Overblog Suivre ce blog
Editer l'article Administration Créer mon blog
rov@higa

SERASERA, TENY MALAGASY : 23/05/11

23 Mai 2011, 22:33pm

Publié par rovahiga

 “France Afrique” : tafiditra lalina I TGV

 http://collectif-gtt.org/

 Izany Robert Bourgi izany dia mpisolovava frantsay isan’ny « génération » vaovao ao anatin’ny tambazotran’ny Frantsay aty Afrika. Mandrindra ny fifandraisan’ireo mpitondra afrikana « manompo » ny frantsay izy io ary tafiditra lalina amin’ny fitantanana ireo tombontsoan’ny menasofina aty Afrika. Raha ny vaovao eo am-pelatanana  anefa dia fantatra fa i Robert Bourgi no nanomana  ny fihaonan’i TGV tamin’i Claude Guéant Minisitry ny Ati-tany Frantsay. Ny 07 May 2011 tamin’ny 05 ora hariva (ora frantsay) dia tanteraka izany fihaonana izany rehefa nanomana azy niaraka tamin’ny Robert Bourgi nadritry ny ora iray i TGV .

Nilaza mazava I Claude Guéant  fa tsy mankasitraka ny  hiverenan’ny Filoha RAVALOMANANA Marc eo amin’ny fitondrana sy ny fiverenany an-tanindrazana. Tortak’izany koa ny Amiraly Ratsiraka sy ny Pr. Zafy. Saingy nanamafy kosa ity Minisitry ny Ati-tany frantsay ity fa tsy tokony hivaona amin’ny fanelanelanana tarihin’i Chissano ny fihetsik’I TGV fa hiteraka olana goavana hoazy izany. Ny filohan’ny FATE kosa dia nangataka ny frantsay hanampy azy amin’ny fanatanterahana fifidianana Filoham-pirenena alohan’ny volana novambra 2011. Nambarany fa manaiky izay mety ho “supervision” angatahin’ny frantsay ny tenany.
Poretin’ny manodidina azy I TGV
Haja Resampa, Norbert Ratsirahonana, Patrick Leloup, Mamy Ravatomanga ary mamy Ratovomalala ireo no tena milalao ny fanapahan-kevitr’I TGV hatramin’ny nitondrany fanonganam-panjakana tamin’ny taona 2009. Tsy mbola afaka miala azy ireo I Rajoelina satria manomana ny hilatsahany ho Filohan’ny Rapoblika. Ireto mpanolo-tsaina kosa dia manao izay tiany mihitsy ary tsy mamela malalaka an’I TGV hanapa-kevitra. Porofon’izany ny fanendrena an’I Paul Maillot ho mpanolo-tsaina eo amin’ny fiadidian’ny filohan’ny FATE izay nogejain’ny SGP an’ny FATE tao amin’ny biraony hatramin’ny fotoana nialan’io mpanolo-tsaina io. Manana tanàna lava dia lava koa anefa ireto “namana” akaiky an’I TGV ireto satria fantatra koa izao fa efa saika hesorina tsy ho SGP ihany koa I Haja Resampa saingy nanao be midina tao Ambohitsorohitra ny tambazotra maloto Frantsay rehetra nanakana izany.

 

Manala baraka an’i Madagasikara i TGV

http://collectif-gtt.org/content/23052011-manala-baraka-i-madagasikara-i-tgv

Mahamenatra tokoa ny tsy fahaizan’I TGV  fomba fitondrana fifandraisana iraisam-pirenena . Nandritry ny fihaonany tamin’ny Minisitry ny raharaham-bahiny Frantsay Alain Juppé dia saika handeha irery I TGV satria vao nesoriny tamin’ny toerany I Paul Maillot mpanilo-tsaina azy tamin’izany fotoana izany. Tsy nanaiky izany ireo mpahay diplomasia frantsay ka voatery namorona delegasiona “tiptop” ny filohan’ny FATE. Natsoina vonjimaika hihazo an’I Lafrantsa tamin’izay Yvette Sylla, minisitry ny raharaham-bahiny FATE, sy  ny mpitan-tsoratra ary ny mpiambina manokana azy.

