Overblog Suivre ce blog
Editer l'article Administration Créer mon blog
rov@higa

VAOVAO TSARA HO FANTATRA (24/08/11)

24 Août 2011, 22:40pm

Publié par rovahiga

http://collectif-gtt.org/file/imagecache/small/fg/alt/mada-20-08-11/CAM_8526.JPG

 

ADI-TSAINA

Rehefa mahare sy mahita ireo vaovao amin’ny fahitalavitra sy amin’ny onja-peo, dia mahatsikaiky ny mahita fa hifandrombahana ny mitety faritany sy fokontany mizara “fanampiana kely” (vary, menaka, siramamy …) ho an’ny mahantra. Tsy misy maha ratsy azy loatra aloha raha mijery ny fangirifirian’ny vahoaka noho ny fahantrana naterak’izao fanjakana nalaina ankeriny izao, saingy rehefa izy nandrava no tonga mizara ireny fanampiana ireny, dia mampivonto fo ihany ny miheritreritra azy. “Raha azoko tsara, dia tsy misy azoko izay hataonao !” hoy ry zareo ao amin’ny “Matrok’ila”. Toa midika mantsy fa hoe “lasanay ny harena sarobidy rehetra fa tsy misy ho anareo, fa ity aloha misy fanampiana kely   izay voatsirambin’ny tànana, fa aza manary toky e!”

Tonga koa ry zareo parlemanta frantsay dia hoe: “Sahirana koa izahay noho ny krizy eran-tany, fa kosa hanampy izahay na dia fizarana sakafo fotsiny aza”. Fanta-poko fanta-pirenena anefa ny harena sy tombo-tsoa trandrahan’izy ireo eto Madagasikara ary nahatonga azy ireo nanampy ny fandrodanana ny fitondrana teo aloha fa manelingelina azy ! Fady ny mandatsa amin’ny sakafo ka ho hita eo ihany ny farany.

 

rov@higa

 

Tsy sarotra ny manilika ny FATE raha... (+vidéos)

http://collectif-gtt.org/content/24082011-tsy-sarotra-ny-manilika-ny-fate-raha-vid-os

Nitohy tany Itaosy tanàna ny fitsidihana ataon'ny tompon'andraiktra ao anatin'ny Tiako I Madagasikara androany. Mbola ao anatin'ny Distrkan'Antananarivo Atsimondrano hatrany izany kaomina izany. Manomboka eto dia miompana kokoa amin'ny fanatevenana ny tolona atao eo amin'ny Kianjan'ny Finoana ny fanentanana rehetra. Traikefa nentin'ireo iraka avy amin'ny Foibe ny hetsika goavana teo amin'ny Magro Behoririka tamin'ny Sabotsy 20 Aogositra teo.

Samy niaiky ny rehetra fa raha misy indroa na in-telo noho iny ny isan'ny vahoaka miara-miatrika ny hetsika dia azo indray mipoaka ny tanjona roa niaretan'ny vahoaka hatramin'ny taona 2009 no mankaty :

 

Jereo ny video (lien itsy ambony)

Sary TIM Itaosy  

 

 

Luanda : hanao tatitra amin'ny vahoaka ny iraky ny Filoham-pirenena (+vidéo)

http://collectif-gtt.org/

Nandefa iraka manokana hanao tatitra amin'ny vahoaka eo amin'ny Kianjan'ny Finoana ny Filoha RAVALOMANANA mikasika ny fivorian'ny SADC tany Luanda Angola. Izany dia mba hanaporofoana amin'ny mpiara-mitolona rehetra fa tsy marina ny filazana fa tsy nisy niraharaha ny momba an'i Madagasikara tany amin'izany fivoriana ara-potoana natrehin'ny SADC izany. Arak'izany dia hetsika goavana no handraisana izany fanazavana izany amin'ny Sabotsy ho avy izao sady fanohizana ihany koa ny fanomanana ny fitsenana ny Filoha RAVALOMANANA.

