Partager l'article ! SERASERA, TENY MALAGASY: 16/03/11: HAFATRA AVY AMIN’NY COLLECTIF-GTT http://collectif-gtt.org/ ...
rov@higa
| Mai 2013 | ||||||||||
| L | M | M | J | V | S | D | ||||
| 1 | 2 | 3 | 4 | 5 | ||||||
| 6 | 7 | 8 | 9 | 10 | 11 | 12 | ||||
| 13 | 14 | 15 | 16 | 17 | 18 | 19 | ||||
| 20 | 21 | 22 | 23 | 24 | 25 | 26 | ||||
| 27 | 28 | 29 | 30 | 31 | ||||||
|
||||||||||
HAFATRA AVY AMIN’NY COLLECTIF-GTT
Amin’izao dingana misy ny tolom-bahoaka izao dia tsy afaka mihemotra intsony ny vahoaka. Dingana lehibe amin’ny firosoana hitondrana ny firenena any amin’ny lalana mazava kokoa ny fametrahana ireo taratasy mirakitra antso farany hoan’ny fianakaviam-be iraisam-pirenena. Aorian’izay rehetra izay dia tsy maintsy ajoro ireo fototra ilaina amin’ny fijoroan’ny fanjakana tena ara-dalàna. Efa vonona tanteraka amin’izany ireo Filoham-pirenena telo mirahalahy mitarika ny ankolafy telo na dia nangataka andro kely aza ny Filoha RAVALOMANANA ahafahany miasa any ivelany handresy lahatra ny SADC. Ny vahoaka no andrasana hamaly ny antso amin’ny fotoana mampety sy ilana izany.
Garde à vue de Mamy RAKOTOARIVELO
gazetyavylavitra http://wp.me/pan07-Hy
Rehefa mety ho fihazonana olona, na garde à vue io, na fampidirana violon, na fampidirana am-ponja vonjimaika, dia saika mitovitovy foana no ilazan’ny Malagasy azy = Fisamborana, na Fitazonana….
Tsy hidirantsika betsaka ny mety haha-samy hafa an’ireo karazan-teny entina milaza an’izany, fa izay fomba natao tamin’ny nakàna olona iray ho entina eo anatrehan’ny manampahefana kosa no ndeha hasiana resaka.
Tsy ela fa vao omaly no nahenoan’ny rehetra fa nampanantsoin’ny DST i Mamy RAKOTOARIVELO mba hatao fanadihadiana mikasika ny resaka fanapoahan-javatra nandritra ny fandalovan’ny fiaran’ny filohan’ny HAT teny amin’ny Marais Masay. -Lehilahy roa no niampanga sy namatotra azy ho tompon’ny iraka tamin’iny raharaha iny.
Tonga namaly ny antso izy, ary tany dia tsy niverina fa hoe voapanga. Tonga dia nanaovana fanambaràna tamin’ny haino aman-jery. Aiza ilay zon’ny olona tsy mbola voapangan’ny fitsarana manoloana ny tranga toy ireny? Satria mantsy nambara fa mbola hatolotra ny fitsarana ry zareo, izany hoe tsy mbola nisy didy nivoaka nanondro azy ho tena meloka mivantana.
Fetison Rakoto Andrianirina moa dia niteny fa ezaka ataon’ny HAT hampihorohoroana an-dry zareo ao amin’ny ankolafy 3 izao zavatra mitranga izao.
Fanehoan-kevitra iray mikasika izay no navoakan’ny MADAONLINE.NET tao amin’ny pejy Facebook-ny androany, manao hoe:
MadaOnline Net Madagascar
Dans la procédure d’enquête de Mamy rakotoarivelo, il aurait du passer d’abord par les OPJ (Officier des Polices Judiciaires) mais il a été enquêté par le Dst (Direction de la Sécurité Territoriale) une structure qui n’est pas reconnue par le tribunal. De ce fait, il a été renvoyé auprès de la brigade criminelle qui devrait (reprendre ou) valider l’enquête de la Dst et c’est seulement après qu’il a été déféré au parquet.
De même,il n’y avait pas secret de l’instruction, le Dst a tout de suite fait une conférence de presse.
C’est pour dire que la procédure n’a pas été suivie.
Où va t-on?
Andry Rakotoniaina Andriatahiana wait a minute: Le directeur de la DST, Charlie , a déclaré que la DST a demandé une délégation judiciaire pour apprécier son statut d’OPJ. C’est vrai ou pas?
MadaOnline Net Madagascar
Il est gardé à vue au niveau de la brigade criminelle (mais pas enqueté).
La question est pourquoi il y a eu deux (2) saisines pour une même affaire, à savoir la DST et la gendarmerie d’Ankadilalana. Qui des deux (2) entités est vraiment habilité à mener l’enquête?
