Overblog Suivre ce blog
Editer l'article Administration Créer mon blog
rov@higa

SERASERA, TENY MALAGASY: 01/04/11

1 Avril 2011, 23:37pm

Publié par rovahiga

Troika SADC tao Livingstone Voatsipaka ny sori-dalana, tsy nekena ny tetezamita

 

http://tiatanindrazana.com/uploads/une(41).jpg

 

http://tiatanindrazana.com/pages/modules.php?id=3879&idcat=2&une=1

Nilaza ny heviny ny Troika SADC ary namoaka fanapahan-kevitra miendrika didy taorian’ny fivoriany natao omaly.

Voatsipaka ambavafo ny Dr Leonardo Simao sy ny sori-dalany. Izay ny vaovao farany azo omaly avy any Livingstone, renivohitr’i Zambia. Efa nampoizina ihany izany satria manana ny maha izy azy ny filoha Ravalomanana izay nitondra ny tenin’ny filoha telo nifandimby, izy rahateo dia tonga nanatrika ny fotoana tany an-toerana. Voatsipaka ambavafo ihany koa ny iraky ny FAT izay efa nalefa andro maromaro nialoha ity fivoriam-ben’ny Troika ity. Tsy nahomby ny dian’izy ireo na dia teo aza ny fahaizana miresaka nataon-dRatsirahonana Norbert Lala sy ny tariny. Mazava izany izao fa notsipahin’ny Troika izay hivondronan’ny filoha Zambianina Rupiah Banda, ny filoha Afrikanina tatsimo Jacob Zuma ary koa ny filoha mozambikanina Armando Guebuza ilay sori-dalana. Izy ireo dia mitana ny sampana politika, fandriampahalemana ary filaminana eo anivon’ny firenena mpikamban’ny vondrona SADC. Ny tsy fankatoavana ity sori-dalan’ny Dr Simao ity dia midika ho tsy fankatoavana ny Governemanta Vital izay lazain’ny FAT fa iombonana ary natsangany faran’izay maika raha vao vita tetsy Ivato ny alarobia 09 martsa 2011 ny rangopohin’ny sori-dalana. Izany ihany koa dia midika ho tsy fankatoavana ny rafitra rehetra efa napetraky ny FAT toy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST) na koa ny filankevitry ny tetezamita (CT). Raha adika amin’ny teny tsotra, dia tsy nankatoavina ny fanjakana tetezamita. Tsy mahasolo sonia ny rangopohy, ary dia mbola manan-kery izay niaraka natao sonia tany Maputo sy Addis Abeba.

Raha araka ny fantatra dia nanainga ny Troika ny Filoha Ravalomanana mba handray andraikitra avy hatrany momba ny krizy eto Madagasikara. Hisy, araka ny loharanom-baovao, ny fampahafantaran’ny Troika ireo filoham-pirenena mpikambana ao amin’ny SADC ny zava-misy sy ny fandehan’ny fanelanelanana, hahafahana mandrafitra sori-dalana ifanarahana. Nandresy izany ny tolon’ny raiamandrenin’ny nosy dia ny filoha telo nifandimby, Pr Zafy Albert, Didier Ratsiraka ary Marc Ravalomanana, otronin’ny vahoaka Malagasy maro an’isa sy ireo betsimiteny. Noraisin’ireo oloben’ny firenena afrikanina ny fitarainan’izy ireo. Mizotra hatrany amin’ny tokony ho izy ny tolona mba ho fiverenan’ny…ara-dalàna.

 

Fehin-kevitry ny Troïka- Fihaonam-be an-tampony no handinihana ilay sori-dalàn'i Simao

http://collectif-gtt.org/

Nivoaka ny fehin'ny fivorian'ny Troïka. Mazava ny tari-dàlana, tsy maintsy " iraisana ny tetezamita". Mbola amporisihina ny fifampiresahana eo amin'ny samy Malagasy ary isan'ny laharam-pahamehana ny fanatanterahana ny "sommet des chefs de file". Tsy nankatoavin'ity rafitra mpanapaka eo anivon'ny SADC ity arak'izany ialy tondrozotra ntolotr'i Simao sy ny governemanta natsangana taorian'ny fanaovana rangompohy izany soridalana izany. Araky ny voalaza ao anatin'ny fanambarana farany dia hampiantso fivoriam-be eo anivon'ny SADC ny TROIKA mba handinihana ny momba an'i Madagasikara.

