Overblog Suivre ce blog
Editer l'article Administration Créer mon blog
rov@higa

VAOVAO TSARA HO FANTATRA (31/08/11)

31 Août 2011, 19:47pm

Publié par rovahiga

http://www.york.ac.uk/org/cnap/artemisiaproject/images/fieldTrialMap.jpg

 

Tany ao Avarabohitra, Morarano : 653 Ha dongian’ny BIONEX !

http://www.courrierdemada.com/mg/index.php?option=com_content&view=article&id=19662:tany-ao-avarabohitra-morarano--653-ha-dongianny-bionex-&catid=43:a-la-une

Noravaravain’ny traktera miasa ao amin’ny orinasa BIONEX avokoa ny fasana sy ny volin’ireo tantsaha ao amin’ny kaominina Morarano-Antongona izay ahitana fokontany miisa 5. Velon-taraina arak’izany ireo tantsaha noho ny voina izay mahazo azy ireo, fa indrindra ny fanaparitahan’ireo mpiasan’ity orinasa ity ny taolam-balon’ireo razamben’ny mponina, sy ny fahaverezan’ny voly izay nisasaran’izy ireo Herim-po very maina avokoa arak’izany ny an’ireo tantsaha izay nanajary ny tany tao anatin’ny 40 taona satria dia lasa tompony mangataka atiny izy ireo ka teren’ity orinasa ity hanofa ny tany Ar 100.000 ny 1Ha.

Tany lemaka midadasika tokoa no hita tao amin’ity fokontany Avarabohitra ao amin’ny kaominina Morarano-Antongona ity, izay ahitana voly maro samihafa toy ny vary, ovy, mangahazo sns. Raha ny fotoana izay nahatongavanay tany an-toerana omaly maraina dia tena eo ampiasana ny tanin’ireo tantsaha amin’ny traktera tokoa ireo mpiasa ao amin’ity orinasa BIONEX ity. « Malahelo izahay satria izahay no nanamasaka ny tany tao anatin’ny 40 taona kanefa na dia fifampiresahana aza dia tsy nisy teo aminay sy ny tompon’io orinasa io », hoy ny Raiamandreny be ao an-toerana izay nitafa tamin’ny mpanao gazety.

Araky ny fitantaran’ireo mponina ary dia mialohan’ny fotoana izay nidinan’ny minisitry ny mponina Nadine Ramaroson tany an-toerana ny 03 Aogositra lasa teo no efa nanomboka niasa teo amin’ireo tany ireo izy ireo. Araka ny hita tokoa moa dia efa voaaro ary tsy azon’iza idirana ity toerana ity, ka na dia ny mpanao gazety izay saika hijery akaiky ny zava-misy tao an-toerana aza dia nosakanan’ireo mpiambina. Manoloana ireo voina mahazo ireo mponina ary, dia nanambara izy ireo fa « tsy hilavo lefona mihitsy izahay fa hiady hatramin’ny farany mba hiverenan’ny tany aminay ». Marihana etoana fa tsy fantatra mazava ny tena tompon’ity orinasa BIONEX ity, satria na dia nandritra ny fotoam-pitsarana mikasika ity raharaha ity tao Arivonimamo aza dia Malagasy no nisolo tena azy ireo.

 

Tsy mazava ny ataon’ny Sefo fokontany ! 

Nandritra ny tafa nataon’ny mponina tamin’ny mpanao gazety, dia nilaza ampahibemaso ny sefo fokontany fa tsy mahalala na inona na inona. Ny somary nahagaga anefa dia ny fahenoanay fa anisan’ny vavolombelona tao amin’ity orinasa ity, ity farany mikasika ity raharaha ady tany ao Faharetana ity. Manjavozavo arak’izany ny raharaha, indrindra vao maika misedra olana ireo mponina amin’ny fahafatesan’ny minisitry ny Mponina izay nanampy azy ireo tamin’ny fiadiana ity tany ity.

