Overblog Suivre ce blog
Editer l'article Administration Créer mon blog
rov@higa

VAOVAO TOKONY HO FANTATRA: 02/02/11

2 Février 2011, 22:42pm

Publié par rovahiga

http://www.tiatanindrazana.com/uploads/aboahy_zanakay_-_posy.jpg

 

Iaban’i Pata: «Avoahy ireo zanakay 39 lahy MD»

http://www.tiatanindrazana.com/pages/modules.php?id=3410&idcat=6

 

Tsy faly ireo zanaky ny «Grand Sud-Est» monina ao Toamasina noho ilay raharaha posy ny 17 janoary. 39 mirahalahy ireo MD tamin’ny 41 voasambotra, ka 05 tsy ampy taona, ny 02 naratra mafy nafahana. Nisy ny resaka nifanaon’ny gazety Tia Tanindrazana tamin’i Georges na Iaban’i Pata, filohan’ny fikambanana tanora Grand Sud-Est mikasika iny raharaha iny.

Tia Tanindrazana (TT) : Manan-kambara momba ireo olona voatana am-ponja ireo ve ianao ?

Iaban’i Pata : Vao voasambotra ireo zanakay ireo ny 17 janoary teo, dia tonga nanara-dia azy ireo teny amin’ny zandary nanao ny fanadihadiana ny tenako. Hatreo aloha tsy fantatra mazava ny anton’ny fisamborana, fa nandritra ny fanadihadiana natao tamin’izy ireo no nametrahana fa hoe fikomiana sy fanakorontanana ary faniratsirana no hanenjehana azy ireo. Ny tena loza aza dia ny filazana fa saika handroba sy hamono ary mikasa ny hanala ny PDS teo amin’ny toerany ireo tanora ireo tamin’ny hetsika fitakiana zo mazava nataony.

 

 T.T : Tsy fantatrareo angaha fa heloka henjehin’ny lalàna izany ?

 

Iaban’i Pata : Tsy mpandroba izahay ! Fanasoketana sy fanaratsiana ny zanakay Tatsimo-Atsinanana noho izahay mivantana raha miteny izany. Mbola averiko ihany fa tanora tsy nikasa hanao na inona na inona ireo. Noho ny fampiasana basy nanapariahana ireo olona nitangorona no nampisaritaka ny olona maro. Izany fisaritahana izany no niheverana anay ho olon-dratsy. Marina fa nisy ny zavatra simba, ny bazary tamin’ny kodiarana nirehitra fa tsy midika izany fa ireo tanora ireo no nahavita izany. Amiko dia tokony hohamafisina ny fanadihadiana.

 

 T.T : Any am-ponja ireo tanora ireo izao miandry fitsarana, inona ary izao no andraikitrareo amin’izy ireo ?

 

Iaban’i Pata : Ao Ambalatavoahangy tokoa izy ireo. Efa nanao fivoriana matetika nandinika ny momba azy ireo izahay, nefa moa nisy namadika fa handrava ny fonja indray ny fivorianay izay tena nahagaga tokoa. Aminay fikambanana tanora Grand Sud-Est aloha, dia manome fe-potoana herinandro ny fanjakana izahay hamoahana ireo zanakay ireo, fa efa tsy rariny mihitsy, na ny fanaterana sakafo azy ireo aza efa manahirana noho ny familafilana sy antsojay atao aminay.

 

TT : Nangataka fahafahana vonjimaika ho azy ireo ve ianareo, ary raha tsy mivaly ny fangatahanareo amin’ny herinandro inona no hitranga ?

