Partager l'article ! Le reste de l'actualité: tiatanindrazana.com/ Savorovoro tao Toliara Nivoaka ny marina ...
rov@higa
| Mai 2013 | ||||||||||
| L | M | M | J | V | S | D | ||||
| 1 | 2 | 3 | 4 | 5 | ||||||
| 6 | 7 | 8 | 9 | 10 | 11 | 12 | ||||
| 13 | 14 | 15 | 16 | 17 | 18 | 19 | ||||
| 20 | 21 | 22 | 23 | 24 | 25 | 26 | ||||
| 27 | 28 | 29 | 30 | 31 | ||||||
|
||||||||||
tiatanindrazana.com/
“Tsarao haingana izay nitarika fahasimban’ny RNM sy ny TVM ary ampidiro am-ponja toy ny atao amin’i Limby (Elimberaza Mandridake) sy ireo mpomba azy, satria namotika fananam-panjakana. Atsaharo ny fampiasana ny haino amanjerim-panjakana mba hamotehana ireo mpifanandrina ara-politika amin’ny mpitondra. Nahazo fahazoan-dalana i Limby tamin’ny nanao famoriam-bahoaka fa ny fitondrana FAT no tsy mahazaka ny demokrasia. Ireo zanak’i Toliara mpikambana ao amin’ny governemanta FAT ihany no matahotra ny ho very seza ka naniraka ny miaramila hanambotra an’i Limby sy ireo mpomba azy. Tsy seza anefa no angatahin’i Limby fa fanehoan-kevitra malalaka. Avelao hilaza ny heviny ankalalahana i Limby, foano ny tsy fahafahany mivoaka ny tanindrazana sy ny fanenjehana azy ary avoahy ireo fito lahy nogadraina, mpomba azy avy amin’ny foko Tanalana”.
Santionany amin’ny fitakiana ataon’ireo namana sy fianakavian’i Elimberaza Mandridake ireo. Niaraha-nahita, hoy izy ireo fa ny filohan’ny Fahefana avon’ny tetezamita amin’izao fotoana izao, Andry Nirina Rajoelina, no nitarika olona teny amin’ny Lapan’ny Fitsarana Anosy ny 26 janoary 2009. Tsy fantatra ireo nandroba ny fananan’ny radio RNM sy ny TVM tamin’io andro io na mpanararaotra na ny ekipany ihany. Tsy hitsara na iza na iza, hoy ihany izy ireo saingy ny mazava dia ny hoe: tsy voafehiny ny olona tamin’io andro io ka nahatonga ireny fandrobana mahatsiravina ireny. Niaraha-nahalala koa fa tsy nahazo alalana tamin’ny “Préfet de police”-n’Antananarivo i Andry Nirina Rajoelina hanao ireny fihetsiketsehana ireny. Vokany, ny Vakoka iray manontolo no fadiranovana ary tsy mbola voaarina ny fananam-panjakana hatramin’izao.
Raha amin’ny maso sy fo tsy miangatra, dia tokony ho izay nitarika ny vahoaka teny no manolo izay simba, hoy ireto naman’i Limby ireto kanefa iaraha-mahita hoe iza anefa no nosamborina sy nampidirina am-ponja hatramin’izao ? Araka ny fanazavan’izy ireo ihany dia tahotra seza no antony nanenjehana an’i Limby. Toy ny tsy nahafehezan’i Andry Rajoelina ny olony tamin’ireny 26 janoary ireny no ny tsy nahafehezan’i Limby ireo nanara-dia azy tao Toliara, araka ny fanazavan’ireo akaiky azy. Nisy koa anefa olona nirahina hanimba ny fanehoan-kevitra nataon’ity profesora ity ireo namotika zavatra tao, hoy ihany ny fanazavana. Olona 7 avy amin’ny foko Tanalana no voasambotra ary nampidirina am-ponja daholo izy fito ireo ny alin’ny ny talata 31 aogositra 2010, raha ny vaovao. Araka ny resaka mandeha dia nalaina an-keriny tao an-tranony ao Ambalanomby Camoën Toliara i Limby ny sabotsy 28 aogositra tokony ho teo amin’ny misasak’alina ary tsy fantatry ny fianakaviany ny nitondrana azy na aiza na aiza. Tsy fantatra ihany koa ny momba azy izao na maty na velona. Tsy nisy fihetsiketsehana tao Toliara omaly saingy milamin-dratsy raha ny fahitana azy.
