VAOVAO OMALY

Publié le par Collectif GTT

 

http://collectif-gtt.org/file/imagecache/small/fg/alt/PRM/PRMCONSEIL.jpg

 

Filoha RAVALOMANANA : "Aza manaiky atao fitaovana ianareo miaramila sao hanenenana any aoriana" 

http://collectif-gtt.org/

Nahitsy tanteraka ny Filoha RAVALOMANANA androany raha nitodika tamin'ny Tafika Malagasy. "Aoka ianareo tsy hanaiky hatao fitaovana" hoy ny Filoham-pirenena "satria fanjakana tsy ara-dalàna io". Nomarihiny manokana tamin'izany ny hetsika izay nokasain'ny mpandala ny ara-dalàna hatao androany. "Intimidation ny nataonareo androany" hoy ny Filoha RAVALOMANANA "satria vao nikasa hihazo ny kianjan'Ambohijatovo ny vahaoaka haneho hevitra am-pilaminana dia nilanjanareo fitaovam-piadiana mahery vaika".

Nentiny handresena lahatra ireto mpitandro filaminana ireto moa ny zava-nisy tany Serbie. Nazavainy fa efa am-polon-taona aty aoriana vao notsaraina ireo tompon'antoka tamin'ny famoretana  ireo serba tamin'izany fotaoana. Notsoriny moa fa misy  ny lisitra tonga any amin'ny fianakaviam-be iraisam-pirenena mikasika ny anaran'ireo manam-boninahitra sy miaramila mbola manaiky hampiasain'ny FATE ho famoretana ny vahoaka.

Nitondran'ny Filoham-pirenena fanazavana ihany koa ny mikasika ny iraka indroa miantaona halefan'ny TROIKA eto amintsika ny herinandro hoavy io. Nambarany ary fa ny andiany voalohany, izay ho tonga rahampitso, dia handalina manokana ny mikasika ny fiarovana sy ny fandriam-pahalemana. Ny faha-14 septambra izao kosa no higadona eto Madagasikara ireo andiany faharo izay laharana Minisitra fa tsy olonolom-poana akory. Nambaran'ny Filoha RAVALOMANANA Marc anefa fa "efa tsy miafina amin'izao tontolo izao intsony ny marina eto amintsika" ary mbola hampitondra antotan-taratasy ho an'ireo iraky ny TROIKA ny tenany amin'io herinandro mitsidika io mba ahafahan'ireo iraka mandalina kokoa ny fomba hamahana ny krizy eto amintsika.

 

Nijabaka ny FATE (+vidéos)

http://collectif-gtt.org/content/10092011-nijabaka-ny-fate-vid-os

Tsy afaka nivoaka ny vahoaka 

Araky ny fanambarana natao teo amin'ny Kianjan'ny Finoana omaly dia tokony nivoaka an-dalam-be ny vahoaka mpandala ny ara-dalàana androany ka nihazo ny Kianjan'Ambohijatovo. Izany dia entina indrindra hitsapana na mitana ny teny nataony eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena ny FATE na tsia. Misy manko ny iraka izay alefan'i TGV any amin'ny TROIKA nilaza fa efa omena malalaka haneho hevitra ny vahoakan'ny Ankolafy telo saingy tsy sahy satria tsy manana olona. Androany anefa dia voaporofo fa diso tanteraka izany. 

 Sary hery famoretana

FIS, GSIS, FIP, BC ireo hery vonjitaitra manokana ireo no niatrika ny vahoaka androany teny Behoririka ankoatran'ny EMMOREG. Nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika izy ireo ary nampihorohoro ny mpitolona izay vory lanona teo amin'ny Kianjan'ny Finoana sy ny manodidina. Tsy afaka nihazo an'Ambohijatovo arak'izany ny vahoaka saingy nandresy eo amin'ny sehatra diplomatika satria afaka nanaporofo fa tsy manaja ny zon'olombelona ny FATE.

Norobain'ny EMMOREG ny fanamafisam-peon'ny mpanao "Jazz"

Efa nentin'ny tahotra loatra ireto hery famoretana ireto ka zary nanao ny tsy fanao. Noheverin'izy ireo fa fanamafisam-peon'ny Ankolafy telo no najoro teo amin'ny Kianjan'Ambohijatovo ka dia nampiharany ny habibiany avy hatrany. Raha mbola teo am-pikarakarana izany ny teknisiana dia norofin'ireto mpanompon'i TGV ireto ny "sonorisation" tokony hanaovana fampisehoana "Jazz" teo amin'izany Kianjam-Ambohijatovo izany. Hiteraka olana ho an'ny FATE anefa ity tantara ity satria ny Foibe ara-kolontsaina Zermano-Malagasy no mpikarakara izany fampisehoana izany. Tsy misy tsy mahalala ny tsy fankatoavan'ny Alemana ny fanonganam-panjakana nataon'i TGV sy ny namany tamin'ny taona 2009 anefa izao tontolo izao.

Resin'ny hakingan-tsaina ny basy

Tsy nahaleo ny hakingan'ny mpitari-tolona ny herisetran'ny foza. Vao nambara fa hivoaka ny vahoaka dia iny tokoa fa nirodorodo ry "be bôty" isany. Toy ny any amin'ny tany miady mihitsy ka na ny saron-tava (cagoule) aza dia niseho masoandro. Misy lafiny maro anefa ny fomba mety handresena amin'ny ady lehibe iray. Ary tafalatsaka tao anaty velam-pandrika psikolojika sy adin'ny serasera ny FATE. Efa tapi-dalan-kaleha rahateo moa ka voatery mamono tena. Ankehitriny tsy nihestika tao an-kianja ny vahoaka mpandala ny ara-dalàna dia afaka nanaporofo amin'izao tontolo izao fa lainga marivo tototra ny fahalalahana maneho hevitra ambaran'ny FATE fa misy eto Madagasikara.

 

"Misy trondro vaovao hono eh ... foza orana no anarany"

Publié dans La Presse

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article