Partager l'article ! TSARA HO FANTATRA (25/11/11): Ministra avy amin’ny Ankolafy RAVALOMANANA : mametraka fepetra ho an’I Beriziky (+vidéo) ...
rov@higa
| Juin 2013 | ||||||||||
| L | M | M | J | V | S | D | ||||
| 1 | 2 | |||||||||
| 3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 | ||||
| 10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 | ||||
| 17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 | ||||
| 24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 | ||||
|
||||||||||
Ministra avy amin’ny Ankolafy RAVALOMANANA : mametraka fepetra ho an’I Beriziky (+vidéo)
http://collectif-gtt.org/
Amin’ny Talata ho avy izao no hodinihana ao anatin’ny filankevitry ny governemanta ny momba ny fiverenan’ny Filoha RAVALOMANANA, ny famoahana ireo gadra politika sy ny fanalalahana ny haino
aman-jery izay mitarika amin’ny fitoniana ara-politika sy sosialy. Isan’ny vokatrin’ny fanatrehan’ireo ministra natolotrin’ny Ankolafy RAVALOMANANA ny filan-kevitra teny Mahazoarivo
androany izany. Tonga teny amin’ny lapam-panjakana avokoa manko androany ireo dimy mianadahy mandray departemanta ao anatin’ny goverenamanta Beriziky.
Sary Mahazoarivo
Raha ny fanazavan’izy ireo dia ny fametrahana ny fitoniana no fepetra nifanarahany tamin’ny praiministra Beriziky Omer nandritran’ny fihaonana in-telo miantaona notanterahina miaraka mialohan’ny
nanaovana izao fihetsika politika goavana izao. Nomarihin’ny ministra Ravatomanga Rolland ihany koa fa efa nifampiresahana sy nazahoana tso-drano tany amin’ny Filoha RAVALOMANANA ny
fidiran’izy ireo ao anaty governemanta fa tsy mamadika ny tolona velively izy ireo. Raha ny tatitra nataon’ireto Ministra ireto dia nisy ny taratasy novakian’izy ireo teo am-panombohan’ny
filan-kevitrin’ny Ministra ka notsipihina tamin’izany fa fanehoana ny fanohanana ny Praiministra Beriziky no anton’izao fanatrehana ny filan-kevitra voalohany teny amin’ny lapa fiasany izao noho
ity farany voatendry arakin’ny marimaritra iraisana. Rah any mikasika ny fizarana andraikitra ao anatin’ny goverenemanta kosa dia nampahafantarin’ireo Ministra avy amin’ny Ankolafy RAVALOMANANA
ireto fa tsy manaraka ny voasoritra ao anaty tondro zotra izany ary efa nitondrana fitarainana any amin’ny TROIKA an’ny SADC.
Derniers Commentaires