Ataon’ny olon-dratsy mivezivezy etsy sy eroa ary toa alainy baraka mihitsy aza indraindray ny Emmo-Reg izay vao nampiantso mpanao gazety afak’omaly fa milamina ny tany ary tsy dia betsaka izany ny asan-jiolahy fa ny fomba filazan’ny haino aman-jery azy no matavy.
Vao nivoaka tamin’ny fahitalavitra sy ny radio ny vaovao ny alin’iny fanazavan’ny Emmo-Reg iny dia avy hatrany dia nirongatra indray ny asan-jiolahy. Fanafihana efatra no indray nitranga ny alin’iny ihany. Tsy nisy voasambotry ny Emmo-Reg izay ifandrimbonan’ny miaramila, ny zandary ary ny polisy ireo jiolahy izay raha araka ny fahafantarana azy dia andian-jiolahy mitovy ihany no nanatontosa ireo fanafihana. Niainga tetsy Ambohimasina Itaosy ny asa ratsin’ireo jiolahy, tokony ho tamin’ny folo ora alina teo, ny alin’ny alarobia. Mba tsy tontosa aloha izany rehefa voaantso ara-potoana ny Emmo-Reg. Rifatra ny jiolahy ary tsy hita izay nalehany aloha teo. Adiny roa taty aoriana indray, izany hoe manodidina ny misasakalina dia naneno indray ny findain’ny Emmo-Reg izay nisy nampandre fa nanafika eny Tsilazaina-Ambohijanaka ireo jiolahy ireo ihany. Ny Responsable Financier an’ny CNAPS no voaroba teo. Lasa tamin’izany ny vola iray tapitrisa ariary sy ny volamena ary ny finday maro izay nisy fahana mitentina dimy hetsy ariary. Efa vita ny “opération” teo vao tonga indray ny Emmo-Reg. Tsy izay ihany fa mbola nisy iray hafa ihany koa teny Alasora.
Mba tsy tontosa io rehefa tonga ara-potoana ny Emmo-Reg. Mbola ireo jiolahy mitovy hatrany no nanafika mpitatitra iray tetsy Ambohitromby-Ambohijanaka, tokony ho tamin’ny roa maraina, omaly. Tsy namelan’ireo raha tsy nahazoany vola mitentina roa tapitrisa sy firavaka volamena maromaro. Nisy mihitsy aza ny poa-basy nandritr’ireo asan-jiolahy ireo. Efa nanjavona koa ny jiolahy vao tonga ny mpitandro ny filaminana. Tetsy Sabnam indray, tokony ho tamin’ny roa ora maraina omaly dia vola telo tapitrisa ariary no lasan’ny enin-dahy mirongo fiadiana. Tonga teny ny mpitandro ny filaminana taorian’io fanafihana io. Raha aravona izany dia avezivezin’ny jiolahy mihitsy ny Emmo-Reg tao anatin’ny alina iray. Tsy misy ny hatahorana, hoy ny lehiben’izy ireo satria fanafihana roa na telo isan-kerinandro no miseho. Ny hadino dia ny hoe nisy tao anatin’izay ny zandary naratra voatifitra ary izao koa dia mbola fanafihana efatra no indray miseho ao anatin’ny alina iray. Asa, mbola tsy misy ihany ve ny atahorana ?
tananews.com/
Vol de véhicules: encore des hautes personnalités impliquées
Une dizaine de plaintes pour vols de véhicules ont été enregistrées à Antananarivo dernièrement. Jusque là, les autorités n’ont pas pu faire suite pour la majorité d’entre elles, surtout quand des hautes personnalités sont impliquées dans l’affaire. Un des plaignants, ayant perdu sa Hyundai Terracan s’est permis d’affirmer avoir aperçu son véhicule, sous une autre immatriculation en passage dans le quartier de Tanjombato, tout en évoquant le nom d’un membre de la HAT (dont on gardera l’identité). Mais Tanjombato, HAT, ces indices ne convergent-elles pas vers un « collectionneur » de véhicules résidant du côté d’Andoharanofotsy? Ou peut-être faut-il ajouter Hummer ou 4×4 blindée de marque Mercedes-Benz.
