SERASERA, TENY MALAGASY: 21/04/11

Publié le par rovahiga

Dian’ny filohan’ny FA T: Nitady tombony ka natombiny

 

http://u.jimdo.com/www31/o/s05214760ce221b35/img/i7a97c265bef27f52/1303329245/std/image.jpg

 

http://www.basyvava.com/2011/04/20/dian-ny-filohan-ny-fa-t-nitady-tombony-ka-natombiny/

Nitodi-doha an-tanindrazana omaly ny filohan’ny FAT, Andry Rajoelina, rehefa avy nihaona tamin’Atoa Hifikepunye Pohamba, filohan’i Namibie sady filoha amperinasan’ny vondrona SADC ary nihaona ihany koa tamin’Atoa Armondo Emilio GUEBUZA filohan’i Mozambika, ny alatsinainy 18 sy talata 19 aprily lasa teo. Ny fanambarana navoakan’ny fiadidiana ny filohan’ny fahefana avon’ny tetezamita dia nitatitra fa naharitra ora iray ity fihaonany tamin’ny filohan’i Mozambika ny talata lasa teo ity, raha ora iray sy sasany kosa ny faharetan’ny dinika nataony tamin’ny filohan’i Namibie ny alatsinainy. Niara-dia amin’ny filohan’ny FAT tamin’ity fitetezana firenena afrikana vitsivitsy ity ingahy Raharinaivo Andrianantoandro, filohan’ny kongresin’ny tetezamita.

Taorian’ny dinika tamin’ny filohan’i Mozambika, araka ny tatitra, dia namaly ny fanontanian’ireo mpanao gazety mozambikana sy vahinytonga teny amin’ny lapam-panjakana ny filohan’ny FAT, ka tamin’izany no nanambarany fa nahafa-po azy ny dinika nifanaovany tamin’ Atoa Armondo Emilio GUEBUZA.« Nihaino ny fanazavany ny fivoaran’ny toe-draharaha politika eto Madagasikara ny... (Suivre le lien)

 

Filoha RAVALOMANANA : « voaporofo ankehitriny fa tsy isika no sakana »

http://collectif-gtt.org/content/20042011-filoha-ravalomanana-voaporofo-ankehitriny-fa-tsy-isika-no-sakana

Nampitain’ny Filoha RAVALOMANANA Marc  tamin’ny mpiara-mitolona teo amin’ny Kianjan’ny Finoana Magro Behoririka androany ny zavatra niainany sy ireo delegasiona niaraka taminy tany Mozambika. Nandritry ny fihaonany tamin’ny Filoha Mozambikana teo aloha Joacquim Chissano no nanambaran’ity farany fa « efa mijaly loatra ny vahoaka Malagasy ka mba miangavy anao hitady izay mety ho marimaritra iraisana hamahana haingana izao krizy izao ». Tamin’izany no nanoloran’i Chissano soso-kevitra tamin’ny Filoham-pirenena ny hihaonany tamin’i TGV. Ity farany izay nihazo an’i Mozambika rehefa tsy nahazo rariny tany Namibia. Nanaiky ny hisian’izany fihaonana izany ny Filoha RAVALOMANANA « raha izay no hamahana haingana ny olana any Madagasikara ».

Indrisy anefa fa miara-miaina amin’olona tsy tia tanindrazana. Nilaza ny tsy vonona hihaona tamin’ny Filoha RAVALOMANANA Marc hatramin’ny farany ilay mpampandihy nandroba fahefana teny an-dalambe. Niala nenina ihany  ny lehiben’ny mpanelanelana saingy tsy nanaiky mihitsy i TGV sy ny ekipany.
Manamafy ny tahotra ny Filoham-pirenena mamim-bahoaka izao zava-nitranga izao ary manamarika  ny tsy fahavononan’ny mpanongam-panjakana hamaha ny olana eto amintsika. Marika ihany koa ny hambom-po diso toerana tsy mampivoatra ny toe-tsaina ny zava-misy. Raha nodradraina manerana ny hainoamanjery rehetra alina fa efa tsy hasiam-panovana intsony ilay sori-dalana dia voaporofo ankehitriny fa lainga tanteraka izany. Namafisin’ny lehiben’ny mpanelanelana sy ny mpitarika eo amin’ny SADC rehetra, araky ny nambaran’ny Filoha RAVALOMANANA Marc, fa « na hisy aza ny fivoriam-be tsy ara-potoana hataon’ireo Filoham-pirenena mpikambana ao amin’ny SADC dia tsy hisy tohiny ny momba ilay sori-dalana Simao ».

