Overblog Suivre ce blog
Editer l'article Administration Créer mon blog
rov@higa

MAGRO: HISY SORI-DALANA VAOVAO INDRAY

20 Février 2011, 22:47pm

Publié par MyDago

http://mydago.com/2011/02/magro-hisy-sori-dalana-vaovao-indray/

 

http://tiatanindrazana.com/uploads/une(16).jpg

 

Tsy toy ny mahazatra, na dia Alahady aza ny andro  fa niditra mivantana tetsy amin’ny kianjan’ny Magro, tamin’ny antso an-tariby ny filoham-pirenena Ravalomanana, androany  20 Febroary 2011.Nanazava ny zava-misy eo anivon’ny vondrona SADC izy.

Noho ny fahitana ny zavatra nitranga tamin’ny Sabotsy (omaly) dia nanapa-kevitra ny SADC fa hivory amin’ity  herinandro ity hoy ny kabarinin’ny filoha,tsy maintsy asiam-panovana ka amboarina ilay « feuille de route » ary izay no maha tara ny dian’i Joachim  Chissano eto amintsika.Nanamafy ny filoha Ravalomanana fa tsy iny naparitaka iny no endrika faran’ny sori-dalana fivoahana amin’ny krizy.

Nanisy fanazavana mahakasika ilay fihetsiky Joachim i Chissano ihany koa izy. »Tsy maintsy hiaro any i Dr Simao izy satria mpiasany iny ary mpiray tanindrazana aminy » hoy Ravalomanana.  Mpiasan’ ny SADC izy ireo ary tsy maintsy manaraka ny toro-lalana ny SADC hoy ny fanazavany ihany.  Hanao « offensive diplomatique » aho ary tsy mantsy mahita lalana hafa isika,  ary tsy maintsy misokatra amintsika ny varavarana hoy izy, tsy maintsy mahita lalana aho », aza matahotra fa mino fotsiny ihany hoy ny namaranany ny tatitra.

 

Solo Razafy

Commenter cet article