RAYMOND RANJEVA : LA CONQUETE CONTINUE
L’opération de charme initié par le Pr Raymond Ranjeva continue. Lentement mais sûrement, ce Professeur rallonge sa traîne de foule par sa proposition nommée Vonjy Aina », sa vision de la sortie de crise. Ayant déjà conquis plus d’une vingtaine de politiciens, c’est à une masse estudiantine qu’il a exposé son projet ce jour à Ankatso. L’impact de ses apparitions successifs sur les chaînes audiovisuelles, ainsi que les échos des son passage à Toamasina ont fait de lui cet « homme de la situation », si bien que les partisans du régime le voient déjà comme une bombe à retardement qui pourrait causer la perte du jeune PHAT. L’on sait en tout cas que le régime en place (qui ne cédera pas aussi facilement), autant que bon nombre de citoyens sont aux aguets du jour où Raymond Ranjeva fera son premier baptême de foule.
les-nouvelles.com/
Deux autres attaques dans l’Avaradrano
Presque en simultané à cette attaque à Ambohitromby Alasora, une autre a été perpétrée par 10 hommes nantis d’un Kalachnikov et deux pistolets automatiques à Antsahatsiroa Sabotsy-Namehana. Six des bandits sont entrés au domicile d’un grossiste sous couvert du reste de la bande dans la cour. Trois millions d’ariary ont été dérobés avec 3 téléphones portables, des bijoux en or, un table de mixage et un ampli. Les forces de l’ordre sont arrivées quelques minutes plus tard après en avoir été avisées mais les bandits étaient déjà partis.
A signaler, par ailleurs, que toutes ces attaques ont été précédées d’une autre avant-hier aux environs de 19h à Andrononobe Ankadikely. Les victimes sont une famille d’épiciers sur le point de fermer quand 3 hommes armés ont fait irruption dans la boutique. Comme la mère de famille n’a pas voulu céder à leur injonction, les bandits lui ont tiré dessus, de même que sur le garçon qui l’aidait, avant de disparaître…
Commentant hier la situation politique actuelle du pays et plus particulièrement le processus de sortie de crise, le président national du parti Matsilo, Jean-Théodore Ranjivason, a fait savoir qu’il faudrait aller vers les élections le plus vite possible, « Car cette Transition n’a que trop duré, augmentant de jour en jour les souffrances de la population… ». L’annonce a été faite au cours d’un point de presse qu’il a donné à son bureau d’Ampefiloha.
Ancien ministre de la Fonction publique et actuellement membre de la Haute autorité de la Transition, Jean-Théodore Ranjivason déclare que son parti sera présent à toutes les élections qui vont conduire à l’avènement de la 4è République. « Nous nous sommes préparés depuis 2004 et je pense que cette préparation sera bénéfique. Ce qui est sûr est que nous aurons des candidats aux législatives, aux sénatoriales, aux régionales et aux communales étant donné que notre parti est déjà représenté dans près de 90% du territoire national. Pour la présidentielle, je pense que nous nous prononcerons au moment voulu… ».
Partie prenante et signataire de l’accord politique d’Ivato, Matsilo a encore été présent à la réunion politique de Vontovorona, laquelle était prévue aboutir à l’adoption d’un nouvel accord qui sera signé par tous les participants de la rencontre.
En attendant, Jean-Théodore Ranjivason avance déjà qu’on devrait s’atteler aux actions par la mise en place rapide des différentes structures ou institutions prévues « au lieu de tergiverser, car cela risquerait encore de faire traîner le processus de sortie de crise. Nous pensons que les uns et les autres ont la responsabilité de ne plus faire perdurer cette Transition. Qu’on mette en place toutes les institutions prévues, entre autres et surtout les deux chambres du Parlement de la Transition et le gouvernement d’union nationale pour qu’on puisse avancer ensuite vers l’organisation des différentes élections… ».
