Overblog Suivre ce blog
Editer l'article Administration Créer mon blog
rov@higa

Maneho fahavonona ny Ankolafy RAVALOMANANA

22 Octobre 2011, 11:32am

Publié par Collectif GTT

http://collectif-gtt.org/file/imagecache/large/fg/alt/PRM/MEET211011.jpg

 

Fampiharana ny tondro zotra : maneho fahavonona ny Ankolafy RAVALOMANANA

http://collectif-gtt.org/

 

Androany no nihaona tamin’I TGV ny roa tamin’izy telo mianadahy natolotry ny Ankolafy RAVALOMANANA ho kandida hitarika ny governemantan’ny firaisam-pirenena araky ny tondro zotra. Ny maraina dia isan’ny noraisin’I TGV I Manandafy Rakotonirina  ary efa nambaran’ny Filoha Nasionalin’ny MFM mialoha fa “normalisation démocratique”  no ho entiny manoloana ny mpandray azy ao anatin’ny fifampidinihana. Ny tolakandro no noraisin’I TGV I Botozaza Pierrot. Taorian’ny fihaonana dia nambaran’ity kandida avy amin’ny Ankolafy RAVALOMANANA ity tamin’ny mpanao gazety  fa “ilaina ny fandraisan’anjaran’ny rehetra amin’ny fanatanterahana izao tondro zotra ivoahana amin’ny krizy izao”. Ny loholona Naika Eliane kosa moa dia isan’ireo mbola sesitany any ivelany ka izay no inoana fa tsy nahatanteraka ny fihaonany tamin’I TGV. Marihina fa nandray sakafo maraina niaraka tamin’I TGV tao Ambohitsorohitra avokoa  ireo kandida rehetra ireo androany.

Tsy milefitra tsy akory … fa maka bahana
Tsy tokony hipetraka ny ahiahy amin’ny fizotran’ny toe-draharaha. Tsy hoe milefitra tsy akory ny mpandala ny ara-dalàna indrindra fa ny ankolafy RAVALOMANANA raha toa ka manaiky ny zava-misy ankehitriny. Tsy miova ny tanjona fa ny hamerenana ny ara-dalàna eto amin’ny Firenena. Ny mpanongam-panjakana no tsy maintsy niforitra satria efa tapi-dalan-kaleha tanteraka. Tsaroana etoana  fa efa aman-taonany no nangataka fiaraha-miasa tamin’izany antoko MFM izany I TGV sy ny forongony fa efa aty amin’ny dingana farany izy vao mifanatri-tava amin’ny Filoha Nasionaliny izay atolotry ny Ankolafy RAVALOMANANA ho Praiministrin’ny tetezamita. Raha ny tany amin’ny taona 2009 dia mbola nihevitra ho tao anatin’ny heriny tanteraka ny FATE ka sahy nitsipaka izay fifanarahana natao rehetra. Ankehitriny kosa dia tapitra ny fotoana filalaovana fa raha tsy manatanteraka an-tsakany sy an-davany ny tondro zotra izy ireo dia hoavy ny fanasaziana hentitra izay tsy hozaka sy mety hiteraka olana ho an’ny isam-batan’olona amin’izy ireo.

Commenter cet article