TGV tany namibia : felaka mandrivorivo

http://collectif-gtt.org/content/20042011-tgv-tany-namibia-felaka-mandrivorivo

Niandrandra mafy ny handresy lahatra ny Filoha Namibiana i TGV mandritry ny diany tany Namibia teo. Noraisin'ity Filoha am-perinasan'ny SADC ity ireto delegasiona avy amin'ny HAT ireto mialohan'ny nandraisany ireo iraka avy amin'ny Ankolafy telo. Tsikaritry ny mpanao gazety rehetra fa mirana tokoa i TGV mialohan'ny fiantombohan'ny fihaonana. Adiny roa latsaka taty aoriana, rehefa nivoaka izy ireo, dia mototra tanteraka ny mpitarika ny mpanongam-panjakana. Na izany aza ny fampitam-baovao tonga aty Madagasikara omaly dia mbola manamafy ny famahanan-dalitra ataon'ny FATE amin'ny vahoaka Malagasy. Nambaran'ny fiadidian'ny filohan'ny FATE manko fa efa eken'ny Filohan'ny SADC ilay sori-dalana farany natolotr'i Simao ka tsy hasiam-panovana intsony.


"Pohamba said SADC, as well as the Namibian Government, have not recognised the government headed by Rajoelina."
Ny gazety namibiana dia nanambara mazava fa tsy mbola ankatoavin'ny SADC sy ny governemanta namibiana velively ny HAT araky ny nambaran'ny Filoha Pohamba tamin'ny fihaonany tamin'i TGV. Izany dia mifanaraka indrindra amin'ny fenitra afrikana mikasika ny fanonganam-panjakana. Mamporisika ny mpanao politika Malagasy izy ireo mba hanao izay hivahan'ny olana haingana satria efa mijaly loatra ny vahoaka. Araky ny voalaza ao amin'ny "The Namibian" nivoaka omaly 19  Aprily ihany dia nanapa-kevitra ny hiresaka amin'ireo hery politika rehetra eto Madagasikara ny SADC mialohan'ny hirosoana amin'ny vahaolana farany hitan'izy ireo amin'izao olana eto amintsika izao.  Ilaina hoy ity lahatsoratra ity ny firosoana haingana amin'ny fifampidinihana sy ny fampihavanana satria vahaolana fototra amin'ny fivoahana amin'ny krizy izany. Farany dia mbola nanantitra ny Filoha Namibiana Pohamba fa ny Filoha MOzambikana teo aloha Joacquim Chissano ihany no mbola mitantana ny fanelanelanana hatreto.

LAHATSORATRA : President Pohamba meets Malagasy leaders; The Namibian 19.04.2011 

TGV tany Afrika : « sans qualité bis » (+vidéo)

http://collectif-gtt.org/content/21042011-tgv-tany-afrika-sans-qualit-bis-vid-o

Mahagaga ihany ny fahaizana arofenitra  ao amin’ny FATE satria nidehaka ery ny Filoha nefa tsy najain’ny olona toy ny filoham-panjakana akory. Nilaza tokoa izy fa nahafapo ny dia nataony tany Afrika saingy ny sary nentin’ireo hainoamanjery avy any dia nahitana ny tsy fankatoavan’ny SADC sy ny firenena ao anatiny. Amin’ny sehatra iraisam-pirenena tokoa dia misy dikany avokoa na dia ny fipetraky ny seza andraisana ny vahiny ao amin’ny lapam-panjakana iray aza.