Non à l’impunité
A propos de ces consultations électorales, Matsilo suggère qu’après le référendum constitutionnel, on passe aux législatives puis à la présidentielle, aux communales, aux régionales et enfin aux sénatoriales qui seront suivies par les élections au niveau des « Fokontany ».
En ce qui concerne la prochaine conférence nationale, Ranjivason note que la question de la réconciliation nationale devrait y être débattue en priorité. « Il s’agira d’une réconciliation qui concerne tous les acteurs de la vie nationale dont l’Etat, les régions, les politiques, la société civile, les syndicats… et qui devrait être abordée en toute sérénité et dans la tolérance. Il est question de pardon mutuel entre les uns et les autres. Une fois qu’on aura réussi cette réconciliation, on pourra aborder la question de l’amnistie. Mais d’ores et déjà, nous tenons à souligner que le culte de l’impunité n’a pas sa place dans les débats qui seront tenus à ce sujet. Une des raisons pour lesquelles nous revendiquons aussi la mise en place le plus tôt possible de la Haute cour de Justice (HCJ)… ».
Outre la réconciliation nationale, la conférence nationale doit également et surtout se prononcer sur la nouvelle Constitution qui régira la 4è République. A cet égard, Matsilo préconise un Etat unitaire avec des régions autonomes mais interdépendantes. « Un partage des pouvoirs est indispensable et toute velléité de balcanisation des régions doit être exclue », a encore indiqué Ranjivason.
courrierdemada.com/
Alain Andriamiseza (MCDM) : Tsy nanao ilay sonia teny Vontovorona
Manao ny ala-nenina farany amin'ny fiantsoana ny CNOSC i Alain Andriamiseza mikasika ny tokony hanaovana ny fampihaonana ireo antoko politika rehetra.
Tsy araka ny nieritreretana azy tokoa mantsy ny zava nisy, satria dia anisan'ireo filohan' antoko politika tsy nanao ilay sonia teny Vontovorona ihany koa ny tenany. Raha ny vaovao fantatra mantsy dia ireo mpanao sonia teny Ivato ihany no mbola niverina nanamafy ny soniany teny an-toerana fa tsy nisy antoko hafa toy ny HPM. "Tsy misy dikany tokony nanaovana iny sonia iny rehefa tsy vonona ny antoko sasany", hoy izy.
Tsy mahamaika ny fametrahana ireo rafitra vaovao ao amin'ny tetezamita ireo, hoy i Alain Andriamiseza fa ny fanaovana ny fihaonambem-pirenena aloha no tokony hiezahana mafy miaraka amin'ny CNOSC sy ny Raiamandreny mijoro ary hiarahan' ireo antoko politika rehetra (ankolafy telo). "Tsy maninona io na "approche parti" na "approche mouvance", fa ny fanaovana azy io no zava-dehibe indrindra eto amin'ny firenena. Lasa diso mirona mankany amin'ny ady seza ny antoko politika rehetra, hoy ihany izy, nanamafy, ka adino tanteraka ny mikasika ny fihaonambem-pirenena, hany ka dia maika ery ny sasany hanao sonia na dia misy aza ireo antoko tsy mbola vonona amin' izany.
Arak'izany ary dia
mbola nanao ny ala-nenina farany amin' ny CNOSC ity mpanao politika ity, mba hijery haingana ny vahaolana hahafahana mifampiresaka amin'ny ankolafy sy hirosoana haingana amin'ny
fihaonambem-pirenena. Raha ny tena tokony ho izy hoy ihany izy nanamafy dia io aloha no nodinihina teny Vontovorona, fa tsy ny fizarana seza.
