Overblog Suivre ce blog
Editer l'article Administration Créer mon blog
rov@higa

Omer Beriziky : Fanambarana ofisialy

23 Janvier 2012, 09:37am

Publié par rovahiga

http://www.matv.mg/wp-content/uploads/2012/01/315.jpg

 

http://live.tananews.com/asides/omer-beriziky-declaration-officielle-sur-les-evenements-divato-en-malgache/  

Eo anatrehan’ny trangan-javatra teny amin’ny seranam-piara-manidina Ivato, dia tiako ny manao izao fanambarana izao.
Manao antso avo amintsika vahoaka Malagasy tsy ankanavaka ny tenako, indrindra ny eto andrenivohitra mba ho tony sy ho malina.
Marina fa misy fahadisoam-panantenana ho an’ireo izay nanantena ny fahatongavan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana noho ny antony tsy nahatanteraka ny fiverenany aty an-tanindrazana.
Ny andininy faha 20 amin’ny tondrozotra dia mametraka mazava tsara ao anatin’ny fampitoniana ny fodian’ny filoha teo aloha Marc RAVALOMANANA. Tsy maintsy tanterahina amin’ny fifampidinihina amin’ny ankolafy rehetra izany mba hisian’ny fifanarahana.
Ny Governemanta dia hanohy hatrany ny ezaka izay ataony amin’ny fitadiavana vahaolana amin’ny fampiharana an’io andininy faha 20 n’ny tondrozotra io. Anisan’izany ny fodian’ny filoha teo aloha Marc RAVALOMANANA.
Dia mbola manainga ny tsirairay hikatsaka hatrany ny filaminana sy fandriam-pahalemana ao anatin’ny fifandeferana aho.
Re izao fa nisy fanànan’orinasa simba teny amin’ny faritra Ivato.
Meloina tanteraka ny teo-javatra toy izany.
Ary eto, dia misaotra ny mpitandro ny filaminana amin’ny fandraisany andraikitra ampahamendrehana, ny tenako, sy ny ezaka mbola ho ataony.
Aoka hotandrovantsika hatrany ny soatoavina maha-malagasy sy ny Tanindrazana iombonana ka samia hotahian’Andriamanitra isika mianankavy.

 

PRIMATURE : Cellule Communication

Commenter cet article

my medical billings 23/06/2014 14:35

I was not able to view the image that was shared here and it was nice reading the article, which tells more about the Omer Beriziky. It is very difficult situation that he has gone through and I hope that you will be providing such news article of great importance.