 

UNMDH Manaitra sy mitaky ny rehetra handray andraikitra

http://tiatanindrazana.com/pages/modules.php?id=5141&idcat=2

Hita fa mitarazoka lava loatra izao krizy misy eto amin’ny firenena izao, hoy ny UNMDH (Vondrona Nasionaly Malagasy Miaro Ny Zo MahaOlona) tarihan-dRtoa Rafolisisoa izay vondrona manara-maso hatrany ny fiainam-pirenena ary manaja ny demokrasia sy mametraka ho tanjona ny fanjakana tan-dalàna eto Madagasikara.

Vokatr’izany dia tsy afaka mihinana ara-dalàna intsony ny vahoaka, tsy afaka mitsabo ny aretina mahazo azy ary tsapa fa miaina ao anaty tebiteby sy tsy fandriampahalemana tokoa. Nanao antso avo ry zareo ka manainga ireo mpanao politika mba hijery akaiky izao zava-misy eto amin’ny firenena izao. Maro ireo fihaonana nitadiavana vahaolana izay, hoy Rtoa Rafolisisoa nefa tsy nisy vokany izany ka dia tena hita fa mijaly tokoa ny vahoaka. Na dia efa be aza ireo fanalahidy namahana izao krizy izao dia nandamoka avokoa izany, hoy ny fanampim-panazavana azo teny Ambatoroka raha nitafa tamin’ny mpanao gazety izy ireo. Mitaky, araka izany, ny UNMDH ny mba hitadiavana vahaolana haingana ary mba hatao haingana koa ny fifidianana. Manainga ny rehetra handray andraikitra ao anatin’izany izy ireo.

 

Fitrandrahana vatosoa eto Madagasikara Nitsangana hanara-maso ny resa-bola ny PCQVP

http://tiatanindrazana.com/pages/modules.php?id=5138&idcat=6

Tafatsangana eto Madagasikara ankehitriny ny vondrona PCQVP (Publiez ce que vous payez) izay itambaran’ireo fiarahamonim-pirenena samihafa.

Fikambanana iraisam-pirenena efatra no mivondrona ao anatiny hatreto dia ny UNMDH, Transparency International, Kmf-Cnoe ary ny Solo Gouvernance. Ho antsika Malagasy manokana dia mbola anaovana antso avo ny handraisan'ireo fiarahamonim-pirenenantsika anjara amin'izany. Natao indrindra hanehoana ny mangarahara sy ny fitantanana ny vola azo avy amin'ny fitrandrahana vatosoa ity vondrona ity. Hisy, araka izany, ny fanentanana sy fitakiana amin'ireo mpitrandraka sy ny fanjakana ny vola manodidina ity sehatra ity ary avoaka amim-pomba ofisialy imasom-bahoaka izany satria tokony hiverina ho an'ny tombontsoam-bahoaka, indrindra amin'ireo Faritra nitrandrahana ny vato ny anjarany. Maro be ireo vahiny liana ny hitrandraka vatosoa eto Madagasikara ary tsy vitsy ihany koa ireo efa tafiditra eto. Tsy mbola fantatry ny vahoaka mazava anefa hatreto hoe mankaiza marina ny vola azo amin'izy ireny ary mandoa ireo hetra tokony haloany tokoa ve ireo rehetra mitrandraka ity vokatra ity ? Faha-33 i Madagasikara maneran-tany amin'ny fananganana ity vondrom-pikambanana hanara-maso ny resa-bola amin’ny fitrandrahana vatosoa ity.

 

CNOSC Any amin’ny tapaky ny volana septambra ny dinika faharoa

http://tiatanindrazana.com/pages/modules.php?id=5135&idcat=2

Taorian’ny dinika teny Vontovorona, nampihaonan’ny fiarahamonim-pirenena mivondrona ao amin’ny Cnosc ireo ankolafy politika teto amintsika dia fantatra fa any amin’ny tapatapaky ny volana septambra any ho any indray ny fihaonana faharoa.

