Overblog Suivre ce blog
Editer l'article Administration Créer mon blog
rov@higa

VAOVAO TSARA HO FANTATRA (17/01/12)

17 Janvier 2012, 22:15pm

Publié par rovahiga

http://collectif-gtt.org/

17/01/2012 : Nandatsa-drà mpiray tanindrazana indray ny hery famoretan'ny FATE (+vidéo)
Olona iray no naratra mafy teo amin'ny tongony teny Ambohijatovo androany vokatry ny tifitra nahazo azy.
Tsy mbola fantatra aloha ny zavatra nahavoa azy na bala tena izy na tsia fa raha ny dian'ny ratra eny aminy dia tsy lehibe toy ny "grenade lacrymogène" no nahavoa azy fa toy ny diam-bala. Nijininika ny rà ary mpitolona niaraka taminy no niangavy fiara iray hitondra azy tany amin'ny toeram-pitsaboana akaiky indrindra. Ankoatra  izay dia nirefodrefotra tsy nifankahitana ny baomba mandatsa-dranomaso nandravan'ny hery famoretana ny vahoaka nanotrona ny Pr. Zafy Albert. Rehefa tsy tafiditra tao anaty Kianjan'Ambohijatovo manko ity Filoham-pirenena teo aloha ity dia nitety ny toerana nisy ny vahoaka hanambara tamin'izy ireo fa  "fanombohana ny androany fa tsy faran'ny tolona akory". Nandritra izay no nangatahan'ny vahoaka ny hidinana teny amin'y Kianjan'ny 13 May saingy nilaza ny Profesora fa "tsy mbola androany no hanaovana izany". Tao anatin'izany anefa dia efa raikitra ny tifitra lakrimozena sy poa-basy vitsivitsy ary dia voatery niparitaka ny vahoaka. Hatreto aloha dia tsy fantatra na nisy ny voasambotra na tsia fa io naratra iray io no fantatra fa nizaka ny herisetran'ny FATE indray amin'izao tsingerin-taona faha-telo nitokanan'i TGV  ny "kianjan'ny demokrasiany" izao.

17/01/2012 : Demokrasia FATE : basy miady amin'ny voninkazo (+vidéos)
Hatreo amin'ny vavahadin'ny "demokrasia" ihany no azon'ny Malagasy aleha fa tsy azony atao ny miditra ao anatiny. Sary azo andikana ny zava-nisy teny Ambohijatovo androany izany ary namafisin'ny mpitari-tolona iray raha saika teo amin'ny tsangam-baton'ny 29 Marsa no nasain'ny hery famoretana nametraka fehezam-boninkazo izy ireo ka hoy izy  hoe "Ato (Ambohijatovo) no kianjan'ny demokrasia fa tsy etsy (tsangambato 29 Marsa) koa aleo hapetrakay eo ambavahady ny voninkazo ho hitan'izao tontolo izao fa tsy misy demokrasia eto Madagasikara". Arak'izany dia tsy nosokafan'ny FATE ho an'ny Ankolafy ZAfy sy ny mpanara-dia azy ny kianjan'ny demokrasia izay notokanan'i TGV ho sehatra fanehoan-kevitra tsy mila fangatahan-dalana telo taona lasa izao. Rehefa nifampiresaka ny tomponandraikitra dia nilaza ny Jly Baomba fa tsy manana ny fanalahidy ahafahana mamoha izany kianja izany. Tsy vitan'izany fa ny Pr. Zafy sy ny lehiben'ny delegasiona ao amin'ny Ankolafy tarihiny ihany no afaka nanatanteraka ny fihetsika fa na ny mpiambina akaiky an'ity Filoha teo aloha ity aza dia noroahina tsy afaka miditra amin'ny faritra manoloana izany kianja izany.

Araka ny tatitra nataon'i Miandrisoa Jean Marcel dia nangataka ny hahita maso ny Jly Baomba ny Pr. Zafy rehefa noroahina ireo mpiambina azy. Izany dia mba hisian'ny fifamarafarana amin'ny fiantoahana ny fiaorvana ny tenany. Tsy nanaiky hatramin'ny farany moa ny lehiben'ny CIRGN ary valin-teny tsy mendrika manamboninahitra milaza fa tomponandraikitra eto amin'ny Firenena no nasesiny.

