SAO TSY HO ZAKA E ?

Publié le par rovahiga

http://mouvmada.infosmada.com/wp-content/uploads/2010/12/20101201-DemandeLiberteProvisoire-2.jpg

Photo: infosmada.com

 

Mikorontan-tsaina tanteraka ny mpomba and-Rajoelina, ka atao daholo ity tsy fanao rehetra ity. Raha tena misaina kely fotsiny mantsy dia tokony hiaiky fa manaraka ny ara-dalàna ihany no vaha olana hafahan-dr’I zareo hanavotra ny tenany. Efa izao tontolo izao no manara-maso izay ho fihetsiky ny tsirairay nanomboka tamin’ny fotoana nahavitana sonia ilay tondro zotra teo, ka tsy vitan’ny hitsara izy ireo fa hanafahy koa raha vao misy mitsivalam-pandry eo.  Nefa moa zatra lalàn-dririnina ny anao ka ho hita eo ny ho tohiny.

Ela nitoratorahana ihany koa ry zareo ireo, ela namandrim-pandrihana, ela nitavatavahana ka mihevitra ho andriamanitra kely mahay mandatsa-baratra sy ho tompon’ny aina, ka ho tonga ihany ny tena ho famaizana azy ireo fa tsy ho ela. Sao tsy ho zaka e!

 

rov@higa 

Me Hanitra Razafimanantsoa : “Olona notendrena teny an-dalambe no mamoaka didy fampisamborana ny Filoham-pirenena” (+vidéos) 

http://collectif-gtt.org/

“Vonona hivoaka ny krizy ve isika sa tsy vonona?”, io fanontaniana io avy hatrany no naroson’ny mpisolovava ny Filoha RAVALOMANANA raha niresaka momba ny didy fampisamborana nivoaka tamin’ny faha-17 septambra teo ny tenany. Aminy dia misy dikany lehibe ny daty namoahana indray izany didy izany satria ny andro nahavitana sonia ny tondro zotra indrindra no fantatra fa nandefasana ity didy fampisamborana ny Filoham-pirenena ity. Raha ny fanazavana nentin’ny Me Hanitra dia tsy vaovao akory io didy fampisamborana io fa efa tamin’ny taona 2010. “Raha nanao sonia iny tondro zotra iny ny hery politika rehetra dia noheverina fa fivoahana amin’ny krizy no katsahina” hoy ihany Me Hanitra. Mazava manko ny voarakitra ao amin’ny andininy faha-18 ao anatin’ny tondro zotra fa “atsahatra avy hatrany ny fanenjehana rehetra noho ny antony ara-politika”. Saingy ny famoahana ireny didy fampisamborana  ireny dia fanehoana avy hatrany ny finiavana hanalava ny krizy.

Fitaovan’ny FATE ny fitsarana
Tsy misy atahoran’ny Filoha RAVALOMANANA  raha toa ka fitsarana tsy mitanila no itondrana ny raharaha momba azy fa tsy mpitsara terena hamoaka  didy noho ny fombana ny mpanongam-panjakana. Tsy manankery avy hatrany ireny didim-pitsarana sy fampisamborana ireny satria tsy feno ny fepetra maha-“neutre” ny fitsarana tamin’ny fotoana nitondran’ny mpanongam-panajakana. Marina fa misy ny paipaika afaka hanoherana ireny didy mivoaka ireny saingy ilay fitsarana mihitsy no tsy mahefa hitondra raharaha mahakasika ny Filoha RAVALOMANANA.  (Jereo ny video)

 

Ankolafy RAVALOMANANA : « Mandrava ny andrim-panjakana rehetra ny tondro zotra » (+vidéo)

http://collectif-gtt.org/content/20092011-ankolafy-ravalomanana-mandrava-ny-andrim-panjakana-rehetra-ny-tondro-zotra-vid-o

Amin’ny maha-fifanarahana politika ny tondro zotra natao sonia dia maka ny toeran’ny lalam-panorenena avy hatrany izy mandritran’ny fe-potoana itondranan’ny tetezamita iombonana. Midika izany fa rava niaraka tamin’ny fanaovana sonia iny tondro zotra iny ireo andrim-panjakana natsangan’ny FATE rehetra. Tsy filam-baniny sanatria fa fenitra iraisam-pirenena amina fifanarahana politika izany. Tsy manam-pahefana avokoa izany nanomboka ny 17 septambra 2011 teo ireo olona notendren’i TGV rehetra noho izany tsy manan-kery ihany koa ireo fanapahan-kevitra rehetra noraisin’izy ireo. Ankoatr’izay dia voafaritry ny andininy faha-23 ao amin’ny tondro zotra fa tsy misy afaka manana « droit de véto » amin’ny fomba fanatanterahana io tondro zotra io satria efa niaraha-nanaiky matoa nosoniavina teo imason’ny fiankaviam-be iraisam-pirenena.