Betsaka ny ezaka ataon'ny firenena sasany miaraka amin'ny FATE hanakanana ny fiverenan'ny Filoha RAVALOMANANA Marc. Tsy mety mahazo rariny amin'izany anefa izy ireo satria izao tontolo izao no mahafantatra fa fanonganam-panjakana no nataon'i TGV sy ny namany tamin'ny 2009. Manoloana  izany dia miketrika fanakorontanan indray izy ireo mba ahafahana milaza fa tsy mbola afaka mody ny Filoha RAVALOMANANA. Isan'ny hevi-dratsy kotrehin'ny FATE sy ny namany ankehitriny ny fanomezana ny fahefana any amin'ny tafika. Amin'izay fotoana izay dia ireto farany no hanohy ny jadona efa nataony ka handrara ny fiverenan'ny Filoha RAVALOMANANA amin'ny hevitra rehetra. Raha misy anefa izany dia krizy hafa indray no haterany ary tsy tokony hadinoina fa efa nomen'ny Filoha RAVALOMANANA Marc ny Tafika ny fahefana ny 17 Martsa 2009 saingy tsy nandray izany Hypolite sy ny namany. Noho izany raha manaiky izany izy ireo amin'izao fotoana izao dia midika firaisana tsikombakomba amin'ny FATE izany fa tsy fitadiavam-bahaolana ho an'ny Firenena.

 

Jereo ny vidéo (lien itsy ambony)

Sary Magro androany

 

Ankolafy 3 Tsy hamela an’i Madagasikara ho latsaka an-katerena

http://tiatanindrazana.com/pages/modules.php?id=5063&idcat=2

Voaporofo tao amin’ny Magro Behoririka indray omaly fa mahara-baovao ny mpitolon’ny ara-dalàna.

 Tsy avelantsika hilatsaka an-katerena tahakan’i Libia i Madagasikara, hoy i Donné. Torohevitra no omenay anareo, hoy izy somary henjakenjam-pitenenana, avohay ny entana alohan’ny … tanteraka ny trano, io no mahazo ireo mpitondra ao amin’ny FAT mivezivezy mitady lalana io.

Efa feno ny kapoaka, tsy fiangavina ilay fialàna fa torohevitra, sao dia ho tezitra tanteraka ny Vahoaka reraka, hoy Rodolphe. Raha Afrobasket no itantarana ny tranga hatramin’ny taona 2009, hoy i Ralaiseheno Guy Maxime dia “1er quart temps”, niezaka be ny FAT fa nanohitra mafy ny zanak’i Dada ka dia nisy minisitra maro nesorina. “2 ème quart temps” : niaraka ny Ankolafy 3, tao anatiny anefa dia namoa-tsampona ny namana sasany ary nanaraka azy koa ny hafa ka nahakivy ny vahoaka mpitolona sasany. “3 quart temps” : nahazo “régime” tamin’ny “bois de rose” ny FAT ka nanao ny moramora rehetra fa nitsefotra. “4 quart temps” nitarika ny Ankolafy 3 ary vonona handray ny “jokers” Ravalomanana sy Didier Ratsiraka. “Handresy isika satria efa any amin’ny FAT daholo ny tsy tia tanindrazana rehetra”.

Thierry Raveloson Tsy azo tsinontsinoavina ny Ankolafy 3

http://tiatanindrazana.com/pages/modules.php?id=5068&idcat=2

Tsy azo atao tsinontsinona ka atao an-kilabao ireo mpanohitra mivondrona ao amin’ny Ankolafy 3, hoy Raveloson Thierry filohan’ny antoko MSDM (Mouvement pour la Démocratie Sociale à Madagascar) sady mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita.

