Overblog Suivre ce blog
Editer l'article Administration Créer mon blog
rov@higa

SERASERA, TENY MALAGASY: AZA HITAKO … (31/05/11)

31 Mai 2011, 21:34pm

Publié par rovahiga

http://mydago.com/wp-content/uploads/2011/02/Comite-Fetison-Rakoto-Andrianirina-15.jpg

 

Fetison Rakoto Andrianirina “Toa izy indray no miavona ?”

http://tiatanindrazana.com/pages/modules.php?id=4364&idcat=2&une=1

 

Gaborone : io indray izao no ambentin-dresaka sy fototry ny adihevitra any an-toeram-piasana, eny ambony fiara fitaterana sy eny an-dalambe rehetra eny. Fihaonana no hatao any, izay andrandrain’ny maro fa hahitana vahaolana haramanana izao krizy lavareny izao. Nisy indrindra ny tafatafa niarahana tamin’i Fetison Andrianirina mahakasika izay.

Tia Tanindrazana : Efa nahazo fanampim-baovao ve ianao mikasika ny dia ho any Gaborone ? Iza avy no tokony handeha any ? 

Fetison Andrianirina : Raha ny vaovao azo avy amin-dry zareo ao amin’ny SADC dia ho fantatra amin’ity herinandro ity ny daty hanaovana ny fivoriana sy ireo izay handray anjara any. Ireo voakasiky ny famahana ny olana no tokony handeha : ny Ankolafy telo miaraka amin’ireo vondron’antoko izay nanohana ny tondrozotra satria efa natambatr’iny fanaovana rangopohy iny izy ireo.

 

TT : Izany hoe hanao sonia ve izany no handehanana any araka ny hevitrao ?

FA : Samy milaza izay tiany hahatongavana aorian’ny fivoriana any Gaborone ny rehetra. Ny azo tsapain-tanana dia tsy mbola azo ny fankatoavana iraisam-pirenena ankehitriny ary matoa mbola misy ny fiantsoana fivoriana farany dia tsy nahavaha ny olana izay rehetra vita. Tsy tokony hifaly amin’izany anefa isika ary izay rehetra manakana ny fahombiazan’izany fivoriana izany dia kilasiana ho fahavalom-pirenena.

 

TT : Hentitra Atoa Andry Rajoelina nanambara fa izay tsy hanao sonia dia tokony tsy hanelingelina ny firoson’ny tetezamita ho any amin’ny fifidianana. Ny hevitrao ?

FA : Tsy hitako aloha izay tokony hahahentitra azy amin’izany. Izy tenany aloha no tokony horeseny lahatra. Ny fakàny ny fahefana tsy ara-drariny anie no nahatonga an’izao fahasahiranana izao e ! Tokony tsy hohadinoiny fa noho izy no tsy hiarahan’ny fianakaviambe miasa amin’i Madagasikara sy ny vahoaka ao aminy. Ary voafidim-bahoaka taiza moa izy no afaka hilaza fa ny vahaolana heveriny fa mety no hampiainana ny rehetra ? Efa nomena tombony izy tamin’ny faneken’ny rehetra hiara-midinika taminy. Gaga izahay ankehitriny fa toa izy indray no miavona sy sarotra ampiana !

 

TT : Ahoana izany ny fahitanao ny mety ho vokatry ny fivoriana any Gaborone ? Dia ho sanatria fandaniam-potoana fotsiny ve ?

FA : Ny fanirian’Atoa Rajoelina sy ireo mpanara-dia azy dia izay tsy ahitana fahombiazana any Gaborone matoa izy ireo miziriziry amin’ny hevi-disony. Hevi-diso satria raha nisy fahamarinana na dia kely aza dia nahafahana namoaka ny firenena ao anatin’izao olana goavana izao. Miha mahantra ny vahoaka, tsy misy mandeha amin’ny laoniny ny fihariana, tsy misy ny fandriampahalemana. Ireny rehetra ireny manery antsika hitady vahaolana.

 

TT : Fa inona ary izany no tena sakana ho anareo tsy hametrahana ny rafitra tetezamita tena izy ?

