Overblog Suivre ce blog
Editer l'article Administration Créer mon blog
rov@higa

SERASERA, TENY MALAGASY : 13/04/11

13 Avril 2011, 22:17pm

Publié par rovahiga

 

Resaka fifidianana «Aza maimaika !», hoy i Manandafy

 

http://tiatanindrazana.com/uploads/manandafy_rakotonirina_(7).jpg

 

http://tiatanindrazana.com/pages/modules.php?id=3947&idcat=2&une=1

Niangavy mafy ny mba hihaona amin’ny ankolafy telo, ny delegasion’ny OIF tarihin’i Hugo Sada rehefa avy nitety ireo lehiben’ny andrimpanjakana najoron’ny FAT, nanomboka tamin’i Andry Rajoelina, nanamafy ny fanohanany izao tetezamita izao, sy ny fankasitrahany ny sori-dalana ka hirosoana amin’ny fikarakarana fifidianana amin’izay hamaranana ny krizy.

Tsy nanda ny fihaonana ny ankolafy Ravalomanana. Nihaona teny amin’ny Carlton ny roa tonta omaly hariva. Efa nataon’ny ankolafy Ravalomanana an-tsoratra ny votoatin’ny resaka hifanaovany amin’ity delegasiona vahiny ity, tsy hisian’ny resaka mifandiso na koa fandikana vilana, ary dia natolotra an-tanana. Andriamatoa Manandafy Rakotonirina, filoha nasionalin’ny antoko MFM sady filoha mpiara-mitantana ny ankolafy Ravalomanana no manao sonia ny taratasy, izay nilaza tamin’ny fomba diplaomatika fa tsapa ny fitadiavam-bahaolana amin’ny krizy eto Madagasikara ataon’ny OIF, anisan’izany ny tokony hikarakarana fifidianana malalaka, mangarahara, eken’ny rehetra hamaranana tanteraka ny krizy.

Na izany aza dia ny fehin-kevitry ny Troika SADC no fantatray sy mbola tananay, ka aoka aloha aza maimaika manao sarety mialoha omby, hoy i Mananadafy. Lavinay, koa hoy izy, ny fikarakarana samirery fifidianana ataon’ny FAT. Na izany aza anefa, hoy ny ankolafy Ravalomanana dia antenaina fa hanao tolotanana ny OIF amin’ny fikarakarana fifidianana eo ambany fiahian’ny Firenena Mikambana.

 

Famonoana dokotera tao Toamasina Miala any sahady ny sakantsakana sy fandrahonana

http://tiatanindrazana.com/pages/modules.php?id=3945&idcat=6

Mbola resabe ao Toamasina ny famonoana tamin’ny fomba feno habibiana ny Dr Laivao. Ao anaty fanadihadiana lalina ny polisy amin’ireo 12 efa voasambotra, izay mety mbola hitatra. Rahampitso alakamisy no mety hiakatra fampanoavana ireo 12 voarohirohy, ahitana dokotera, mpitsabo mpanampy, miaramila misotro ronono, olon-tsotra ary mpiasan’ny Colas miasa amin’ny RN2. Re anefa izao fa misy sahady ny fandrahonana sy fanakantsakanana ny tsy hahavitana ny famotorana. Tapa-kevitra hatramin’ny farany anefa ny polisy sy ny zandary, fa tsy maintsy hivoaka ny marina.

Ny fikambanan’ny dokotera ao Toamasina, tarihan’ny filohany Ratiarison Nestor koa nitaky ny hamoahana ny marina rehetra sy hanasaziana izay nahavanon-doza manodidina ity nahafaty ny naman’izy ireo ity. Tsy ny mpanao fanadihadiana ihany no tratry ny fandrahonana izao, fa lasibatra hatramin’ilay olon-tsotra nanome ny fiarany hanaovana ny fanarahan-dia ny jiolahy tamin’ny lalam-pirenena faha-2 ihany koa. Nanomboka ny alakamisy lasa teo dia mahazo fandrahonana tsy miato ity olon-tsotra tsara sitrapo ity, ka mahazo antso toy hoe “anjaranao sy anjaranareo indray izao ny manaraka”. Tsy misy mihemotra eto, hoy ny mpitandro ny filaminana. “Ny marina tsy mba maty”, hoy kosa ireo fianakavian’ny maty sy ireo mpiara-miasa aminy. “Tsy maintsy mamita ny saziny, izay mety ho sazy mandra-pahafaty no miandry ireo mety nahavanona sy mpiray tendro aminy raha ny lalàna malagasy no arahina”, hoy kosa ireo mpahay lalàna miandry ireo voarohirohy tamin’ity raharaha hiakatra eo aminy tsy ho ela ity.

 

SECES Mivaha ny olana ara-bola vao miditra ny mpianatra

http://tiatanindrazana.com/pages/modules.php?id=3951&idcat=6

«Tsy mbola voavaha ny fitakianay matoa izahay nanatanteraka ity «Conseil National» ity», hoy Rasoamiaramanana Armand, filohan’ny SECES. Nambarany anefa fa misy tsirim-panantenana ihany ny fahitam-bahaolana raha ny fihaonana nataon-dry zareo niaraka tamin’ny minisitra vaovao sady filohan’ny Oniversiten’i Mahajanga, Rabesa Zafera Antoine. «Miankina amin’ny fanatanterahan’ny fanjakana amin’ny fomba haingana ny anjara andraikiny ny daty fidiran’ny Oniversitem-panjakana manerana ny Nosy taom-pianarana 2010-2011», hoy ny SECES. Mikasika ny raharaham-pirenena dia nanambara ny SECES fa « tsy misy zavatra miova ny amin’ny famahana ny krizy eto amin’ny firenena ankehitriny, mihitsoka tanteraka isika ary mbola miha mitombo aza ny fahantrana, ny fandriampahalemana tsy ahitam-bahaolana.

