Overblog Suivre ce blog
Editer l'article Administration Créer mon blog
rov@higa

VAOVAO TSARA HO FANTATRA (28/11/11)

28 Novembre 2011, 22:47pm

Publié par rovahiga

http://collectif-gtt.org/file/imagecache/large/fg/alt/IVATO-27-11-11/001.JPG

 

 

Tonga i Tojo Ravalomanana sy Guy Rivo Antomotra ny fiverenan’i Dada
http://tiatanindrazana.com/pages/modules.php?id=6009&idcat=2&une=1
Ara-bakiteny tokoa io ! Tafaverina an-tanindrazana i Tojo Ravalomanana, zanaka lahiaivon’ny filoha Marc Ravalomanana.
Omaly tamin’ny roa ora sy efapolo minitra teo no nigadona teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato ny fiaramanidina an’ny kaompania Airlink nitondra azy mivady sy Randrianarisoa Guy Rivoniaina, mpiara-miasa akaiky amin’ny filoha Ravalomanana, sady mpitondra  tenin’ny ankolafy Ravalomanana rahateo. Efa filohan’ny delegasiona manokan’ny tanànan’Antananarivo ity farany, tsiahivina ihany. Tsy nandrenesana NOTAM na sakantsakana mahakasika azy ireo omaly. Na izany aza dia fantatra fa nasaina nanao sonia taratasy fanekena izy ireo nialoha ny nivoahana ny faritry ny seranam-piaramanidina, mba hahafahana manara-maso azy ireo angamba (?). Raha ny fantatra hatreto aloha dia eto an-drenivohitra ihany na ry Tojo Ravalomanana na i Guy Rivo no hipetraka.
Hanomana. Ho mpisava lalana hanomana ny fiverenan’i “Dada” ve no ahatongavan’i Tojo Ravalomanana, toy ny nahatongavan’i Xavier Ratsiraka nialoha lalana ny fahatongavan’ny amiraly Ratsiraka rainy ? Tsy nisy ny fanambarana na resaka tamin’ny mpanao gazety nataon’izy ireo teo am-pahatongavana, fa dia namonjy avy hatrany ny fiara hitondra any amin’ny toerana tokony hivantanany avy izy ireo. Na izany aza nahazoana fanazavana fohy i Guy Rivo fa tonga eto an-tanindrazana amin'ny maha olom-pirenena tsotra azy aloha izy ireo. Naniry ny hihaona amin'ny fianakaviana ihany koa fa efa nisaraka taminy ela. Mikasika ny nahatafara-dia azy tamin'i Tojo Ravalomanana indray dia amin'ny maha olona akaiky ny filoha teo aloha azy no antony, nefa koa “voairaka hijery sy hanara-maso akaiky ny fametrahana ny tetezamita iaraha-mitantana”. Loharanom-baovao hafa no nandrenesana fa mety hisy fihaonana amin’ny mpanao gazety hataony anio na rahampitso talata mahakasika izany.
Fambara izao, hoy ny mpanara-baovao maro fa dia antomotra ny fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana. Mahavelom-bolo ireo mpanohana azy ny fahatongan’ny amiraly Ratsiraka ny alakamisy lasa teo. Vao mainka nampitombo ny fanantenan’izy ireo izao fahatongavan’i Tojo Ravalomanana, zanany, sy Randrianarisoa Guy Rivoniaina izao. Ary dia horaisin’ny zanak’i Dada ho fanomezana krismasy, ho famonjena amin’izao krizy mihatra any am-bilany izao, izany fahatongavany an-tanindrazana izany, izay tafiditra anatin’ny fampiharana ny tondrozotra rahateo. Andrandrain’ny maro ihany koa etsy andanin’izany ny famoahana ireo gadra politika, na sivily na miaramila sy ny hamohana ireo haino aman-jery rehetra nakaton’ny FAT noho ny antony politika, hisian’ny fitoniana ara-tsosialy sy ara-politika amin’izay.

