Overblog Suivre ce blog
Editer l'article Administration Créer mon blog
rov@higa

VAOVAO TSARA HO FANTATRA (14/09/11)

14 Septembre 2011, 23:20pm

Publié par rovahiga

http://2.bp.blogspot.com/-rZq3nEhOVzE/Tm_HvyPHX6I/AAAAAAAAA-o/HKWWkiI658A/s320/P9110614.JPG

 

 

VOT MANAKARA - 11/09/2011 - Fihaonana sy fanentanana 

http://gtt-international.blogspot.com/2011/09/vot-manakara-11092011-fihaonana-sy.html?utm_source=feedburner&utm_medium=email&utm_campaign=Feed%3A+GttInternational+%28GTT+International%29

Nanao fanentanana tao Manakara ny VOT  tamin'ny Alahady 11 Septambra teo. Maro ny olona nanohina ny antso ka tonga nihaino ny fanazavana sy fampaherezana ary ny hafatra nataon'ny Filoha RAVALOMANANA izay niditra mivantana tamin'izany.
Niditra mivantana nitondra fampaherezana tamin'izany koa ny Filohan'ny GTT INTER GENEVE.

 

Nitory an'i TGV ny Pr. Zafy Albert (+vidéo)

http://collectif-gtt.org/

Arakin'ny nampitain'i Tabera Andriamanantsoa teo amin'ny Kianjan'ny Finoana Magro Behoririka dia tafapetraka tao Fampanoavana (Procureur) teny amin'ny Lapan'ny Fitsarana Anosy io atoandro io ny fitoriana napetraky ny Pr. Zafy Albert momba an'i TGV. Fangalarana harem-pirenena, fanodikodinana volam-bahoaka, fitondrana olom-pirenena hatao sorona sy ny maro hafa tsy voatanisa. Ireo no heloka  nentin'ny Pr. Zafy tao anatin'ny fitoriana napetrany. Miampy iray indray izany ny loza mitatao eo amin'ny mpanongam-panjakana.

Sary androany 

Tsiahivina mantsy fa taorian'ny fieken-keloka nataon'ny Lt. Kol. Charles Andrianantsoavina  dia efa nametraka fitoriana teny amin'ny Fitsarana Malagasy ihany koa ny Filoha RAVALOMANANA Marc mikasika ny fanonganam-panjakana tamin'ny taona 2009. Hatreto anefa dia tsy asian'ny Fitsarana FATE tohiny izany fitoriana nataon'ny Filoham-pirenena izany.

Fialofan'ny malemy?

Manoloana izany indrindra dia tsy sasatra  manao antso avo amin'ny mpitsara rehetra ny vahoaka Malagasy. Raha toa ka tena mitsinjo ny maha-Malagasy sy ny Firenena iaraha-manana ny mpitsara Malagasy dia tsy tokony hitanila fa hitrandraka izany antotan-taratasy rehetra izany mba ahitana ny marina momba ny fiainan'ny Firenena. Izao fitoriana izao no natao moa, araky ny fanazavana, dia entina hanaporofoana amin'izao tontolo izao fa tsy mila an'i TGV hitondra ny tetezamita ny vahoaka Malagasy satria izy sy ny mpanaraka azy no tena miteraka korontana fa tsy ny Filoha RAVALOMANANA Marc velively. Porofon'izany ny savorovoro nitranga teny amin'ny CCI Ivato tamin'ny fotoana niatrehana ny fanintsiana ny tondrozotra nentin'ny TROIKA. Raha nilamina tanteraka mantsy ny tao amin'ny Ankolafy Telo dia saika niafara tamin'"ny totohondry indray ny tao amin'ny mpomba ny FATE. Ka iza ary no mitondra korontana?

 

15 Septambra : hankalaza ny androan’ny demokrasia ny VMMR

http://collectif-gtt.org/content/14092011-15-septambra-hankalaza-ny-androan-ny-demokrasia-ny-vmmr

Isan’ny tanjona lavitr’ezaka amin’ny tolona izay ataon’ny vahoaka Malagasy ankehitriny ny fametrahana ny tena Demokrasia eto amin’ny Firenena. Noho izany indrindra dia mikasa ny hanatanteraka hetsika lehibe eo amin’ny Kianjan’ny Demokrasia eo Ambohijatovo ny Vehivavy Manohana an’I Marc RAVALOMANANA na VMMR ao anatin’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny Demokrasia ny 15 Septambra 2011.

Sary VMMR

Efa voapetraka any amin’ny tomponandrakitry ny tanànan’Antananarivo ny fangatahana fazahoan-dalana hanaovana izany hetsika izany ary voalaza fa tokony androany tolakandro no azo ny valiny.

Mbola ho tsaraina

Araky ny nambaran’ireto vehivavy ireto dia fotoana iray ahafanatarana ny karazana Demokrasia apetraky ny FATE eto Madagasikara ny fandraisana ny valin’io fangatahana io. Tsy misy paipaika voadika manko amin’ny fametrahana izany taratasy izany ary tsy tara ny fe-potoana angatahin’ny CUA ny nanaterana  azy. Ho tsaraina amin’io fotoana io ny filazan’ny FATE momba ny fampanjakany ny demokrasia eto Madagasikara indrindra amin’izao fandalovan’ny iraka manokana avy amin’ny TROIKA izao.