16/01/2012 : Manandafy Rakotonirina : « hanova zavatra ity herinandro ity »
Ny faran’ny herinandro teo dia efa nanambara ny hahatongavan’ny Filoha RAVALOMANANA amin’ity herinandro ity ny filoha nasionalin’ny MFM Manandafy Rakotonirina. “Ho avy amin’io herinandro io RAVALAOMANANA” hoy izy. Naka fotoana nanazavana misimisy kokoa ny toe-draharaha ankapobeny eto amin’ny firenena ny tenany tamin’ny fihaonany tamin’ireo mikatroka ao anatin’ny antoko izay tarihiny. Isan’ny nambarany fa tsy matotra velively ny namolavolan-dry Simao sy ny namany an’io tondro zotra io satria mohoapapana loatra ny fahefana nomeny an’I TGV sady nanamafisana ny toeran’I Camille Vital ihany koa. Ankehitriny dia Afrikana Tatsimo no mitarika ny fanelanelanana ary mikambana ao amin’ny ANC izay vao avy nankalaza ny faha-100 taonany herinandro izao.
Na dia manana traikefa demokratika azo singanina aza anefa ny antoko izay misy an’I Fransmann dia nambaran’I Manandafy fa misy ho kianina ihany ny fitondrany ny toe-draharaha raha tsy hiresaka afa-tsy ny  momba ny arofenitra nanasana an’I TGV tany Afrika Atsimo fotsiny ihany.
 Mbola ho mafy ny ady…
Raha ny filazan’I Manandafy dia henjana ny zava-misy any  anaty andrim-panjakana any saingy mbola mahery vaika noho izany ny ady hatrehina manomboka eto. Tao anatin’ny telo taona hoy izy dia famoretana ara-batana sy ara-tsaina no niainana fa manomboka eto dia ny fahaiza-manao ara-politika no ampiadiana ka ho hita eo izay tsy manan-katokona. Ny fihaonan’ireo mpitarika Ankolafy sy vondrona politika dia hamaritra vanim-potoana vaovao amin’ny famahana ny krizy eto Madagasikara hoy ny filoha’ny MFM ary mizotra mankany amin’ny fanatanterahana izany io fiverenan’ny Filoha RAVALOMANANA io.
Ny sabotsy lasa teo moa no nifampiarahaba noho ny tonon-taona ny mpikatroka ao amin’ity antoko ity eto amin’ny Faritra Analamanga sady efa santatra sahady amin’ny fanokafana ny faha-40 taonan’izany antoko naorin’I Manandafy Rakotonirina izany.

Mitohy ny tsindry Terena hamoaka an’i Jao Jean ny mpitsara
http://tiatanindrazana.com/pages/modules.php?id=6451&idcat=2&une=1
17/01/2012
Tsy mbola hiverina handray asa ny mpitsara ary tsy hisy koa ny «service minimum» na fiandrasan-draharaha araka ny tapaka nandritra ny fivoriambe notontosain’izy ireo omaly alatsinainy 16 janoary teny amin’ny lapan’ny fitsarana an-tampony Anosy.
Nohamafisin’izy ireo tamin’ny fanambarana navoakany taorian’ilay fivoriana fa tsy misy mihitsy antoka azo ilazana ankehitriny fa tsy hisy intsony ny fikasihan-tanana mpitsara hataon’izay olona tsy afa-po amin’ny didim-pitsarana avoakany. Ny fitavozavozan’ny mpitondra amin’ny famahana ny olana ankehitriny no tondroin’izy ireo ho anton’izany. «Matoritory ny fanjakana satria hatramin’izao dia tsy mbola tafatsangana akory ny vaomiera manao tombanezaka ny fahavoazana izay voalazan’ny sata manokan’ny mpitsara raha misy tranga mahazo ny mpitsara», hoy ny filohan’ny SMM, Arnaud Auguste Marius. Vao mainka aza toa miharatsy ny toe-draharaha satria mbola misy hatrany ny teritery atao ny mpitsara amin’izao vanimpotoana mavaivay izao. Notsorin’i Auguste Arnaud Marius ny fisian’ny tsindry atao amin’ny mpitsara mba hamoahana an’i Jao Jean izay voarohirohy amin’ny raharaha fanolanan-jaza tany Antsohihy. Novakian’ity farany bantsilana ampahibemaso koa ny fisian’ny antontan-taratasy aparitaky ny mpikambana ao amin’ny Filankevitra Ambonin’ny Tetezamita Alain Ramaroson tsy hampiharana didim-pitsarana. Eo anatrehan’izany dia mampitandrina ny filohan’ny SMM sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky fa «hisy zavatra hafa hipoaka eto raha sanatria ka avoaka tsy mandalo fanadihadiana na tsy manaraka ny dingana voalazan’ny lalàna i Jao Jean».
Ampamoaka
Tsikaritra ho misy fivoarany ihany ny mpitsara manoloana ity raharaha nahafaty an’i tompokolahy Rehavana Michel tany Toliara ny 09 desambra ity. Hisy ny atrikasa lehibe izay hanana endrika ampamoaka hotontosain’ny fianakaviamben’ny mpitsara sy ny mpitondra fanjakana ny 26 sy 27 janoary izao eny Ivato. Efa nanaiky hifanatrika amin’izany rahateo Ambohitsorohitra izay nandray ny solontenan’ny mpitsara tamin’ny zoma lasa teo. «Hofongarina amin’io avokoa izay resaka ambara fa misy fahalovana rehetra eo amin’ny sehatry ny fitsarana. Nambaran’ny mpitondra nihaona taminay mantsy fa ny kolikoly no tena nahatonga ireny fipoahan’ny raharaha tany Toliara ireny kanefa na ao Ambohitsorohitra aza sy ireo asam-panjakana rehetra dia misy izay avokoa», hoy i Auguste Arnaud Marius. Raha ny fanazavany hatrany dia samy hamoaka ny alahelony ao ny andaniny sy ny ankilany mba tsy hiverenan’ny zava-misy mampalahelo toy ireny intsony sy hametrahana ny fitsarana amin’ny hasiny sy ny fahaleovantenany tanteraka amin’izay. Milaza ho vonona hiova famindra koa ry zareo mpitsara. Miverina miasa avy hatrany ny SMM ny ampitson’io fivoriana io raha toa ka manome toky ny hanatanterahana antsakany sy andavany izay fanapahan-kevitra mivoaka eo ny fanjakana.

Commenter cet article