FA : Efa nisy zavatra azo iasana tsara naroson’ny mpanelanelana. Ireto zavatra telo ireto ihany no tena zava-dehibe. Raha mbola te handray anjara amin’ny tetezamita Atoa Rajoelina dia tokony hijery ny fitsinjaram-pahefana, ny famoahana an’ireo gadra politika sy ny fifamelana, ny fampodiana an’ireo izay any ivelany, iza ireo afaka milatsaka ho fidina...

 

TT : Tokony hitera-bokatsoa ho an’ny firenena ve izany i Gaborone ?

FA : Raha tsy miova famindra ny mpitondra ankehitriny dia manahy ny tsy ahalavorary ny any Gaborone ny tenako. Dia ho avy indray ny sazy mahery vaika avy any amin’ny SADC ary tsy hisy ny filaminana ho antsika rehetra. Tsy tompon’andraikitra amin’izany izahay. Koa manasa an’ireo hery velona rehetra sahady ny tenako hivory sy hijoro handinika izay hatao aorian’ny fivoriana any Gaborone, na inona na inona fanapahan-kevitra hivoaka.

 

 

Tsy aritra:  Fa nahoana no tsy maintsy «tetezamita iaraha-mitantana» ?

http://tiatanindrazana.com/pages/modules.php?id=4363&idcat=2

Raha nisy ny teny nahatonga adihevitra be indrindra teto Madagasikara tato anatin’ny roa taona dia anisan’izany ny hoe tetezamita iaraha-mitantana sy eken’ny ankolafy maro (transition consensuelle et inclusive).

 Samy nanana ny fandikany io teny io araka ny eritreriny na izay mahamety azy ny tsirairay avy, ary hatramin’izao dia mbola mahasanganehana ny olon-tsotra ny tena tiana hahatongavana amin’ny hoe tetezamita iaraha-mitantana sy ny antony tsy maintsy hananganana azy. Tsara homarihana ety am-piandohana aloha fa tsy ny Malagasy no namorona io fomba fiteny io fa efa fampiasa tany amin’ny tany Afrikanina maro ihany izy io, rehefa avy niady an-trano na nisehoana savorovoro taoriana fifidianana ireo firenena ireo. Ankoatra ny lalàna sy ny fitsipika isaky ny firenena dia tsy maintsy manaraka sy manaja ireo fifanarahana iraisam-pirenena nosoniaviny ihany koa ny firenena tsirairay avy, tahaka ny hoe ny fanambarana ny zon’olombelona, ny fifanarahana sy fifampitondrana eo anivon’ny vondrona Afrikanina, ary ho an’i Madagasikara manokana dia anisan’ireo firenena nanasonia ny «Accord de Cotonou» ny 23 jona 2000 isika. Nihatra sy nanankery nanomboka tamin’ny 2003 moa izy io.

Raha fintinina izy ity dia fifanaraham-piaraha-miasa sy fifandaminana eo amin’ny Vondrona Eoropeanina sy ireo firenena ao anatin’ny ACP (Afrique Caraïbes et Pacifique), nasolo ny «Convention de Lomé» izy io ary mibahan-toerana ao ny fifanakalozana ara-barotra ny fifanarahana ara-toekarena ary ny ady amin’ny fahantrana. Voasoratra mazava ao anatin’ity «Accord de Cotonou» ity anefa ny tsy maintsy hametrahana ny fanjakana tsara tantana sy fanaovana ny ady amin’ny kolikoly ao amin’ireo firenena nanasonia azy satria rehefa voahaja ny fanatanterahana ireo vao miroso amin’ny fiaraha-miasa ny Vondrona Eoropeanina izay tsy manaiky ny hiara-kiasa amin’ny mpanao didy jadona mpampijaly vahoaka sy ny mpanongam-panjakana.