Ivato Notsenain'ny DST ry Guy Rivo
http://tiatanindrazana.com/pages/modules.php?id=6017&idcat=2
28/11/2011
Omaly tokony ho tamin'ny telo ora tolakandro latsaka no nigadona teny amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato ny fiaramanidina nitondra an'i Guy Rivo Randrianarisoa sy Tojo Ravalomanana mivady.
 Efa tonga nialoha teny ny kaomisera Nakany Charly lehiben'ny DST niaraka tamin'ny polisy sy zandary telo. Nandeha ny resaka fa hosamborina izy ireo raha vao manitsaka ny tanin'i Madagasikara. Rehefa tonga anefa ireo olona nandrasana dia tsy nisy ny fisamborana fa nifampiarahaba aza no nataon'ny andaniny sy ny ankilany. Tsiliantsofina no nahafantarana fa nisy ihany izay eritreritra fisamborana izay saingy nisy ny fanakanana avy any amin'ny faratampony. Nivadika ny resaka taorian'izay ary naparitaka indray fa hiaro azy ireo no anton-dian'ny DST sy ireo miaramila tonga teny an-toerana. Fa tetsy ankilazan’izay dia nisy andian’olona nentina taksibe roa, notarihin’ny mpitarika ny AV7, koa tonga teny Ivato ary nihogahoga niaraka tamin’ny sorabaventy. Nifanala am-bava tamin’ireo zanak’i Dada tonga maro nitsena ireto avy any Afrika Atsimo ireto izy ireo, ka nisintaka tsimoramora nony avy eo.

VAOVAO FARANY:
http://collectif-gtt.org/
17H 00 : tonga teny amin'ny fonenan'ny fianakavian'ny Filoha RAVALOMANANA eny Faravohitra ny EMMOREG ary nilaza fa haka an'i Tojo Ravalomanana hatao fanadihadiana. Nanomboka nitangorona anefa ny vahoaka sady niantso ireo mpitari-tolona no nampandre masoivoho vahiny sasantsasany ka dia niala moramora izany toerana izany ireto hery famoretana ireto saingy namela fampiantsoana ho an'ny lahy haivon'ny Filoha RAVALOMANANA ho tonga eny amin'ny tobin'ny zandarimariam-pirenena eny Betongolo.
20H 00 : karohin'ny ekipan'ny Jly Baomba ihany koa i Guy Rivo Andrianarisoa ary efa naharay ny fampiantsoana azy ny fianakaviany amin'izao ora izao.

JEREO ATO KOA IREO VIDEO FITSENANA TENY IVATO SY NY VAOVAO HAFA

Mpikambana ao amin’ny CT sy CST “Miala daholo !”, hoy i Fransman
http://tiatanindrazana.com/pages/modules.php?id=6016&idcat=2
28/11/2011
Azo ambara fa vita ihany iny ny momba ny fizarana toerana eo anivon’ny governemanta.
 Tamin’iny herinandro iny dia efa nisy ny dinika natao teny Iavoloha ny amin’ny fanohizana ny fampiharana ny sori-dalana ka ao anatin’izany ny momba ireo mpikambana eo anivon’ireo andrim-panjakana sasany toy ny Kongresy sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita sy ny Vaomiera mahaleotena momba ny fifidianana. Niteraka resabe ny hoe fampitomboana sa fanovana tanteraka ireo mpikambana no hatao amin’ireo rafitry ny tetezamita ireo. Ho an’ireo mpikambana sy mahazo tombontsoa ao amin’izao fotoana izao moa dia voizina ny hoe fanitarana ny Kongresin’ny tetezamita (CT) sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST) no izy. Ho an’ny mpanohitra indray dia fanavaozana tanteraka no tena izy.
Rehefa raikitra àry ny adihevitra dia nambaran’ireo solontenan’ireo efa mpikambana ao amin’izao fotoana izao fa na 600 aza ny ho isan’ireo mpikambana ao amin’ny CT sy CST dia tsy ho olana. Mazava anefa ny tenin’ny masoivohon’i Afrika Atsimo, hoy ny depioten’Arivonimamo teo aloha, Rakotomanjato Rodin, izay anisan’ny nanatrika ny fihaonana fa “raha manam-bola ianareo dia midira ao daholo”. Tsy naharesy lahatra ireo mbola te hifikitra amin’ny toerana anefa izany ka dia voatery nantsoina mihitsy ingahy Marius Fransman. Tamin’izany àry no nilazan’ity farany, araka ny tatitry ny depiote Rodin ihany fa dia “tsy fanitarana no izy ary tsy fanampiana ireo efa mpikambana ao amin’ny CT sy CST ihany koa fa miala daholo ireo efa ao amin’ireo CT sy CST ireo”. Ireo nanao sonia ny sori-dalana ihany koa no hany mahazo alalana mampiditra olona amin’ireo rafitra ireo.

Commenter cet article

cannot update windows 25/06/2014 08:11

Look at the pride reflecting on his face. He must be really proud to be doing all that stuff which helps a lot of people. Keep up the good work man and keep helping people around the world, good luck.