Overblog Suivre ce blog
Editer l'article Administration Créer mon blog
rov@higa

SERASERA, TENY MALAGASY: 07/02/11

7 Février 2011, 21:00pm

Publié par rovahiga

http://www.matv.mg/wp-content/uploads/2011/02/73.jpg

 

Fitariham-bahoaka an-dalambe: Ho samborina i Zafy Albert ?

http://www.basyvava.com/2011/02/06/fitariham-bahoaka-an-dalambe-ho-samborina-i-zafy-albert/

Politika fampangirifiriana ataon’izao tetezamita izao ny ray aman-dreny Zafy Albert, ka miantso ny vahoaka hidina an-dalambe. Ho fongorana hatramin’ny farany ity tetezamita nandroba fahefana ity hoy izy, ary tsy avela ho raraka an-tany ireo ran’ny mpiray tanindrazana latsaka tamin’ny 7 febroary. Ampamoaka goavana no nataon’ny filoha Zafy Albert, ary nataony ho ren-tany ren-danitra ny halatra toy ny bois de rose ataon’i Andry Rajoelina izay haondrany any ivelany, ka tera-tany sinoa any Shangai no manao kopaka hiaraha-mihinana amin’izany. Horonan-tsary navoakany tao amin’ny Carlton io. Tsy hiara-hidika amin’izao tetezamita izao intsony ihany koa izy satria efa nolaviny teo imason’izao tontolo izao ny fametrahana azy ho filohan’ny tetezamita tamin’ny fifanarahana natao tany Maputo sy Addis Abeba ireny...............

Ireo herisetra nataon’ny fitondrana ankehitriny no hamongorana hatramin’ny farany ity fitondrana FAT ity hoy ihany ny Pr Zafy Albert. Mandany andro, izay mbola mihevitra hiara-hidinika amin’ity fitondrana efa tsy mahita rirany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ity, hoy izy, ary ny samy malagasy amin’izay no handamina ny raharaha rehetra eto. Ampy ihany koa izay ny fibodoana seza ataon’ny mpanao politika, izay mampitondra takaitra ny vahoaka, satria toa tsy mihevitra afa-tsy ny tombon-tsoany ireo olona ireo. Hitarika ny tolona manomboka izao ny Pr Zafy Albert, ary tsy avelany raha tsy mipetraka ny ara-dalàna. Raha io fanambarana nataon’ny ray aman-dreny Zafy Albert io, dia mihevitra ny maro, fa hanao sorona ny ainy amin’ny fiovana ny tenany. Midika ve izany fa handray ny andraikiny toy ny fanaony mahazatra ihany koa ity FAT ity amin’ny fisamborana ireo ambara ho mpanakorontana ? Ho hita eo, fa rehefa tsy misy marimaritra iraisana teto, dia ny fidinana an-dalambe hatrany no setriny. Miandry ny havoakan’ny anio isika.

 

 

HETSIKY NY MPITONDRA FIVAVAHANA

MIANTSO FIARAHAMIENTANA MANOLOANA NY ASAN’NY RATSY

http://collectif-gtt.org/

Tsy niveri-maina ary nahatsiaro ho nahazo tombony be ireo rehetra tonga niatrika ny fanompoam-pivavahana izay nokarakarain’ny hetsiky ny mpitondra fivavahana (HMF) androany teny Antsahamanitra. Tamin’ity fotoana ity mantsy no natolotra ny vahoaka ny “feuille de route na ny tara-dàlana” avy amin’Andriamanitra, dia ny teniny izany. Ity tari-dàalana ity dia ahitana toromarika efatra izay hany làlana hahafahana mivoaka ny krizy. Natao niavaka kely mihitsy moa ny fotoana androany satria dia nahazo fampianarana roa be izao ireo mpino niatrika ny fotoam-bavaka. Ny iray nentin’ny mpitandrina Philibert Ramamonjisoa, ny iray kosa nentin’ny mpitandrina Valisoa Rafanonerantsoa, ilay mpitandrina nigadra am-bolana maromaro, izay voafehy amin’ilay 3F na ny Fitiavana, ny Fahamarinana ary ny Finoana.

 

Place de la Bastille (Parisy) Nanakoako ny feon’i Marc Ravalomanana

http://tiatanindrazana.com/pages/modules.php?id=3436&idcat=2&une=1

Ambohipihaonan’ny Malagasy mila ravinahitra any Eoropa, indrindra i La Frantsa, manohitra ny fitondrana teraka tao anaty fanonganam-panjakana, teo amin’ny Kianjan’ny la Bastille ao Parisy ny tolakandron’ny sabotsy 05 febroary lasa teo.