Manampy izay dia voasoratra ao amin’ny «Accord de Cotonou» ihany koa ny maha zava-dehibe ny fifampidinihana sy ny fifampiraharahana raha toa ka misy ny olana ara-politika na ara-toekarena na eo amin’ny fifanakalozana ara-barotra na ao anatin’ilay firenena iray manokana io na eo amin’ny sehatra rezionaly na eo ami’ny sehatry ny kaontinantaly sy ny sehatra iraisam-pirenena. Koa raha ny tena marina izany dia fampiharana ny zavatra nosoniavina sy nifanarahana fotsiny ihany no ataon’ny SADC sy ny GIC ary ny Vondrona Afrikanina sy ny Vondrona Eoropeanina raha toa ka mitaky ny hametrahana ilay tetezamita iaraha-mitantana sy eken’ny rehetra ary tsy hanavahana ankolafy politika izy ireo. Tsy mbola hita taratra ao anatin’ny FAT izany matoa misy ny dinika any Gaborone, ary hampitombo ny sazy ho an’i Madagasikara ny fandavana hiroso amin’io dinika io. Tsy afa-miala amin’ireo fifanarahana iraisam-pirenena nosoniaviny i Madagasikara ary tokony hahafantatra tsara izany ireo minia mikimpy sy mitady hitondra samirery ny firenena, na dia efa zatra mivadika amin’ny teny nomeny sy ny taratasy nosoniaviny aza.

 

 

Sivily manangonana Rezervista Mangina ireo lehiben’ny miaramila

http://tiatanindrazana.com/pages/modules.php?id=4371&idcat=2

Tato anatin’ ny andro vitsivitsy izay dia fantatra fa misy mpikambana iray eny anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita manangona rezervista.

 Samy nilaza io avokoa ny gazety rehetra mivoaka isan’andro. Nisy mihitsy aza ny fanaovana tafa tamin’ ny mpanao gazety. An-jatony mihitsy ireo efa tafavory amin’izao fotoana izao. Mampanontany tena ny zava-misy. Angonina atao inona ireto zanadambo ireto ? Samy mangina anefa na ny minisitry ny Foloalindahy ny jeneraly Rakotoarimasy Lucien, na ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena ny jeneraly Randrianazary, na ny Cemgam ny jeneraly Ndriarijaona André na ny kaomandin’ny zandary ny jeneraly Razafindrakoto Bruno. Raha ny lalàna mantsy dia tokony ho miaramila fiandry ny zanadambo. Izao anefa toa asaina manao iraka hafa izy ireo.

 

Matin-kambo

http://tiatanindrazana.com/pages/modules.php?id=4362&idcat=9

Mety mahatsapa angamba ny FAT fa tsy mitsoaka mankany aminy intsony ny rivotra ka mety tsy ho tafiainga araka ny lokaloka natao hatrizay indray ny sambo koa izay no mahatonga an’i Andry Rajoelina niaka-pofona ka nanao kabary miendrika fandrahonana tany Analavory ny faran’ny herinandro teo.

 Andro vitsivitsy mialoha ny fihaonana any Gaborone tokoa mantsy dia mivoaka etsy sy eroa ny resaka milaza fa tena mbola fivoriana sy adihevitra be mihitsy no hatao any fa tsy misy izany hoe tonga dia manasonia sori-dalana izany. Rehefa tena nandinika ilay sori-dalana tokoa mantsy ny Sadc, dia nahita sy nahatsapa fa tsy maintsy asiam-panitsiana ilay izy satria tsy hampilamina an’i Madagasikara mihitsy ary hita ho misy karazana fitongilanana amin’ny ankolafy Rajoelina. Re nisy iraka manokana hisava lalana any Afrika Atsimo sy Botswana mba hijery ny zava-misy sy handresy lahatra ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Sadc mba tsy hikitika intsony ilay sori-dalana. Hatreto anefa tahaka ireo dia re fa tsy nahomby izany satria tsy hiray tsikombakomba amin’ny olona nampanao politika na ankolafy politika te hampihatra ny didy jadona ao amina firenena iray ny vondrona Sadc izay manana ny maha izy azy aty Afrika ary mitandro toy ny anakandriamaso ny fanajana ny demokrasia sy ny fifandimbiasam-pahefana ao anatin’ny fitoniana.

Raha araka ny feo mandeha ihany dia hiditra ao anatin’ny sori-dalana vaovao aorian’ny fivoriana any Gaborone ny fahafahan’i Marc Ravalomanana mody an-kalalahana eto Madagasikara sy ny hamelana azy hilatsaka hofidiana filoham-pirenena amin’ny fifidianana manaraka eo. Ka tsy tokony hahagaga raha nisafoaka tahaka ireny tany Analavory ireny Atoa Andry Nirina Rajoelina satria tsy mety tanteraka aminy izany rehetra izany fa raha tafiditra eto i Dada dia izay no vita fa tsy maintsy hamerim-bola misimisy ihany any amin’ireo nanohana azy hatramin’izay ny filohan’ny FAT. Re fa somary hisintaka kely ihany koa fa tsy miditra lalina amin’ny raharaha eto Madagasikara ny Frantsay, saingy nanipika mazava kosa amin’ireo saribakoliny eto fa tsy mila an-dRavalomanana miverina eo amin’ny fitondrana, hono, izy ireo.