Mahakasika izao fanapahan-kevitry ny TROIKA izao indrindra dia nitondra fanazavana manoloana ireo mpitolona ao amin'ny Kianjan'ny Finoana Magro Behoririka ny Filoham-pirenena Marc RAVALOAMANANA :  

HENOHY NY HAFATRY NY FILOHA RAVALOMANANA ao amin’ny  http://collectif-gtt.org/  

 

Tsy misy mankato ny FATE : mijoroa ry mandatehezana

http://collectif-gtt.org/content/01042011-tsy-misy-mankato-ny-fate-mijoroa-ry-mandatehezana-vid-o

Samy nampanantenaina fankatoavana iraisam-pirenena avokoa na ireo niditra ao amin’ny governemanta na ny foloalindahy. Ireto farany dia nasaina nilamina aloha satria efa manakaiky hono ny “reconnaissance” ka hivaha ny olan’ny vahoaka. Zary laza masaka ihany anefa izany satria ny rafitra voalohany tokony hankato mihitsy no nitsipaka. Rehefa tsy ankatoavin’ny TROIKA mantsy dia lavin’ny SADC ary tsipahin’ny Vondrona Afrikana sy ny FIrenena Mikambana avy hatrany.

Sahia

Raha tena tomponandraikitra politika tokoa dia tokony sahy mandray fepetra rehefa misy ny trangan-javatra toy izao. Azo atao avy hatrany ny mametra-pialana satria ny mason-tsivana fototra mihitsy no tsy voahaja. Tsaroana etoana ny tenin’ingahy Yves Aimé hoe “tsy miditra amin’io rafitra io izahay raha tsy efa fantatray fa hahazo fankatoavana io”. Ankehitriny anefa fa mety tsy hoan-tany tsy am-parafara ihany ireto nisitaka ny tolona farany ireto satria misy ny elatra ao amin’ny HAT izay mitaky ny handravana ny goverenmanta rehefa tsy azahoana fankatoavana. Ny mpitolona koa anefa dia tsy te-hiherika azy ireo mihitsy. Mety ho zary mpanao politika “basin’ariary fito” ireo mpanaraka azy telo mirahalahy lasa minisitra ao amin’io governemanta Vital io atsy ho atsy.

 

Namana - Tolotra manaraka fepetra

http://collectif-gtt.org/content/01042011-namana-tolotra-manaraka-fepetra-vid-o

Tsy izay rehetra mitady hiara-dia akory dia raisina avokoa satria tsy azo atao ny mitsambiki-mikipy rehefa firenena no tsinjovina. Na izany aza tsy azo lavina ny fahamarinan’ny fahendren’ny Ntaolo hoe : “izay be no basy”. Ny basy koa mila mitodika any amin’ny haza fa tsy mikendry izay hahafaty ny namana. Izany hoe mila ampitoviana tsara  aloha ny tanjona sao hifandripaka anaty eo rehefa tafaraka. Io no tena ilana ny fahaiza-mandrindra avy amin’ireo Raiamandreny mpitari-tolona rehetra. Hatreto aloha dia ny famerenana ny Filoham-pirenena RAVALOMANANA Marc no tanjon’ny vahoaka ka niaretany teny an-kianja roa taona mahery izao.

Rehefa izay tanjona izay no iombonana dia azo atao ny miara-dalana saingy tsy maintsy miaiky ny helony aloha raha mpanao politika avy amin’iny lalana iny no hiverina amin’ny ara-dalàna. Isan’ny antoka iray ilain’ny vahoaka tsy mandady harona izany ahafahany mino fa tsy handetika tolona fa hiasa miaraka amin’ny famerenana ny ara-dalàna eto amin’ny Firenena.