 

Sakanan’ny FATE tsy hanao Demokrasia ny VMMR (+vidéo)

http://collectif-gtt.org/content/14092011-sakanan-ny-fate-tsy-hanao-demokrasia-ny-vmmr-vid-o

Mazava izao fa ny demokrasia (sa “démoncratie”) an’ny FATE ihany no avelany hapetraka eto amintsika. Nolavin’ny tanànan’Antananarivo renivohitra ny fangatahan’ny Vehivavy Manoahana an’I Marc RAVALOMANANA hikarakara hetsika eo amin’ny Kianjan’ny Demokrasia izay notokanan’I TGV. Na dia ny andron’ny 15 septambra fankalazana ny andro irasaim-pirenenan’ny demokrasia aza no nangatahin’ny VMMR  hanatanterahana ny fanehoan-kevitra dia nolavina izany. Na dia efa narahina avokoa aza ny filam-baniny rehetra amin’ny fametrahana  izany fangatahana  izany dia mbola tsy neken’ny CUA ihany izany.

Tsy hampiova na inona na inona amin’ny fandresenan’ny vahoaka anefa izany fa ny “mpamosavy milevina amoron-dalana” no tokony ho tonga saina amin’ny famoretana ataony sao tsy hahatanty valin-kitsaka any aoriana.

 

Fanitsiana ny tondrozotra Ilay andininy faha-20, ary eto vao ho tantara !

http://tiatanindrazana.com/pages/modules.php?id=5302&idcat=2&une=1

Hiditra amin’ny votoatiny ny fandinihana ilay tondrozotra manomboka eto. Ny amin’ilay fanitsiana hatao amin’izy io no hifantohan’ny dinika sy izay mety ho adihevitra.

 Nisy ny resaka savaranonando natao teny amin’ny hotely “Le Paon d’Or” Ivato omaly hariva, niantsoan’ireo fonksioneran’ny Troïka tonga eto ireo vondrona 11 nasain’ny SADC nidinika tany Gaborone tamin’ny jona 2011 teo. Fantapantatra tamin’ity fihaonana omaly ity fa mifantoka amin’ilay andininy faha-20 ao anatin’ilay tondrozotra vita rangopohy ihany aloha hatreto ilay fanitsiana. Na izany aza anefa dia nijanona ho ala sarona ny omaly fa tsy nisy fanapahan-kevitra noraisina. Ny mazava kosa dia ny fodian’ireo sesitany politika rehetra an-tanidrazana tsy misy fepetra, anisan’izany ny filoha Marc Ravalomanana, araka ny tapak’ireo filoham-pirenena eo anvon’ny SADC tao Sandton ny 12 jona 2011. Any amin’ny fanatanterahana azy io no mety hiadian-kevitra. Fepetra hisian’ny fitoniana no resaka eto, sy ny hoe iza no hanatanteraka izany ? Ny governemanta FAT am-perinasa sa ny governemanta vaovao iraisana ? Ny fahatongavan’ireo minisitra avy amin’ny Troïka anio no mety hidirana lalindalina kokoa amin’io.

Mbola hifamotoana eny Ivato rahateo ireo vondrona 11 ireo anio amin’ny 11 antoandro. Na inona na inona anefa zavatra voarafitra mandritra ny fihaonana manomboka eo, dia mijanona ho volavola izany satria dia tsy maintsy mbola hanao tatitra amin’ny Troïka, indrindra ny filohany, dia ny filoha afrikanina tatsimo, Jacob Zuma, izay naniraka azy ireto minisitra ho avy anio ireto. Solontena ihany koa ireo Malagasy mandray anjara amin’ny fikaonan-doha fa tsy maintsy ireo filohan’ny Ankolafy sy vondrona politika tsirairay avy no manaiky izay tondrozotra farany voarafitra eo vao hirosoana ny sonia, izay izy ireo rahateo no hanao izany, ary eto an-toerana, mazava loatra. Mbola sarotsarotra anefa ny hahatongavana amin’izany eo anatrehan’ireo fanambarana nisesy tato anatin’ny 48ora farany.

Ny V8 dia nanizingizina omaly fa ny tondrozotra nitondran’ny Dr Salomao fanitsiana tamin’ny 17 jona 2011 no fantany sy hosoniaviny. Tao amin’ny Magro Behoririka anefa dia Santdon milaza ny fiverenan’ireo sesitany politika tsy misy fepetra no fantany. Olana ihany koa ny fipoiran’ireo vondrona izay sady tsy nandray anjara tamin’ny rangopohy no tsy voasolotena tany Gaborone nefa tonga teny Ivato omaly, toy ny GMMR, tarihin’i Yves Aimé Rakotoarison sy ny GREMA tarihin’i Saraha Georget Rabeharisoa. Mbola olana koa ny amin’ireo nanao rangopohy nefa nipatitaka nony taty aoriana toy ny HPM. Iza no misolotena azy ? Ndremanjary Jean André sa Ralison Roger …

Commenter cet article