Araka ny vaovao dia fikambanana politika 70 no handray anjara amin’io fihaonana io. Efa am-bolana maro no nanomanan’ny Cnosc ity fihaonana ity, hoy Rtoa Lalao Andriamampionona. Napetraka tamin’izany ny vondrona hanamora ny dinika na ilay antsoina hoe “groupe de facilitation” izay efa nandinika ireo teboka iraisana sy ireo mbola hiadian-kevitra. Araka ny fanazavana ihany dia efa tsy latsaky ny in-4 no nihaona ireo “groupes de facilitation”. Maniry ny handraisan’ireo raiamandreny rehetra eto amin’ny firenena toy ny FFKM anjara amin’ity fihaonana ity ny Cnosc. Tsy nandray anjara tamin’ny dinika nokarakarain’ny Raiamandreny Mijoro sy ny Finoana teny Ivato moa ny Cnosc noho ny fahatsapan’izy ireo fa petatoko ny zavatra natao teny.

 

VAOVAO TAPATAPANY

http://tiatanindrazana.com/pages/index.php

  • 31/08/2011 - 11:50 : Tsy any amin'ny vahiny na ireo mpanelanelana no olana fa amintsika Malagasy izay tsy mety mifanatrika an-databatra boribory hifampidinika hoy ireo fikambanana miara-dia amin'ny ankolafy Zafy eto Analamanga .
  • 31/08/2011 - 11:48 : Mpanao politika indray no ao ambadik' ireny fitorahana grenady etsy sy eroa ireny? raha ny filazan'ny mpitandro filaminana aloha dia marina izany .
  • 31/08/2011 - 11:45 : Manoloana ny zava-misy eo amin'ny fiainana ara-politika dia nanambara ny mpikambana ao amin'ny antoko PSUDM Razafindrakoto Fidy Mamihelson fa tsy miala amin'ny hevitra iombonan-dry zareo UDR-C izy ireo.
  • 31/08/2011 - 11:42 : Ity kianja fitolomantsika ity dia toerana fianarana sy fiainana hoy ny Pasitera Edouard Tsarahame omaly tetsy amin'ny Magro Behoririka.

 

Vedety rendrika tany Soanieranivongo

Mampiahiahy ilay zavatra nipoaka? Mandeha ny famotorana

http://www.gazetiko.mg/gazetiko/

Hisy ny fanadihadiana manokana amin'ny tomponandraikitry ny sambo sy ny mpamily izay  efa za-draharaha matoa mampanofa sambo izy ireo.
Manoloana ny nahafatesan'ny Minisitra Nadine Ramaroson ny alahady teo tany Soanieranivongo, efa mandeha ny fanadihadiana ataon'ny solontena eo anivon'ny Minisiteran'ny fitaterana amin'izao fotoana izao. Na mandeha aza io fanadihadiana io dia nanamafy ny CST Alain Ramaroson izay rahalahin-drain'ny Minisitra fa '' tsy hamela mora foana ity tranga ity izy. Tsy mbola nisy Minisitry ny mponina nahavita ny vitan'io zanakay io hoy izy raha ny teto amin'ny firenena. Mitaky fanadihadiana ifotony aho hoy ihany izy. Miandry ny tatitra aho hoy ity CST ity ary mbola handefa manampahaizna manokana. Maninona no nipoaka ny sambo? ''Sabotage ''  ve sa '' accident''? Amin'izao aloha, mbola tsy hamaly aho hoy ihany ny CST Alain Ramaroson. Tokony hisy ny fanadihadiana manokana amin'ny tomponandraikitry ny sambo sy ny mpamily izay  efa za-draharaha matoa mampanofa sambo izy ireo. Araka ny loharanom-baovao nomen'ny olona efa mponina tao an-toerana dia fantatra fa efa inefatra no nisiana loza nahafatesana olona toy izao teo amin'ity vinagny ity hatramin'ny taona 2000 no mankaty. Isan'ireny ny tamin'ilay sambo ''samsonette''. Nisy koa ny olona voafonja izay rendrika teo amin'io rano io ... ary ity nitranga ny alahady teo ity. Tamin'ireo loza rehetra nitranga anefa, tsy nisy zavatra nipoaka fa sambo nivadika ihany no namoizana ain'olona. 