 

Tanoran’i Marc Ravalomanana «Tsy vahaolana ny fizirizirian’olon-tokana»

http://tiatanindrazana.com/pages/modules.php?id=3878&idcat=2

Nanavao ny birao mpitantana azy ny Tanoran’i Marc Ravalomanana. Nanangana komity mpandrindra nasionaly vonjimaika izy ireo hahafahany miatrika kokoa ny fanatanterahana ny tanjony. Tsy inona fa ny famerenana ny filoha Ravalomanana an-tanindrazana, izay hany toavin’izy ireo ka andraisana toromarika, ary koa ny fampandaniana azy indray amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy. Manamafy ny fitakiana efa nataony ny TMR dia ny hamoahana tsy misy fepetra ireo gadra politika rehetra mba hisian’ny fitoniana politika sy hilaminan’ny fiarahamonina. Mampahatsiahy koa izy ireo fa tsy vahaolana velively ny fizirizian’olon-tokana hitondra samy irery ny firenena Malagasy, fa fifanarahan’ireo ankolafin-kery tsy ankanavaka irery ihany no ahafahana mametraka tetezamita tena izy, sy manatanteraka fifidianana malalaka, mangarahara, eo ambany fanaraha-mason’ny fianakaviambe iraisam-pirenena.

 

Fitsarana Politika !

http://tiatanindrazana.com/pages/modules.php?id=3880&idcat=9

Rehefa avy notanana am-ponja vonjimaika nandritra ny 15 andro noho ny fanadihadiana tsy maintsy natao taminy dia nomen’ny fitsarana fahafahana vonjimaika i Mamy Rakotoarivelo sekretera jeneralin’ny TIM sady mpitarika ny ankolafy Ravalomanana. Fiaikena heloka nataona olona roa moa izay nanamafy sy nanambara fa izy no naniraka azy ireo hikarakara ny fitaovana rehetra tamin’ilay fanapoahan-javatra teny amin’ny Marais Masay ny alakamisy 02 martsa, ka nifofoana ny ain’ny filohan’ny tetezamita, no nisamboran’ny DST avy hatrany an’i Mamy Rakotoarivelo. Nambara fa niaiky heloka izy mirahalahy nandray anjara mivantana tamin’ny fanamboarana ilay baomba, na dia nandà mafy ny amin’ny maha meloka azy ireo aza ny fianakaviany fa tsy nihaino izany ny fitsarana fa nanohy hatrany ny fanadihadiana ary dia nampiditra teny Antanimora ireto niaiky ny heloka nataony ireto. Niteraka adihevitra be ity raharaha ity satria maro loatra ny zavatra manjavozavo taminy sady nifanandrify tamin’ny fanendrena ny praiministry ny marimaritra iraisana koa moa ilay izy, koa maro no nieritreritra fa nisy nidiran’ny resaka politika ny raharaha Marais Masay sy Mamy Rakotoarivelo.

Efa nahatalanjona ny rehetra aloha ilay hoe fanadihadiana roa samihafa no natao, dia ny nataon’ny zandary sy ny DST izany, ary araka ny fantatra dia samy hafa ny zavatra hitan’ireo fanadihadiana ireo, saingy nanamafy moa ny manampahefana fa afaka nifameno tsara ny vaovao azo fa tsy nifanipaka izany. Manaraka izay dia nahagaga ihany ilay fisamborana faran’izay haingana ireo nambara fa nandray anjara tamin’ilay teti-dratsy sy ny tonga dia naneken’izy ireo avy hatrany ny zavatra nataony. Naverimberina tamin’ny haino aman-jery io fieken-keloka io, mba hilazan’ny mpanadihady angamba, fa tena azo antoka ny fahamarinan’ny fanambarana sy ny fiaikena heloka. Ny nahagaga indray anefa dia hoe nomena fahafahana vonjimaika i Mamy Rakotoarivelo izay nambara fa atidoha nikotrika sy fikasana hamono ny filohan’ny tetezamita.

