Overblog Suivre ce blog
Editer l'article Administration Créer mon blog
rov@higa

Tsy miafina i Lafrantsa efa hatramin'izay!

5 Janvier 2011, 09:50am

Publié par Zo

 

Nahasintona sy nanaitra ny maro ny lahatsoratra : « TOTAL et l’or sale de Madagascar » . Toa izao no fahitàn’i Zo izany lahatsoratra izany. Tsara ho fantatra.

rov@higa

 

Tsy miafina i Lafrantsa efa hatramin'izay!

 

Raha zohina ny tantara dia tsy mitsahatra manjakazaka aty amintsika i LaFrantsa.

Tamin'ny 1897, no volohany raha nataony zanatany i Madagsikara, avy eo tamin'ny 1947, tamin'ny famonoana ireo Malagasy marobe tany Moramanga sy ny sisa, izay tsy nanaiky ny fanagejana an'i Madagasikara.

Tamin'ny 2009  no zava-doza fanintelony nataon'i Frantsa tamin'i Madagasikara, tamin'ny famatsian ara-bola ny fanonganam-panjakana teto Madagasikara.  Inona ny antony ? Heveriny fa ketrina daholo ny Malagasy ary azony robaina hatrany ny fananany!

 

Mbola hanaiky an'izany ve isika ?

Ianareo afaka mitory any amin'ny TPI dia tokony ampiakarina any ny raharaha 26 janvier 2009, ilay Alatsinainy mainty . Efa ho 300 ny olona no nodorana. IO Alatsinainy io, vao maraina be dia efa nandefa olona tany ambany tanàna ny TGV nanakarama ireo vatan-dehilahy handeha hangalatra sy nitaona ireo zaza amam-behivavy mahantra. Efa voahomana ny olona 20 hitarika ny fandrobana. Ny tena nampalahelo dia mbola eo ampandrobana ireo olona mahantra nalaina avy any ambany tanàna no nodoran'izy ireo tamin'ny fitaovana (lance-flamme) avy any Frantsa ny trano norobaina . May kila forehitra tao ireo olona ireo, fa tsy afaka nitsoaka. Misy ny horonantsary nahitana ireo olona mpandoro fananan'olona ireo.

 

Mitovy amin'izay ihany ny 7 febroary 2009. Nentina teny Ambohitsorohitra ny olona ary avy eo notifiriny avy aty aoriana mba ilazana fa maty notifirin'ny fitondrana tamin'izany fotoana ireo maty ireo.

Betsaka ny olona ty hita popoka hatramin'izao!

Olona maty eritreritra izay mbola manohana io fitondrana io

 

Tena fitondrana mpamono olona , miaraka amin'i Lafrantsa may te- hifehy ny fitondrana eto Madagasikara satria  may te hahazo ny solik'i Madagasikara.

Tsy misy vidiny aminy ny ran'ny Malagasy!

 

Mbola hanaiky an'izany ihany ve ?

TSIA! Mitsangana  ry tanora fa izao no andro sady ora!

 

Zo

Commenter cet article