Hita fa mihavery ny fiandrianam-pirenena fa miditra manelanelana daholo izao fikambanana samihafa izao. Endrika vaovao hamerenana ny fanagiazana ara-politika sy ara-toekarena ny Malagasy mitovy amin’ny any amin’ireo tany Afrikanina hafa ny zava-misy, tena fiverenan’ny fanjanahantany amin’ny endriny vaovao. Variana amin’ny krizy misy ny Malagasy fa ao ambadika ry zareo vahiny mitrandraka ny harem-pirenena. Mitaky ny handraisan’ny fitondram-panjakana andraikitra ny amin’izany ny SECES, mitaky ihany koa ny hampitsaharana ny fanosihosena ny zon’ny Malagasy fa «izahay dia handray ny andraikitra tandrify anay».

Tsy hisy taom-pianarana misokatra eny amin’ny Oniversite 6 eto amin’ny Nosy raha tsy voavaha ny fitakiana nataonay, hoy ry zareo ao amin’ny SECES na ny Sendikan’ny mpampianatra mpikaroka eny amin’ny sampam-pampianarana ambony omaly nandritra ny famaranana ny Filankevi-pirenena nataon-dry zareo nandritra ny roa andro teny Ankatso.

 

Monja Roindefo: Mitohy ny fanatonana ny ankolafy telo

http://www.basyvava.com/2011/04/13/monja-roindefo-mitohy-ny-fanatonana-ny-ankolafy-telo/

Nanomboka tamin’ny fanamarihana ny datin’ny 29 martsa lasa teo izay fahatsiarovana ny tolona nataon’ireo mahery fo tamin’ny 1947 no nahitana an’andriamatoa Monja Roindefo, praiminitra teo aloha sy filoha mpitarika ny antoko Monima amin’izao niaraka tamin’ny ankolafy telo (ankolafy Ravalomanana sy Ratsiraka ary Zafy Albert) nanatitra fehezam-boninkazo. Taorin’io dia maro ireo mpikambana tao amin’ny ankolafy telo no tsy nankasitraka ny fiarahana amin’andriamatoa Monja Roindefo. Anisan’izany andriamatoa Manandafy Rakotonirina avy amin’ny ankolafy Ravalomanana. Ny antony moa dia ny fanagadrana ireo mpikambana teo amin’ity ankolafy ity ihany fony andriamatoa Monja Roindefo praiministra niaraka tamin’ingahy Andry Rajoelina. Na dia nisy aza anefa izany rehetra izany dia … (Araho ny rohy)

 

FIHETSIKETSEHANA TAO SOAVINANDRIANA

Nitaky ny fanalana ny CB-n’ny zandary ny mponina

http://taratramada.com/spip.php?article8841

Fanararaotam-pahefana, fihetsika mamoafady… nataon’ny kaomandin’ny Borigadin’ny zandary”. Ireo no voalaza fa anton’ny fihetsiketsehana nataon’ny mponina tao Soavinandriana, Itasy.

Fanararaotam-pahefana, fihetsika mamoafady… nataon’ny kaomandin’ny Borigadin’ny zandary”. Ireo no voalaza fa anton’ny fihetsiketsehana nataon’ny mponina tao an-tampon-tanànan’i Soavinandriana, Itasy, nanoloana ny borigadin’ny zandarimaria, omaly tolakandro. Omaly ihany, araka ny fantatra, dia efa nesorina tao amin’io borigady io ity tompon’andraikitra ity. 

Raikitra ny savorovoro tao an-tampon-tanànan’i Soavinandriana Itasy, omaly. Nitangorona teo anoloan’ny tobin’ny zandary sy teo amin’ny fivondronana ny olona tany an-toerana. Fitakiana ny hamoahana tovolahy roa nosamborin’ny zandary sy fitakiana ny hamoahana ny kaomandin’ny … (Araho ny rohy)

 

Ankolafy telo: « Tsy ho ela ny tetezamita tena izy »

http://www.taratramada.com/spip.php?rubrique7#

Tsy hiandry ny fivorian’ny Sadc ny fananganana ny tetezamita iraisana sy tenierana. Efa eo amin’ny fampitoviana hevitra ny ankolafy telo ka ho fantatra rahampitso (anio) izany”, hoy ny depiote Mektoub tao amin’ny Magro Behoririka, omaly. Mety hiara-dalana amin’izy ireo ve izany i Monja Roindefo sy Raymond Ranjeva ?

Ho an’ny ankolafy telo, efa lany andro ny fitondrana Rajoelina. “Tsy ara-dalàna ny tetezamita ary efa naneho ny tsy fankatoavany izany ny amerikanina ka tsy misy intsony ny sakana”, hoy ihany izy.

Etsy andaniny, nambaran’i Olivier Rakotovazaha fa na hikoropaka aza ny Fat tsy … (Araho ny rohy)

 

rov@higa


Commenter cet article