Overblog Suivre ce blog
Editer l'article Administration Créer mon blog
rov@higa

VAOVAO TSARA HO FANTATRA (19/01/12)

19 Janvier 2012, 22:56pm

Publié par rovahiga

http://collectif-gtt.org/file/imagecache/large/fg/alt/PRM/AFF210112.jpg

 

 

19/01/2012 : Fitsenana ny Filoha RAVALOMANANA : lohalaharana ny mpiasan'ny TIKO

http://collectif-gtt.org/content/19012012-fitsenana-ny-filoha-ravalomanana-lohalaharana-ny-mpiasanny-tiko

Fotoam-bavaka no nentin'ny mpiasan'ny orinasa TIKO nifampiarahaba nahatratra ny taona vaovao androany. "Aza matahotra minoa fotsiny ihany" ao amin'ny Marka 5: 36 no nitondran'ny mpitandrina fampianarana ka nilazana fa alohan'ny ivavahan'ny olombelona dia efa omen'Andriamanitra ny valiny raha tena mino isika. Nentina am-bava tao arak'izany ny hoavin'ny orinasa, ny mpiasa tsirairay sy ny fianakaviany, ny Firenena sy ny vahoaka Malagasy rehetra ary ny Filoha RAVALOMANANA mianakavy sy ny fodian'izy ireo an-tanindrazana.

Teo am-pamaranana ny fotoana dia namela hafatra tamin'ireto mpiara-miasa aminy ireto ny Filoha RAVALOMANANA. "Hody amin'ny sabotsy izahay" hoy izy "koa manantena hahita anareo aho". Notsoriny fa fantany tsara avokoa ireo mpiasan'ny orinasa najorony ireo sady mahalala azy tsara ihany koa. Maro ihany koa no efa ela no niara-niasa taminy ary dia manamafy ny fifampatokisana eo amin'ny roa tonta izany. "Raiso ny andraikitra manandrify anareo" hoy ny Filoha "indrindra amin'ny fampitana vaovao haingana raha misy ny ialana izany". Nambarany moa fa tokony lohalaharana hatrany ny mpiasan'ny TIKO amin'ny zavatra satria " hanasoa ny mpiara-belona no tarigetra iombonana".

19/01/2012 : Roa andro sisa : tsy mihemotra ny andriambavilanitra (+vidéos)

http://collectif-gtt.org/content/19012012-roa-andro-sisa-tsy-mihemotra-ny-andriambavilanitra-vid-os

Tao anatin’ny telo taona niatrehana ny ady amin’ny mpanongam-panjakana dia tsy nihemotra mihitsy ny vehivavy mpandala ny ara-dalàna. Amin’izao roa andro sisa tsy ahatongavan’ny Filoha RAVALOMANANA izao dia mbola mafana fo any amin’ny andraikitra misy azy ireo avy izy ireo. Manomboka any amin’ny fitondrana tanora mandalo amin’ny fandrindrana ny fandraisana ireo avy amin’ny Faritra ka hatrany amin’ny fitondrana ny tenin’ny faritra iray dia manana ny maha-izy azy ireo andriambavilanitra ireo.

Sary androany 

Efa taona iray mahery no nanomanan’ny Tanora Tiako I Madagasikara ny fitsenana ny Filoha RAVALOMANANA raha ny nambaran’ny mpandrindra eto Analamanga. Isan’ny manana andraikitra lehibe izy ireo ny Sabotsy ho avy izao ary efa vonona tanteraka amin’izany.

Hany teti-dratsy sisa eo am-pelatanan’ny FATE ny fanatsatsoana ny mpomba ny Filoha RAVALOMANANA. Ataon’izy ireo izany na an-gazety na amin’ny hainoamanajery. Tsy tokony andairan’izany anefa ny vahoaka satria tsy mbola namitaka vahoaka ny Filoha ary manana finiavana hitondra ny Firenena hivoaka ny krizy.

Tsy latsa-danja amin’ny Faritra sy Distrika hafa Ambatoboeny raha ny hetsika amin’ny sabotsy no resahina. Araka ny nambaran’I Charline solotena avy amin’ity distrika ity dia rahampitso maraina no hanomboka tonga ny mpitolona avy any an-toerana hiatrika izany fitsenana ny Filoha sy ny fianakaviany izany.

Commenter cet article