Overblog Suivre ce blog
Editer l'article Administration Créer mon blog
rov@higa

Tonga ny fotoana tsy hanekena lembenana intsony

21 Février 2011, 09:55am

Publié par Zo Raharizafisoa

Par Raharizafisoa Zo

 

Mazava ny zava nitranga teny Ivato ny Sabotsy 19 febroary. Mazava ny hetahetam-bahoaka.

 

Mitady ny hiverenan-dRavalomanana eto an-tanindrazana ny vahoaka.

 

Tsy afaka mampiasa ny teny hoe vahoaka ao andamosiny intsony Rajoelina sy ny SAKOPOLY sy ny ODR sy HPM nisintaka sy ireo namany nanomboka ny Asabotsy teo.

 

Lainga sisa no nafafin'ny FAT eraky ny haino amanjery.

 

"Tongava raha sahy hoy izy nefa ny NOTAM alefa tsy hahafahan-dRavalomanana miainga any Afrika Atsimo".

 

Dia mbola heverin'ny FAT fa ketrina ihany ve ny vahoaka malagasy.

Na fifidianana io na firotsahana andalambe anareo ny safidy ry TROIS MOUVANCES. Tandremo fa ny valala tsy indroa mandry ambavahady. Mahaiza mamindra eh! Foin'Andriamanitra ho entinareo ny malagasy efa sasatry ny mijaly.

 

TSY HAY TOHAINA NY HERIM-BAHOAKA.

 

VITAO HATRAMIN'NY FARANY AMIN'IZAY. EFA MASAKA NY PAISO

 

TONGA NY FOTOANA

Commenter cet article