 

Iaban’i Pata : Tsy afaka nanao izany izahay, ny anaran’ireo zanakay ireo aza tsy mety azonay avokoa ny momba azy. Ny fitsarana tsy mandray, ny PDS nahatonga ny olana izay mpitory manilika tsy te hiresaka aminay Sud-Est. Toy ny valala voatango izahay ankehitriny ka izao manome fetr’andro herinandro hamoahana azy ireo izao. Miankina amin’izay tenin’ireo Ampanjakanay sy ny tenin’ny mpikambana ny aorian’izay. Ambarako anefa tsy olona tia ady ny Grand Sud-Est, fihavanana no ambony aminay matoa mila ravinahitra aty an-tany lavitry ny tany niaviana aty. Ny anay tsy misy tsy vitan’ny fifampiresahana, ka aza mba atosi-bohon-tanana izahay raha manatona hiresaka sy hanolotra soso-kevitra.

 

Toamasina Efa 1.800 Ar. ny kilaon’ny fotsimbary

http://www.tiatanindrazana.com/pages/modules.php?id=3409&idcat=6

 

«Io ary ilay efa nampoizina, mino aho fa raha mitohy izao fiakaran’ny vidin-javatra sy ny vary izao, manome tapa-bolana aho dia ho tonga 2.000 ariary ny iray kilao amin’io fotsimbary io».  Izay no nambaran’ity mpiantsena iray ity raha nanontaniana mikasika ny halafosan’ny vidim-bary eny an-tsena amin’izao fotoana izao. Ny sabotsy teo no efa tsikaritra ity fiakarany ho 1.800 Ar. ity, saingy mbola mpivarotra vitsy no nahitana azy. Nanomboka ny alatsinainy teo kosa dia maro ireo nanara-dia nanova ny vidim-bary. «Tsy ny mpaninjara akory no manova na te hampiakatra ny vidim-bary fa ny mpamongady sy mpanangom-bokatra no manondrotra ny vidim-bariny dia manaraka izay izahay mpaninjara. Ny anay ety dia tsy miova ny tombony alainay isaky ny kilao, ny masonkarena ihany no hikajiana ny tombony alaina sy mamaritra ny fiakarany na ny fidinany, hoy ireo mpaninjara nanontaniana.

Ankilan’izay, dia mbola hita eny an-tsena sy amin’ireo mpaninjara, fa tena efa ankavitsiana ny vidim-bary 1600 Ar. hatramin’ny 1.700 Ar. amin’ny vary gasy sy makalioka, sy ny 1.200 Ar. hatramin’ny 1.500 Ar. amin’ny vary “stock tampon”. Tsy ny vary ihany no nahitana fisondrotana, eo koa ny katsaka izay lasa Ar.450 ny iray kapoaka

raha mbola Ar.250 izany tapa-bolana lasa, ny mangahazo maina dia mitovy amin’ny vary iray kilao ny vidiny, ireo voamaina samy hafa nisondrotra eo amin’ny 20% hatramin’ny 25% eo avokoa ankehitriny.

 

ANTANANDRANO

Mpianatry ny Enam hita faty tanaty tatatra

http://www.taratramada.com/spip.php?article7045

Novonoina ary natsipy tao anaty rano avy eo. Izay no tombantombana ho zava-nihatra tamin’ny tovolahy iray 33 taona mpianatra administratera eny amin’ny Enam hita faty teny Antanandrano, omaly maraina. Misokatra ny famotorana amin’izao fotoana.

Tovolahy iray mpianatra administratera eny amin’ny sekoly ambony manofana mpiasam-panjakana (Enam) no hita faty teny amin’ny tatadrano eny Matindrano, Antanandrano omaly, tamin’ny 8 ora sy sasany maraina. Raha ny tombantomban’ny fianakaviana sy nohamafisin’ny mpitandro filaminana dia novonoina vao natsipy tao anaty rano ilay tovolahy 33 taona. Mpaka fozaorana no nahita ilay tovolahy nihohoka tao anaty rano, raha ny fanazavan’

ireo havany. “Nihohoka ny razana ary nahitana dian-dratra, toy ny notsatohana ny antsy sy nokapaina zava-maranitra ny lohany sy ny faritra sasany tamin’ny vatany. Hita tena potika noho ny ratra nahazo azy ny tapany ambony tamin’ny razana”, hoy ny fanazavan’ireo havany sy ny mpiambina ny tanàna napakatra ny vatana mangatsiaka teny Antanandrano, omaly maraina. Efa potika sy nanomboka simba noho filonana tao anaty rano koa ny razana.