 

Manoloana ny savorovoro: Miatrana an-toby ny miaramila

http://taratramada.com/spip.php?article12456

Mihamafana ny raharaham-pirenena na tsy hita taratra eny anivon’ny fiarahamonina aza ny savorovoro. Mampitahotra rahateo ny zava-miseho etsy sy eroa, indrindra taorian’ny fipoahana grenady nisesisesy tato ato. Manginy fotsiny ny fandrahonana ho faty ny mpitondra. Nanamafy izany ny filazan’ny talen’ny fiarovana ny sisintany ny kaomisera Nakany Charly fa misy mifofo ny ain’Atoa isany Andry Rajoelina sy Raharinaivo Andrianantoandro. Tsy lazaina intsony ny fikasan’ny sasany hangalatra fiara mifono vy. Ankoatra izany, efa mahoraka rahateo ny filazana fa misy mitady hanongam-panjakana. Nahatonga ny Filohan’ny Fat hampitandrina an’izay manana tetika maizina. Manoloana ireo toe-javata rehetra ireo, miatrana an-toby ny miaramila rehetra. Miomana amin’izay mety ho tranga tampoka hanohintohina ny filaminam-bahoaka. Hentitra ny baiko milatsaka ain’ny tokony hahamailo ny mpitandro filaminana.

Mbola miaina anaty krizy ny firenena malagasy, tsy mahagaga raha hentitra ny fandraisana fepetra. Izay ho fivoahana amin’ny krizy tsy mbola hita ho manangasanga akory. Handrasana ny fanambarana hataon’ny Filoha Andry Rajoelina anio. Tombanana fa hisy fanapahan-kevitra lehibe sy hentitra amin’izao vanim-potoana mahalatsaka an-katerena ny firenena izao.

Raha tsiahivina, nisy ny fihaonana niarahan’ity farany tamin’ireo manamboninahitra teny amin’ny Lapan’Iavoloha ny zoma lasa teo. Nijanona ho tsiambaratelo ny dinika, tsilian-tsofina kosa no nahalalana fa naka toky tamin’ny miaramila ny Filoha, nanontany ireo be galona ny toerana misy ny Foloalindahy ankehitriny. Taorian’ izay no nisy ity fanapahan-kevitra hiteny amin’ny vahoaka ity indray, izay hantenaina fa hitondra vahaolana maharitra sy tsy miovaova tahaka ny teo aloha.

 

Raiamandreny Mijoro-Cnosc : Sarotra ny fifandraisana

http://www.taratramada.com/spip.php?rubrique7#

Nony vita ny Fihaonambem-pirenena, ny 23 septambra 2010, mbola nisy ny fifanatonan’ny solonten’ny Raiamandreny Mijoro sy ny Cnosc. Taty aoriana, sarotra be ny fifandraisana... Izay no fanazavan-dRtoa Lalao Randriamampionona, avy amin’ny Cnosc, momba ny fifandraisan’ity vondrona firaisamonina sivily ity sy ny Raiamandreny Mijoro. Izay fifandraisana izay no tokony hiaraha-mijery aloha, fa tsy tampotampoka eo dia hoe miara-miasa avy hatrany amin’ny fivoriambe, araka ny nambarany momba ny tsy namalian’ny Cnosc ny fanasan’ny Raiamandreny Mijoro nampihaona ireo vondrona politika 11 teny Ivato omaly sy afakomaly. Misy zavatra isan-karazany tokony hiaraha-midinika aloha.

Tapitra nihaonan’ny Cnosc avokoa ireo amin’ireo vondrona politika tsirairay tao anatin’ny iray volana, araka ny fanazavany ihany. Nisy koa ny fananganana ny vondrona manamora ny asa, izay mamondrona ny solontenan’ireo hery politika ireo. Jerena amin’izany ny zavatra tena mampiray amin’ny famahana ny krizy politika. Eo koa izay tena mbola olana na tsy mampitovy hevitra. Nisy fivoriana efatra tsy tapaka nandritra izay iray volana izay. Vita izay, hamondrona sy handravona ny asa vita ny Cnosc, ary hamoaka izany ho tahirin-kevitra. Izay no hiaingana amin’ny fifampidinihana faharoa, kasain’ny Cnosc hotanterahina amin’ny herinandro faharoa na fahatelo amin’ny volana septambra. Hahay hampihavana ve ny mpampihavana raha tsy mihavana ?