Ratsy endrika mihitsy izany fahabadoana izany manoloana an’I Alain Juppé satria ity farany dia notronina mpanolo-tsaina manokana maro. Tsy vitan’izany fa namerimberina ny fiarahany miasa amin’ny sinoa I TGV noho ny tsy fahafantarany ny olana mety haterak’izany noho ny fifandraisana marisarisa eo amin’ireto firenena roa ireto. Nampidera ny zava-bitany ihany koa izy tamin’ny alalan’ny boky kely iray nampitondrainy ny lohateny hoe : “hambompom-pirenena sy fitiavan-tanindrazana” izay nadika tamin’ny fiteny anglisy mba hatolotra ireo filoham-pirenena mpikambana ao amin’ny SADC. Nandritry  ny fihaonana dia nolavin’I Alain Juppé ankitsirano ny fangatahan’I TGV haka sary miaraka sy hamoaka fanambarana iombonana. Ity fanambarana ity dia nokasain’I TGV hirakitra ny fankatoavan’ny Frantsay azy ho filohan’ny tetezamita Malagasy.  Sorena tamin’izany ny filohan’ny FATE ka nampiantso an’I André Parant hitondra fanazavana mikasika ity fihetsiky ny lehiben’ny diplomasia frantsay .  André Parant moa dia mitana ny andraikitry ny mpanolotsaina manokan’I Nicolas  Sarkozy  mikasika an’I Afrika. Tsy tonga nihaona tamin’I TGV hatramin’ny farany anefa izany mpanolotsaina ny Filoha Frantsay izany.

 

Fiara nitondra ny Pr Zafy Voatifitra teny Anosy

 http://tiatanindrazana.com/pages/modules.php?id=4294&idcat=2&une=1

Raha ahiahy no nitaterana teto ny zoma 20 mey fa fofoina amin’ny lakrimôzena ny ain’ny profesora Zafy Albert dia voamarina tokoa izany raha ny trangan-javatra nihatra taminy ny sabotsy 21 mey, andro fahefatra amin’ny hetsika nataon’ny Rodoben’ny Malagasy ho an’ny tanindrazana tarihiny.

 

http://tiatanindrazana.com/uploads/une(50).jpg

 

Notifirin’ny miaramila teny Anosy, manoloana ny tranoben’ny teti-pivoarana, izay toeram-piasan’ny Profesora Zafy fony izy filohan’ny HAE (Haute Autorité de l'État), ny fiara 4x4 Huyndai, miloko fotsy, nitondra azy. Tifitra akaiky sady marindrano no nataon’ny miaramilan’ny Emmoreg, niainga avy eny ambony fiara 4x4 Toyota “pick-up”, miloko manga antitra, no niantefa tamin’ny fiarany avy aty aoriana, rehefa avy nanaparitaka tamin’ny baomba mandatsa-dranomaso ireo vahoaka vory maro nitangorona hihaino izay fanazavana hataon’ity rain’ny demôkrasia ity. In-droa niantefa ny tifitra raha ny fahitana ny fahasimbana tamin’ilay fiara. Soa fa tany amin’ny kodiarana fanolo, mipetaka amin’ny varavarana aorian’ny fiara nitondra ny profesora no niantefa ny dona, fa raha niakatra kely 30 santimetatra monja dia azo antoka fa namaky ny fitaratra aoriana, ary zava-doza no mety naterak’izany satria tao amin’ny seza aoriana amin’ilay fiara ny profesora no nitoetra tamin’io fotoana io. Fiara teny am-pandehanana nanavotra ny proferosara niala ny toerana teo Anosy ity narahana tifitra ity. Raha nihodivitra kely koa dia mety niantefa tany amin’ny fitoeran-tsolika no niantefa ny tifitra, ka mety nitarika firehetan’ny fiara ny tselatra nateraky ny dona, ary dia ho zava-doza koa no niseho. Andriamanitra tsy tia ratsy, na dia mazava aza eto ny tetika. Tsy te hisambotra na koa hampiantso ity Olobe ity hatao fanadihadiana ny mpitandro ny filaminana.

