Overblog Suivre ce blog
Editer l'article Administration Créer mon blog
rov@higa

Ralitera Andrianandraina : "Feno ny kapoaka..."

19 Décembre 2011, 15:02pm

Publié par rovahiga

http://rainizafimanga.free.fr/fr/ImgArbre2009/rakotomanga/MarieCharlotteRaketamanga/ralitera_epouxIhanta.jpg

 

 

Ralitera Andrianandraina : «Feno ny kapoaka... tsy tompon'andraikitra amin'izay hiseho amin'ny herinandro izahay» (+vidéos)

http://collectif-gtt.org/content/17122011-ralitera-andrianandraina-feno-ny-kapoaka-tsy-tomponandraikitra-aminizay-hiseho-amin

Nivoaka tamin'ny fahanginany Ralitera Andrianandraina ka nanapotsipotsitra ny zava-misy tsy ara-drariny sy tsy ara-dalàna  mitranga eto amin’ny Firenena amin’izao fotoana izao. Maro ny tranga nitondrany fanazavana sy fanakianana arahina porofo indrindra mikasika ny fototry ny krizy, ny hadisoana ataon’ny FATE ary  ny fametrahana fitoniana politika sy ny fanatanterahana ny tondro zotra.

Sary famelabelarana 

Fanonganam-panjakana : hijoro vavolombelona
Tsy ampihambahambana no nilazan’i Ralitera fa « fanonganam-panjakana no nisy teto Madagasikara tamin’ny taona 2009 fa tsy hetsi-bahoaka izany” ary vonona lalandava hijoro vavolombelona amin’izany ny tenany “na iza faly na iza tsy faly”.
« Kolikoly avo lenta no nentina nametraka izany ary isan’ny tena tompon’antoka ny  HCC » hoy ihany izy. Ny tenany moa dia lehiben’ny fiarovana ny Fitsarana avo momba ny lalam-panorenana tamin’ireny fotoana ireny ary mahalala zavatra mikasika ny vola be nanambazana ireo mpitsara tao amin’izany andrim-panjakana izany ny tenany sy ireo namany maromaro ka izany no antony nampidirana azy tany am-ponja sy nampijaliana azy ireo nandritra ny roa taona sy tapany. Namafisin’izy ireo ary fa misy mpikambana ao amin’ny HCC no tsy mbola niala tao hatramin’ny taona 92 ary tena milalao ny resaka fanonganam-panjakana eto Madagasikara toy ny fanaon’ireo tandapa « tsy fady manongam-panjakana ».

Andrim-panjakana
Ohatra velona amin’ireo firenena goavana manerana ny tany no nentin’I Ralitera nanaporofo fa “tsy ara-drariny ny nandrafetana ny CT sy ny CST”. Raha ny nampitainy dia ny Amerikana no mifanakaiky amin’ny Malagasy raha ny isan’ny parlemantera no jerena amin’izao fotoana izao. Ny harin-karena faobe any Etazonia anefa dia mahatratra aman’arivony dolara isan’olona raha manodidina ny 300 dolara isan’olona monja izany eto Madagasikara. Fanontaniana miendrika fampieritreretana no nozarainy tamin’ny mpanao gazety sy ny mpanatrika teo hoe “fa isika Malagasy moa no matanjaka toa inona ka ny hanao izay mahafalifaly ny mpanao politika no imasoana nefa ny delestazy etsy mampijaly vahoaka?”. Marihina fa nisy mpikambana ao amin’ny CT sy ministra nanatrika izao famelabelarana   nataon’I Ralitera Andrianandraina sy ny namany izao. 

NOTAM : miantsy ady ny FATE 

Mitonona ho vonona hametraka fitoniana politika avokoa ny mpanao pomlitika rehetra indrindra fa ny ao amin’ny fitondrana saingy ny mifanohitra amin’izany no mitranga. Raha ny marainan’ny 16 desambra no nihaona tamin’i Beriziky ny parlemantera avy amin’ny Ankolafy RAVALOMANANA mikasika indrindra ny fifanomezan-tanana tokony hatao hametrahana fitoniana dia ny mitataovovonana ihany dia efa niainga ny NOTAM mandrara ny fiondranan’ny Filoha amin’ny sidina rehetra mihazo an’i Madagasikara. Araka ny nambaran’i Ralitera anefa dia milaza tsy mahalala ny fisiany izay milaza fa mpitondra rehefa anontaniana ny momba izany.