Ireo nifandimby nandray fitenenana dia nanamafy ny fanohanan’izy ireo ny hetsi-bahoaka ao amin’ny Magro mitaky ny fiverenan’ny filoham-pirenena Marc Ravalomanana an-tanindrazana, ho fiarovana ny safidim-bahoaka ny taona 2006. Nisy mihitsy aza ny antso hanaovana hetsika toy ny mitranga any amin’ny faritr’i Maghreb amin’izao fotoana. Ny sasany indray nilaza fa tapi-dalan-kaleha tamin’ny fikatsahana fankatoavana iraisam-pirenena ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, ary mitaky mihitsy ny fialan’i Andry Rajoelina sy ireo mpiara-dia aminy. Nanamafy izany ireo sorabaventy tazana nirenty tao an-toerana nandritra ity hetsika izay nokarakarain’ny GTT (Gasy Tia Tanindrazana) ity. Anisan’ny nandray fitenenana tamin’ity hetsika ity ny senatera Naika Eliane.

Fa niditra an-tariby nivantana ary re nanakoako tao amin’ity Kianja la Bastille ity Atoa Marc Ravalomanana io sabotsy io. Nitondrany fanazavana ny amin’ilay sori-dalana naroson’ny Dr Leonardo Simao, nahabe resaka teto, ka nilazany fa na ny Vondrona Afrikana, na ny SADC na ny filoha Chissano dia samy tsy nisy nahalala ny fisian’iny taratasy lazaina fa mirakitra ny sori-dalana hivoahan’i Madagasikara amin’ny krizy iny. Tamin’ny teny hentitra no nilazan’Atoa Marc Ravalomanana fa «tsy hanao sonia izany taratasy tsy fanta-piaviana izany» ny tenany. Nohamafisiny nandritra io fidirany mivantana io koa ireo fitoriana napetrany teo anivon’ny Fitsarana malagasy taorian’ireo fieken-keloka nataon’ny lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina sy ny jeneraly Noël Rakotonandrasana.

Niantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena moa ny tenany, mba hihevitra izany ho zava-dehibe, indrindra amin’ny fikatsahana vahaolana handaminana ny krizy eto Madagasikara. Araka ny fantatra dia tonga nanatevina ity hetsiky ny GTT ity koa ireo vondrona Panafrikana raha tokony hihazo ny «Place de la République». Tamin’izany no nanakianan’ny ministry ny raharaham-bahin’i Gabon teo aloha, sesitany any Frantsa, ny fihetsiky ny filoha frantsay Nicolas Sarkozy sy ny Frantsafrika mikasika an’i Afrika ka ao anatin’izany i Madagasikara. Nanamafy ny GTT fa tsy hitsahatra ny hetsika ataon’izy ireo raha tsy mirodana ny fitondrana tondroin’izy ireo fa “tsy refesimandidy” tarihin’i Andry Nirina Rajoelina.

 

7 Febroary

http://tiatanindrazana.com/pages/modules.php?id=3440&idcat=9

Dingana iray goavana tamin’ny revolisionina volomboasary notarihan’i Andry Rajoelina ny tamin’ny sabotsy 7 febroary 2009, niainga teny amin’ny kianjan’ny 13 ireo nantsoina hoe mpitolona tamin’izany fotoana, ary nanana tanjona ny hiakatra eny amin’ny lapam-panjakana Ambohitsorohitra. Tsy nanaraka ny daholobe i Andry Rajoelina tamin’io fotoana io fa nandeha nody avy hatrany vantany vao vita ny hetsika teny an-kianja. Ny jeneraly Rasolosoa Dolin, niaraka tamin’i Monja Roindefo ary ny mpanentana Sareraka no nitarika ny olona hiakatra teny Antaninarenina. Nanjavozavo ihany ny anton’ny dia, fa ny nalaza tamin’izany dia ny hametraka ny praiministra ao an-dapa, ary hanao sit-in manolona io lapa io ihany koa. Nisy ny fifampiresahan’ireo nitarika ny olona tamin’ny tompon’andraikitry ny mpitandro ny filaminana. Nahitsy sy nazava ny tenin’ireto farany : “Miverena ianareo, resaho ny olona miaraka aminareo mba hiparitaka, fa faritra mena ity, ary tsy azo atao ny miditra ao anatiny, na ahoana na ahoana mety ho antony !”.

 

Tazana niverina avy eo ny jeneraly Dolin saika hifampiresaka mivantana tamin’ireo andian’olona teny Antaninarenina izay maro no hita sy tsikaritra fa efa romodromotra sy tahaka ny nentin-javatra izany. Tsy tanteraka anefa io fampitam-baovao io, satria nisy ny olona nanao hiaka tokana hoe : “andao amin’izay e !”. Dia nirohotra ny olona nihazakazaka hiditra ao amin’ny lapa, ary nirefotra ny basy. Maro be ny resaka momba azy io. Nisy ny nilaza fa toerana maromaro no niavian’ny tifitra, dia avy ao an-dapa, avy aty aoriana tao anatin’ireo olona, tamin’ny sisiny roa amin’ilay arabe. Maro no voatifitra, nisy ny maty tsy tra-drano, tao ireo naratra sy tena voa mafy, tao ny mbola afaka nihazakazaka nitsoaka ihany na dia tratry ny taim-bala aza. Korontana sy savoritaka ny teny Antaninarenina sy ny manodidina. Haingana be ihany koa ny fandehan’ny raharaha, ary nampiasa ny fahaiza-manaony ny haino aman-jery miara-dia amin’i Andry Rajoelina nilaza sy nandresy lahatra ny rehetra fa namono olona ny fitondrana Ravalomanana ka tsara aminy ny miala avy hatrany.

