Quantcast

Présentation

Hain-teny/Ohabolana

                             Booste le trafic de ton blog

 

  

-   Tari-drano an-kilahila, ny very no be noho ny tonga

 

 

 

                     http://www.linternaute.com/0_newsletter/nature/185/images/aigle.jpg

 

 

Tsy satrim-parihy hitera-potaka, fa ao ihany Ra-nanakobana !

 

 

 

 

 

 

 

Wikio

Recherche

TWITTER

Partager

Syndication

  • Flux RSS des articles

Créer un Blog


web counters 

 

Catégories

Calendrier

Mai 2013
L M M J V S D
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30 31    
<< < > >>
Mardi 19 octobre 2 19 /10 /Oct 15:46

 

Taratasy misokatra ho an’ny Fianakaviam-be Iraisam-pirenena

 

 

Manoloana ny faharavana mitranga eto amin’ny firenena dia tsy afaka mangina ny avaram-pianarana eto

Madagasikara.

Ataon’ireo mitonon-tena ho mpitondra politika amin’izao fotoana takalon’aina ny vahoaka malagasy ary hanaovany

tian-kano tsy tian-kano.

Fahantrana tsy mbola nisy toy izany no mihatra amin’ny vahoaka amin’izao fotoana; tsy ahoan’ny nandroba

fahefana anefa izany, fa ny sezany ihany no mahamay azy.

Lesona ratsy ho an’ny tanora no avelany amin’ny famadibadihana palitao, sy ny famafazana lainga etsy sy eroa, ary

indrindra ny fandàvana ny sonia izay natao.

Ho aiza ny firenena raha samy handà ny sonia nataony ireo rehetra izay mitonon-tena ho mpitondra?

Tsy vahaolana ny miafina ao anaty lainga fa iarahana mitantana hono ny tetezamita amin’izao fotoana satria efa ao

daholo ny ankolafin-kery, nefa olona novidiam-bola no lazainy manampy azy ao. Ny ankolafy nihaviany aza milaza

fa mpamadika ireo olona mpisandoka anarana ireo, ka inona no mbola ilazana fa fiaraha-mitantana izao?

Lalam-panorenana nataon’olom-bitsy no lazaina fa lalam-panorenana avy amin’ny hetahetam-bahoaka, ka tsy

manaiky izany ny avaram-pianarana. Endrika isehoan’ny tsy fahafaliana sy ny hatezerana ny fitokonana miseho lany

etsy sy eroa, na dia resaka ara-materialy ihany aza ny fitakiana satria matahotra basy sy ny fanagadrana, izay

fitaovana entin’ity fitondrana ity mangeja ny vahoaka Malagasy izany.

Koa ny “ Collectif-n’ny Mpampianatra mpikaroka” dia

- Manameloka ny fitaka sy lainga ataon’ny fitondrana FAT mpanongam-panjakana amin’izao fotoana amin’ny

fanonganana ireo olom-boafidy rehetra teto Madagasikara, satria tena voahosihosy tanteraka ny zon’ireo vahoaka

20 tapitrisa eto Madagasikara izay tsy afa-manoatra satria tsy manana basy.

- Manameloka tanteraka ny fanakatonana ireo haino aman-jery sy ny mbola fitazonana ireo gadra politika maro

amin’izao fotoana.

- Manainga ny finakaviambe hiraisam-pirenena ny mba tsy hankato izao rafitra apetraka amin’ny fomba feno fitaka

izao ary mba tsy hanome rariny ny fifidianana rehetra hatao amboletra eto Madagasikara.

- Manainga ny fianakaviambe iraisam-pirenena mba tsy hiray tsikombakomba amin’ny mpanongam-panjakana

amin’izao taona arivo fahatelo izao, ka hanamafy ny sazy amin’ireto mpanongam-panjakana ireto.

- Manainga ny finakaviambe hiraisam-pirenena mba hampiasa ny fitaovana eo ampelatanany hanerena ireto

mpanongam-panjakana ireto hankato ny fifanarahana izay nosoniaviny malalaka tany MAPUTO sy Addis Abeba, ary

hamoahany ireo gadra politika sy hamelany hiasa malalaka ireo radio izay mbola tsy avelany mivoha, ka hamerina

ny fananan' ireo Radio ireo.

 

 

Amin’ny anaran’ny

Collectif des enseignants Chercheurs

Ny Filoha

Jaona Andriamisa


Par Collectif des enseignants chercheurs - Publié dans : COMMUNIQUE - Communauté : DON-TANDROKA
Ecrire un commentaire - Voir les 0 commentaires
Retour à l'accueil

 
Créer un blog gratuit sur over-blog.com - Contact - C.G.U. - Rémunération en droits d'auteur - Signaler un abus - Articles les plus commentés