Miandry
ny CNOSC…
Zavatra tokona ihany no tena imasoana amin'izao fanaovana ny fifampidinihana izao hoy hatrany I Alain Andriamiseza tsy inona akory fa ny hahazoana ny fankatoavana iraisam-pirenena, mba hahafahan'ny mpamatsy vola manampy antsika amin'ny fampivoarana indray ny firenena, amin'izay fotoana izay dia mba hiarina ny fahavoazana maro mahazo ny vahoaka fa indrindra ireo very asa. Dia miandry ny fanapahan-kevitra faran'ny CNOSC izany ity farany.
courrierdemada.com/
Serge Zafimahova : "La reconnaissance internationale vers mi-octobre"
Selon
Serge Zafimahova, la Coordination nationale des organisations de société civile (CNOSC) est aujourd'hui en conclave. La reconnaissance internationale, d'après le plan expliqué par notre
interlocuteur, est à notre portée et sera acquise vers le milieu du mois d'octobre prochain si la démarche est rapidement adoptée par tous.
Alors que les négociations entre partis semblent partir en éclats ou, du moins, se présentent en ordre dispersé, la (CNOSC) poursuit son travail consécutivement aux résultats de la première phase
conduite à Vontovorona. Elle prépare en fait la deuxième phase de la médiation au cours de laquelle il s'agira de réunir tous les groupes de partis - exit les partis politiques et les mouvances -
et de déterminer une feuille de route et le cadre juridique consensuel de la transition. Cette deuxième phase doit s'achever par la cérémonie de signature du document adopté par tous les
groupes.
Quinze
(15) jours après, la CNOSC prévoit la tenue de la conférence nationale qui devrait ratifier l'accord convenu entre les groupes de partis. Quinze (15) autres jours après cette ratification
par la conférence nationale souveraine, le Groupe international de contact se réunira pour décider de la reconnaissance internationale, soit vers le milieu du mois d'octobre, indique Serge
Zafimahova. Il précise que ce calendrier a été discuté et convenu par la CNOSC avec la SADC et la communauté internationale représentée dans le pays.
A beaucoup d'égards, le pays a besoin de cette reconnaissance internationale. Faute d'aide budgétaire, les budgets des ministères ont été réduits de 44%, sans parler des conséquences de la
réduction du Programme d'investissement public (PIP).
Remous au sein du Tim : Une escroquerie politique selon Yvan Randrianasandratriniony
Dans un communiqué
en date du 1er septembre, le président national du parti Tim Yvan Randrianasandratriniony est monté au créneau pour mettre les points sur les "i", notamment sur la tenue du récent conseil
national qui s'est tenu au Palais de Verre Ankorondrano et qui a désigné Raharinaivo Andrianatoandro président national par intérim du parti. Aussi Yvan Randrianasandratriniony a-t-il précisé
qu'aux termes des statuts du parti, en son article 8.2.1., seul le Président national peut convoquer un conseil national, en conséquence le soi-disant conseil national qui se serait tenu à
Antananarivo à Ankorondrano, le 01 septembre 2010 dernier, est nul et non avenu. Il a fait noter que le quorum du bureau politique national n'était pas atteint pour cautionner la tenue dudit
conseil national qui a vu la présence de deux membres du bureau politique, en l'occurrence Raharinaivo Andrianatoandro et Kemba-zanany Annick.
Le président national du parti Tim de réitérer qu'il ne saurait tolérer que son absence provisoire du territoire nationale pour des raisons indépendantes de sa volonté soit source d'une
réorganisation illicite du parti Tiako i Madagasikara. En conséquence, il a déclaré illicite et sans valeur le soi-disant Conseil National du 1er septembre. Yvan Randrianasandratriniony estime
que, conformément aux règlements en vigueur régissant le parti, la prise de pouvoir de Raharinaivo Andrianatondro et consorts constitue une escroquerie politique pour des visées purement
personnelles.
basyvava.com/
Pr Ranjeva Raymond : nitondra ny vonjy aina teny Ambohitsaina !
Nanao famelabelaran-kevitra teny Ambohitsaina ny Pr Ranjeva Raymond io maraina io.Tamin'izany no nitondrany ilay "vonjy aina hoan'ny Oniversité", raha fehezina ny Vonjy aina araka ny nambarany dia lalankevitra heverina hanorenana Tetezamita tena izy hiampitana amin'ny firenena vaovao tiana haorina, tsara fototra sady tsara tantana ao anatin'ny mangarahara.Marihana fa feno hipoka ny efitrano nahitana ireo mpampianatra sy mpampianatra mpikaroka ary indrindra ireo tanora mpianatry ny anjerimanontolo.
