Overblog Suivre ce blog
Editer l'article Administration Créer mon blog
rov@higa

SERASERA, TENY MALAGASY: 11/02/11

11 Février 2011, 23:00pm

Publié par rovahiga

Komity Firaisan-kiana amin’ireo iharan’ny tsy rariny

Hanohy ny tolona hamoahana ireo gadra politika 150

 

http://www.gazetiko.mg/gazetiko//images/stories/gazetiko/uneS.jpg

 

http://www.gazetiko.mg/gazetiko/

Taorian’ny fivoahany ny fonja, nihaona tamin’ireo mpanohana azy ao amin’ny Komity ho firaisan-kina amin’ireo  rehetra iharan’ny tsy rariny, Atoa Fetison Rakoto Andrianirina omaly, tetsy amin’ny hotely La  Rotonde Besarety. Nandritra izany, nanao fisaorana ho an’ireo rehetra nanohana azy tamin’izao sedra natrehany izao ny tenany. Nisy moa ny fangatahan’ireo mpikambana, ny mba hadraisany ny fanilo amin’ny fitarihana ity Komity ity. Nanaiky tsy am-pihambahambana ny … (Suivre le lien)

 

Ankolafy Ravalomanana Toamasina Tsy maintsy mandresy ny marina !

http://www.tiatanindrazana.com/pages/modules.php?id=3487&idcat=2

«Tsy maintsy mandresy ny marina, na vava basy sy fampihorohoroana amin’ny fanagadrana aza no setrin’ny fitakiana hisian’ny fitoniana ara-politika izay efa mihoatra ny zakan’ny vahoaka ny zava-misy ankehitriny». Izay no nambaran’ny ankolafy Ravalomanana Toamasina, entiny … (Suivre le lien)

 

Mitady vary ny FAT Tranombarotra fito natao «perquisition»

http://www.tiatanindrazana.com/

Nanao be midina tao Toamasina, araka ny baiko niainga avy eny Ambohitsorohitra, ekipan’ny prezidansy niaraka tamin’ny miaramila avy amin’ny FIS sy ny Emmo-Nat ary ny FIP ary ny Talen’ny varotra Toamasina, nisava sy hanao fanagiazana ireo vary ao anatin’ireo magazain’ireo mpamongady sy mpanafatra vary.

Nisy mihitsy noho izany ny fakana antontan-taratasy hanaovana «perquisition» nataon’ity iraka manokana ireto teo anivon’ny fampanoavan’ny fitsarana ambaratonga voalohany tao … (Suivre le lien)

 

«Justice et Paix» Mitaky ny hitsarana ireo «Grands Dossiers»

http://www.tiatanindrazana.com/pages/modules.php?id=3495&idcat=2

Mitohy hatrany ny fanehoan-kevitra taorian’ny nahatsiarovana ny faharoa taonan’ny 7 febroary. Ho an’ny fikambanana katolika «Justice et Paix», ohatra, dia nambaran’ny Sekretera jeneraliny, ny mompera Alain Thierry Raharison fa tokony hisy ny rafi-pitsarana manokana hatsangana hitsara sy hikaroka ny marina rehetra momba iny raharaha iny.

Be loatra mantsy ny adihevitra amin’ilay izy, ary samy milaza ho … (Suivre le lien)

 

Governemanta vaovao: Minisitra telo no efa mihozongozona ny toerany

http://www.gazetiko.mg/gazetiko/index.php?option=com_content&task=view&id=14513

Nahafahana nanao tsoa-koevitra ny zava-nitranga nandritra ny filan-kevitry ny minisitra, tamin’ny 9 febroary.

 Taorian’ny nanalàna an’Ing Noëlson William tsy ho minisitry ny Asam-panjakana dia manitikitika ny fanontaniana hoe: Iza indray ny manaraka? Toy izany koa ny hoe: Mihevitry ny hanova mpikambana maromaro ao amin’ny governemanta ny mpitantana ny tetezamita sa ireo minisitra heverin’ny fanjakana fa tsy nahavita araka ny tokony ho izy ny … (Suivre le lien)

 

MPANAO POLITIKA:Toa lany andro mamorona rafitra

http://www.taratramada.com/spip.php?rubrique7#

Nateti-piavy ny karazam-pivoriana ataon’ireo mpanao politika. Tsy mbola nifantoka tamin’ny tena famahana ny olam-bahoaka ny resak’izy ireo, isaky ny mivory. Lany andro manao fandaminana anatiny sy manendry rafitra hatrany izy ireo. Ratsy endrika eo amin’ny olom-pirenena foana ny mpanao politika.

Nandamina sy nandrafitra ireo Vaomiera telo ao anatiny, afakomaly, ireo mpanao politika ao amin’ny Escopol nivory teny Ambatoroka, taorian’ny fifanenjanana tamin’ny … (Suivre le lien)

 

FIFANOLANANA CSM – SMM: Ny Filankevi-panjakana no tompon’ny teny farany

http://www.taratramada.com/spip.php?rubrique7#

Ny Filankevi-panjakana no tompon’ny teny farany amin’ny fitorian’ny Sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara (Smm) amin’ny fampiatoana ny fampiharana ny fanalavana ny fotoam-piasan’ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara (Csm). Amin’ny16 febroary ho avy izao ny fotoam-pitsarana, andrasana izay ho didim-pitsaran’ny Filankevi-panjakana amin’izany. Fitoriana faharoa izao nataon’ny Smm izao, izay napetrany afakomaly. Ny voalohany dia efa namoahan’ny Filankevi-panjakana didim-pitsarana tamin’ny … (Suivre le lien)

 

DISTRIKA ANDRAMASINA : « Mbola 100% amin-dRavalo… »

http://www.taratramada.com/spip.php?rubrique7#

« Mbola manohana ny Filoha Ravalomanana 100% izahay » hoy ireo solontenan’ny vahoakan’ny disitrikan’Andramasina, taorian’ny nidiran’ny Filoha Ravalomanana an-telefaonina tao Alarobia Vatosola, afakomaly. Notsikeran’izy ireo anefa ny olona sasany manodidina ny Filoha any amin’ny isan’ambaratongany, anisan’ny nampahazo vahana ny fanonganam-panjakana teto. « Tsy ankasitrahanay intsony ireo olona ireo, indrindra ny sasany aty aminay… Na izany aza, tsy mbola hadinonay ny … (Suivre le lien)

 

rov@higa

 

Commenter cet article