 

Amin’ny maha-fifanarahana politika ny tondro zotra natao sonia dia maka ny toeran’ny lalam-panorenena avy hatrany izy mandritran’ny fe-potoana itondranan’ny tetezamita iombonana. Midika izany fa rava niaraka tamin’ny fanaovana sonia iny tondro zotra iny ireo andrim-panjakana natsangan’ny FATE rehetra. Tsy filam-baniny sanatria fa fenitra iraisam-pirenena amina fifanarahana politika izany. Tsy manam-pahefana avokoa izany nanomboka ny 17 septambra 2011 teo ireo olona notendren’i TGV rehetra noho izany tsy manan-kery ihany koa ireo fanapahan-kevitra rehetra noraisin’izy ireo. Ankoatr’izay dia voafaritry ny andininy faha-23 ao amin’ny tondro zotra fa tsy misy afaka manana « droit de véto » amin’ny fomba fanatanterahana io tondro zotra io satria efa niaraha-nanaiky matoa nosoniavina teo imason’ny fiankaviam-be iraisam-pirenena.


Noho ireo fanazavana ara-teknika rehetra ireo dia mazava fa tsy manan-kery avokoa ireo lazaina fa fanapahan-kevitra entin’ny FATE mibahana ny fiverenan’ny Filoha RAVALOMANANA Marc eto Madagasikara. Ankoatr’izay dia tokony manaraka avy hatrany ny fanaovana sonia iny tondro zotra iny ny fametrahana fahatoniana ara-politika toy ny famoahana ireo gadra politika sy ny famelana malalaka ny fanehoan-kevitra na an-kalamanjana na amin’ny alalan’ny famohana ireo hainoamanajery nakatona rehetra.


Ny fizarana andraikitra

Efa ela loatra no « ratsy tarehy » teo imason’izao tontolo izao I Madagasikara noho ny fanonganam-panjakana sy ny fiziriziriana tsy ara-drariny. Fotoana tokony hanehoana fahamendrehana manoloana ny fianakaviam-be iraisam-pirenena ny fizarana andraikitra amin’ny fananganana ny tetezamita. Ankoatra ny tondro zotra izay efa mametraka tsara ny tsy tokony hisian’ny fitanilana amin’ny fananganana ireo rafitra ireo dia misy ihany koa ny fenitra iraisam-pirenena sy traikefa ananan’ireo mpanelanelana amin’ny fananganana rafitra iombonana toy ireny. Araky ny fanazavana nentin’ny lohololona Ravatomanga Rolland dia “ankinina amin’ny fahendren’ny SADC tanteraka ny fitsinjarana  izany”.  (Jereo ny vidéo)

 

Marc Ravalomanana Hihaona amin’ny Troika hamaritra ny andro hiverenany

http://tiatanindrazana.com/pages/modules.php?id=5384&idcat=2

“Hisaorana Andriamanitra fa nitahy nahazoana ny fandresena”. Izay no teny voalohany nambaran’ny filoha Marc Ravalomanana raha nitafa tamin’ny vahoaka tany Alaotra izy ny tolakandron’ny sabotsy 17 septambra teo

 Nahitsy ny teniny nilaza fa tsy i Joaquim Chissano na Leonardo Simao ireny ka azo langolangoina fa Troika. Troika izay iraka manokana avy amin’ny SADC ahitana ny minisitry ny raharaham-bahiny Afrika Atsimo, Tanzania ary Zambia tonga nandamina manokana ny olana politika teto Madagasikara. Rehefa tsy voavidim-bola izy ireo dia haingana ny fomba fiasany. Nambarany fa hisy fihaonany manokana amin’ireo mpikambana amin’ny Troika amin’ity herinandro ity izay hamaritana ny fomba fiverenany an-tanindrazana indray. Faly aho, hoy ny filoha Ravalomanana Marc, fa afaka ny hifanatri-tava amin’ny Malagasy rehetra indray ary afaka mandray anjara amin’ny politika. Ho avy i Dada, hoy izy ka hiasa hiaraka isika. Nitondrany fanazavana ny mahakasika ilay tetezamita voarakitry ny tondrozotra. Nambarany fa tsy maintsy ao anatin’io tetezamita io avokoa ny mpanao politika lehibe rehetra, anisan’izany ny mpanara-dia azy. Aza matahotra, hoy izy, fa tsy maintsy hapetraka sy fehezina tsara ny zavatra tokony hatao. Tamin’ny alalan’ny hiakam-pifaliana no nandraisan’ny vahoaka sy ny fikambanana Vondron’Olontsotra any Alaotra io resaka mivantana nataon’ny filoha Marc Ravalomanana tany an-toerana io.

Publié dans La Presse

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article