Overblog Suivre ce blog
Editer l'article Administration Créer mon blog
rov@higa

Ralitera Andrianandraina 730 andro any am-ponja

27 Avril 2011, 18:37pm

Publié par tiatanindrazana.com

Tsy hay hatraiza ny fisainan’ny olona sasany, fa ny azo ambara avy hatrany dia ireny no atao hoe tsy matao-tody ! Tsy maintsy hisy farany izao krizy mavaivay ihainana izao, ary ho eto daholo ihany isika rehetra fa tsy misy Madagasikara hafa hisitrihina akory, ka asan’izay tsy maty manota fa be ihany izay nanao azy mahery sy matanjaka izay, fa amin’ny farany izay noheveriny kely sy bitika ihany no ho vatolampy tsy azony dinganina.

Mankahery ny vady aman-janak’I Ralitera Andrianandraina, torak’izany koa ireo rehetra azon’ny tsindry hazo lena tahaka azy. Malahelo izahay, tezitra izahay fa izay aloha ny androany, ny ampitso tsy mbola fantatra.

 

 rov@higa

 

http://rainizafimanga.free.fr/fr/ImgArbre2009/rakotomanga/MarieCharlotteRaketamanga/ralitera_epouxIhanta.jpg

 

http://tiatanindrazana.com/pages/modules.php?id=4061&idcat=2

 

Roa taona amin’ity 27 aprily ity na 730 andro katroka izay no nisamborana an-dRalitera Andrianandraina, Talen’ny fiarovana tao amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, Ambohidahy.

Dimy lahy izy ireo no nataon’ny FIS (Force d’intervention spéciale) indray mibata tamin-kery tao Ambohidahy ny tolakandron’ny alatsinainy 27 aprily 2009. Nentina avy hatrany teny amin’ny CNME (Commission Nationale Mixte d'Enquête) Ambohibao taorian’izay ary notazomina teny nandritra ny folo andro nanaovana famotorana izay vao natolotra ny fitsarana. Teo anelanelan’izay nisesisesy ny fisavana ny tranony sy toeram-piasany. Naharihary tamin’ny haino aman-jery ny fandehan’ny fisamborana sy ny zavatra, nambara, fa hita tao anatin’izany fisavana trano izany. Taorian’izay dia nalefa tany Tsiafahy i Ralitera, niaraka tamina voampanga iray hafa. Notazonina tao amin’ny fonjan’Antanimora kosa ny telo tamin’ireo dimy niara-nosamborina taminy. Dosie telo samihafa no mitatao amin-dRalitera Andrianandraina, dia ny raharaha “7 febroary 2009”, izay niovaova be ihany ny votoatiny, ka nanondroana azy ho mpisando-pahefana. Ny fiampangana faharoa dia ny fifofoana ny ain’ny filoham-panjakana.

Tsy nahita porofo nitazonana azy tamin’io ny ‘fanjakana’ ka dia nivalona teo iny. Fa vesatra iampangana azy amin’ny dosie fahatelo izay iraisany amin’izy efa-dahy, samy mpitandro filaminana, niasa tao amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana dia ny fitazonana fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna, firaisana tsikombakomba amin’ny mpanao ratsy, fanimbana fananam-bahoaka ary fanohintohinana ny filaminana anatiny. Raharaha izay tsy voatsara mandrak’ity ny anio. Ao Antanimora avokoa ireo iray dosie amin-dRalitera Andrianandraina. Voasokajy ho anisan’ny gadra politika izy ireo, ary ela nitazonana am-ponja tsy voatsara nefa tsy nomena fahafahana vonjimaika na teo aza ny fangatahana nataon’ny mpiaro azy sy ny fianakaviany.

 

  

Commenter cet article