UDR-ESCOPOL: Nifanaraka amin'ny isan'ny seza hifampizarana.
Taorian'ny fandavan'ingahy Andry Rajoelina ny ankamaroan'ireo soso-kevitra natolotry ny ESCOPOL dia nifanaraka indray ny UDR sy ESCOPOL fa 90 ny mpikambana ao amin'ny CST ary 256 ny ao amin'ny CT. MArihina fa miova koa ny anarana ka ny CST dia atao "Senat de la transition" ary ny CT kosa "Assemblée de la Transition". Mampatsiahy anay ny fifanarahana Addis Abeba e!
5 andro nifandrirariràna teny Vontovorona ireto karazana antoko politika izay miseho ho mahavita azy kanefa dia samy niala maina. Raha ny fahazotoana hanao sonia sy hanao ny fizarana seza aloha dia izy rehetra ireo no voalohany. Tsy misy manaiky ho gisitra e ! samy mba te hitantanana firenena avokoa, na ny antoko efa gaigy lahy amin’ny famitaham- bahoaka, na ny antoko vao miana-mandeha. Ny tsy nampoizin’izy ireo dia ny nandavan’ny filohan’ny tetezamita ilay fizarazarana seza be loatra. Antoko maherin’ny 200 amin’izao no nanao sonia ilay fifanarahana teny Ivato. Raha ny fanamarihan’ireo mpanao politika sasany izay aty ivelan’ny fifampidinihana dia nilaza mazava izy fa ny 20%n’ny mpanao politika izay nanao sonia ihany no antoko efa nisy hatramin’izay ary efa nandray anjara tamina fifidianana maro teto amin’ny firenena toy ny AREMA, AVI, Leader Fanilo, MTS, sns......
Raha ny 80% ambiny kosa dia toa natao hameno toerana sy seza fotsiny ihany fa saika antoko kely vao niorina tato anatin’ity krizy ity avokoa ny ankabetsahany. Asa aloha na noho ny tsy fahamatoran’izy ireo na noho ny fahamaizana diso tafahoatra, fa niala maina koa izy ireo mikasika ireto fizarana seza maro samihafa anisan’izany ny Praiminisitra lefitra izay nangatahan’izy ireo fa asiana Praiminisitra lefitra enina (6) isaky ny faritra teo ihany koa ny hamaroan’ireo handrafitra CST, santionany ireo fa maro be ireo seza izay nangatahan’izy ireo. Tao aorian’ny tsy fahombiazana tao anatin’izay dimy (5) andro izay dia izao sisa, mbetika toa te hiroso ka tsy te hahalala izay hiafarany fa natao ambenti-teny aza ny hoe “na manampy na tsia ny CNOSC sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena amin’ny fanaovana ny fihaonambempirenena dia hiroso hatrany izy ireo, dia nahazo toky tamin’izany ireto mpanao politika mbola vao mianamandeha ka horakoraka tsy nifankahitana ny tao anaty efitrano. Nidona tamin’ny rindrina anefa amin’izao ny andrin’izy ireo satria dia toa very an-javony teny am-pandehanana indray izany toky sy fanantenana maro be izany, noho ny fitsipahan’ny filohan’ny FAT hatramin’ny farany ity sonia izay nantenain’izy ireo mafy. Dia tena nitsefotra hatramin’ny farany indray izany ity resaka Vontovorona ity. Ny fotoana anefa mandeha ihany, ny famahana ny krizy mitarazoka aok’izany. Tsiahivina aminao mpamaky aloha fa satria efa nisy ilay sonia izay efa nankatoavin’ny fianakaviambem- pirenena, ka noho izany dia tsy maintsy sonia toy izany ihany koa no ahafahan’ny ao amin’ny ESCOPOL sy ny HAT maka indray ny fon’ny mpamatsy vola sy ny firenena maro any ivelany. Toa nandamoaka avokoa anefa izany rehetra izany tato ho ato. Raha ny vaovao farany fantatra dia mbola mitohy ny fifandresen-dahatra eo amin’ny roa tonta mahakasika ity fifanarahana vaovao ity.
Derniers Commentaires