Efa hatrany am-panombohan’ny dinika hamahana ny krizy tamin’ny 2009 no nipetraka mazava ny hoe fitondrana tetezamita iaraha-mitantana ary misokatra ho an’ny hery rehetra no atsangana eto Madagasikara fa tsy azo ekena ny ankoatr’izay, saingy nikiribiby niroso tamin’ny lalany araka ny eritreretiny fa mety i Andry Rajoelina, ary maro ireo esoeson-teny nataon’ireo manampahefana tao amin’ny FAT momba ny Sadc. Ankehitriny dia miverina eo ihany ny resaka fa tsy maintsy atsangana ny tetezamita iaraha-mitantana sy maharesy lahatra ny maro izany hoe tetezamita tsy milamina izany no misy amin’izao fotoana ary tsy hahavaha samirery ny olana mihitsy. Matin-kambo sy natoky tena loatra ny fahitan’ny maro ny filohan’ny FAT ka nieritreritra fa rehefa tsy avela miverina an-tanindrazana ny olona iray dia tsy hahavita ninoninona intsony ary dia ho adinon’ny vahoaka. Noheveriny fa rehefa darofana baomba mandatsa-dranomaso isaky ny mihetsika ny mpanohitra dia hisitri-belona any anaty lavaka, ary noeritreretiny fa rehefa ampanantenaina vary sy trano mora ny olona dia hikipy manoloana ny tsy rariny sy ny fanamparam-pahefana.

 

Andry Rajoelina : "Nandohalika sisa tsy nataoko..."

http://www.courrierdemada.com/mg/index.php?option=com_content&view=article&id=17468:andry-rajoelina--qnandohalika-sisa-tsy-nataokoq&catid=43:a-la-une

"Rehefa tsy tontosa i Gaborone dia miroso isika", hoy ny filohan'ny HAT entitra dia entitra tao Analavory nandritra ny santa-bary ny sabotsy teo. Maro amin'ireo mpikambana ao amin'ny HAT mantsy no efa manahy sahady ny hisian'ny Gaborone I na II eny maninona moa raha tonga hatramin'ny III aza, rehefa tsy misy ny raharaha vanona. Mbola eto an-tanindrazana anefa dia efa tsikaritra sahady ny tsy fitoviam-pijery eo amin'ireo mpandray anjara, satria ny avy aty amin'ny andaniny izay ahitana ny HAT dia manamafy fa sonia sisa atao any Gaborone. Manizingizina indray anefa ny avy aty amin'ny ankilany fa mbola fifampidinihana no niantsoana ireo mpanao pôlitika ho any Gaborone, ka ao aorian'izany vao mety hisy ny sonia raha hisy.

"Nandohalika sisa tsy nataoko, fa efa betsaka izay fandeferana nataoko izay manoloana ireo karazana dinika izay natao", hoy ny filohan'ny HAT tamin'ireo vahoaka tao Analavory, raha nanao kabary pôlitika rano iray ny tenany. Mandroso mihemotra anefa ireto mpitondra ao amin'ny HAT ireto manoloana ny fanapahan-kevitra izay tokony ho raisina, ka asa na misy hifandraisany amin' izany ihany koa ny fiovaovan-kevitra eo amin'ireo mpanelanelanana vahiny. Raha tsiahivina mantsy dia efa namoaka vava ny filohan'ny HAT fa "tsy mila ny fanampian'ny vahiny intsony isika Malagasy, fa tsy maintsy hiroso amin'ny fifidianana, fa ampy izay". Hatreto anefa efa volana maromaro izay no namerimberenana izany fitenena izany, saingy dia mbola ny eo ihany no eo. Na ny tetiandro hanaovana ilay fifidianana aza mbola tsy fantatra. Ny sabotsy maraina teo ary dia namerimberina indray ny filohan' ny HAT fa tsy tokony miandry an'i Gaborone ny firosoan'ny raharaham-pirenena.