 

Tsy nahomby ny Raiamandreny Mijoro: Handamina ny fanelanelanana i Fetison

http://www.taratramada.com/spip.php?rubrique7#

Tsy kivy ! Handamina ny fanelanelanana i Fetison. Efa nahita taratra mialoha ny tsy hahombiazan’ny Raiamandreny Mijoro ny tenany. “Lasa aloha loatra ny fiantsoana fivoriana nataon’izy ireo. Tokony hampivondrona ny heriny aloha ny vondrona mpanelanelana rehetra vao miantso ireo mpifanandrina ara-politika”, hoy izy. Efa azony antoka fa tsy ho avy eny Ivato avokoa ireo vondrona politika 11 tany Gaborone. Nohitsiany fa raha ny Fandrindrana ny fiarahamonina sivily (Cnosc) indray no mampivory, tsy mbola ho feno ihany ny isa. Tsy nipetra-potsiny i Fetison fa nandefa taratasy any amin’ireo vondron’ny mpanelanelana mba hanentanana azy ireo hampitovy ny tadin-dokanga aloha, vao mampivory ny hafa. “Ny Orimbato, namaly fa tsy hanelanelana intsony. Ny P. Raymond Ranjeva, mitady fomba hafa mifahatra amin’ny fifampihavanana an-dRavalomanana sy Rajoelina. Ny Cnosc sy ny Raiamandreny Mijoro, samy miainga amin’ny Sandton, tahaka ny efa nanombohako azy. Samy tsy nety nanambatra ny hery avokoa izy ireo”, hoy izy.

Vato misakana

Manoloana ireo, nohavaozin’i Fetison ny taratasy fanasana mba hampahomby ny dinika ka namariparitany ny tanjona. Ohatra, ny fampitovian’ny samy mpanelanelana malagasy ny famakiana ny dikan-teny momba an’i Sandton. “Vita izany, miantso an’ireo vondrona 11 mba hivory. Anjaran’izy ireo no mifandinika sy mifandresy lahatra amin’ny fanitsiana tokony hoentina eo amin’ny sori-dalana”, hoy ihany izy. Nanteriny fa ho mpandrindra ny fihaonana fotsiny ihany ny mpanelanelana. Napetrany mazava ny vahaolana raha tsy mahita ny fampiharana ny tapaka tany Sandton ny mpivory. “Ho hita eo ny tena vato misakana. Hiantsoana ny Fianakaviambe iraisam-pirenena mba hankatoaviny ny tapaky ny besinimaro”, hoy ihany i Fetison. Araka izany, hitarika ny vondrona mpanelanelana ny tenany ?

Commenter cet article

GREG OWEN 06/09/2017 02:22

Mila fandaniana haingana, lava na fohy ianao miaraka amin'ny fihenam-bidy ambany
ambany ho 3%?

Gregowenloanfirm1@gmail.com

Manolotra fandraharahana fandraharahana isika:
Personal loan:
Home loan:
Auto loan:
Loanin'ny mpianatra:
Fandaniam-bola ho an'ny fanoloram-bola: e.t.c.

Na inona na inona ny isa nomenao credit.we dia azo antoka amin'ny fanomezana
tolotra ara-bola ho an'ny mpanjifa maro manerana an'izao tontolo izao.
Amin'ny alàlan'ny fifanarahana ara-drariny,
Ny trosa dia azo alaina ary alefa any amin'ny mpampisambotra
ny fotoana fohy indrindra.

Raha mila trosa fohy ianao, dia mifandray aminay amin'ny alàlan'ny mailaka:

gregowenloanfirm1@gmail.com

3% ny fampindramana azo antoka azo antoka.