Raha ny nahazo an’i TGV dia niteny hoazy fa tsy noraisina toy ny filoham-panjakana izy ary efa nolazaina taminy mivantana moa izany saingy mbola mamahan-dalitra ny mpiray tanindrazana aminy hatrany izy.

Ny anjaranao
Tsy ny tsy fazahoana ny fankatoavana akory no tokony hahafaly satria mbola hiteraka olana hoan’ny firenena izany. Ny tsy maintsy ataon’ny tia tanindrazana rehetra dia fomba azahoana izany fankatoavana izany amin’ny tena ara-dalàna. Ny fananganana tetezamita tena iaraha-mitantana ihany no tena vahaolana haingana hiverenan’ny fankatoavan’izao tontolo izao. Hatreto dia mbola olana lehibe miteraka ny fahasahiranan’ny mpiray tanindrazana ny tsy fisian’ny fanampiana avy any ivelany. Miteraka olana izany satria poretin’ny FATE indray ny vahoaka Malagasy hanefa izay rehetra tsy azony avy any ivelany. Tsy misy afa-tsy ny fandrasiana andraikitra avy amin’ny olom-pirenena mahatsapa ny tsy rariny rehetra no hiverenan’izany fankatoavana izany.

ALMA Ambohimahitsy : mamaky trano ny miaramila, mpanao gazety iray nampandohalihina

http://collectif-gtt.org/

Tokony tamin’ny 07 ora sy sasany hariva teo dia nisy andian’olona manao fitafiana  miaramila niditra an-keriny tao amin’ny toeram-piasan’ny Asa Lalana Malagasy na ALMA teny Ambohimahitsy. Fiara tsy mataho-dalana mitondra ny laharana  4373 WWT  no nitondra azy ireo. Nahita izany ny mpanao gazety iray avy amina onjam-peo tsy miankina dia niezaka ny nitrandraka vaovao teny an-toerana. Raha mbola teo am-panatanterahana ny asany anefa izy dia nalain’ireto hery famoretana ireto an-keriny avy hatrany ary dia nampandohalihiny ary narahina teny maharary sy feno fampihorohoroana.

 Vita izany rehetra izany vao nanontany ny karatra maha-mpanao gazety azy ireto hery famoretana mamaky trano amin’ny andro efa maizina ireto ary dia nalefany ihany ilay ranamana rehefa avy anampiseho ilay karatra.

Vaky trano …
Misy lalana mifehy ny fidirana amin’ny fananan’olona toy izao. Voalohany amin’izany ny fiandrasana ny tompony na izay solontena mahefa vao azo atao ny miditra manao izay asa tokony hatao. Faharoa andro mazava hatrany no azo anatanterahana fisavana ao amin’ny toerana iray. Izay indrindra no nahasarika ity mpanao gazety ity teny an-toerana ka nahatonga azy niharan’ny fampihorohoroana toy izao. Tsy ampatsiahivina intsony angamba fa isan’ny orinasan’ny Filoham-pirenena RAVALOMANANA Marc  fony izy mbola mpandraharaha ny ALMA. Matoa ireto andian’olona manao fitafy miaramila sy mirongo fiadiana ireto miditra amin’izany toerana izany amin’ny andro maizina dia misy teti-dratsy kasaina hatao indray tao. Manamafy izany ny tsy fahafantaran’ny borigadin’ny zandarimariam-pirenena eny Ambohimangakely izay anton’izao fidirana an-keriny ao amin’ny orinasa ALMA izao.

 

Fankatoavana iraisam-pirenena «Zéro !», hoy ny Printsy Elakovelo

http://tiatanindrazana.com/pages/modules.php?id=4024&idcat=2&une=1

Nahitsy tenin’ny Printsy Elakovelo omaly raha naneho ny heviny mikasika ny dian-dry Andry Rajoelina tany Namibia sy Mozambina farany teo.