Efa hatramin’ny alakamisy no tsy hita

Zanak’olona manana ny maha izy azy ity nisy namono ity, saingy mihevitra ireo namany fa tsy nisy zavatra lafo vidy na volabe teny aminy tamin’ny andro nialany tao an-tranony eny Antanandrano. Raha ny fanazavana azo ihany, ny alakamisy maraina, tokony ho tamin’ny 3 ora maraina no nialan’ilay tovolahy tao an-tranony, niaraka tamina tovovavy iray sakaizany, izay tsy fantatry ny olona tao an-trano loatra ny momba azy. Tokony hamonjy fanadinana famaranana ny taona teny amin’ny Enam ilay tovolahy ny alakamisy maraina, saingy tsy nipoitra no tsy niverina tao an-trano intsony avy eo. Nampandrenesina ny mpitandro filaminana fa tsy nahitam-bokany ny fikarohana. Manahy ny fianakaviana fa mety ho lonilony no namonoana ny havany. “Efa hatry ny ela izahay no nanahy ny aminy, noho izy be namana sy miova sakaiza matetika”, hoy ihany izy ireo. Misokatra ny famotorana.

 

CONSTANT R.

« Mody Deba sy Ravalo… Mody Simao »

http://www.taratramada.com/spip.php?article7060

Tsy nitsitsy fitenenana Raveloson Constant avy amin’ny Mfm eo anivon’ny ankolafy Ravalomanana, omaly manoloana ny tolokevitry ny Sadc. « Tsy mazava ny fomba fiasan’i Simao manao taratasy tsy misy mari-pamantaran’ny Sadc… Tsy mijery ny mampifanatona sy ny mampifanalavitra ary hanome valisoa ny mpanongam-panjakana », hoy izy tao amin’ny Magro Behoririka. Nohamafisiny fa ireo tsy vitan’ny basy sy ny fampihorohoroana ary ny famoretana izao novitaina an-taratasy izao. “Mody i Simao satria mamerina an’i Madagasikara tany amin’ny 17 marsa ka tsy azo ekena”, hoy ihany izy. Ny fiverenan-dRatsiraka sy Ravalomanana no vahaolana, araka ny nambarany.

Ireo nifandimby nandaha-teny samy nanitrikitrika fa nitanila ny iraky ny Sadc. “Tsy nipetraka amin’ny maha mpanelanelana azy… Tsy vahaolana ivoahana amin’ny krizy io tolokevitry ny Sadc io… Ny Filoha Ravalomanana, tompon’ny fahefana teto indray no diso”, hoy izy ireo.

Nampiomana ireo mpiandany aminy ny ankolafy telo fa hanao hetsika goavana amin’ity anio ity hanaporofoana fa tsy mankasitraka ny tolokevitry ny Sadc.

Midika ireo fa efa nahatsinjo ny zotran’ny famahana ny krizy ireo mpiandany amin-dRajoelina ka nihazakazaka nandohalika tamin’i Simao tato anatin’ny tapa-bolana. Tsy hita taratra intsony ny fankahalana ny Sadc sy ny fandroahana azy ireo hiala eto. Any amin’ny ankolafy Ravalomanana indray ny fanakianana sy fandroahana. Ankoatra izany, tsy hita popoka ny fifanarahana vita sonia tany Maputo sy Addis – Abeba.

 

Voifiraisana-feuille de route Simao

« Mifanohitra amin’ny fotokevitry

 ny Vondrona Afrikana »

http://www.gazetiko.mg/gazetiko/

Ireo lehibena Ankolafy hatrany no tompon’ny teny farany mikasika ity tondro zotra vaovao ity.