 

Ny ampitson’io, izany hoe ny 8 febroary no nametra-pialana ny minisitry ny fiarovana tamin’izany, Rtoa Cécile Manorohanta, izay nahazo toerana tao amin’ny governemanta Roindefo taty aoriana. Nitarika fametraham-pialana na fanolona ministra sy tompon’andraikira ambony maro teo amin’ny fitondrana tamin’izany fotoana ny raharaha 7 Febroary, izay nitranga roa herinandro taorian’ny “lundi noir”. Efa nisy ny raharaham-pitsarana momba ity tranga ity, ary nisy ny miaramila sy zandary ary polisy nampidirina am-ponja. Atoa Ravalomanana no ambaran’ny FAT fa tena tompon’andraikitra voalohany tamin’iny raharaha iny. Tsy manaiky izany anefa ny mpomba ity filoha teo aloha ity ary manitrikitrika fa tetika maty paika efa voaomana iny. Sinema no natao, ary maro ny olona voakarama hiakatra teny Ambohitsorohitra, satria nosasana atidoha sy nomena toky, fa efa miaraka amintsika ny foloalindahy ary tsy misy sahy hitifitra izany eny.

 

Ny amiraly Ratsiraka koa dia efa nanamafy fa nisy olony, hono, niakatra teny nanampy an’i Andry Rajoelina. Toa manamafy izany koa ny ampamoaka nataon’ireo manamboninahitra roa mifonja eny Tsiafahy. Nitsefotra anefa ilay ampamoaka, hatreto aloha, satria taorian’ilay izy dia vao niha mafy orina ny toeran’i Andry Rajoelina amin’ny maha filohan’ny tetezamita azy. Ny ONU aza manaiky azy hanatrika ny fivoriambeny amin’ny septambra any New York. Ilay fikambanan’ny niharamboina kosa, ny AV7 io, dia nikorontana sy nisavorovoro noho ny resa-bola. Mibaribary ihany koa ny ady seza tamin’ireo mpitarika. Roa taona katroka taorian’ny 7 febroary 2009 dia tsy mbola tafavoaka ny ala mikitroky ny krizy sy ny fahasahiranana i Madagasikara. Resaka sy fampanantenana no betsaka hatreto, fa raha izay hoe fiovana aloha, dia tsy mbola azo tsapain-tanana.

 

Tena tsy mbola fahita 2.000 Ar ny kilaom-bary ankehitriny

http://tiatanindrazana.com/pages/modules.php?id=3435&idcat=6

Nanomboka ny zoma teo dia tafakatra 2.000 ariary ny iray kilao amin’ny fotsimbary. Ny makalioka sy ny vary gasy, izay tena tadiavin’ny mpividy ireto vary tena niaka-bidy ireo.

 

Ny vary “stock tampon” kosa mbola manodidina ny 1.400 ariary hatramin’ny 1.500 ariary ny kilao aminy. «Tsy izahay no te-hampiakatra ny vidim-bary, fa ny mpamatsy ny vary ao Ambatondrazaka mihitsy no efa tsy mamoaka intsony izao, ka izay kely mba hita ireo amidy mampiakatra ny vidiny ireo», hoy ireo mpamongady nanontaniana. Mbola nohamafisin’izy ireo aza fa «tsy mbola hitsahatra hatreo izao fiakarana izao noho ny fahavitsian’ny vary mivoaka».

 

Vokatr’izao olana ara-bary sy mahalafo ny vidiny izao, dia nanome ny heviny ireo mahay ny momba ny resaka vary ka nilazan’izy ireo fa «ny politika tsy mazavan’ny fanjakana tetezamita no anton’izao olana ara-bary izao. Raha vao tsikaritra ny olana ny taona lasa dia tokony ho efa nandraisana fepetra». Nambaran’ izy ireo koa fa «izao fitsabahan’ny fanjakana tetezamita amin’ny asan’ny mpandraharaha amin’ny fanafarana vary izao, dia vao mainka tsy hampilamin-javatra mihitsy, satria tsy hahafaly ireo tena mpandraharaha ka hisian’ny ady an-kafetsena hataon’izy ireo, ary izay vao tsy hidina intsony io vidim-bary io». Ankoatra izay, nambaran’ny teo anivon’ny mpiasan’ny ladoany Toamasina fa tsy mbola fantatra ny fotoana hahatongavan’ilay vary nohafaran’ny fitondrana tetezamita. Io vaovao teo anivon’ny ladoany io koa no nahalalana fa «na ity vary atao dokambarotra fa amidy mora ity aza dia tsy mbola niditra anaty sambo akory hatramin’izao, ary tsy fantatra ny toerana hividianana azy any ivelany, fa mbola eo am-pitadiavana azy any ireo iraka manokana nalefan’ny fitondrana FAT».

 

Commenter cet article