Il paraît que les aveux des deux hommes du mardi passé dans les médias ont été soutirés par des moyens de torture digne du moyen âge.
Jusqu’où les enqueteurs pourront aller à l’encontre des principes fondamentaux des droits de l’homme?
Les distinctions honorifiques donné par la HAT n’ont-ils pas de valeur aux yeux des enqueteurs en sachant que Mr Mamy Rakotoarivelo est au grade de Grand officier de l’ordre National Malgache?
Raha fintinina fohy amin’ny dikanteny malalaka dia toy izao manaraka izao:
Tokony ho ny OPJ aloha no nandray an’i Mamy RAKOTOARIVELO vao ny DST izay rafitra tsy nankatoavin’ny lalàna (tribonaly)…entina hilazàna izany fa tsy najaina ny rafitra antanan-tohatra…Maninona no misy fandraisana an-tanana roa samihafa main’ity raharaha toka ity, ary iza no tena mananafahefana hanao ny fanadihadiana?…Hatraiza ny fanajana ny zon’olombelona?…Aiza ny fanajana ny Mariboninahitry ny olona satria manana Grand Officier de l’Ordre Nationa i Mamy Rakotoarivelo?…
Niniana tsy nadika manontolo amin’ny teny Malagasy ny fifanakalozan-dresaka etsy ambony, satria inoako fa mora azon’ny rehetra ihany ny lalan-jotra izoran’ny resaka taterina ao anatiny. Teny ofisialy faharoa amin-tsika rahateo ny teny frantsay (mandra-paha….)
Azonao mpamaky atao ny maneho hevitra mikasika ity raharaha iray ity, ary koa ny mitsidika ny pejy Facebook-n’ny Madaonline.net
Resaka manaraka mety hotaterina aminao mpamaky eto amin’ny manaraka ny mikasika ilay vono olona niniana nataonà zanaka mpisolovava teny ambanin’Antanimora, ka nahafatesana polisy iray (rehefa voaangona ny vaovao, mazava ho azy).
Politika maloto Mbola ilaina ve ny Fitsarana ?
http://tiatanindrazana.com/pages/modules.php?id=3758&idcat=2&une=1
Efa nahiahian’ny mpanara-baovao ihany ny zavatra mety hitranga. Namaly ny fiantsoana azy teo anivon’ny DST, omaly, ny Sekretera jeneralin’ny Tiako I Madagasikara sady mitarika ny delegasion’ny ankolafy Ravalomanana, Atoa Mamy Rakotoarivelo.
Tsy niandry ela fa nasaina nojeren’ireo olona izay voarohirohy fotsiny ihany ny tenany dia notazomina avy hatrany. Tsy izy ihany fa ny mpamiliny sy ny mpiambina azy ihany koa. Notazomina ihany koa ny mpanolotsainy iray niaraka tamin’ny fiara 4x4 Toyota V8 miloko mainty izay mpitondra azy. Anio, araka ny fantatra, no hitondrana an’ireo olona ireo eo anivon’ny Fampanoavana. Fanohintohinana ny filaminana anatiny no mahavoarohirohy azy ireo. Izany dia mahakasika indrindra ny filazana fa misy mikasa ny hifofo ny ain-dRajoelina ny 3 martsa lasa teo. Olona roa no nosamborin’ny DST ary ireo no nilaza fa i Mamy Rakotoarivelo no ao ambadiky ny raharaha. Ny tapak’andro maraina dia tao amin’ny biraon’ny DST Antaninarenina no nihainoana ireo olona ireo. Ny tolakandro kosa dia nafindra teny amin’ny biraon’ny polisin’ny Faritany Ambohidahy ary teny no nanohizana ny fanadihadiana.
Ny hariva dia nanambara teo anatrehan’ny mpampahalala vaovao ny kaomisera Charly Nakany fa notazonina vonjimaika i Mamy Rakotoarivelo sy ny mpamiliny ary ny mpiambina azy. Anio no voalaza fa hitondrana azy ireo eny amin’ny fampanoavana. Izay no mitranga, anatin’ny fotoana ikatsahana fitoniana eto amin’ny firenena. Matihanina no nanao ny fanadihadiana. Olona notsongaina tamin’ny maro ireo matoa hiasa any amin’ny fiadidiana ny FAT izany.
Na izany aza maro ny zavatra manahirana ka tsara mba itondrana fanamarihana manodidina azy ity. Voalohany, nasaina nitantara tamin’ny antsipirihany teo imason’ny mpanao gazety ny fifandraisany tamin’Atoa Rakotoarivelo, ny iraka nampanaovina azy ireo (raha nisy an’izay tokoa) sy ny fifanarahana tao anatin’izany ireo lehilahy roa mpanatanteraka ny fanapoahana teny Masay. Tsy voahaja ny tsiambaratelon’ny famotorana teto, izay ny lalàna mihitsy no mametra izany.
