonany maro isika. Ho avy hanatanteraka ny sitra-pony sy … (Suivre le lien)

Commenter cet article