Mety hiteraka krizy hafa indray ny fanaovana fifidianana tsy iarahana amin’ireo Ankolafy 3, mpanohitra ireo, hoy izy, satria tsy hankatoa izay vokatra eo izy ireo. Ny hevitry ny Iraisam-pirenena anefa efa fantatra fa mitaky ny fanitarana an’ireo mpikambana eny anivon’ireo Parlemanta roa tonta izay mandrisika ny rehetra hifandinika sy hifampiady hevitra no dikany. Ilaintsika ny fankatoavana iraisam-pirenena ary tsy maintsy miverina amin’izany isika, hoy ity CT ity, na dia nodradraina tamin’ny haino aman-jery samihafa aza tany aloha tany fa tsy ilaina intsony izany mpamatsy vola mahazatra izany.

Ôksizena ho antsika ahazoana mamerina ny fifanarahana toy ny AGOA … izay nampikatona orinasa maro ary nahavery asa maro io fifanarahana iraisam-pirenena io. Mila vahaolana amin’izany koa ny fifandraisana ara-barotra samihafa ary fantantsika fa avy amin’izany fankatoavana iraisam-pirenena izany no hirotsahan’ny vola ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana satria matevitevina ihany ny ampaham-bola avy any ivelany amin’ny alalan’ireny fikambanana iraisam-pirenena samihafa ireny mandrafitra ny teti-bola hoentin’ny fanjakana foibe miasa.

 

Senatera frantsay Jean Faure «Toa atao tsinontsinona ny Malagasy»

http://tiatanindrazana.com/pages/modules.php?id=5069&idcat=2

Tonga nitsidika ara-pomba fifanajana ny minisitry ny mponina Nadine Ramaroson, omaly tolakandro, ny Senatera frantsay Jean Faure.

 Araka ny fanazavan’ny minisitry ny mponina, dia nanambara ity senatera frantsay ity fa «tokony hanana ny maha-izy azy ny Malagasy manoloana ny famahana ny krizy». Voalazan’i Jean Faure hoy izy fa «toa atao tsinontsinona ny Malagasy manoloana ny fanelanelanana ataon’ireo vahiny indrindra fa ny SADC». Nanome soso-kevitra araka izany ny tenany ny tokony hanapahan’ny fitondrana tetezamita hevitra sy ny hijoroany hanatanteraka ny fifidianana mba tsy haharatsy fiafara ny tetezamita.

Nandritra io fihaonana io dia nanararaotra nitatitra ny zava-misy ankehitriny izay iainan’ny Malagasy Rtoa minisitra, ary nanindry indray ny tokony hiverenan’ireo fanampiana. Raha ny tati-baovao azo, dia nilaza ity Senatera vahiny ity fa miaina anaty krizy ara-bola ihany koa izy ireo amin’izao fotoana kanefa hiady mafy mba hiverenan’ny fanampiana na dia ny «Resto du Coeur» ihany aza.

 

Manangasanga ny tetezamita tena izy

http://www.gazetiko.mg/gazetiko/

Nambaran’ireo nadaha-teny teo amin’ny kianjan’ny fihavanan’ny tia tanindrazana fa « halohalika ny ranon’ampangon’ny vilany foana noho ny fitarazoan’ny teteza-mihitatra »
Nitondra fanafody amin’ny aretin’andohan’ny mponina ao Toamasina ny fanambarana nataon’ny filoha isany Ravalomanana Marc sy Zafy Albert. Itsy volaohany dia nanafaka ny arateina tamin’ny filazana tamin’ny alalan’ny antso an-tariby avy any Afrika atsimo fa mody tsy misy fepetra ny mpitsoa-ponenana rehetra ary afaka manao pôlitika. Nitana ny sain’ny ireo tonga teny amin’ny kianja MAGRO Tanambao V kosa ny nanazavan’ny filohan’ny rodoben’ny Malagasy Tia Tanindrazana mahakasika ny tetika atao amin’ny bois de rose. Nanitrikitrika rahateo i Kotomantsoa, filohan’ny rodoben’ny Malagasy ao Toamasina, fa tsy vahiny amin’ny halatra sy hosoka atao amin’ny fanondranana sy ny famotsiambola amin’io raharaha manabotry ny firenena io ny mponina rehetra amin’ny ilany atsinanan’ny nosy. Nambaran’ireo nadaha-teny teo amin’ny kianjan’ny fihavanan’ny tia tanindrazana fa « halohalika ny ranon’ampangon’ny vilany foana noho ny fitarazoan’ny teteza-mihitatra » ireo avy amin’ny AREMA sy ny movansy Ratsiraka dia nanao antso avo manokana amin’ireo kamarady diso lalana sy mihenahena amin’ny tolona fiandrasana ireo ray amandreny avy any ivelana. Na eo aza anefa ireo dia mihevitra ny mpikambana ao amin’ny reodobe Toamasina fa managasanga ny vahaolana hijoroan’ny tetezamita tena izy ary ny fampiharana ny soridalana tena izy.

