VAOVAO TSARA HO FANTATRA (03-04/01/12)

Publié le par rovahiga

http://www.collectifgtt.fr/wp-content/uploads/P22100393.jpg

 

 

04/01/2012 : Me. Hanitra Razafimanantsoa : “ny Ankolafy RAVALOMANANA aloha hatreto no azo antoka fa hamerina ny Filoha” (+vidéo)
http://collectif-gtt.org/content/04012012-me-hanitra-razafimanantsoa-ny-ankolafy-ravalomanana-aloha-hatreto-no-azo-antoka-fa-
Taorian’ny savorovoro nitranga teny an-kianja omaly dia nisy ny fametrapetrahana ny tokony ho fiaraha-miasa eo anivon’ny Ankolafy androany. Nanomboka tany amin’ny foibe tany Belair izany ny maraina ary nitohy teny amin’ny Kianjan’ny Finoana ny toloakandro. Nomarihin’ny Me. Hanitra ary fa “misy manana tombontsoa amin’ny fikorontanan’ny Ankolafy RAVALOMANANA amin’izao fotoana izao”. Nanteriny anefa fa tsy maintsy misy ny fandrindrana asa amin’ny fitarihana ny tolona fa tsy afaka manao gaboraraka mba tsy hiomehezan’ny mpanongam-panjakana. Araka ny nambaran’ny Me. Hanitra ihany dia tolo-tanana ny an’ny hery politika na Ankolafy hafa raha toa ka tena mikatsaka marina ny hiverenan’ny Filoha RAVALOMANANA izy ireo.
Toa misy aloka fisalasalana mikasika ny fahamatoarana eo amin’ny fiarahana amina vondrona na ankolafy politika hafa ny lahateny nentin’ny Me. Hanitra Razafimanantsoa teo amin’ny Kianjan’ny Finoana androany. Ny andaniny tamin’ny mpifanandrina nandritra ny savorovoro omaly mantsy dia manatanteraka fivoriana antsokosoko any amina ankolafy hafa hono raha  ny resaka mandeha eny an-kianja ihany. Fandaminana vaovao ary manomboka eto no handrindran’ny foibe ny fandraisam-pitenenana manoloana ny vahoaka mba hisorohana ny fahafaham-baraka sy ny fitaran’ny fisalasalana eo amin’ny vahoaka mpitolona. Voatendry handrindra izany I Guy Maxime Ralaiseheno, Manoela ary Jeanson izay mifanerasera akaiky amin’ireo rafitra ifotony any amin’ny fokontany toy ny KMFB.

04/01/2012 : Niampanga-tena i TGV (+vidéo)
http://collectif-gtt.org/content/04012012-niampanga-tena-i-tgv-vid-o
Tsy nisy zava-tsoa azo tamin’ny kabarin’i  TGV tamin’ny asaramanitra na dia efa ny tondro zotra aza no nametraka azy ho filohan’ny tetezamita. Nanomboka any amin’ny karaman’ny mpiasam-panjakana ka hatramin’ny goavana indrindra dia ny fitoniana politika sy sosialy izay andry iankinan’ny tetezamita milamina sy azo antoka dia lamokany avokoa. Eny na dia ny olana eo amin’ny mpitsara sy ny mpitandro filaminana aza dia tsy nahitany vahaolana haroso. Raha toa ka tena tonga saina marina amin’ny zavatra teneniny izy dia ny filazana fa « ny mpanao politika miady seza no mampikatso ny famahana ny krizy” no  hany fahamarinana nambarany.

Sary Magro androany (Suivre le lien)

Raha tsiahivina mantsy ny tantara hatramin’ny 2009 no mankaty dia izy no tena lohalaharana amin’ny fampikatsoana ny fivoahana amin’ny krizy. Ny fibodoana seza no tena angadiny ary io no tena tsy ahitana ny vahaolana amin’izao krizy izao. Ohatra iray amin’izany ny fiziriziriany tsy hanatanteraka izay fifanarahana politika rehetra naroso manoloana izao tontolo izao eny na dia efa nosoniaviny aza. Mbola namafisiny izany fiadiana seza izany hatramin’ny fananganana ireo andrim-panjakana rehetra mijoro amin’izao fotoana ireo satria tsy nanaiky mihitsy I TGV raha tsy nanisika “quota” manokana amin’ny maha-filohan’ny tetezamita azy hono. Tsy azo hadino manko ireo mpanompo mahafatra-po sy mpiaraka homana rehetra ka dia atao amboletra avokoa izao fisandohana fahafan’olom-boafidy izao.