Faharoa, ny famelana ireo olona roa ireo hanao tantara valamaty izay tiany holazaina, mba hiampangana olon-kafa, izay tsy navela nohenoin-teny akory rehefa samy hampitenenina ihany, dia tsy manaja fa manohihosy tsotra izao ny zon’ny voampanga.
Fahatelo, ny famborahana tamin’ny haino aman-jery ho fanta-bahoaka ny singam-pamotorana iray dia mitory mazava fa tsy matoky ny fitsarana ny DST, izay lasa rantsana mpanao fanadihadiana ihany koa ankehitriny, ary midika ho fihantsiana ny mpitsara sy mpahay lalàna tsotra izao ihany koa no toa mandrisika ankolaka ho amin’ny fitsaram-bahoaka.
Fahaefatra, miovaova be ihany ny mari-bola lazain’ireto olona roa nasaina niteny omaly ireto fa noraisiny, filazana izay miteraka ahiahy amin’ny fanadihadiana natao. Fahadimy, ny DST ihany no nanaporofo tao anatin’iny famoahana ho fanta-bahoaka ny singam-panadihadiana izay tokony ho tsiambaratelo, fa resabe fotsiny izany tany tsy tan-dalàna izany. Fahenina, eo anatrehan’ireny dia mipetraka ihany ny fanontaniana raha mbola ilaina ny fanaovana politika eto Madagasikara. Tsy nanafina i Fetison Rakoto Andrianirina nilaza fa “mampatahotra ny fanaovana politika eto Madagasikara raha toy izao. Na izany aza dia matoky ny fitsarana sy ny mpitsara Malagasy izahay fa hitsangana izy ka hanao ny asany amin’ny tokony ho izy”. Rapelanoro Rabenja (MFM) kosa tetsy andanin’izay nilaza fa “tokony hoeritreretina lalina ny fanapahan-kevitra raisina amin’izao fotoana hikatsahana fahatoniana eto amin’ny firenena izao”.
Governemanta vaovao : I Camille ihany no Vital
Nikoropadropaka avokoa ny antoko Politika maro, fa hanohana ny PM teo aloha Vital hono. Niaka-dapa mihitsy izy ireo mba hanolotra ny taratasy ho an’ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina, fa ny teo aloha ihany no averina. Raha atao indray mijery tokoa ny zava-drehetra, dia tsapa fa sinema no betsaka, satria tao anatin’ny fotoana fohy no nilazana fa afaka manatitra taratasy milazalaza ny momba azy avokoa izay vonona ny ho PM. Gaga ihany ny maro, satria tsy hisy olona ho tendrena amin’izany toerana izany, raha tsy mifankafantatra sy afaka mifanavotra. Olona nitokisan’ny filohan’ny FAT efa ela ny PM teo aloha Vital ? Tsy hisy mirakla velively amin’ny hiovan’izay hitana io andraikitra io. Asa lany olo-manga ve ny firenena, sa mbola mitoetra ilay izay tiako ihany no atao eto amin’ny firenena. Raha io no asian-dresaka, dia … (Suivre le lien)
Delegasion’ny ankolafy telo: Hikaon-doha atsy Zambie miaraka amin-dRavalomanana
http://www.gazetiko.mg/gazetiko/index.php?option=com_content&task=view&id=14942
Manakaiky ny datin’ny 18 marsa! Samy miolomay na ny mpitondra na ny mpanohitra. Niainga teto an-tanindrazana, omaly tamin’ny 2 ora tolakandro, nihazo an’i Afrika Atsimo ireo solontena avy amin’ny ankolafy Didier Ratsiraka sy Zafy Albert, izay nahitana an’Ing. Manoro Regis sy Ing. Mont Fort. Hifamotoana amin’ireo delegasiona avy amin’ny ankolafy Ravalomanana efa lasa nialoha tany an-toerana tamin’ny faran’ny herinandro izy roalahy ireto. Hiara-hiainga amin-dRavalomanana handeha ho any Lusaka-Zambie kosa ireto delegasiona ireto avy eo. Raha ny fanazavana azo dia hikaon-doha mahakasika ny fandehan-draharaha mitranga amin’izao fotoana, indrindra fa ny momba an’ilay soridalana nataon’Ing. Simao efa natao rangopohy, no tena vontoatin’ny fihaonana eo amin’ny telo tonta. Ny fanamarihana nataon’Ing. Emmanuel Rakotovahiny no nahalalana fa misy ifandraisany betsaka amin’ny fivoriana hotanterahin’ny Troika eo anivon’ny Vondrona SADC ny fandehanana any amin’ity firenena ity. “Tsy maintsy hanazava amin’ireo Filoha mpikambana ao amin’ny Troika ny antony tsy nanaovanay rangopohy an’iny soridalana iny ry zare. I Marc Ravalomanana mihitsy no hitarika” hoy izy. Raha tsiahivina dia nandritra ny fidirana an-telefaona mivantana tao amin’ny Magro, afakomaly, no nilazan-dRavalo an’ity vaovao ity ary io tsy niandry ela io fa omaly ihany dia lasa ny avy amin’i Zafy sy Ratsiraka.