 

Ho tonga amin’ny herinandro : « Hampihatra avy hatrany ny tondrozotra nasiam-panitsiana ny Troika »

http://www.gazetiko.mg/gazetiko/index.php?option=com_content&task=view&id=17034

« Tsy misy afaka ny hamaly izay tapaka amin’io fa hampiharina avy hatrany izay tapaka ».
Nandamoaka ary sady vita hatreo aloha izany ny asan’i Chissano sy i Simao. Roa taona mahery no nilalaovan-dry zareo ny famahana ny krizy politika teto fa tsy nahita mangirana. Vao mainka nampisara-bazana an’ireo mpanao politika sy ny ankolafin-kery aza ny nataon’Ing. Simao farany teo. Dia hiditra an-tsehatra sy handray an-tanana ny famahana ny olana indray ny Troika eo anivon’ny vondrona SADC rehefa tsy nisy azo noraisina ny fivoriana natao tao Luanda farany teo. Raha ny angom-baovao dia amin’ny faran’ity herinandro ity na amin’io herinandro ambony io farafahatarany no  higadona indray eto an-tanindrazana ny irak’Ing. Jacob Zuma, mpitarika ity Troika ity. « Tsy mbola hisy filoham-pirenena aloha ho tonga amin’izao fahatongavana izao fa iraka ahitana Minisitra am-perinasa miaraka amina teknisianina ihany » hoy ny fanazavana azo. Ity loharanom-baovao ity ihany no nanamarika fa  «  hampihatra avy hatrany ny tondrozotra tapaka tamin’ny fivoriana tao Sandton miaraka amin’ireo andininy dimy nasiam-panitsiana no dian-dry zareo eto » ka ao anatin’izany ny ny fiverenan’ireo gadra politika any ivelany tsy misy fepetra, ny fanendrena Praiminisitra iraisana tena izy ary ny fanavaozana tanteraka ireo mpikambana ao amin’ny Kongresy sy ny Filan-kevitra ambonin’ny tetezamita na ny CST.
Fanaovan-tsonia
Ny Troika indray no voalaza fa hijery sy hanapaka ny daty hanaovan-tsonia ny tondrozotra nasiam-panitsiana. « Hijery ny toerana sy fotoana hanaovan-tsonia ny tondrozotra izy ireo ary tsy maintsy mandray anjara amin’izany ny lehiben’ny ankolafy efatra. Fa ankoatra an’izay, hihaona amin’ireo mpitarika antoko politika sy amin’ny miaramila izy ireo » hoy ny fanazavana. Ala nenina farany amin’ny famahana ny krizy ity hotanterahin’ny Troika ity raha ny vaovao ka « tsy misy afaka ny handa izay tapaka amin’izay  intsony ». Dia ho hita indray izay mety ho fandehany sy ho tohiny fa ny tsapa aloha hatramin’izao, lalaovin-dry zareo Afrikanina ny raharaha politikantsika.

Commenter cet article