Taorian’ny fivoahan’ilay tondro zotra (Feuille de route) natolotry ny Dr Leonardo Simao mba hitondrana ny tetezamita iraisana sy hivoahana amin’izao krizy politika miseho eto amin’ny firenena izao dia samy nanome ny heviny mikasika izany ireo ankolafy politika. Raha ho an’ny Ankolafy Telo manokana dia hita ho mitsipaka izany sori-dalana izy ireo.  Araka ny fanambarana nataon’Atoa Emmanuel Rakotovahiny avy ao amin’ny Ankolafy Zafy Albert dia tsy « hanao sonia izany ny Ankolafy Zafy Albert ». Ho an’ny ankolafy  Ravalomanana indray dia mbola eo am-pandinihana lanina mikasika izany ry zareo.  Nambaran’Atoa Mamy Rakotoarivelo fa « efa nisy ny dika mitovy nalefa any amin’ny filoha Ravalomanana mikasika azy ity.  Ankoatra izany, mila ampahafantarina ny vontoatin’ ity tondro zotra ity ihany koa ireo mpikambana rehetra eny ifotony, ka aorian’izay vao ho hita ny tohiny ».  Ho an’ny ankolafy Didier Ratsiraka dia maro amin’ireo mpikambana no tsy eto an-toerana, ka miakina amin’ny fahatongavan’izy ireo ny fotoana mety handinihana ity sori-dalana vaovao ity. Na izany aza, fantatra fa mbola hisy ihany  ny fivoriana hatao mikasika izany. Aorian’izay vao halefa any amin’ny Filoha mpanorina ny fehin-kevitra rehetra izay tapaka, ka izy no manome ny fanampahan-kevitra farany izay horaisina.

Manamboninahitra lefitra

 

Misy disadisa indray ve ?

http://www.gazetiko.mg/gazetiko/index.php?option=com_content&task=view&id=14370

 

Raha fintinina ny fanambarana dia miresaka ny tsy fankasitrahan’izy ireo ny fanendrena miaramila na zandary avy nisazy ho olo-manan-kaja; miaro ny Lt kly Charles ary manenjika ny Lt kly Lilyson;

 Mialoha ny fankalazana ny andron’ny manamboninahitra lefitra dia misy manaparitaka fanambarana amin’ny anaran’izy ireo ary soniavin’izany  “Adjudant Major” Randriambao Georges izany. Ny fanontaniana mipetraka avy hatrany teo am-pamakiana an’io taratasy io dia hoe:  misy disadisa indray ve eny anivon’ny manamboninahitra lefitra? Tsy hita izay azo amaliana izay fanontaniana izay fa na ilay nanao sonia ny fanambarana aza, rehefa nanaovana fanadihadiana, dia anarana tsy misy eny anivon’ny toby samihafa.

Raha fintinina ny fanambarana dia miresaka ny tsy fankasitrahan’izy ireo ny fanendrena miaramila na zandary avy nisazy ho olo-manan-kaja; miaro ny Lt kly Charles ary manenjika ny Lt kly Lilyson; manao fanamarihana ny fisian’ny vola miparitaka tokony ho an’ny manamboninahitra lefitra nefa very eny anelanelany eny; mangataka ny hamerenana an’Ing Monja Roindefo ho Praiminisitra. Ary farany mangataka ny tokony hanatanterahana fifidianana haingana.

Ahoana ny azo andraisana ity fanambarana niparitaka tany amin’ny foiben-gazety samy hafa ity ? Nanova anarana ve fa tsy te ho fantatra ilay nanoratra io fanambarana io sa tsaho tiana haely fotsiny ilay izy? Kanefa inona no dikany raha izay? Marihina fa efa indroa nanao fihetsehana ireo manamboninahitra lefitra ireo hatramin’ny fitondrana teo aloha no mankaty kanefa dia toa ravarava ho azy fotsiny teny ireny rehefa norahonana hosamborina ny mpitarika azy.   

Commenter cet article