Overblog Suivre ce blog
Editer l'article Administration Créer mon blog
rov@higa

Praiministra : tsy TGV irery no hanapaka

19 Octobre 2011, 23:07pm

Publié par http://collectif-gtt.org/

http://collectif-gtt.org/file/imagecache/large/fg/alt/PRM/CANDIDATPM.jpg

 

 

Nanomboka tamin’ny enina ora sy sasany teo ho eo  ny lanonana fandrotsahana ny antontan-taratsin’ireo olom-pirenena arotsaky ny vondrona na ankolafy politika folo izay nanao sonia ny tondro zotra. Telo isaky ny vondrona na ankolafy politika ny anarana natao tao anatin’izany vata mangarahara izany ary dia ireo no handalo fitsapana ahafahana misafidy izay ho praiminisitry ny firaisam-pirenena  hitarika ny governemantan’ny tetezamita vaovao. Raha ny fantatra dia isan’ny nampihisatra ny fotoana ny fiandrasana ny fifandaminan’ny antoko AREMA ao anatin’ny G7 izay nandrotsaka valopy roa raha tokony iray isaky ny hery politika ihany izany. Fantatra fa alefa eny Ambohitsorohitra ireo antontan-taratasy ireo aorian’izao lanonana izao, izay natrehin' ireo masoivoho maro samihafa toy ny avy any Afrika Atsimo sy ny avy any Frantsa.

 

Nantsoina tsirairay nanoloana ny mpanatrika rehetra ireo kandida ireo ka fantatra tamin’ny fomba ofisialy tamin’izany faManandafy Rakotonirina, Naika Eliane ary Botozaza Pierrot no kandida natolotry ny Ankolafy RAVALOMANANA. Raha ny voafaritry ny drafitra lasitra amin'ny fanatanterahana ny tondro zotra dia ho fantatra mialohan'ny 01 novambra izao ny anaran'izay handray ny andraikitry ny Praiminisitry ny tetezamita.

Tsy TGV irery

Marihina moa fa rehefa avy manapa-kevitra Andry Rajoelina amin'izay heveriny fa mendrika ho praiministra tetezamitan'ny fiaraha-mitantana dia alefa any amin'ny Troïka ilaytoetry ilay kandida izay tsy miandany amin'ny Andry Rajoelina.

Tsy afaka nigiaka ny Fate 

Tsy kilalaon-jaza intsony ity tantara ity. Efa lasa tokoa ny zavatra taloha satria efa am-pelatanan'ny Sadc tanteraka ny raharaha. Tsy ahiana intsony araka izany ny hiverenan'ny tantara hoe " ny teo aloha ihany no miverina". Tsy tafiditra tanatin'ny lisitra intsony manko ny Jeneraly Albert Camille Vital, na dia mbola nanao be loha ny G7 nanolotra azy. Tsy nisy tsy nahalala mantsy ny fifandraisana nisy teo amin'ny Rajoelina sy Vital, hany ka tsy neken'ny Sadc intsony ny mbola idirany ho isan'ny kandida ho praiministra.

 

 

http://collectif-gtt.org/

Commenter cet article