Nanilika ireo avy ao amin'ny ankolafy telo ihany koa izy !

"Izay tsy vonona ny hanao sonia dia aleo mijanona amin'ny toerana tokony hisy azy, fa tsy manakorontana fotsiny", hoy kosa ny filohan'ny HAT Andry Rajoelina manoloana ny feo miely izay ataon' ireo avy ao amin'ny ankolafy telo fa tsy hisy sonia atao izany any. Mifanipaka tanteraka arak'izany ny hevitry ny roa tonta, ka azo heverina indray ny hisian'ny tatitra roa samihafa ao aorian'ny fahavitan'ny fihaonana any Gaborone. Entitra aloha ny filohan'ny HAT tao Analavory, ka andrasana ny fampiharana ireo fampanantenany dia ny hidirana amin'ny fifidianana.

 

Dinika: Tsy afa-kiandry an’i Gaborone ny ankolafy telo

http://www.taratramada.com/spip.php?rubrique7#

« Tsy afaka ny hiandry ny any Gaborone isika. Horaisintsika an-tanana manomboka rahampitso (anio) ny famerenana ny Filoha Ratsiraka sy Ravalomanana eto an-tanindrazana ary manàna finoana amin’ny fampodiana azy ireo », hoy ny depiote Zafilahy Stanislas tao amin’ny Magro Behoririka, omaly. Notsiahiviny fa na ny Filohan’i Honduras, Manuel Zelaya aza efa tafaverina an-tanindrazany nefa naongana taty aorian-dRavalomanana. Nanteriny koa fa tsy nahazo rariny tany amin’ireo firenena nandehanany Rajoelina matoa nanao lahateny tanaty fahatezerana tany Analavory. Ho azy ireo, mazava ny vahaolana. « Mialohan’ny faran’ity herinandro ity no hitadiavantsika ny fomba hamerenana ny Filoha Ratsiraka sy Ravalomanana eto. Antony nampiatoana ny hetsiky ny Rodoben’ny malagasy tia tanindrazana (Rmt) izany », hoy ny depiote Mektoub.

Momba ny fiantsoan’ny fampanoavana ny Pr Zafy kosa, nambaran’i Camille Mektoub fa tokony ho ny eo anivon’ny fitsarana no manatona ny Profesora Zafy. « Manana ny mari-boninahitra ambony sy ny maha Filohan’ny Repoblika teo aloha azy izy ka manaotao foana ny fampanoavana amin’ny fampiantsoana », hoy izy raha nanontaniana ny momba ilay taratasy fitakiana ny famoahana ireo gadra politika nalefan’ny Rmt ao amin’ny fitsarana. Nohitsiany koa fa efa fantatra ireo olon’ny ankolafy telo tsy nampahomby ny hetsiky ny Rmt tato ho ato.

Tsy mbola nanainga ny sambo

Manoloana ireo, misy tsy vonona hamaha ny krizy eto. Milaza ny sasany fa sonia sisa no hatao any Gaborone. Tsy maneho izany anefa ny fanambaran’ny Sadc farany teo fa mbola miantso fifampidinihana. Araka ny loharanom-baovao rahateo, mety haharitra telo andro ny fihaonana. Hanao sonia mandritra ny telo andro ve ? Tsy azo hadinoina fa fanonganam-panjakana no niseho teto raha ny fahitan’ny iraisam-pirenena azy ary io no fototry ny olana. Mbola niantran’ny irasam-pirenena aza ny Fat mba hirosoana ny fiaraha-mitantana. Mikasa ny handeha irery anefa izy ireo, toy ny efa natao tato anatin’ny roa taona. Nihitsoka teto ny firenena ary tsy mbola nanainga ny sambo na efa hisasaka aza ny taona.

Etsy andaniny, ilay sori-dalana nandihizana sy nohobiana teto an-drenivohitra ny harivan’ny 20 mey indray no notsikeraina tany Analavory.

Araka izany, aleo mifanaraka eto an-toerana ny samy Malagasy rehetra tsy an-kanavaka rehefa samy tsy mahazohazo ny any Gaborone.

 

rov@higa

Commenter cet article