Overblog Suivre ce blog
Editer l'article Administration Créer mon blog
rov@higa

Marc Ravalomanana: «Mon retour se fera à mes risques et périls»

19 Décembre 2011, 11:33am

Publié par rovahiga

http://mydago.com/wp-content/uploads/2011/09/ravalo.jpg

 

Marc Ravalomanana: «Mon retour se fera à mes risques et périls» 

http://www.matv.mg/

Marc Ravalomanana persiste et signe. En faisant fi du nouveau NOTAM lancé à son encontre par la Présidence de la Transition, l’ancien chef d’Etat malgache a annoncé samedi dernier sur la place du Magro de Behoririka qu’il est déterminé à assumer le risque de rentrer à Madagascar.

Il a ainsi appelé ses partisans à préparer son accueil avec prudence étant donné que certains individus sont prêts à perturber cette occasion. « Ni aucune loi malgache ni aucune loi internationale n’interdit un citoyen malgache de regagner son pays », a déclaré Marc Ravalomanana avant de  mentionner qu’il rentrera dans la Grande Île pour sortir le pays de cette crise et non pas pour apporter davantage d’instabilité politique. D’ailleurs, la Feuille de route qui stipule le retour sans condition de tous les exilés politiques a déjà été ratifiée par le Parlement de la transition, a-t-il rappelé. Et d’ajouter que « la Feuille de route est devenue une loi. Le régime illégal ne respecte donc pas cette loi en lançant ce Notam qui interdit aux compagnies aériennes de m’embarquer pour Madagascar» … (Suivre le lien)

 

Filoha RAVALOMANANA : "raisiko ny risika rehetra, hody aho"

http://collectif-gtt.org/content/17122011-filoha-ravalomanana-raisiko-ny-risika-rehetra-hody-aho

"Hody aho ary manantena anareo vahoaka hitsena ahy". Io no nambaran'ny Filoha RAVALOMANANA Marc raha nitafa tamin'ny vahoaka teo amin'ny Kianjan'ny Finoana any tenany androany. Raisiny ho toy ny fanaovana tsinontsinona ny finiavany hitondra ny Firenena hivoaka ny krizy ny fanamafisana indray ny NOTAM mandrara ny fiaramanidina rehetra mihazo an'i Madagasikara  tsy hitondra azy sy ny mpiara-dia aminy. "Tsy fanajana ny tondro zotra izany" hoy ny Filoha RAVALOMANANA "ary midika tsy fandikan-dalàna satria efa lany ho lalàna velona tany anaty parlemanta ny tondro zotra". nanafatra ireo niditra anatin'ny andrim-panjakana izy mba hampahatsiaro tsara fa tsy maintsy tanterahina manontolo ny tondro zotra fa tsy araka izay mampetimpety ny tsirairay akory. Nomarihiny ihany koa fa olom-bitsy sisa ireo mbola ireo mbola minia manao ny tsy mety irao saingy tsy voafehin'ny maro koa nanainga ny vahoaka Malagasy ny tenany hanomana izany fiverenany izany mba ahafahana miatrika izay manana teti-dratsy satria tsy ilaozan'izay mamarara ny saonjo iray lohasaha.

 

Alerte! Mampiasa stratejia vaovao ny Fate: lainga sy fanapoizinana (19/12/11)

http://collectif-gtt.org/content/19122011-alerte-mampiasa-stratejia-vaovao-ny-fate-lainga-sy-fanapoizinana

Dia sahin'ny avy amin'ny Fate ny nilaza fa dia tsy fantany velively ny mahakasika ilay Notam vao nivoaka ny 15 Desambra tamin'ny 12H33. Dia nifanipy baolina tao izy rehetra, nanomboka tamin'ny Andry Rajoelina. Dia fanontaniana no mipetraka: iza izany no nanao ity Notam ity, iza no manana fahefana hanao izany? Ary raha tsy Tgv dia midika ve izany fa mifanipaka an-karona ny FAte, ka na ny lehibeny aza tsy mahalala iazy zavatra miseho ao anatiny intsony? Ity aloha ilay Notam,ary tena nisy. Mazava tsara fa ny siten'ny Asecna no misy azy, ary tsy hisy afaka ny handa ity.