Gadra politika : ahiana ny ain’izy ireo
Tsy takona afenina ny mahazo ny Lt. Kol. Charles amin’izao fotoana ary efa voaporofo ankehitriny fa fanapoizinana no natao taminy. Raha ny nampitain’ireo fianakaviana tamin’ireto namany ireto dia mitokona tsy mety mihinan-kanina intsony amin’izao fotoana ireo gadra politika manerana ny Nosy noho ny tahotra izany famonoana misoko miadana izany. Ankoatra an’I Charles manko dia fantatra ihany koa fa mitovy tsy misy valaka ihany koa ny aretina manjo ny Kol. Coutiti any Tsiafahy amin’izao fotoana izao.

Nambaran’ny Me. Noro fa tsy fanajana ny tondro zotra ny fanomezana fahafahana vonjy maika satria tokony afaka madiodio avokoa ny gadra politika rehetra. Ny herinandro teo manko dia nomena fahafana vonjy maika ny 9 tamin’ireo voarohirohy tamin’ny fanafihana ny haino aman-jery Viva satria te-hanadio tena manoloana ny TROIKA I TGV sy Ra-Chris. Nokianiny koa ny filazana fa tsy gadra politika ireo nampidirin’ny FATE any am-ponja ireo satria tsy mitovy velively tamin’-dry Pety sy Voninahitsy izay nanao heloka arakin’ny lalàna izy fa hevitra politika tsy mitovy amin’ny an’ny “manam-pahefana” no nampanginana azy any anaty haizina.

Aoka izay !

Ankoatra ny antso ala nenina farany nataon’I Ralitera sy ny namany amin’ny FATE sy ireo mpanohitra niditra anaty fitantanana dia nanaitra ny fahatsapan-tenan’ny Malagasy mpiray tanindrazana rehetra ny tenany. “Efa feno ny kapoaka” hoy izy “ka aoka handray ny andraikitra manandrify azy ny tsirairay”. Nambarany moa fa efa ela loatra sady tsy mendrika ny Malagasy ny fijaliana naterakin’ny krizy saingy tsy misy afaka mamaha izany raha tsy isika tompony ihany. “Aleo miresaka amin’ny marenina” hoy Ralitera Andrianandraina “toy izay miresaka amin’olona tsy te-haheno izay lazaina aminy”. Nambarany moa fa anjaran’ny rehetra ny mieritreritra izay fepetra tokony ho raisina amin’ny “be marenina” fa tsy afaka hilefitra lava intsony ny vahoaka tompon’ny fahefana. Nanome hatramin’io herinandro mitsidika io moa Ralitera sy ny namany hanatanterahana izay fitoniana fa raha tsy tontosa izany dia “tompon’andraikitra amin’izay zava-mitranga eto amin’ny Firenena izay milaza fa tompon’ny fahafena sy ireo mpiray tsikombakomba aminy”.

 

Tangalamena Zakariasy: Le dossier «détenus politiques» est explosif 

http://www.matv.mg/?p=34955

Cette semaine s’annonce très mouvementée, aux yeux des politiques et même aux yeux des notables qui ont également un contentieux contre le régime de la HAT.

Les notables, dits Tangalamena et Ampanjaka, ont un contentieux contre le régime de la HAT depuis la récente célébration qui s’est tenue au palais de la Reine de Manjakamiadana, alors que la famille princière, elle, observe encore le deuil de la disparition, pour vol, de la couronne royale de Ranavalona I.

Le Syndicat des Magistrats de Madagascar et le corps de la Police nationale sont toujours en conflit après une semaine de tractations et de dialogue sans pour autant un résultat palpable. La tension risque même de … (Suivre le lien)

 

Lt-Col Charles Andrianasoavina: Evacué d’urgence à Saint-Denis

http://www.matv.mg/?p=34952

Le Lieutenant-Colonel Charles Andrianasoavina a été évacué d’urgence vers l’île de La Réunion samedi soir après avoir subi une opération chirurgicale à l’hôpital Joseph Ravoahangy Andrianavalona.

Toutes les dépenses occasionnées par cette évacuation sanitaire sont aux frais de l’État malgache, d’après des sources informées. Le Lieutenant-Colonel Charles Andrianasoavina a été admis dans un hôpital du département français de l’Île de La Réunion. À 19h30, heure malgache, l’avion spécial qui l’emmenait à titre d’évacuation sanitaire, a décollé d’Ivato à destination de Saint-Denis. Un politicien issu de la mouvance Zafy a affirmé que le Lt-Col Charles Andrianasoavina a subi une nouvelle opération chirurgicale hier dans cet hôpital de Saint Denis où il a été évacué … (Suivre le lien)

Commenter cet article