Ka mipetraka eto ny fanontaninana hoe : f’angaha tsy efa azo antoka indray fa marina sy mitombina ny fiaikena heloka nataon’ireo voarohirohy mirahalahy, sa nisy zava-baovao, ka hambara indray afaka andro vitsivitsy rehefa atao ny fitsarana fa nafahana noho ny fisalasalana na noho ny tsy fahampian’ny porofo i Mamy Rakotoarivelo ? Fanamarihana fahatelo manitikitika ny sain’ny maro dia ny hoe samy nanao «aveu» izy mirahalahy voarohirohy tamin’ny raharaha Marais Masay sy ny lietna kolonely Charles Andrianasoavina niampy ny jeneraly Noel Rakotonandrasana izay samy nanamafy fa fanonganam-panjakana no natao teto tamin’ny 2009, kanefa nahoana no nekena sy noraisina avy hatrany ny an’iretsy roa voalohany, fa nambara kosa fa tsy salama saina ary tsy tompon’ny tenany ny lietna kolonely Charles ka dia tsy azo raisina sy tsy misy lanjany ilay taratasy fiaikena heloka nataony ? Atao ny fanovana governemanta avy eo dia tafajanona tsara amin’ny teorany ny minisitry ny fitsarana izay anisan’ny nahazo fanakianana be indrindra tamin’ireo mpikambana tao amin’ny governemanta ? Hafahafa izany rehetra izany ary tokony hampieritreritra ny tsirairay hoe : mandeha araka ny tokony ho izy ihany ve ny raharaham-pitsarana eto Madagasikara amin’izao fotoana sa tena fitsarana politika marina araka ny ambaran’ny mpanohitra no misy eto, ka izay baiko avy any ambonimbony any ihany no tanterahanan’ny mpanao fanadihadiana sy ny mpitsara ?

 

Fivorian’ny Troïka-Krizy eto Madagasikara

http://www.gazetiko.mg/gazetiko/

Mbola hiantso fihaonana an-tampony tsy ara-potoana vao hanapa-kevitra

Nifarana omaly tany Livingstone Zambie ny fihaonana an-tampony nataon’ny Troika eo anivon’ny SADC.  Tamin’izany no nivoahan’ny fehinkevitra ofisialy momba ity fihaonana ity.  Mikasika an’i Madagasikara manokana,  nohamafisin’ny Troïka ao amin’ny andininy faha 5 amin’ity fehinkevitra ity ny tokony hamerenana ny firenena malagasy ao anatin’ny rafitry ny ara-dalàna. Ankoatra izany, nambaran’izy ireo fa tsy tokony hisy ny fampiasan-kery eo amin’ireo mpanao politika mandritra ny Tetezamita. Eo ihany koa ny tokony hiarovana ny zavatra efa vita nandritra ny … (Suivre le lien)

 

Firafitry ny governemanta : Mety hisy fanovàna atsy ho atsy !

http://www.courrierdemada.com/mg/index.php?option=com_content&view=article&id=15318:firafitry-ny-governemanta--mety-hisy-fanovana-atsy-ho-atsy-&catid=50:malagasy&Itemid=80

"Raha toa ka tsy hahazo ny fankatoavana ireo governemanta vao najoro ireo, dia mety handrava izany ny filohan'ny HAT, ka hametraka avy hatrany ny ekipany izay tsy mbola azony napetraka noho ny fifanarahana politika izay natao, kanefa kosa somary mifanipaka amin'ilay sori-dalana", hoy ny mpanao politika iray izay efa tsy zoviana amin'ny maro. Notsipahan'ny filohan'ny tetezamita avokoa hoy ity farany ireo ministra izay niaraka taminy teny amin'ny kianjan'ny 13 May, na izany aza dia mety hametraka ireo governemanta izay tena mifanaraka amin'ilay sori-dalana izy aorian'ny tsy fahazoan'ireto vao notinendry ny fankatoavana iraisam-pirenena.

Mety hitombina ihany ny filazana fa mety hisy fanovana mpikambana ao amin'ny governemanta, manomboka any amin'ny Praiministra ka hatrany amin'ireo minisitra isan-tokony indray atsy ho atsy. Na dia efa miasa aza mantsy ireto mpikambana ao amin'ny governemanta iraisana ireto dia … (Suivre le lien)

 

 

rov@higa


 

Commenter cet article