 

http://www.ais-asecna.org/fr/notam/notam.php?qr_bni=TOUT&qr_qfir=TOUT&qr_firx=FM&qr_num=&qr_datearrd=&qr_datearrf=&qr_datevald=&qr_datevalf=&qr_texte=&maxRows_Recordset1=20&Submit=+Consulter+

 

Lainga hafa ihany koa. Hafafin'ny gazety mpomba an'i Fate tato ato fa mersenera avy amin'ny filoha Ravalomanana no nanapoizina ny colonel Charles Andrianasoavina. Tsara be aloha niaiky fa fanapoizinana no nahazo ity manamboninahitra ity. Efa dingana tsara ny manaraka ny zavatra fantatry ny be sy maro. Fa ilay hoe mersenera avy amin'ny filoha Ravalomanana no nanapoizinaazy no dia mahagaga loatra. Fa iza tokoa moa no manana tombotsoa raha sanatria, sanatriavina ihany ny resaka fa satria an' Andriamanitra ny aina,  misy fahalasan'ny colonel Charles? Iza no voakasika mivantana ami'ny ampamoaka nataony?Taiza no nisy iraka avy amin'Ravalomanana nitsidika ireo gadra politika?Iza no afaka mifanerasera aminy. Ary raha tena tsy tompon'andraikitra Tgv sy ny tariny, inona no antony tsy nandraisany andraiktra avy hatrany raha vao fantany fa maharary mafy ny colonel Charles Andrianasoavina. Ary amin'izao maharary mafy koa ny colonel Coutiti dia inona koa no manakana azy ireo tsy handray ny andraikiny?

 
Alerte , Mampiasa stratejia vaovao ny Fate: lainga sy fanapoizinana

 

http://www.collectifgtt.fr/wp-content/uploads/P22100393.jpg

 

http://www.collectifgtt.fr/wp-content/uploads/P22100393.jpg

Me. Hanitra : “Modia ianao Prézida fa raisinay ho andraikitra ny fiarovana anao” (+vidéo)

http://collectif-gtt.org/content/17122011-me-hanitra-modia-ianao-pr-zida-fa-raisinay-ho-andraikitra-ny-fiarovana-anao-vid-o  

“Efa samy anaty fanjakana izao ka tsy misy afaka mifanakantsakana intsony” hoy Me. Hanitra Razafimanantsoa androany teo amin’ny Kianjan’ny Finoana. Efa taorian’ny lahatenin’ny Filoham-pirenena ny tenany vao nikabary ka nanome toky ny Filoha RAVALOMANANA fa vonona tanteraka hiatrika izany fitsenana izany ary hampiasa ny zo rehetra ananany ireo niditra anaty fitantanana ny tetezamita hiarovana azy eo am-pahatongavana. Nomarihiny fa matoa niditra anaty andrim-panjakana dia misitraka ny zo rehetra mikasika ny fiarovana ny aina ary azo atao tsara ny mitandro ny an’ny Filoha RAVALOMANANA amin’ny alalan’izany zo ananan’izy ireo izany.

 

Sary Magro androany

 

Momba ny NOTAM vaovao kosa dia nambaran’ny Me. Hanitra fa “ny tao amin’ny prezidansa an’ny FATE no namoaka izany”. Fandikana lalàna anefa izany satria ny minisitry ny fitanterana ihany no afaka manome NOTAM ary mampita izany any amin’ny ACM haparitaka sy ho tanterahina. Nanentana ny vahoaka arak’izany ny tenany mba ho vonona lalandava hiatrika ny fitsenana ny Filoha RAVALOMANANA satria mila vahoaka an’hetsiny farafahakeliny  hiaro azy amin’izany.

Commenter cet article