“Zéro ny vokatra”, raha ny hahazoana fanakatoavana iraisam-pirenena no anton-dian-dry zareo tany, hoy izy. Nampiany fa «aza manantena izany raha tsy eo ireo filohan’ny ankolafy telo”. Nanterin’ity olon’ny Arema mafana fo, ary anisan’ireo mpandray fitenenana amin’ny anaran’ny ankolafy Ratsiraka ao amin’ny Magro Behoririka ity fa mila avitrana aloha ny fihavanan’ny Malagasy ka ampanjakaina ny tena fifankatiavana sy fifandeferana, araka ny soatoavina tena malagasy. Noraisiny ho ohatra ny Ankolafy 3 izay mitambatra hatramin’ny farany hanavotra an’i Madagasikara sy hanala ny Malagasy amin’izao krizy izao. Ankoatra izay dia nanao antso amin’ny tafika ny tenany, mba hamela ny vahoaka hiteny sy haneho hevitra malalaka tahaka ny miseho any ivelany ireny.

Fa tsy niandry ela koa ny valin-kafatry ny Printsy Elakovelo taorian’ny fanehoan-kevitry ny Printsy vavy Yasmine avy any Besalampy, nilazan’ity farany fa tsy nisy fifampierana na fivoriana nampahafantarana sy niaraha-manapaka izay hatao akory teo amin’ireo samy Tangalamena, Sojabe, Zanakandriana sy ny Ampanjaka, kanefa dia ireny no zava-miseho, ka nahatonga ity Printsin’i Besalampy ity nisafidy ny hanaja tena. «Aoka hazava ny resaka !», hoy ny Printsy Elakovelo, fa olon’i Voninahitsy Jean Eugène, manao politika io olona io, ary mpanohana ny fitondran’i Andry Rajoelina. Ny fikambanan’ny Tangalamena, Sojabe, Zanakandriana sy ny Ampanjaka, mpitazona ny fomban-drazana, hoy ihany ny fanamarihan’ny Printsy Elakovelo dia tsy mbola nilaza fa manohana izao fitondrana izao, ary tsy hilaza izany mihitsy koa, fa mijoro ho Raiamandreny, hampihavana hamitrana indray ny fiarahamonina nosamatsamahan’ny politika ka hampanjaka ny soatoavina malagasy. Aoka hazava ny amin’izay mba tsy hisian’ny fifandisoan-kevitra, hoy ihany ny Printsy Elakovelo.

 

Air Madagascar Misy mahazo tombontsoa amin’ny filentehany

http://tiatanindrazana.com/pages/modules.php?id=4013&idcat=6

Tsy mahagaga sady efa nampoizina ny sazy milatsaka amin’ireo Boeing lehibe roa ampiasain’ny Air Madagascar izay tsy mahazo alalana hisidina ny faritra Eoropa iray manontolo raha ny nambaran’ny mpandraharaha ara-pizahantany iray tsy nitonona anarana.

Ekena, hoy izy, fa mahavita ireo fanaraha-maso ara-teknika takian’ny fifamoivoizana ana habakabaka iraisam-pirenena ireo fiaramanidina ireo saingy misy mihitsy ny fanahy iniana ataon’ny mpitantana sasany ao anatin’ity orinasa ity miaraka amin’ny mpitondra ambony mba handetehana azy noho ny tombontsoa manokana. “Raha tena vonona handray andraikitra ny mpitondra dia misy ny fepetra azo noraisina hisorohana izao”, hoy izy. Manaratsy endrika ity kaompaniam-pitaterana ity tokoa mantsy ny fahatarana lava amin’ny zotra lavitra. Ireto fiaramanidina voasazy ireto izay manao ny zotra mankany Azia mihazo an’i Bangkok sy Guanzou ihany no mitondra ireo mpandehan’ny Air Madagascar any Eoropa. Miteraka fahatarana ora maro amin’ny sidina Air Madagascar anefa izany. Raha ny fahitan’ity mpandraharaha ity azy dia misy ambadika avokoa izany mba hanomezana ny tsena ho an’ny mpitatitra hafa. Misy rahateo ny fifanarahana amin’ny kaompania Air France efa roa taona izao izay mamaritra fa ireo fiaramanidin’ity orinasa frantsay ity no mitondra ireo mpandehan’ny Air Madagascar, izany hoe zaraina ny toerana. Vao nohamafisina nandritra ny fandalovan’ny tale jeneralin’ny Air france teto io fifanaraham-piaraha-miasa io, iray volana lasa izay. Manahy ity mpandraharaha ity noho izany fa misy mitady hanjakazaka ny sehatry ny fifamoivoizana ana habakabaka eto.