03/01/2012 : Magro Behoririka : nahamenatra ny zava-niseho ... (+vidéos)
http://collectif-gtt.org/content/03012012-magro-behoririka-nahamenatra-ny-zava-niseho-vid-os
Nanjary sehatra nifamalian’ny nahazo seza sy ny tsy nahazo ny teo amin’ny Kianjan’ny Finoana androany. Toa tsy dia nisy nahita ireo vahoaka efa niaritra ny mafy tao anatin’ny telo  taona fa ireo nahazo toerana nanamarin-tena ary ny tsy nomena toerana nanenjika izay nahazo. Araka ny “fifanasana vangy”nifanaovan’izy ireo sy ny feo avo re nanakoako na dia tsy nanoloana ny fanamafisam-peo mivantana aza dia toa nikasa ny hanao hetsika lehibe ilay vondrona antsoina hoe “Vahoaka Miray” izay ahitana fikambanana maromaro. Nokianin’ireo mpitarika anefa izany satria tsy tany amin’ny foibe tany Belair hono no nanaovana ny fivoriana nanapahana ny hanatanterahana izany hetsika izany.

Sary androany (Suivre le lien)

Tsy dia nankasitrahin’ireo olom-boatendry rahateo ny fikasana hidina eo amin’ny Kianjan’ny 13 May izay lehibe indrindra amin’ny fandaharam-potoanan’ny VAMI. Ankoatra izay dia toa nohamarin’ny depiote iray  fa ny iray tamin’ireo mpandrindra ao amin’ity vondrona ity no nilaza fa hitora-bato ny CST sy ny CT rehefa miakatra eo amin’ny Magro ireto farany.
Ny VAMI anefa dia nanamarika tetsy ankilany fa tsy mbola nanaratsy na iza na iza ary tsy nanenjika olona fa mitady amin’ny fomba rehetra kosa ny hamarenana ny Filoha RAVALOMANANA mba ahafahana mampandany azy ho Filoham-pirenena indray.
Fantatrao ve?
Asa raha fantatrin’ireto “mpifanandrina” mifandripaka an-trano toa mpamosavy malemy ireto fa miteraka baraingo amin’ny ankamaroan’ny sarababen’ny mpitolona ny toe-javatra toa izao. Sanatria toa hanome vahana ny zarazarao anjakany ka hanome laka ny mpanjanaka izay tomponantoka voalohany tamin’ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009. Ny andaniny toa miziriziry fa tsy manaraka fifampifehezana ny VAMI. Ny ankilany kosa manizingizina fa manafina ny ratsy ataony ny CST sy ny CT ka dia miezaka manadio tena. Ny vahoaka tsy mandady harona mandritra izany fotoana izany irariana fa efa maka fotoana hitsarana ny tsirairay tamin’ireo nampiaka-peo nivazavaza nefa fanehoan-kevitra hono no atao. Indraindray toa tsy tokony ho gaga ihany izay miseho ho tomponanandraikitra rehetra rahatoa ka tsy to teny amin’ny mpitolona intsony. Tsy tokony ho variana intsony ihany koa raha tsy mavitrika hitolona ny vahoaka sasanyraha tsy ny Filoha RAVALOMANANA no tonga eto an-toerana. Toa te-hisandoka ho tompony avokoa mantsy ka zary ny fisehoana mahavita sy ny doka tena no mibahana ny toerana tokony ho an’ny fitiavan-tanindrazana. Mazava ho azy fa ny fahatongavan’ny Filoha RAVALOMANANA ihany vahaolana amin’ny krizy rehetra na anatin’ny Ankolafy na ivelany. Iza moa no mahalala na fomba itarihana ny fivakisana manaraka ao amin’ny  Ankolafy indray ny  niseho androany?

Publié dans La Presse

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article