Dia sanatria misy alaim-panahy hiditra any amin’ny fifofoana ny ainy indray mihitsy ? Na eo aza anefa izany sedra samihafa izany dia hentitra ny profesora Zafy Albert nilaza fa tsy hihemotra ny tenany fa hijoro hatrany hitarika ny tolona mandra-pijoron’ny tetezamita tena izy sy iarahana eto. Nilaza ny tsy hametraka fitoriana koa ny tenany, mety tsy fatokisana ny fitsarana. Vetivety dia niely ny vaovao, mikasika ity zava-nanjo ny filoha Zafy Albert tamin’ny sabotsy ity. Manamora izany rahateo ny fisian’ny teknôlôjian’ny fifandraisana toy ny finday. Nanao ranolava ny fanehoan-kevitry ny olona avy any amin’ny Faritra. Tao ny malahelo, fa maro koa ireo mampitandrina raha misy manjo ity rain’ny demokrasia sady mikely aina mba hahatanterahan’ny fihavanam-pirenena eto Madagasikara ity.

Fa ankoatra izay dia miverina mahery setra ireo mpitandro ny filaminana raha ny fahitana azy ireo tamin’io sabotsy io. Raha vao mahita tangoron’olona, na mpiandry taxibe aza, dia efa avy nandraraka vovoka fotsifotsy manaikitra maso sy manempotra amin’izay toerana lalovany izy ireo. Mbola nizotra tsara avokoa ny fifamoivoizana tamin’ireo lalana mampifandray Anosy dia efa nanipy baomba lakrimôzena izy ireo tamin’io andro io. Maro no sempotra, satria tratry ny tampoka. Tsy vitsy koa ny fiara fitateram-bahoaka tavela teny afovoan’arabe satria jambena hatramin’ny mpamily. Nisaritaka ny mpandeha, nibosesika namonjy varavarana nivoaka. Voatery nentina tao amin’ny HJRA ny sasany, indrindra ireo kilonga madinika. Mahery vaika rahateo ny fofona.

 

 

Constant Raveloson «Mbola ambadik’i Gaborone ny fifidianana»

http://tiatanindrazana.com/pages/modules.php?id=4286&idcat=2

“Avelao hahalala ny marina ny olona”, hoy Raveloson Constant, avy amin’ny antoko MFM, ankolafy Ravalomanana, manoloana ny fandikana ny fehin-kevitra tamin’ny fivorian’ny Sadc natao tany Windhoek ny 20 mey lasa teo

Samy manana ny nandikany azy tokoa ilay hafatra ka samy nandrirotra araka izay nahamety azy, indrindra moa fa ry zareo avy ao amin’ny Fahefana avon’ny tetezamita ka dia nandihy nialoha ny fotoana. “Tsy fahalalana ny dingana fanao iraisam-pirenena no mahatonga izany”, hoy Raveloson Constant. Fiaingana ny tondrozotra fa tsy fifanarahana, hoy izy. Tsy misy filazana mihitsy ao anatin’ilay fehin-kevitra, hoy ihany Raveloson Constant fa nankatoavin’ny Sadc ny tondrozotra natao rangopohy teny Ivato na koa hoe nahazo ny fankatoavana iraisam-pirenena i Madagasikara, hoy ihany izy. Ny diniky ny Sadc ny 20 mey teo dia nanome toromarika an’ingahy Joaquim Chissano sy ny Sadc ireo mpivory mba hampihaona ireo ankolafy malagasy rehetra hanao fampihavanana. Hisy, araka izany, karazana vaomiera hatsangana hanomana io fampihaonana io izay hatao any Gaborone, Botswana.

Midika ireny fa mbola any ambadik’io ny fankatoavana sy ny fifidianana, hoy ihany ity mpanao politika ity. Mikasika ireo andian’olona efa nampaneno kiririoka sahady teny an-dalambe, nifaly noho ny filazana fa neken’ny Sadc ilay sori-dalana dia nambaran’i Constant Raveloson fa dia fandatsana an’i Andry Rajoelina ireny, satria izy nitotototo nandresy lahatra tetsy sy teroa kanefa dia toa vao mainka nampilentika ny FAT ny vokatry ny diniky ny Sadc. Etsy andanin’izany moa dia nohamafisiny fa mila mahalala ny marina ny vahoaka. Noho izany dia hisy ny fampahafantarana ny olona ny tena votoatin’ny vokatry ny diniky ny Sadc momba ny raharahan’i Madagasikara hataon’izy ireo.

 

rov@higa

Commenter cet article