Tsy mionona amin’ny resaka sidina fotsiny izany fa tonga hatramin’ny fanomezana laka karazana fiaramanidina mihitsy. Efa nanambara ny fahavononany hiara-kiasa amin’ny FAT rahateo ny orinasa Airbus tamin’ny alalan’ny tale jeneraly lefiny. Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa ny “airbus” no fiaramanidina ampiasain’ny Air france sy ny firenena Eoropeanina amin’ny ankapobeny raha ny “Boeing” kosa ny an’ny Amerikanina.

Raha nanontaniana momba ny vokatra ateraky ny fiatoan’ny fampiasana ireo Boeing 667 ireo amin’ny zotra mankany Eoropa ny mpandraharaha dia nilaza ny ankamaroany fa tsy misy aloha hatreto ny fanafoanana na fanemorana dia avy amin’ireo orinasa mpandefa mpizahatany any ivelany. Misy koa ny milaza fa ireo mpizahatany avy any Frantsa no tena voakasik’io noho izy ireo mandeha sidina mivantana. Saika mandalo ao Kenya na Afrika Atsimo avokoa indray anefa ny fiaramanidina mpitondra teratany Alemana sy Japoney vao mankaty amintsika. Tsy mbola naharenesana filazana amin’ny fomba ofisialy momba ny fanapahan-kevitra horaisiny amin’ity raharaha ity ny Air Madagascar hatreto saingy na izany aza dia hita ho mikorontana ny fandaminana ny sidina. Teratany malagasy iray manao fitsidihana any La Réunion izay tokony hitodi-doha an-tanindrazana amin’ny alahady izao no nampilazaina fa mila mandroso ny fodiany amin’ity anio ity izy na manemotra izany amin’ny alarobia heriny. Ho an’ny ONTM dia mila mitady vahaolana haingana tsy mihoatra ny faran’ny herinandro izao ny Air Madagascar sy ny fanjakana satria hisy fiantraikany goavana amin’ny fampirisihana ny vahiny hitsidika an’i Madagasikara ity olana ity raha mitarazoka, araka ny nambaran’ny tale, Andriamandranto Joel.

 

Ankolafy Ravalomanana Atsimo Andrefana Miantso ny FFKM handray andraikitra

http://tiatanindrazana.com/pages/modules.php?id=4015&idcat=2

Efa ho telo taona izao no niainan’i Madagasikara tao anaty krizy politika novolena ary dia tsy mbola nahitam-bahaolana hatramin’izao. Fatiantoka tsy hita noanoa no naterak’izany ary tsy mitsaha-mitombo ny fahantran’ny vahoaka Malagasy.

Ana hetsiny ireo very asa, maro ireo tsy afa-misakafo araka ny tokony ho izy, mirongatra koa ny asan-jiolahy mitarika tsy fandriampahalemana sy ny maro hafa tsy voatanisa. Manoloana izany indrindra dia miantso ireo raiamandreny ara-panahy eo anivon’ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara na ny FFKM ny ankolafy Ravalomanana rantsana any Toliara mba handray andraikitra. Hiangavian’izy ireo ny FFKM Foibe hitarika ny fanelanelanana, hampanao ny fihaonambem-paritra sy ny fihaonambem-pirenena hahafahana mivoaka haingana amin’izao krizy izao sy hanafohezana izao sarintsarina tetezamita izao, araka ny fanambaran’izy ireo ihany. Manainga ny feon’ny fieritreretan’ireo raimandreny eo anivon’ny FFKM izy ireo mba tsy hijery fotsiny toy ny tany nahalavoana ny firenena satria efa tena halohalika ny ranombary.

Publié dans La Presse

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article