Overblog Suivre ce blog
Editer l'article Administration Créer mon blog
rov@higa

Mozambika manakorontana an’i Madagasikara (?)

23 Juin 2011, 22:11pm

Publié par Collectif-gtt.org

http://t0.gstatic.com/images?q=tbn:ANd9GcRh7lbolqRtc8ITXIF_pTAwMwbR7agzYEMXR4xVvVkrR2iy_116hQ

Mibaribary toa vay an-kandrina mihitsy ny lalao maloto ataon’ireo Mozambikana tafiditra amin’izao famahana ny krizy eto Madagasikara izao. Misy tambazotra mifampiditra ao anatin’io tantara io raha ny fanazavana nentin’i Olivier Rakotovazaha. Ankoatry ny fampiasam-bola vaventy dia manofa tany any Mozambika ny Maorisiana ary 400 tapitrisa dolara isan-taona no sarany. Ity nosy iray ity manko dia mikendry mafy ny ho lohany ara-toe-karena aty amin’ny Faritrin’ny  Ranomasimbe Indiana. Mbola mifanadraika amin’izany ihany koa ny nanomezan’ny Frantsay ny nosy Tromlein satria ahafahan’ny mpanjanaka manery ny Maorisiana ho tafididtra ao anatin’ny politika maoloto izany ary ny nosy Maorisy indray no manery ny Mozambikana hampihitsoka ny famahana ny krizy eto Madagasikara.

 

Ny tombony ho an’ny Maorisy 

 

Ho an’ity Nosy iray ity dia fomba iray hamaliana faty amin’ny tsy nanomezana azy ireo ny fitrandrahana ny siramamy sy ny fary aty Madagasikara izao zava-misy izao. Rehefa natao manko ny tolo-bidy iraisam-pirenena tamin’ny fotoana nitondran’ny Filoha RAVALOMANANA  dia orinasa sinoa no nahazo izany indrindra ny fitantanana ny orinasa SIRAMA. Miaraka amin’izany avy hatrany dia afaka manilika an’I Madagasikara ny Maorisiana amin’ny fifaninanana aty amin’ny ranomasimbe Indiana. Raha mbola nitondra teo ny Filoha RAVALOMANANA Marc ka nitohy ny fiakatry ny harin-karena teto Madagasikara dia mazava ho azy fa lasa “dragona” aty amin’ny ranomasimbe Indiana isika Malagasy. Izany rehetra izany no mahatonga ireto Firenena roa ireto misisika mafy mampikatso ny famahana ny olana aty amintsika ary mamporisika azy ireo amin’izany ny Frantsay.

 

 

Fanazavana nentin'i Olivier Rakotovazaha  (amin’ny VIDEO) :

 

Araho:               http://collectif-gtt.org/

Commenter cet article