Hery Rafalimanana Manoman-tena ara-politika
http://tiatanindrazana.com/pages/modules.php?id=3761&idcat=2
Miverina tsikelikely eo amin’ny sehatra politika indray i Hery Rafalimanana, PDS-n’ny Kaominina Antananarivo renivohitra tamin’ny 2007, rehefa nangina taorian’ny tsy nahavoafidy Ben’ny tanàna azy raha nifaninana tamin’i Andry Rajoelina, nandritra ny fifidianana ny 12 desambra 2007. Nanao rangopohy ilay sori-dalana teny Ivato ny fikambanana AFAKA, tarihiny. Izy tenany mihitsy no tonga teny tamin’io. Mbola mahatsiaro ho manana andraikitra amin’ny fanarenana ny firenena na dia tsy manana andraikitra goavana sahanina eto amin’ny firenena intsony aza i Hery Rafalimanana. Fotoana tokony hitenenana izao, hoy ihany izy ka hanafaka ny vahoaka ao anatin’ny krizy lalim-paka izay efa niainany tao anatin’ny roa taona.
Nandritra ny fambolen-kazo notontosain’ny fikambanana tarihiny teny Vontovorona ny faran’ny herinandro teo no nahafantarana izany. Fambolen-kazo izay tafiditra sahady ao anatin’ny ezaka fanarenana ny firenena tontosain’ny fikambanana AFAKA. Nambaran’ity PDS teo aloha ity moa fa avy amin’ny vahoaka ny tenany ary mbola vonona ny hiverina amin’ny vahoaka raha toa ka ilaina izany. Tsy mijery loko politika i Hery Rafalimanana, araka ny nambarany ihany, fa rehefa mpitondra vonona ny hitodika amin’ny tena fampandrosoana marina dia azony hiarahana miasa avokoa. Tafiditra ao anatin’ny fototra ijoroan’ny fikambanana rahateo izany dia ny fanatsarana ny fari-piainan’ny olona isam-baravarana.
José Vianey Nanohana ara-bola an’i Andry Rajoelina
http://tiatanindrazana.com/pages/modules.php?id=3751&idcat=2
Iray amin’ireo kandida mihazakazaka ho eny amin’ny Lapan’i Mahazoarivo i José Vianey, fantatry ny maro koa amin’ny solon’anarana hoe : “Vijo”.
Efa tamin’ny faramparan’ny taona 2010 no nisy fanangonan-tsonia nataon’ny mpiara-dia aminy, nitety an’i Tsimbazaza sy Anosikely, nanomana io raharaha io. Hatramin’ny faran’ny herinandro teo dia fantatra fa tsy vitsy ihany koa ireo vondrona politika manolotra ny anarany amin’i Andry Rajoelina, ho Praiministry ny marimaritra iraisana. Anisan’ireo nanolotra azy ny tariky ry Raharinaivo Andrianatoandro, izay mitonona ho Tiako I Madagasikara ara-dalàna. Ny tantara tsy fanadino. Ny fiandohan’ny taona 2009, fotoana mbola nampamaivay ny hetsi-panoherana ny fitondrana Marc Ravalomanana, notarihin’i Andry Rajoelina, Ben’ny tanànan’Antananarivo tamin’izany fotoana, dia anisan’ny nanohana ara-bola izany i José Vianey, filoha nasionalin’ny antoko RAM. Nisy taratasim-bola amin’ny anarany, misy sora-bola iray tapitrisa dolara mahery nalefa amin’ny anaran’i Andry Rajoelina tamin’izany.
Mazava loatra fa fandraisana anjarany tamin’ireny hetsika ireny io. Io no fantatra, fa tsy hay raha nisy hafa koa tany. Nanao sesitany ny tenany tany ivelany tany rahateo moa ity diplaomaty, solontenan’i Madagasikara teo anivon’ny Unesco ity, taorian’ireny raharaha 2002 ireny, ka mety tsy hahagaga ny amin’izany. Safidy rahateo ny azy, saingy ampy ilazana fa nandray anjara mivantana tamin’ny fanonganam-panjakana i Vijo. Koa raha resahina fa mamaly ireo fepetra takiana amin’ny praiministry ny marimaritra iraisana izy, dia minia mikipy manoloana ny zava-nitranga ihany izany.
rov@higa
Derniers Commentaires